Nitsangana par silence

1. didi10 ( 16/04/2013 09:32)
Hoy i Paoly hoe: Raha tsy nitsangana tamin'ny maty i Kristy dia foana ny toriteninay ary foana ny finoanareo, misy fanontaniana manitikitika ahy ry namana:

Raha nitsangana mangingina tao Jesosy ary tsy niseho tamin'iza na iza ary tsy nisokatra ny fasana ka tsy nisy nahita ny nitsanganany; moa ve!!!

1- Niankina tamin'ny porofon'ny fitsanganaNY ny maha Tompo zanak'Andriamanitra velona Azy?
2- Mety ho maty momoka teo ny "christianisme" satria tsy hita porofo fa nitsangana Izy?
novalian'i Nehemiah ny 26/04/2013 13:27
2. bor2lais ( 16/04/2013 11:46)
Mba raharaha koa ity "RAHA ..." ity ka ! :-)
3. Nehemiah ( 16/04/2013 13:17)
Zava-dehibe indrindra tokoa ny fitsanganan'i Jesoa t@ maty.

Raha finoana anjambany ny finoana kristiana dia tsy mba niseho t@ Maria Magdalena, ny Mpianatra, ny olona 500+ ary i Paoly Izy. Kanefa mariho tsara fa voaova tanteraka ny toetran'ny Mpianatra sy ny an'i Paoly, izay kanosa lahy sy mpanenjika kristiana respectivement ka nanjary mahery fo sy mahasahy miatrika ny fampijaliana sy ny fahafatesana mahatsiravina. Inona moa no azo anazavàna an'izany raha tsy nahita an'i Jesoa nitsangana t@ maty izy ireo ?

Ny fanontaniana faha-2 dia mahalasa eritreritra tokoa. Namokatra docu ny mpanatontosa sarimihetsika Josy Simcha Jacobovici sy i James Cameron, ilay mpanatontosa ny sarimihetsika "Titanic", ary nilaza izy ireo fa nahita ny fasan'i Kristy miaraka @ sisan-taolany tany Talpiot, izay tanàna @ banlieue-n'i Jerosalema. Ka raha marina izany dia tsy tafatsangana ara-batana @ maty Jesoa ???
Kanefa rehefa kororohina tsara ny filazan'izy roa dia tsy misy fotony : nanaovany interprétation fôpla ny zavatra hitany.

Ny tiako iaviana dia tokony tsy évidentialistes loatra isika kristiana fa présuppositionnalistes. Marina fa misy ny porofo manohana ny finoana kristiana, fa kosa tsy tokony ho voahozongozona mihitsy ny finoantsika rehefa milaza nahita zavatra manohitra ny finoana kristiana ny mpandà an'Andriamanitra. Tadidio fa ny axiome iaingan'izy ireo dia hoe tsy misy Andriamanitra, ary ampandalovina @'izay filtre izay ny fisainany rehetra. Kanefa mazava ho azy fa Andriamanitra no namorona izao tontolo izao ary raha ny hevitra hoe tsy misy Izy no iaingàna dia voaozona hanao interprétation tsy mifanaraka @ zava-misy izy ireo (ary izay koa no mahavoa mafy ny fotopisainan'ny evôlisiona).
4. Miharena ( 17/04/2013 07:58)

Ny tiako iaviana dia tokony tsy évidentialistes loatra isika kristiana fa présuppositionnalistes. Marina fa misy ny porofo manohana ny finoana kristiana, fa kosa tsy tokony ho voahozongozona mihitsy ny finoantsika rehefa milaza nahita zavatra manohitra ny finoana kristiana ny mpandà an'Andriamanitra.Tadidio fa ny axiome iaingan'izy ireo dia hoe tsy misy Andriamanitra, ary ampandalovina @'izay filtre izay ny fisainany rehetra. Kanefa mazava ho azy fa Andriamanitra no namorona izao tontolo izao ary raha ny hevitra hoe tsy misy Izy no iaingàna dia voaozona hanao interprétation tsy mifanaraka @ zava-misy izy ireo (ary izay koa no mahavoa mafy ny fotopisainan'ny evôlisiona

Izaho indray mahita hoe rehefa manao lahakevitra toy ity ny namana Nehemiah dia tsapako fa tsy tena Mpino Kristianina fa mino soratra na hevitra Kristianina.

Raha amin'ny loha-hevitra indray, dia ny fametrahana ny teny hoe RAHA... dia efa anisan'ny sehon-kevitra fotsiny ihany fa tsy miteraka famakafakana marim-pototra tokony hozaraina ho an'ny rehetra.
Fa na izany na tsy izany, hatrami'nizao ny ankamaroan'ny namana maneho hevitra dia mitfototra amin'y tantara avokoa fa tsy maneho ny finoana miasa sy manome vokatra.

Anisan'ny tiana ho renesina ohatra izany hoe : ahoana no fisehon'ny Fanahy Masina ankehitriny, Ny Fisehon'i Jesoa ankehitriny, ny Fisehon'Andriamanitra ankehitriny (fa tsy hoe : hoy ny Baiboly ... fa manjary mamerin-teny ka mankaleo ny mpamaky sy ny mpihaino)
5. Nehemiah ( 17/04/2013 08:21)
Ny mahavoa anao dia ny mieritreritra fa mifanohitra ny finoana sy ny fisainana, ary tokony mba esorina @ sain'ny olona @'izay izany.
6. Miharena ( 17/04/2013 08:45)
Tsy mahavoa ahy ilay izy ka! Io mihitsy no fitaovana hahafahana mihataka ka hahafantarana ny finoana marina tsy ho voafangaro amin'ny fisainana na ho voalotony.

Andramo ampanginina ny fisainanao dia hitanao fa hipoitra tsara sy hiorimpaka ny finoanao ary azonao zaraina tsara amin'ny namanao. Fa ampianaro aloha izy hampangina ny fisainany sy ny fieritreretany ary ny fanontaniana adaladala araka ny resak'i Paoly.

7. didi10 ( 17/04/2013 09:35)

Miharena:

Izaho indray mahita hoe rehefa manao lahakevitra toy ity ny namana Nehemiah dia tsapako fa tsy tena Mpino Kristianina fa mino soratra na hevitra Kristianina.


Tena mitovy fijery amin'ny namana Miharena aho eto, toa amin'ny hevitry ny mpanoratra "scientifique" "philosophe" sy mpandalina maro foana no hanohanao hevitra fa tsy misy hevitra mazava avy aminao manokana, fa maninona namana Nehemia?
8. bor2lais ( 17/04/2013 11:22)
Io fa mampitsangana par silence an-dradidi ianareo a ! :-)
9. Nehemiah ( 17/04/2013 12:20)

didi10:

Tena mitovy fijery amin'ny namana Miharena aho eto, toa amin'ny hevitry ny mpanoratra "scientifique" "philosophe" sy mpandalina maro foana no hanohanao hevitra fa tsy misy hevitra mazava avy aminao manokana, fa maninona namana Nehemia?

Inona aloha no alahelonao amiko ?
10. leva2 ( 21/04/2013 06:58)
Velona Jesosy!

Ny mba hitako ho valin-teny namana didi10 dia ireto :
1- Jesosy dia efa nilaza tamin'ny mpianany matetika ny hahafatesany sy ny hitsanganany tamin'ny maty. Ny finoana izay nolazainy dia tokony ho ampy, na tsy nanome porofo intsony aza Jesosy fa tena nitsangana tokoa izy. Saingy tsy navelany tsy hiseho ny halehiben'ny voninahiNY.
2- Mety ho vitsy lavitra noho izay hita amin'izao tokoa aloha ny atao hoe kristiana. Fa raha resaka porofo, moa ve misy tsara indrindra mihoatra noho izay nasehoNY teo amin'ny fiainako sy ny fiainanao manokana? Tahaka ilay jamba nampahiratin'i Jesosy io : "zavatra iray loha ihany no fantatro: jamba aho teo aloha, fa mahiratra aho izao" Jao 09/25.

Amiko manokana, fahadalana sy zava-poana ary fandaniam-potoana sy vola fotsiny ny fikarohana arkeolojika, ny fitrandrahana boky tantara sy siansa hanaporofoana fa Jesosy no Tompo. Ampy sy feno hinoako sy hanarahako AZY izay efa asehony ahy eo amin'ny fiainako isan'andro.
11. Miharena ( 23/04/2013 14:32)
Efa miditra amin'ny finoana pratika ny tena kristianina ary ny fifanenjehana dia isan'ny hahitana taratra fa mpanohan-kevitra fa tsy Mpino ny olona mionona ho Kristianina iray. Toy ny tamin'ny andron'y Paoly sy Apolosy io. Tsy i paoly no inona, na i Apolosy fa Jesoa ihany no tokony harahana tsara araka ny hitsiny ara-panahy fa tsy ara-nofo.
12. Nehemiah ( 26/04/2013 13:27)

leva2:

Amiko manokana, fahadalana sy zava-poana ary fandaniam-potoana sy vola fotsiny ny fikarohana arkeolojika, ny fitrandrahana boky tantara sy siansa hanaporofoana fa Jesosy no Tompo.

Mariho tsara ny teniko fa izay no mampihomehy sy mahatsikaiky ny mpandà an'Andriamanitra @ Kristiana : mino an-jambany.

Fa tsy izay ny tena finoany.

Raha ampy ny "finoana" voalazanao, maninona fotsiny i Jesoa no nanao fahagagàna sy niseho t@ mpianany t@ fitsanganany @ maty ? Manakaiky kokoa ny fomba finoan'ny Silamo ny anao fa tsy ny finoana nolazain'i Kristy.

Na dia i Petera, t@ andron'ny Pentekôsta, dia nilaza ny olona fa nanao fahagagàna i Jesoa ary hitan'ny mason'izy ireo izany. "Tiava an'Andriamanitra @ fonao, sainao sy fanahinao".

Fa mety izay angamba no maha-marefo ny finoan'ny gasy ankapobeny : tsy marim-pototra.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0472