Kristy mampifandrafy!

1. leva2 ( 27/04/2013 12:06)
Velona Jesosy!

Mat 10/34-37 :
Ary aza ataonareo fa tonga hitondra fiadanana ambonin’ny tany Aho; tsy tonga hitondra fiadanana Aho, fa sabatra.
Fa tonga Aho hampifandrafy olona amin’ny rainy, ary ny zanakavavy amin’ny reniny, ary ny vinantovavy amin’ny rafozanivavy;
ary ny ankohonan’ny olona ihany no fahavalony.
Izay tia ray na reny mihoatra noho ny fitiavany Ahy dia tsy mendrika ho Ahy, ary izay tia ny zanani-lahy na ny zanani-vavy mihoatra noho ny fitiavany Ahy dia tsy mendrika ho Ahy.


Tena mbola maro ankehitriny ireo mpino kristiana no rehefa sendra ny Tenin'Andriamanitra sarotra atelina, mafy andrahoina, saro-devonina sy "taolana" tahaka itony dia mampalahelo fa zary odian-tsy hita sy iodinana izany teny izany.
Asa raha mety efa nisy fotoana nandalo tamin'izany toerana izany koa ianao namana mamaky ity hafatra ity.
Eto nefa izao ohatra dia tena zava-dehibe ary PRIMORDIAL amin'ny fanarahana ny Tompo mihitsy ny hafatra entin'izany teny izany, ary tena ilaina ny mahatakatra izay hevitra fonosiny.

Mba ahafahantsika manampy ireny kristiana namana ireny, ento ary ny hevitrao sy izay fahazoanao ity Matio 10/34-37 ity.

Azonao entina eto koa izay teny hafa tahatahaka itony ka azonao itondrana fanazavana misimisy kokoa satria heveriko fa sehatra iray eto ahafahantsika mifanampy amin'izany.
novalian'i leva2 ny 28/04/2013 19:38
2. Nehemiah ( 27/04/2013 12:28)

leva2:

Tena mbola maro ankehitriny ireo mpino kristiana no rehefa sendra ny Tenin'Andriamanitra sarotra atelina, mafy andrahoina, saro-devonina sy "taolana" tahaka itony dia mampalahelo fa zary odian-tsy hita sy iodinana izany teny izany.

Amiko dia zavatra 2 no mety mahatonga an'izany :
_ na eboebo,
_ na finiavana tsy hanary ny ota ankafizina
Izay no mitarika ny olona hitady tsoa-kevitra hafahafa @ filazan'ny Baiboly, na milaza fa angano ny Baiboly na voasoratr'olombelona hoy aho hoy.

Nefa kosa tsy midika izao fa tokony milefitra @ vava avon'ny mpiondana sekta
3. Miharena ( 27/04/2013 16:46)
Raha io resak'i Jesoa io no raisina dia milaza ny fironan'ny olombelona izay mazava tsara raha vao tonga IZY hanambara ny fanjakan'Andriamanitra.
Fantatsika tsara fa ny anlamaroan'ny olona dia tsy nanao izay nitiavana an'Andriamanitra fa samy nanao izay sitrapony avy ankoatr'ireo mpanjaka sy mpaminany sasantsasany talohan'ny nahatongavan'ny Vaovao mahafaly.

Noho izany toejavatra izany dia izay manaraka AZY dia hankahala izay tsy manaraka fa mboa mitana ilay fomban-drazana izay ny Fariseo sy ny Sadoseo no tena nitana izany. Ao koa ireo olona izay tsy mino an'Andriamanitra izay lasa rafin'ny mpino.

Izany hoe fantatra ary mbola hitantsika taratra mandraka ankehitriny izany hoe vokatry ny fanambarana ny fahamarinana izany. Ary io no nasian'i Jesoa resaka teto.
4. didi10 ( 27/04/2013 17:35)

leva2:

Velona Jesosy!

Mat 10/34-37 :
Ary aza ataonareo fa tonga hitondra fiadanana ambonin’ny tany Aho; tsy tonga hitondra fiadanana Aho, fa sabatra.
Fa tonga Aho hampifandrafy olona amin’ny rainy, ary ny zanakavavy amin’ny reniny, ary ny vinantovavy amin’ny rafozanivavy;
ary ny ankohonan’ny olona ihany no fahavalony.
Izay tia ray na reny mihoatra noho ny fitiavany Ahy dia tsy mendrika ho Ahy, ary izay tia ny zanani-lahy na ny zanani-vavy mihoatra noho ny fitiavany Ahy dia tsy mendrika ho Ahy.


Tena mbola maro ankehitriny ireo mpino kristiana no rehefa sendra ny Tenin'Andriamanitra sarotra atelina, mafy andrahoina, saro-devonina sy "taolana" tahaka itony dia mampalahelo fa zary odian-tsy hita sy iodinana izany teny izany.
Asa raha mety efa nisy fotoana nandalo tamin'izany toerana izany koa ianao namana mamaky ity hafatra ity.
Eto nefa izao ohatra dia tena zava-dehibe ary PRIMORDIAL amin'ny fanarahana ny Tompo mihitsy ny hafatra entin'izany teny izany, ary tena ilaina ny mahatakatra izay hevitra fonosiny.

Mba ahafahantsika manampy ireny kristiana namana ireny, ento ary ny hevitrao sy izay fahazoanao ity Matio 10/34-37 ity.

Azonao entina eto koa izay teny hafa tahatahaka itony ka azonao itondrana fanazavana misimisy kokoa satria heveriko fa sehatra iray eto ahafahantsika mifanampy amin'izany.


Jeremia 3,9
3 Samia miaro tena amin'ny namany avy hianareo,
Ary aza misy matoky olona na dia ny rahalahy aza;
Fa ny rahalahy rehetra dia mamingana tokoa,
Ary ny namana rehetra mandehandeha manaratsy.

Je dois vous aimer mais pas vous faire confiance
5. leva2 ( 27/04/2013 21:59)

Miharena:

Noho izany toejavatra izany dia izay manaraka AZY dia hankahala izay tsy manaraka fa mboa mitana ilay fomban-drazana izay ny Fariseo sy ny Sadoseo no tena nitana izany. Ao koa ireo olona izay tsy mino an'Andriamanitra izay lasa rafin'ny mpino.

Izany hoe fantatra ary mbola hitantsika taratra mandraka ankehitriny izany hoe vokatry ny fanambarana ny fahamarinana izany. Ary io no nasian'i Jesoa resaka teto.

Velona Jesosy!

Dia miala tsiny aminao aloha namana Miharena fa izay fomba fijery izay ilay lazaiko etsy ambony hoe : "iodinana ny teny". Tsy resaka Fariseo sy Sadoseo mihitsy izy ity manoloana ny mpino sy ny mpanara-dia an'i Kristy.
Mazava be ny tenin'Andriamanitra namana ary aoka koa tsy hijery ny hafa mihitsy isika fa ny tenantsika dinihina manoloana izany teny izany : manan-dray ianao? manan-dreny? manan-drafozana? manan-janaka vavy? manan-janaka lahy? manana olona na zavatra izay heverinao fa faran'izay sarobidy indrindra aminao eto amin'ity tany fandalovana ity? Fantaro ary fa RAHA TIA IZANY OLONA, NA ZAVATRA IZANY MIHOATRA NY TOMPO IANAO DIA TSY MENDRIKA AZY, izany hoe tsy mpianany, tsy fantany sady tsy mahalala Azy, tsy kristiana marina fa kristiana sarisary ivelany fotsiny ary mamita-tena sy mandany fotoana.
Sabatra izany teny izany satria sady manindrona no mandidy maharary, saingy mazava ny tenin'i Jesosy ary tsy azo ovaina na ahodina na aolana.

Izao ary : andramo hoe namana isany ny miresaka ity verset ity amin'ny vadinao, na amin'ny olon-tianao, na amin'izay ankohonanao izay tena akaiky anao indrindra, vakio aminy fotsiny ohatra, dia ho hita eo ny réaction-ny.
6. Miharena ( 28/04/2013 04:37)
Marina ny voalazanao namana Leva2 ary manaiky tanteraka aho. Saingy anisan'ny fomba fijery iray io nomeko anao io ary tsy izaho ihany no manana io fa rehefa vakianao amin'ny olona io verset io dia izay no mivoaka avy ao amin'ny olona.

Ity ohatra mazava iray izay mampisy tokoa fiolonolonana

Jeremia 3,9
3 Samia miaro tena amin'ny namany avy hianareo,
Ary aza misy matoky olona na dia ny rahalahy aza;
Fa ny rahalahy rehetra dia mamingana tokoa,
Ary ny namana rehetra mandehandeha manaratsy


Ka andramo vakiana anie ilay verset raha tsy be dia be n hidrikina hoe dia atao aiza izany ny fihavanana? ny fifankatiavana? Hanao relijiozy daholo izany ve? sns...
7. didi10 ( 28/04/2013 10:45)
Tsy misy zavatra mifanohitra amin'ny sitrapon'Andriamanitra akory ireo Teny roa ireo fa mampianatra antsika hametraka an'Andriamanitra ho ambonin'ny zavatra rehetra, ambonin'ny ray, reny, zanaka, namana, havana, olon-tiana, ka na inona "sentiment ressenti" amin'ireny olona ireny na fitiavana na fahatokisana dia tokony ny Azy no "priorité".

Misy cas pratique kely ity.

Fony mbola tsy nanolo-tena ho an'Andriamanitra ity vehivavy iray manambady dia tratran'ny hasarota-piaro diso tafahoatra ka nahatonga aretina ho azy izany sady vao maika nahatonga fikorontanana tao amin'ny tokantranony, fa rehefa fantany fa "Sambatra izay mahatoky an'i Jehovah" dia nepetrany tamin'Andriamanitra ny fiainan-tokatranony ka Andriamanitra no natokisany amin'ny vavaka ataony ka rehefa tonga ny vadiny amin'ny hariva dia niova ny fihetsiny, tsy be fanontaniana sy maka L ohatry ny taloha intsony fa ampitsikiana sy fo ravoravo no hitsenany ny vadiny, tsy hoe afaka akory ilay tebiteby amin'ny mety hisian'ny olon-kafa any ho any fa fantany fa "Andriamanitra mahay ny zavatra rehetra" "manasitrana ny aretina rehetra", ary taty aoriana aza dia voatarika ho ao amin'ny Tompo koa ilay vadiny.







8. leva2 ( 28/04/2013 19:38)

didi10:

Tsy misy zavatra mifanohitra amin'ny sitrapon'Andriamanitra akory ireo Teny roa ireo fa mampianatra antsika hametraka an'Andriamanitra ho ambonin'ny zavatra rehetra, ambonin'ny ray, reny, zanaka, namana, havana, olon-tiana, ka na inona "sentiment ressenti" amin'ireny olona ireny na fitiavana na fahatokisana dia tokony ny Azy no "priorité".

Velona Jesosy!

Mahafinaritra ny fizaranao izany fanazavana izany namana fa hitanao ilay izy : RESAKA PRIORITE. Tsy miteny mihitsy akory Jesosy eto hoe ankahalao ny ankohonanao sy ny havanao, fa IZY aloha no tokony ho lohalaharana.
Nanome ohatra moa ianao, ilay miteraka fifandrafiana mantsy dia rehefa tsy mitovy ilay priorité eo amin'ny mpivady, na mpianaka, na mpifankatia. Mitranga izany rehefa tena kristiana ny andaniny ary kristiana sarintsariny ny ankilany, na tsy izy mihitsy fotsiny izao. Mampahatsiahy ilay hiran'ny AMPIFITIA - ilay valin-teny : https://www.youtube.com/watch?v=I0vET7Ym2kQ
Izany no hafatra hoe : ny tsara indrindra dia ny samy tena kristiana no miaraka sy mivady. Mitovy tanjona, priorité, lalana aleha mantsy amin'izay.
Raha tsy izay nefa no zava-misy, soso-kevitra ihany ny ahy ity : aza mandany andro miady hevitra na mifandresy lahatra am-bava, fa ny vavaka no tokony atao betsaka : mivavaha ho azy dia ho hitanao ny voninahitry ny Tompo.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0559