Moa ve ireo fijaliana sy fahoriana mianjady amints...

1. smileyah ( 12/04/2013 14:10)
Moa ve ireo fijaliana sy fahoriana mianjady amintsika isan'andro ireny heverintsika ho famaizana avy amin'Andriamanitra sa fahasoavana avy amiNy koa?
répondu par Nehemiah le 13/04/2013 08:36
2. Miharena ( 12/04/2013 14:45)
Ny fandrindram-piainan'ny olombelona ihany no mahatonga fahoriana fa tsy misy famaizana na iray aza ireny. Hevitra iray izay.
3. Nehemiah ( 12/04/2013 14:52)
Ao izao ny nanjo an'i Joba, ary tsy famaizana an'i Joba mihitsy ny loza nianjady t@ fa fizahan-toetra. Tsy avy @'Andriamanitra ilay izy fa avy @ Satana.

Kanefa ao koa izao ny nahafatesan'ny zanak'i Davida sy Batseba voalohany. Nataon'Andriamanitra mazava tsara fa famaizana ilay izy.

Araky ny tenin'i Smileyah, raha tsy manaraka ny sitrapon'Andriamanitra ny fandrindram-piainantsika, tsy maintsy avy foana ny famaizana @ farany, ary fitiavany antsika no anaovan'Andriamanitra an'izany. Kanefa tsy voatery famaizana foana ny fahoriana rehetra manjo antsika satria mivelona @ tontolo lavo sy lon'ny ota isika.
4. sitlo ( 12/04/2013 16:31)
smileyah:
Moa ve ireo fijaliana sy fahoriana mianjady amintsika isan'andro ireny heverintsika ho famaizana avy amin'Andriamanitra sa fahasoavana avy amiNy koa?


Fandementsaina io amiko. Dilirina mihitsy ny sain'ny olona tsy hanana herin-tsaina hiezaka intsony dia lasa miankin-doha amin'ny fampanantenana sisa.
5. Nehemiah ( 13/04/2013 06:08)
Misy fanontiako izay mbola tsy novalianao : iza no tena nahomby ? Malcolm X sa Martin Luther King ?
6. sitlo ( 13/04/2013 08:24)
Tsy dia mila valiana hoy aho ny fanontaniana tsy misy dikany.
7. Nehemiah ( 13/04/2013 08:36)
Ha ha ha, tsy misy dikany @ ahoana indray e ? Sa tsy te-hiaiky fa diso ?
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.1362