Avy amin'ny fahasoavana ny tena fahamasinana !

1. Nehemiah ( 11/04/2013 13:11)
Avy @ fahasoavana ny tena fahamasinana !

Tsara ny manamarika fa betsaka ny kristiana matahotra ny fahasoavana. Tsy eken'ny sainy ny fahatanterahan'ny fahasoavan'Andriamanitra @ Kristy. Rehefa lazaina izy ireo fa Andriamanitra dia namela ny helony rehetra @ Kristy ka raha manota dia tsy ho isain'i Jehovah ary tsy hohelohiny (2 Kor. 5:19, Heb. 10:16-17, Rom. 4:7-8 sy 8:1)), dia tonga dia manizingizina ny fitandremana ny lalàna izy ireo satria mieritreritra fa tafaraka @ fahasoavana ilay izy.

Ny ao an-tsainy dia hahatonga fihoaram-pefy sy fanamavoana ny Lalàna ary fiainana tsy vanona ny fahasoavana, kanefa tsy misy fotony izay hevitra izay satria Fanekena hafa tanteraka ny Fanekena Vaovao, mifototra @ fankatoavana lavorarin'i Kristy (Rom. 5:19) ary ny asany lavorary teo @ hazofijaliana.

Ny Fanekena Vaovao dia Fanekena mifototra @ fahasoavana. Hafa ny fanomezana sy ny fampianarana ho an'ny "fanekena ny finoana".


Rom. 16:25-26 : "Ary ho an’ izay mahay mampahery anareo araka ny filazantsarako sy ny fitoriana an’ i Jesosy Kristy, araka ny fampisehoana ny zava-niafina, izay voàfina hatry ny fony fahagola, fa efa naseho ankehitriny tamin’ izay soratry ny mpaminany, araka ny didin’ Andriamanitra mandrakizay, ka nampahafantarina any amin’ ny firenena rehetra hahatonga fanekena ny finoana"

Tsy araka ny finoana ny Lalàna !

Gal. 3:12 : "Ary ny lalàna tsy araka ny finoana; fa izay mahatandrina izany no ho velona aminy [Lev. 18. 5]."

Ny "fanekena ny finoana" dia ny fankatoavana sy ny finoana ny filazantsaran’ny fahasoavan’Andriamanitra na ny tenin’ny fahasoavany izay nomen'i Kristy Ilay nasandratra t@ Paoly Apôstôly.

Rom. 6:17-18 : "Ary isaorana anie Andriamanitra, fa na dia efa mpanompon’ ny ota aza hianareo, ny fonareo dia efa nanaraka ny fomban’ ny fampianarana (ny tenin’ny fahasoavany) izay nanolorana anareo; ary rehefa natao afaka tamin’ ny ota hianareo, dia tonga mpanompon’ ny fahamarinana.

Ny mino ny tenin’ny fahasoavany dia mahatonga antsika ho mpanompon'ny fahamarinana sy mpanompon'Andriamanitra ! Raha lazaina @ fomba hafa dia avy @ fahasoavana ny tena fahamasinana !

Rom. 6:22 : Fa ankehitriny, rehefa natao afaka tamin’ ny ota hianareo ka efa tonga mpanompon’ Andriamanitra, dia manana ny vokatrareo ho amin’ ny fahamasinana, ary ny farany dia fiainana mandrakizay.

Ny mino "ny filazantsaran’ny fahasoavan’Andriamanitra" dia mahatonga antsika ho marina ary entanina hivelona @ fahamarinana @ voalohany ka hatr@ farany isika.

Rom. 1:17 : Fa amin’ izany no anehoana fahamarinana avy amin’ Andriamanitra avy amin’ ny finoana sy ho amin’ ny finoana, araka ny voasoratra hoe: Ny marina amin’ ny finoana no ho velona [Na: Ny marina ho velon’ ny finoana][Hab. 2. 4].

Inona angaha no heverinao ho anton'ny ilazan'ny Baiboly hoe :
"Ny marina ho velon’ ny finoana" (Rom. 1:17).
"Raha tsy amin’ ny finoana, dia tsy misy azo atao hahazoana sitraka aminy" (Heb. 11:6a).
"Tongava aminareo araka ny finoanareo" (Mt. 9:29b).
"Miadia ny ady tsaran’ ny finoana" (1 Tim. 6:12).

Ny antony dia tsotra : satria raha eo ambanin'ny Fanekana Vaovaon'ny Fahasoavana isika dia tsy ny fankatoavantsika ny Lalàna no ahazoantsika famonjena na fitahiana fa ny finoantsika sy fankatoavantsika ny fampianaran'ny fahasoavan'Andriamanitra na ny tenin’ny fahasoavany.

Milaza i Paoly Apôstôly fa ny fankatoavana ny fahasoavan'Andriamanitra no manafaka antsika @ ota ary mahatonga antsika ho mpanompon'ny fahamarinana, ary fahamasinana no vokany (Rom. 6:17-18,22).

AVERIKO INDRAY MANDEHA, AVY @ FAHASOAVANA NY TENA FAHAMASINANA !


Efa fantatr'i Paoly fa tsy hahita ny kristiana any Efesosy izy ka notolorany ho @ tenin’ny fahasoavan'Andriamanitra izay lazainy fa afaka mampandroso sy manome lova antsika eo @'izay rehetra nohamasinina, izany hoe miray lova @'ireo olona efa nohamasinina isika.[/b]

Asa. 20:32 : "Ary ankehitriny izaho manolotra anareo ho amin’Andriamanitra sy ho amin’ny tenin’ny fahasoavany, izay mahay mampandroso sy manome lova anareo eo amin’ izay rehetra nohamasinina"

Ny fanambaran'ny filazantsaran’ny fahasoavan’Andriamanitra na ny tenin’ny fahasoavany no fampianarana nambaran'i Kristy t@ Paoly.

Asa. 20:24 : "Nefa tsy ataoko ho zavatra akory ny aiko, mba hahavita ny alehako, dia ny fanompoana izay noraisiko tamin’ i Jesosy Tompo hanambara ny filazantsaran’ ny fahasoavan’ Andriamanitra."
novalian'i bor2lais ny 19/04/2013 07:53
2. hasiniony ( 11/04/2013 18:17)
...AMEN !
Feno tokoa ny fahasoavana, ary misy ny zavatra rehetra ! Ny fahasoavana no mamonjy, mampiorina, mahatonga ho ekena, manavotra, mamela heloka ; manome lova izy, toerana tsy azo hozongozonina ; mamboatra sezafiandrianana izy, izay azontsika hatonina am-pahasahiana, mba hahazoana fahasoavana sy famindràmpo, mampianatra antsika ny fomba tokony hiainantsika izy, ary manome antsika fanantenana mahafinaritra !

“Izay namonjy antsika sy niantso antsika tamin'ny fiantsoana masina, tsy araka ny asantsika, fa araka ny fikasàny sy ny fahasoavany, izay nomena antsika tao amin’i Kristy, hatry ny fony fahagola” (2 Timoty 1. 9).
3. RBNIR ( 12/04/2013 05:49)
Faly miarahaba ny namana rehetra hatrany,

« Manamasina azy amin'ny fahamarinana; ny teninao no fahamarinana. » (Jao.17:17)

Jesosy no nanao io teny io ary nivavaka tamin'Andriamanitra Izy t@ io fotoana io: nangataka ho an'ireo mpianany.

Samia ho tahin'ny Tompo namana


4. Miharena ( 12/04/2013 14:55)
Amiko indray dia tsy ny fahasoavan'Andriamanitra amin'i Kristy voalazanao no olana fa ny fanilihana ilay fahasoavana ho "AZY irery ihany" fa tsy mizara ho an'ny olombelona rehetra.
5. Nehemiah ( 13/04/2013 06:11)
Fitoriana no entina hanatanterahana an'izay, ary izay koa no antony nametrahako an'ity lohahevitra ity
6. Miharena ( 14/04/2013 04:02)
Marina fa ny fitoriana no hanatanterahana ny fizaràna fahasoavana, fa ny olana dia hoe : ilay fitoriana sasany dia manalavitra an'Andriamanitra amin'ny olombelona. Hazavaina ny hevitra : fanasohasoana an'Andriamanitra no betsaka indraindray ary mety hatetika mihitsy izy io hatramin'izao vanimpotoana izao, nefa hoy ny Tompo hoe : tsy izay miantso Ahy hoe Tompoko Tompoko no tena mpianatro fa izay manatanteraka ny sitrapon'ny Ray izay any an-danitra.

7. RBNIR ( 14/04/2013 04:23)
Faly miarahaba ny namana rehetra hatrany,

Ho fanamafisana fa ny fahamasinana dia avy @ fahamarinana marina tokoa :

«..........., dia mba atolory ankehitriny toy izany koa ny momba ny tenanareo ho mpanompon'ny fahamarinana hahatanteraka ny fahamasinana. » (Rom.6:19b)

Inona no dikan'ny hoe mpanompon'ny fahamarinana?

Mifanohitra @ ity manaraka ity:
« .........fa tahaka ny nanoloranareo ny momba ny tenanareo ho mpanompon'ny fahalotoana sy ny tsi-fanarahan-dalàna hahatanteraka ny tsi-fanarahan-dalàna,...... » (Rom.6:19a)

Ny dikan'ny hoe mpanompon'ny fahamarinana dia tsy manolotra ny tenany intsony ho mpanompon'ny fahalotoana sy ny tsy -fanarahan-dalàna.

Fehiny te ho masina marina v isika? Aza manompo ny fahalotoana sy ny tsi-fanarahan-dalàna intsony fa atolory kosa ny tenan-tsika ho mpanompon'ny fahamarinana (NY TENIN ANDRIAMANITRA AO AMIN NY BAIBOLY TSY AZO AMPIANA TSY AZO ANALANA).

Samia ho tahin'ny Tompo daholo.
8. RBNIR ( 14/04/2013 04:47)
Farany
« Ary tsy mba hiditra ao mihitsy izay tsy masina, ........ » (Apok.21:27)

Samia ho tahin'ny Tompo daholo
9. Nehemiah ( 15/04/2013 05:17)
Fa ny fahamarinana dia avy @ fahasoavan'Andriamanitra fa tsy ny asa ataontsika
10. RBNIR ( 15/04/2013 08:48)
Nehemiah:

Fa ny fahamarinana dia avy @ fahasoavan'Andriamanitra fa tsy ny asa ataontsika

Faly miarahaba namana,
Tsy ny olona no mihezaka hanao, fa fanolorantena no atao, dia ny Fanahy Masina no angatahina mafy hameno sy hiasa dia IZY ihany no manova ilay olona taloha ho olona vaovao.
Izay no maha fahasoavana azy : Eze.36:26,17 Omena fo vaovao sy fanahy vaovao ny olona mba handeha araka ny sitrapon'Andriamanitra.
FAHASOAVANA = FANOMEZANA.
Samia ho tahin'ny Tompo indray



11. Nehemiah ( 15/04/2013 12:18)
Ekena 100%. Ny Fanahy Masina no miasa ao anatintsika hahatonga antsika hahay manao ny sitrapon'Andriamanitra.
12. Miharena ( 16/04/2013 03:19)
Ny fanontaniana mipongatra eto dia hoe : Ny Fanahy Masina ve azo lazaina fa "vahiny" amintsika olombelona?
13. Nehemiah ( 16/04/2013 06:49)
Eny re, tsy hitako izay tsy tokony hiheverantsika ho vahiny tsara raisina Azy
14. Miharena ( 16/04/2013 11:46)
Eo indrindra no misy manitikitika. Nahoana no atao hoe vahiny nefa rehefa mampianatra ny Kristianina namana dia izay hampifoha no tanjona? Ka ilay mifoha ve mitovy amin'ny mpampandroso vahiny?
15. bor2lais ( 16/04/2013 12:50)
Mifohaza fa misy mandondona ao am-baravarana. Tsy afaka miditra anefa Izy raha tsy vohanao satria any aminao ny "poignée" (na ny lakile) ! :-)
16. Miharena ( 16/04/2013 13:44)
Izany hoe mihevitra ny tenany ho trano izany ny olombelmona tsirairay araka ny fiheverana Kristianina sa ahoana matoa manana varavarana hodondonina?

Manarak'izany, ilay hevitra hafa hoe mifoha, tsy mitovy amin'ny hoe mandondom-baravarana ihany ve? Donina ny varavarana hifohazan'izay matory ao anaty ao. Miendrika fanaingàna izy amin'izay fotoana izay fa tsy hoe hidirana dia hanjakàna fa ingaina dia manome ny soa ao aminy ary mitombo ao aminy ihany.

Asa hoe hitanareo ve ny mahasamihafa ireo fomba fihevitra ireo? Ary raha mijery fitoriana, iza amin'ireo no tena voizin'ny mpino?

17. Nehemiah ( 16/04/2013 13:50)
Tsy mifanilika izy 2.
18. Miharena ( 16/04/2013 13:58)
MIara-monina izany no tianao lazaina. Nefa ahoana indray ny hoe : na mangatsiaka ianao na mafana fa raha matimaty dia aloan'ny vavaKO? Midika hoe zava-tokana no miditra ny fanjakàna fa tsy misy mitandroa.
19. Nehemiah ( 16/04/2013 14:22)
Ny tian'i Jesoa tenenina @ fiangonana any Laodikia dia mizarazara ny fony : sady mirona any @ Kristy no mirona @'izao tontolo izao sy ny fampianarany, ary tsy ekeny izany. Na miaina fiainan'izao tontolo izao ny olona 1 na miaina ny fiainana kristiana tanteraka fa tsy mitandroa araky ny teninao.
20. bor2lais ( 16/04/2013 14:40)
miharena:

Izany hoe mihevitra ny tenany ho trano izany ny olombelmona tsirairay araka ny fiheverana Kristianina sa ahoana matoa manana varavarana hodondonina?

:-)
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0511