Omby anaty Sambofiara ve ny dinôzôra ?

1. Nehemiah ( 05/04/2013 06:46)
Efa mba nanontany tena ve ianao @ fomba ahoana no nahafahan'i Noa mampiditra dinôzôra anatin'ny Sambofiarany ? Ohatra : mba omby ny varavarana ihany ve ny Brachiosaurus ?



Fanontaniana izay fametraky ny olona tsy mino ny fahamarinan'ny Baiboly matetika ity fanontaniana ity.

Kanefa nahazoana valiny mahavariana ho an'ity fanontaniana ity ny fikarohana vaovao : hitan'ny manam-pahaizana t@ alalan'ny fandinihana ny kivango fitomboana @ taolana dinôzôra fa maroroka be ny dinôzôra rehefa miala sakana. Ny Apatosaurus no raisintsika ho ohatra. Naminavina ny manam-pahaizana fa manomboka maroroka rehefa 5 taona izy ireo. Mbola 1 t fotsiny ny lanjany @'izao taona izao. Fa rehefa manomboka maroroka izy ireo dia mitombo 5 t isan-taona, ka manjary milanja 25 taona @ farany.



Milaza ny Baiboly fa nentin'Andriamanitra mankany @ Sambofiara ny biby rehetra, ka marim-pototra izany ny mihevitra fa nifidy dinôzôra tanora mbola tsy niala sakana i Andriamanitra. Ka nisy toerana malalaka be ho an'ny dinôzôra izany tao anatin'ny Sambofiara :-).

novalian'i Nehemiah ny 08/06/2013 15:17
2. hery ( 05/04/2013 07:03)
Ny fanontaniana tokony hipetraka dia hoe omby ao anaty sambofiara daholo tokoa ve ny couple-n'ny zavamanan'aina rehetra? Biby sy olona?

- Ny tany rehetra rehetra tokoa ve no tototry ny rano?
- Ny fianakavian'i Noa irery tokoa ve no avotra?
- Firy taona talohan'i Jesoa Kristy ilay nisian'ny sambo fiara?
- Possible ve hoe tao anatin'ny firy taona taorian'i Noa dia niforona indray ny foko vaovao izay nisy mainty sns, toy ny etiopiana sy ny majy mainty avy any antsinanana? Taranak'i Noa koa izany ireo?

3. Nehemiah ( 05/04/2013 07:08)
Wow ! Misaotra nametraka an'ireo fanontaniana ireo satria tsara mihitsy izy ireo, fa saingy mila fotoana kely aho anoratana ny valiny. Angamba ataoko lohahevitra manokana ilay izy ka apetrako aty ny rohy.
4. 5laody ( 05/04/2013 18:35)

Nehemiah:

Wow ! Misaotra nametraka an'ireo fanontaniana ireo satria tsara mihitsy izy ireo, fa saingy mila fotoana kely aho anoratana ny valiny. Angamba ataoko lohahevitra manokana ilay izy ka apetrako aty ny rohy.

Valiny tsotra ny naharingana ny dinausore dia izao:

nony nampidirina ny couples tao anaty sambo be dia nisy couple samy lahy na samy vavy.

5. Nehemiah ( 06/04/2013 07:25)

5laody:

nony nampidirina ny couples tao anaty sambo be dia nisy couple samy lahy na samy vavy.

Gen. 6:19 : "Ary ny zava-manan-aina rehetra, dia ny nofo rehetra, hitondranao roa avy isan-karazany ho ao anatin’ ny sambo-fiara, hovelomina miaraka aminao; ho lahy sy vavy avy ireo"

Asio fiheverana kosa ny hanihany. Tsy hoe miafina ambadika solonanarana sy sarintava ny tena dia afaka manao izay saim-patana.
6. Nehemiah ( 06/04/2013 08:43)
Hery >> Ity @'izay ny valiny :
http://forum.serasera.org/forum/message/m515fdfe097309
7. sitlo ( 10/04/2013 18:56)
8. Nehemiah ( 11/04/2013 06:21)
Hery >> Tsy azon'ny mpametraka ny lohahevitra vonoina ve ny hafatra apetraky ny sasany ?
9. sitlo ( 08/06/2013 15:09)
tsetsatsetsa tsy aritra [IMG]http://smileys.sur-la-toile.com/repository/Rires/lol2.gif[/IMG]
10. Nehemiah ( 08/06/2013 15:17)
Nahoana no izao voa mamaly ?
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.6788