Mpanakanto ara-pilazantsara

1. leva2 ( 15/04/2013 07:19)
Velona Jesosy!

Hita fa marobe ankehitriny no nomen'ny Tompo talenta amin'ny fihirana sy fitendrena hira ara-pilazantsara. Misy misera eto amin'izy ireny, ka mba te hanentana indray aho ho fanitarana ny ambaindain'ny fitoriana an'i Kristy, ny hanaovantsika raki-tsary, na raki-peo, na karaoke ireny hira hiraintsika any amin'ny fiangonana misy antsika avy ireny, ireny hira ara-pilazantsara ireny.
Mahita ihany aho mpitory teny mandeha any ambanivohitra any, tsy afaka mitendry na tsy mahita mpitendry ka dia manomana raki-peo ny feon-kiram-piangonana. Hita ihany koa fa tia karaoke ny tanora malagasy ka raha karaoke hiderana ny Tompo, moa hisy tsara noho izany? Azo atao ihany koa ny mandefa izany amin'ny video projecteur ao am-piangonana, na aiza na aiza rehefa fotoan-dehibe, na andro tsotra koa aza moa raha misy ny fitaovana.

Ny azo antoka dia ity : "Tsy foana tsy akory ny fikelezanareo aina ho an'ny Tompo" I Korintiana 15:58
novalian'i leva2 ny 21/04/2013 06:29
2. bichette ( 17/04/2013 11:59)
ie, tokony hisy karaoke hira mpivavahana gasy ! aiza no mety ahitana an'ireny ?
3. bor2lais ( 17/04/2013 12:13)
Iny fa nisy namana "nitsangana par silence" ô ! ;-)
4. leva2 ( 21/04/2013 06:29)
Velona Jesosy!

Izany indrindra no anentanana ny mpitendry sy ny mpanakanto ara-pilazantsara fa lalana iray ahafahana manitatra ny asa fitoriana koa izany, saingy indrisy fa mbola tsy misy mitrandraka loatra.
Ny play-back hira fanampiny izao no misy amidy, ny an'ny katôlika angamba tsara anontaniana ny namana Hery.
Ny mpanakanto ara-pilazantsara dia tokony hahatsiaro mandrakariva fa talenta avy amin'ny Tsitoha izany, ary nomeny maimaim-poana mba hozaraina maimaim-poana (fa tsy hitadiavam-bola).
Ny tenin'Andriamanitra izay toriana amin'ny alalan'ny hira dia tsy nisoratan'i ry Paoly sy Petera tamin'ny OMDA akory ka nitakiany ny zon'ny mpamorona, FA ANDRIAMANITRA NO TOMPON'NY TENY.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0496