Moa ve ilaina ny manao asa fivalozana ny fahotana?...

1. smileyah ( 23/04/2013 08:05)
Moa ve ilaina ny manao asa fivalozana ny fahotana?
novalian'i moustaraf ny 05/05/2013 17:00
2. hery ( 23/04/2013 08:10)
Izay manimba dia manolo...
3. leva2 ( 24/04/2013 04:12)
Velona Jesosy!

Omeo aloha ilay famaritana ity "asa fivalozana" resahinareo e.
Raha misy tenin'Andriamanitra milaza azy no tena tsara.

Misaotra indrindra.
4. smileyah ( 24/04/2013 06:16)
Ny asa fivalozana dia asa na zavatra atao hanonerana ny fahotana natao rehefa nanenina mafy tamin'izany.
Ohatra ny zanak'Israely dia nifady hanina raha nahatsiaro tena ho diso.
5. toriteny ( 25/04/2013 01:29)

smileyah:

Ny asa fivalozana dia asa na zavatra atao hanonerana ny fahotana natao rehefa nanenina mafy tamin'izany.
Ohatra ny zanak'Israely dia nifady hanina raha nahatsiaro tena ho diso.


Définisser o kely aloha ilay hoe mivalo fa arakarak'izay ny valiteny afaka omena anao.

1)RAha mivalo = voavonjy ny fanahy no eritreretinao (ary tokony ho izay no izy) dia tsy ny asa no namonjena antsika sy hiakarantsika any an-danitra fa Jesosy Kristy irery ihany. Ka na hanao asa fanompoana hiala amin'ny 4 maraina ka tsy hody raha tsy amin'ny 12 alina aza ianao, na handany ny fanananao rehetra amin'ny asa fanompoana, REHEFA tsy manana Azy ianao dia tsy voavonjy, tsy voavela heloka
Hery>Jesosy efa ni-réparer sy nividy ny hadalantsika rehefa nofantsihina sy natsangana Izy fa tsy isiaka intsony no manao izany ka hanao ho tahaka ny olombelona hoe rehefa manao faute dia tsy maintsy migadra mi-payer ny faute nao

2)Raha vis-à-vis ny mpiarabelona sy ny samy kristianina (raha samy isiaka olombelona) dia eny angamba ny valiny mba hiavanana. Fa raha tena kristianina koa ve dia higadra ohatra? SAtria matoa ianao migadra (raha tsy hoe voahendrikendrika) dia nisy zavatra ratsy nataonao tao izany ka tokony hanoheranao ny fiarahamonina.
6. smileyah ( 25/04/2013 07:44)
Toriteny>> Eny misy ny olona "masina" (izay lazaintsika hoe clean). Nefa vitsy ireo olona toa izany.Jereo fa na ny apostoly niara-niaina t@ Jesoa aza mbola nanana ny fahalemeny (raha tsy hilaza isika afa tsy i Md Piera).
Noho izay fahalementsika izay (na dia kristianina aza mety ho tratry ny fakam-panahy @ maha-olombelona, na dia zavatra madinika aza oh: ny hevitra, ny teny, ...izay heverinao fa mety nefa mety mifanohitra @ sitrapon'Andriamanitra) dia nomen'i Jesoa fitaovana isika mba ahazoantsika famelan-keloka mba tsy hihatra amintsika ny sazy .
Tadidio ny nataon'ny vahoaka Israely raha nanenina t@ ratsy natao izy ireo dia tsy nibebaka fotsiny fa nifady hanina koa. Ary nankasitrahan'Andriamanitra izany.
Koa inona loatra no olana raha manao izany ny olona mba hahazo famelana?(oh: fanaovana asa soa @ mahantra, ny kamboty sy ny manano-tena,fifadian-kanina, fanompoana ny hafa sns...)
Moa ve ny fanaovana izany koa tsy fanehoana ny tena maha kristianina.

7. didi10 ( 25/04/2013 14:53)

hery:

Izay manimba dia manolo...


Mba hazavao kely hoe Hery ny hahavitan'ny fanaovana "Rainay izay any an-danitra (1) sy arahaba ry Maria (3)" hahasolo ny simba?
8. toriteny ( 26/04/2013 01:20)
smileyah:

Toriteny>> Eny misy ny olona "masina" (izay lazaintsika hoe clean). Nefa vitsy ireo olona toa izany.Jereo fa na ny apostoly niara-niaina t@ Jesoa aza mbola nanana ny fahalemeny (raha tsy hilaza isika afa tsy i Md Piera).

Tsy misy olona clean par défaut izany smileyah na iray aza a! Samy efa nanota sy mendrika ny ho faty daholo isiaka rehetra na dia ireo apostoly sy olo-masina lazainao aza. Miresaka olo-masina ihany ianao fa eto an-tany dia efa scellé ny destin antsika fa tsy hoe maty ny olona mpanota be iray dia afaka mbola avotana amin'ny vavaky ny velona ny fanahiny. TSy hoe koa ny canonisation ataon'olombelona akory no maha masina sy voavonjy ny olona iray, tsy ny fanaovany asa soa teo anivon'ny fiarahamonina ihany koa anefa. Fa ho avy any isiaka rehefa avy eo

smileyah:

dia nomen'i Jesoa fitaovana isika mba ahazoantsika famelan-keloka mba tsy hihatra amintsika ny sazy .

????????????
Smileyah a! tena matahotra ny aminao aho. Tena aza tezitra ianao raha hitenenako izany fa tena am-pitiavana no hanambarako anao an'izany. Na tsy maninona mitezera amiko, halao aho, hiadivo aho fa miverena lalana haingana, fa tsy io izoranao io no izy

Jesoa no fitaovana ahazoantsika famelankeloka fa tsy nanome fitaovana Izy. De toute façon, tsy ho ampy mihitsy ny zavatra kasainao hatao ary tsisy zavatra afaka ataonao à la hauteur izany famafana heloka izany. Ny zanak'Israely tsy nahavita izany, ianao tsy hahavita izany ary tsisy olombelona hahavita izany afa tsy Jesosy Kristy irery ihany. Tsy hoe nangalatra 1 000 fmg aho omaly dia honerako 1 000 000 fmg izany androany dia mino aho fa madio eo anatrehan'Andriamanitra

Fa tena manao tsinotsinona ny asam-pamonjena efa vitan'i Jesosy ianao raha mitady moyen hafa, surtout hoe moyen anao, hamafana ny helokao. Ohatran'ny midika izany hoe incompétent Izy sy tsy mandaitra loatra ny famonjena efa vitany.

Rom3:23-26:"fa samy efa nanota izy rehetra ka tsy manana ny voninahitra avy amin'Andriamanitra ,nefa hamarinina maimaimpoana (tsy misy contrepartie tadiaviny avy aminao hoe raha tsy manao an'izao ianao, raha tsy manao asa fivalozana ianao vao havelako ny helokao) amin'ny fahasoavany izy noho ny fanavotana izay ao amin'i Kristy Jesosy ,Izay nasehon'Andriamanitra tamin'ny rany ho fanavotana amin'ny finoana , hanehoana ny fahamarinany amin'ny tsy namalian'Andriamanitra ny fahotana lasa tamin'ny nandeferiny , mba hanehoana ny fahamarinany ankehitriny , mba ho marina Izy sady hanamarina izay manana finoana an'i Jesosy.
Efe2:8:" Fa fahasoavana no namonjena anareo amin'ny finoana ; ary tsy avy aminareo izany , fa fanomezana avy amin'Andriamanitra ;tsy avy amin'ny asa , fandrao hisy hirehareha"

smileyah:

Tadidio ny nataon'ny vahoaka Israely raha nanenina t@ ratsy natao izy ireo dia tsy nibebaka fotsiny fa nifady hanina koa. Ary nankasitrahan'Andriamanitra izany.

Ny zanak'Israely tsy nanana an'i Jesosy nandatsaka ny ràny hamonjena azy ireo. Ianao manana Azy dia ampiasao ny ràny fa efa nomeny anao MAIMAIMPOANA izany ho fanavotana TOKANA anao.


smileyah:

Koa inona loatra no olana raha manao izany ny olona mba hahazo famelana?(oh: fanaovana asa soa @ mahantra, ny kamboty sy ny manano-tena,fifadian-kanina, fanompoana ny hafa sns...)Moa ve ny fanaovana izany koa tsy fanehoana ny tena maha kristianina.

Averiko indray: Jesosy irery ihany no afaka mamela ny helokao. Ampidiro eo amin'ny fiainanao Izy aloha dia rehefa TENA SUR ianao fa kristianina amin'izay (Satria hamafisiko ny tenin'i Tefigasy atsy ambadika hoe mbola tsy nandray ny Tompo ianao raha ny famakiako anao, mbola tsy ao aminao ny Fanahy MAsina) dia manaova amin'izay an'ireo notanisainao etsy ambony ireo, ho fisaorana sy ho reconnaissance noho ny namonjen'ny Tompo anao fa tsy hitadiavana famelan-keloka.

Misy lien ito mikasika ny niveau ny olona amin'ny finoana. Raha ny fahalalako anao dia mbola ao amin'ilay resahina ao amin'ny II A (Enga anie ka tsy ho izay). Midira amin'izay amin'ny étape manaraka fa mbola tsy voavonjy ianao raha mitoetra amin'io toeranao io

http://forum.serasera.org/forum/message/m50ec1cbc03d3a
9. leva2 ( 26/04/2013 05:33)
Velona Jesosy!

Marina fa mamporisika antsika hiari-tory sy hifady hanina ary hivavaka ny tenin'Andriamanitra.
Atao izany rehefa mandalo fotoan-tsarotra ohatra ny kristiana, na miatrika ady goavana, na manoloana ny adim-panahy mahery vaika. Ilaina izany satria hanovozana herim-panahy hoentina miatrika ny fotoan-tsarotra sy ny ady ny fifantohana amin'ny vavaka. Fanomezana tombon-dahiny ny ara-panahy izany ary mampandefitra ny ara-nofo (torimaso, sakafo ...)

Efa mazava tsara ny voalazan'ny namana teo aloha fa tsy lalana ahazoana ny famonjena nefa io, tsy fomba atao handraisana famelan-keloka velively.
10. smileyah ( 26/04/2013 06:19)
Matoa nanaiky hatao batemy dia tsy mahavonjy tena. Finoana izany fa ny Tompo no mpamonjy.
Koa raha nifady hanina ny vahoaka Israely mba hanonerany ny fahotany rehefa nahatsiaro ho diso izy ary nifona ary nihevitra koa fa tsy hivadika intsony.Moa tsy navelan'Andriamanitra ny hadisoany ary tsy nampihariny taminy ny sazy? Impiry nanota ny zanak'Israely nefa Andriamanitra tsy namela azy ho very fa nitady ny hahavonjy azy foana.
Moa tsy novakianareo va fa Andriamanitra tsy miova omaly anio ary mandrakizay?
Ny finoanao an'i Jesoa ho mpamonjy no mahatonga anao hanonitra ny fahotanao.
Tsy novakianareo va ny tantaran'i Zaké? Honerako hoy izy izay rehetra tsy nety nataoko.Dia ahoana hoy i Jesoa? Moa ve tsy fampianarana tian'i Jesoa haraintsika izany? Tsy izany indrindra aza no mampiseho fa vonona hiova?
11. toriteny ( 26/04/2013 06:35)
efa novaliako ilay batisa atys ambadika
12. hery ( 26/04/2013 06:41)

didi10:

Mba hazavao kely hoe Hery ny hahavitan'ny fanaovana "Rainay izay any an-danitra (1) sy arahaba ry Maria (3)" hahasolo ny simba?


Tsy haiko fa izaho tsy Andriamanitra :-)

Ny fantatro fotsiny hoe rehefa misy vera vakiako any amin'ny restaurant dia tsy maintsy soloiko iny ka ny fomba hanoloako azy mety samihafa:
- Mividy vera mitovy amin'iny dia soloina ny veran'olona
- Manome vola mitovy vidy amin'ilay vera vaky
- Miteny amin'ny tompom-bera hoe tsy manam-bola aho izao fa rehefa manam-bola aho soloiko (mila mifampatoky)
- Miteny am-pahatsorana hoe tena miala tsiny fa vaky ilay vera, hiezaka ny tsy hanao intsony amin'ny manaraka. Raha manaiky moa ilay tompony dia mety hiteny hoe "mandehana re fa tsy maninona iny", dia aza manao intsony amin'ny manaraka.

Dia eritrereto hoe Andriamanitra no tompom-bera, be famindram-po kokoa sy fitiavana kokoa :-)

13. toriteny ( 26/04/2013 06:52)

smileyah:

Tsy novakianareo va ny tantaran'i Zaké? Honerako hoy izy izay rehetra tsy nety nataoko.Dia ahoana hoy i Jesoa? Moa ve tsy fampianarana tian'i Jesoa haraintsika izany? Tsy izany indrindra aza no mampiseho fa vonona hiova?


Zakaiosy nangetaheta hihaona tamin'i Jesosy izy, nitady Azy par tous les moyens ary hitan'i Jesosy izany fangetahetany hovonjena izany no nahatonga Azy hanantona azy sy hamonjy azy ka hiantrano tao aminy. Ilay famonjena aloha no notadiaviny(Jesosy) vao nanao asa izy fa tsy ny contraire.
14. didi10 ( 26/04/2013 12:29)

hery:


didi10:

Mba hazavao kely hoe Hery ny hahavitan'ny fanaovana "Rainay izay any an-danitra (1) sy arahaba ry Maria (3)" hahasolo ny simba?


Tsy haiko fa izaho tsy Andriamanitra :-)

Ny fantatro fotsiny hoe rehefa misy vera vakiako any amin'ny restaurant dia tsy maintsy soloiko iny ka ny fomba hanoloako azy mety samihafa:
- Mividy vera mitovy amin'iny dia soloina ny veran'olona
- Manome vola mitovy vidy amin'ilay vera vaky
- Miteny amin'ny tompom-bera hoe tsy manam-bola aho izao fa rehefa manam-bola aho soloiko (mila mifampatoky)
- Miteny am-pahatsorana hoe tena miala tsiny fa vaky ilay vera, hiezaka ny tsy hanao intsony amin'ny manaraka. Raha manaiky moa ilay tompony dia mety hiteny hoe "mandehana re fa tsy maninona iny", dia aza manao intsony amin'ny manaraka.

Dia eritrereto hoe Andriamanitra no tompom-bera, be famindram-po kokoa sy fitiavana kokoa :-)




Izao mantsy hoy i Mompera rehefa avy mikonfesy, ny asa fivalozana ataonao dia arahaba ry maria 3 sy rainay any an-danitra 1. Dia lasa isika mandohalika dia rehefa vita izay dia voaefa tokoa ve ny nosimbaina?
15. Nehemiah ( 26/04/2013 14:15)
Sarotra ny miaiky fa ny finoana ihany no mahavonjy fa tsy ny asa.
16. moustaraf ( 05/05/2013 17:00)
Salama namana,
Ny olana foana rehefa hanazava hevitra momba ny baiboly (ny fahitako azy) dia avahana foana ny traitement sy ny fandinihana dia ny Boky taloha , ary ny boky vaovao!
-Fivalozana no resaka eto; "izany hoe Miaky ny fahadisoana, tsy te hamerina intsony, ary fonona ny hanonitra ny fahadisoana"

Raha ny boky taloha no vakiana dia MAZAVA BE io fiekena heloka sy fanadiovana io; ary izany fomba izany ihany no notanterahin'ny Mpamonjy rehefa tonga teto an-tany izy;
1. Ota tsy nahy sy ota tsy fantatra ihany no misy famelan-keloka
2. Mitondra biby(omby, na ondry, na osy, na...) ilay mila fanadiovana
3. Entina eo @ toerana voatokana "misy ny anarany", sy ny mpisoroana
4. Apetraka @ lohan'ny biby ny tanana ary miaky ny heloka
5. VONOINA (alatsaka rà) ilay biby nametrahana tanana fiekena heloka
Ny ràn'ny biby no mitondra ilay heloka rehefa nafindra
6. Afafay @ trano lay ny rany ,sy atentina @ tandrokin'ny alitara
7. DORANA ny nofon'ilay biby, ary hoanin'ny mpisorona

IZANY no taloha,fa ahoana kosa ny ankehitriny? Niova ve io?
TSIA! Lalàna mandrkaizay io!
Io lalàna io no nahafaty ny "zanak'ondry tsy misy kilema" ary ahazahoana famonjena!
Izy no omby lahy, izy no osy lahy, izy koa no mpisorona, izy no mpisorona be mandrakizay; dikany: misy koa ny fisoronana mandrakizay; ary izany fisoronana izany no azahoana famelan-kelona!

Raha misy mitory fa tsy misy intsony ny fisoronana dia "mazava be fa milaza izany hoe: tsy misy famelan-keloka koa"; ny sorona biby no tsy misy!

io procédure fiekena heloka taloha io dia mbola miverina aty @ andron'i Mesia sy ny APOSTOLY, ary mandrakizay.

AHOANA ARY NY FAHATANTERAHANY???
Ampy veny milaza hoe :voavela ny heloko! Mino (tena mino) aho fa voavela heloka? nefa tsy manaiky ny procédure?

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.2141