Genesisy, Evanjely sy ny resaka evôlisiona vs famoronana, fizaràna fahafito

1. Nehemiah ( 30/04/2013 06:33)
"Ny voany no ahafantarana ny hazo" (Mt. 12:33b)

Inona, hoy ianareo, no vokatry ny fampianarana ny néo-darwinisme @ sekoly sy toeram-pampianarana ? Ireto misy vitsivitsy.

Mety efa henohenonareo ny momba ny vonomoka tany @ lisea Columbine tany Etazonia t@ 20/04/1999. Naka basy i Eric Harris, 18 taona, sy Dylan Klebold, 17 taona, mpikambana @ trench-coat mafia, ary nandeha tany @ lisea ka namono mpianatra 12 sy mpampianatra 1 ary nandratra olona 24, maro ny @'izy ireo no naratra mafy.
@ fomba ahoana ary no nitrangan'izay zava-doza izay t@ firenena kristiana indrindra @'izao tontolo izao raha ny statistika no jerena (tahan'ny isan'ny kristiana @ vahoaka lehibe indrindra, be fiangonana indrindra, be toeram-pampianarana kristiana indrindra, be mpanao pôlitika kristiana indrindra...) ? Marina fa malalaka ny fitondràna basy any Etazonia, fa tsy mahazava ny antony kosa izany.

Raha mijery ny lahatsoratra momba an'izay @ Wikipedia ianareo, dia ho hitanareo fa maro ny vinavina natao hanazavàna an'izao loza izao. Voasaina ny sasany (herisetra nianjady azy ireo tany @ toeram-pampianarana, aretin-tsaina,...) ary mahatsikaiky ny sasany (lalao vidéo, mozika hard rock...). Fa ny zavatra tsy ho hitanareo @ Wikipedia kosa dia ny zavatra nosoratan'i Harris t@ diariny t@ 26/04/1998 :

"Indray andro, izaho sy V (Dylan Klebold) dia hamaly faty ka hanafaingana ny fantina natoraly."



Tena nitondra T-shirt nisy soratra hoe "Natural Selection" izy t@ andron'ny vonomoka !
Ny fifantenana natoraly dia fizotra natoraly izay neverin'izy ireo ho miadana loatra, ka nieritreritra ny hanafaingana azy @ famonoany ny votsa saina sy ny olona tsy misahaza ka hahatonga ny lisea ho toerana tsara kokoa izy ireo. Ny tena mahatsikaiky @'izany dia namono-tena izy ireo t@ farany...

Nilaza koa i Cho Seung-hui, ilay nitifitra ka namono olona 32 tany @ oniversite Virginia Tech any Etazonia, fa môdeliny izy 2 lahy, izay heveriny ho martiora.



Malaza ratsy indrindra any Etazonia koa i Jeffrey Dahmer, ilay "mpihinan'olon'i Milwaukee", izay heverin'ny sasany ho serial killer malaza ratsy indrindra hatrizay. 17 ny lehilahy novonoiny manomboka t@ 1978 ka hatr@ 1991. Raha mijery ny lahatsoratra momba azy @ Wikipedia ianareo dia ho hitanareo fa nanaovany firaisana ny razan'ny ankamaroany ary nohaniny ny sasany. Fa ny zavatra tsy ho hitanareo @ Wikipedia kosa dia nivadika ho kristiana i Dahmer tany @ Columbia Correctional Institution tany Portage (Wisconsin). Ary izao no nolazainy 3 volana alohan'ny namonoana azy tany @ fonja :

"Raha mieritreritra ny olona iray fa tsy misy Andriamanitra afaka mitsara azy dia inona no ilàny ny mifehy ny fihetsiny mba tsy hihoa-pefy ? Izay aloha ny nieritreretiko. Nino ny fotopisainan'ny evôlisiona hatrizay aho, le milaza fa fotaka no niaviantsika rehetra. Nino aho fa rehefa maty isika dia izay, tapitra hatreo ny resaka...".

Ary marina mihitsy ny azy ! Raha ny evôlisiona ihany no zava-misy, raha manana ny hery hamono anao sy ny fahavononana hikaly anao ny olona iray, tsy misy afaka milaza azy hoe "Aza manao an'izay", satria izy no mafy ! Tsy misy fitsipi-pitondrantena ny fotopisainan'ny evôlisiona.

Ka mety miteny ianareo hoe : "Amerikana anie ireny, ny any dia tsy ahitàna afa-tsy herisetra tsy andro tsy alina ny tele !" Fa ahoana kosa ny momba an'ilay tovolahy Finlandey Pekka-Eric Auvinen, izay nitifitra basy ka namono olona 8 t@ lisean'i Jokela tany Finlande (izay tsy dia be heloka bevava raha ampitahaina @ firenena hafa any Eorôpa) ary namono tena avy eo ? Ireto misy filazàna vitsivitsy nataony t@ blaoginy :


"Kisendrasendra ny fiainana... ary vokatry ny fizotran'ny evôlisiona miadana be.
[...]
Ry mpivavaka, tsy misy ny Andriamanitrareo afa-tsy ao anatin'ny ati-dohanareo !
[...]
Mikatso tanteraka ny fizotran'ny fantina natoraly ankehitriny... Tsy maintsy averina @ laoniny ny fantina natoraly sy ny lalan'ny mafy indrindra (loi de la jungle) !... Izaho no ho mpifantina natoraly, ho vonoiko izay rehetra hitako ho tsy mendrika, henatry ny olombelona ary tsy fahombiazan'ny fantina natoraly.
[...]
Izaho no lalàna sy mpitsara ary mpampijaly. Tsy misy fahefàna ambony noho izaho !


Izy koa dia nanana an'izay tanjona izay, izany hoe ny manafaingana ny evôlisiona, ary raha tsy misy Andriamanitra, raha ny tena mahery ihany no tafita, inona no manakana azy hanao an'izay ?

Raha mbola tsy ampy anareo ihany izay dia ity koa misy ohatra hafa : t@ 22/07/2011, nanapoaka baomba t@ tranom-panjakàna tany Oslo ilay Norveziana Anders Behring Breivik ka namono olona 8, dia avy eo nandeha nitifitra olona 165 (farafahakeliny) tany @ Fikambanan'ny Tanoran'ny Parti travailliste tany @ nosin'i Utøya ka ny 69 @'ireny no maty (tanora ny ankabetsahany).
Nanoratra boky misy takila 1 518 sy teny 77 724 izy, mitondra ny lohateny "2083, Fanambaram-Pahaleovantena Eorôpeana", mba anazavana ny asa fampihorohoroany, ary manazava tsara mihitsy ny boky fa ny finoany ny eozenisma sy ny darwinisme ara-piaraha-monina sy ny finiavany hamonjy ny fahadiovan'ny fokom-pirenena fotsy hoditra @ "fahalovana zenetika" (degenerescence genetique) no nitarika azy.

Ka mbola mety manizingizina ny sasany hoe : "Ireny kosa anie olona tsy mahalala an'Andriamanitra e." Ka ahoana indray ny momba an'i Charles Templeton, ilay mpitandrina sy mpitory evanjely lehibe indrindra t@ tantaran'ny Canada ?


Izy no nanana hevitra voalohany ho an'ny "Campus Crusades for Christ", izany hoe tafika masina any @ oniversite. Aman'arivony ny mpianatra sy mpampianatra izay nanjary nanome ny fiainany an'i Kristy nohon'izay.
Kanefa, 20 taona taorian'izay dia namaky "The Origin of Species" ary nanaiky ny fotopisainan'ny evôlisiona izy. Izao mihitsy no noteneniny t@ namany sy mpitory evanjely amerikana Billy Graham rehefa nanasa azy hiatrika ny seminera teôlôjika any Princeton i Graham :

Ka izao anie, ry Billy, tsy azo atao intsony ny mino ara-bakiteny ny fitantaran'ny Baiboly ny Famoronana. Tsy noforonina tao anatin'ny andro vitsivitsy taon'arivo vitsivitsy lasa izay izao tontolo izao, fa samy mahafantatra fa vokatry ny evôlisiona nandeha nandritry ny tapitrisa taona ilay izy. Tsy azo iadian-kevitra izany satria zava-misy azo porofoina ilay izy.

Dia avy eo nampitandrina an'i Graham izy fa famonoan-tena ara-tsaina ny mandeha mitory ny tenin'Andriamanitra ho manam-pahefana ka tsy mipetra-panontaniana momba azy. Rehefa nianatra teôlôjia tany Princeton izy dia vao mainka nirodana ny finoany ny fitantaran'ny Baiboly, satria izay no ampianarina any. Farany dia narahiny hatr@ farany izay lalana izay, satria olona misaina izy, ary nariany ny finoany kristiana. Fotoana fohy talohan'ny nahafatesany no nivoahan'ny bokiny mitondra ny lohateny hoe "Veloma mandrakizay an'Andriamanitra". Hazavainy eo ny antony nahatonga azy hanary ny finoana kristiana, ary mifandray @ resaka fiandohàna ny ankabeazany.

Eritrereto anie : MATY @ MAHA-MPANARY AN'ANDRIAMANITRA IZY !!! Kanefa moa tsy azo lavina fa manaraka lôjika ny nataony : raha marina ny evôlisiona, tsy misy Andriamanitra.
novalian'i Nehemiah ny 01/05/2013 06:35
2. Nehemiah ( 30/04/2013 06:34)
Ity no rohy mankany @ fizaràna taloha ho an'izay liana :

http://forum.serasera.org/forum/message/m517e0d54919ab
3. Nehemiah ( 01/05/2013 06:35)
Io indray ny rohy mankany @ fizaràna manaraka :

http://forum.serasera.org/forum/message/m5180b7642e29c
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0627