RESAKA LAVA LOATRA

1. nilex ( 05/04/2013 13:41)
Maninona kay ny sasany amintsika no manao ireny resaka lava loatra ireny e,manainona raha atao fohy sady mazava ny tiana hambara dia mazoto miady hevitra ny olona fa ilay izy tena lava loatra ka tsy voavaky intsony ka lasa mananiany sisa no ataon'ny sasany.Sa tsy mety ve izany e?
novalian'i Nehemiah ny 06/04/2013 08:20
2. Nehemiah ( 05/04/2013 14:43)
Izaho izao miezaka mizara an'ilay izy ho fizaràna maromaro apetraka tsikelikely @ serasera, kanefa lalina be ny sasany @ zavatra resahako ka tsy mora ny mifehy azy.

Sady tsy ny hafohin'ny resaka no zava-dehibe (amiko aloha), fa ny maha-marim-pototra ny hevitra aroso. Dia ny mpananihany avelao hananihany any. Bien faire et laisser braire.
3. 5laody ( 05/04/2013 18:39)
Aleo kakanjila mazoto toy izay bibilava kamolahy?
4. leva2 ( 05/04/2013 19:53)
I Nehemiah ihany io e, lesona iray manontolo no ataony copie/coller ato.
Fa za aloh mazoto ihany hanao copie/coller rehefa sujet mahaliana ahy.

Mazotoa e
5. Miharena ( 06/04/2013 03:52)
Mahafinaritra ny miresaka fa ny feno ihany no azo antoka fa mahasoa e! Rehefa te-hamaky serasera dia miharitra. Mety misy resaka tena mahaliana ary mitohy lava tokoa ny serasera ao anatiny ka izay miditra aty aoriana dia tsy maharaka. Raha tsy hoe angaha tena liana izy manaraka azy.
Tsy ilay copie coller no olana fa ny fanadihadiana manaraka azy avy eo ka raha vao misy hevitra ifandroritana dia mazava fa lasa lava ny resaka.

Rehefa manaraka ireny aho dia manavaka fotsiny hoe ; izato vomba fiheverana ary izatsy kosa no tena vontoatiny. Dia ny vontoatiny no hakàna fanamarihana indray hitohy na hamarana ilay resaka.
6. Nehemiah ( 06/04/2013 07:20)

leva2:

I Nehemiah ihany io e, lesona iray manontolo no ataony copie/coller ato.

Tsy ataoko copier/coller ireny raha ny tena marina fa adikako avy @ teny anglisy sy frantsay
7. Picsou ( 06/04/2013 08:09)
Amiko aleo ilay tondroina no resahina fa tsy ilay tànana manondro, amin'izay fohy ny resaka.
8. Nehemiah ( 06/04/2013 08:20)
Marina ary mampieritreritra tokoa ny lazain'i Picsou. Manana fironana hilalao ny mpilalao toy izay ny baolina antsika, kanefa tsy fomba vanona iadiana resaka izany.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.211