lasa tiako lay tovolahy miaraka mi-chat amiko :(, mijaly be aho fa mba toroy hevitra, toy izao lay tantara ...

1. tongologasy ( 04/04/2013 11:50)
Misy forum gasy iray nandefasako sujt hoe mitady namana aho mba hi-chat-ina fontsiny satria izaho dia tena tia mi chat. Tiko homarihina fa tsy ny hitady sipa am net no tanjoko tam zay, na de ts manana sipa aza aho fa juste manila azy ftsn rehefa leonny asa, mba te hanandrakandrana fontsiny. Tsy vitsy ireo namaly, nefa be de be tam reo no ts serieux mits afa-tsy iray ihany dia iKoto! Miresaka foana zahay sy Koto presque isan'andro, ao am chat de ndraindray sms, de misy koa appel, nirafa tam echange na sary moa le izy taty aorina.Mifananihany sy miresaka be, miara tapatsinay...sns! Be de be moa ny zavatr niseho teny atsefatsefany teny fa rehefa nande ny ftoana dia lasa tia azy aho. Fantatro anefa taty aoriana fa efa manana sipa izy saingy tsy eto an-toerana, rehefa manao vancaces vao mihaona izy sy lay sipa angamba! 7 volana zay no nifandraisanay.
Tsy tsapako hoe tia ahy koa izy, fa zaho tena lasa tia azy, efa nifandefa sary moa zay efa ela be talohan'ny nitsiarian fitiavako azy!
---inn ny tokony hataoko hiteny aminy ve aho sa hiezaka hanadino azy?
---hoteneniko azy ve ny marina, hoteneniko ve fa tia azy aho? Inn n fiheveran’ny bandy ny sipa manao premier pas aminy? Tiko ho marihina fats mbola nanao an zan ah atram zay niainako.
Mijaly be aho fa any aminy foana ny saiko sy ny eritreritro isa-minitra sy isan'ora! Izy rahateo teo koa ts hitako enligne tsony efa une semaine zay! Na ny sms ko aza ts valiny tsony, ny appel ko tsy raisiny.
Misaotra mialoha am valinteny.
2. tongologasy ( 04/04/2013 12:29)
ny mamaky no betsaka fa tsis maneho hevitra :p
hihihihihihi
3. sitlo ( 04/04/2013 13:06)
Tsy misy mamaly satria tsy misy valiteny azo ekena eto hafa tsy ny hoe mivavaha, mibebaha fa akaiky ny andro farany sns
Izay rehetra mamaly ankoatra izay dia lazaina fa tsy mbola manam-pahamatorana loatra raha alalinina ny fomba firesany rehetra. Tsy ny taona akory no maha matotra ny olona sao ho tezitra ...
4. tongologasy ( 04/04/2013 13:12)

marina ny teninao tokony hivavaka!
mety misy olona hoavy ihany eo hanome valinteny pratique mifanitsy am reo kestion-ko reo!

---inn ny tokony hataoko hiteny aminy ve aho sa hiezaka hanadino azy?
---hoteneniko azy ve ny marina, hoteneniko ve fa tia azy aho? Inn n fiheveran’ny bandy ny sipa manao premier pas aminy? Tiko ho marihina fats mbola nanao an zan ah atram zay niainako.

merci
5. nilex ( 04/04/2013 13:40)
Marina fa tsara ny vavaka fa tsy izay kosa no izy ry stilo an,izay nge no ilazana hoe tsy matotra mihintsy ianareo e.Arakaraka ny olana ny vahaolana omena,ny fivavahana aloha eo foana raha olona mivavaka e,fa be koa ny hevitra azo haroso koa fa ny anareo dia tsy mahalala afatsy ny hitsikera ny olan'ny olona fotsiny fa tsy misy zavatra mba azo raisina mihintsy.Ka eo no mipetraka ny fanontaniana hoe;faly hananiany fotsiny sa tena tsy matotra mihintsy.Tapitra.

Hamaly ilay namana iray indray aho.
Amiko aloha dia tsy dia tsara ny latsa-pitiavana amin'ny olona tsy dia fantatra loatra ny momba azy.Tsy tokony mbola ho lata-pitiavana mihintsy ianao satria fifandraisana lavitra fotsiny nge no tena nifankahalalanareo e.Mety misy resaka fampandriana adrisa sy fandangolangona fotsiny nge eto e ka aleo mitandrina fa manjary maratra ilay fo kely.Raha ny hevitro an,dia ezaho fantarina aloha ilay olona raha toa ka mendrika ny ho tiavinao na tsia,fantaro koa hoe mety afaka ny hiaraka aminao ve izy sa efa manana ny azy.Misy antony koa matoa izy tsy mamaly anao intsony.Tsy maintsy manana fijery roa avy hatrany ianao izany eto:
1-raha toa ka mety ho tanteraka ny fiarahanareo marina.Dia miaraka sy mifankatia toy ny olona rehetra ianaoreo.
2-raha toa ka hita fa tsy mety ho tanterahina mihintsy ilay izy dia amboarina koa ny saina e.
Any an-kafa indray manorina fitia e.Fitia tsy raikitra iny izany ko,tsy atao mankarary fo.
Ianao anefa efa nilaza fa ianao no tia azy voalohany fa izy kosa tsy mbola niresaka fitiavana taminao.Misy aloha ny olona dia toy izay mihintsy hoe rehefa namana dia namana satria efa fantany fa efa an'olona hafa ny fony ka tsy homeny ny hafa indray.Ireo olona matotra no manao izany.Mino aho fa olona hendry io matoa nanapaka ny fifandraisanareo fa tsy irony mpanararaotra irony.ka izaho mihevitra hoe aza insistena izy amin'ilay fitiavana ary ny fonao kosa no hamboary fa manjary mitarika zavatra hafa
6. mirananirina ( 04/04/2013 14:28)
Misy tokoa ny fitiavana voalohany @ isika vhv, saingy olona hita maso sy olona fantatra tsara ny momba azy! Tsy manaratsy ny mitsaty aho akory fa ny akamaroany ny ao dia lainga be daholo, raha miresaka @ ol 10 ianao dia 8 @ ireo milaza fa tia anao sahady. Tsy fantany akory ianao @ io, ka aza matokitoky sy manome fitia @ net izany ! Aleo mifankahita aloha vao mitempo fitia azy tsy hainao akory tsinona izay tena marina ao ambadiky ny pseudo. Sa mety diso aho fa efa nifankahita ianareo? Mba tsy ankarary fo anao dia anontanio tsara aloha izy raha manana fitiavana anao? Sao manko amitié fotsiny no ilainy, nefa ianao tia azy
7. 5laody ( 05/04/2013 20:49)
Tratra izay leiry
8. ral_ ( 06/04/2013 10:52)
Miarahaba an'i Tongologasy,

Raha ny fandinihako azy dia lasa premier plan teo aminao i Koto satria ny fifandraisana aminy hoy ianao no matotra indrindra tamin'ireo maro izay nangatahanao tamin'ny tchat. Misy zavatra maro fantatrao tsikelikely taty aoriana: ahoana ny fomba firesany amin'ny tsaty, manao ahoana ny toetrany, toy ny inona ny feony, ohatran'iza ny sariny...... te hahafantatra hatrany ianao tamin'izany ny mombamomba an'i Koto ka dia niha-voavaly tsikelikely ny curiosité-nao hoe toa an'iza ary io namako io.
Tsy fantatro tsara ny zavatra tsapanao sy henonao amin'izao hoe misy zavatra lehibe tsy ampy amin'ny fiananao raha tsy eo i Koto ka tena te hahita azy en 3D ianao na tena latsa-pitiavana tokoa amin'ny fomba fahitanao an'i Koto ianao.

Ny soso-kevitra lazaiko anao dia izao: mahita namana hafa ( iray na maromaro) mety hiara mitsaty aminao ve ianao ankoatra azy? satria raha izy irery no ao dia mety mandraikitra ny sainao ho lasa any aminy foana.

Raha tena tianao ny hihaona aminy dia mitadiava fomba hafa aloha fa aza mamboraka direct izany noho ireto antony ireto:

-Tsy fantatrao na tena latsa pitivana tokoa ianao ( mety ho diso be ny eritreritrao momba azy)
-Raha tena fitiavana tokoa, mety hanalasala be ny bandy izany sipa mamboraka direct izany (les hommes ont un comportement de chasseur)
sady fantatrao izy hoe misy olon-tiany.
- sao dia misy fofona tongolo gasy be leiry lool.

io fomba hafa lazaiko io mety hoe manasa mijery fety na zavatra tianao fa aza manao fotoana aminy manokana, miaraha amin'ny namana na rahavavy na olona atokisanao. dia afaka mba manome ny heviny koa io olona io ohatra. Raha manaiky an'izay izy aloha dia efa mba sur ianao hoe tena sariny tokoa ilay ao anaty ordinatera na telephone-nao iny.
dia ho hitanao eo ny tohiny.

Raha mihemotra izy dia na mety tiany hijanona ho finamanana tsotra ny fifaneraseranareo na efa raikitra amin'ny olon-tiany izy.

izay angamba aloha no azo lazaina fa dia manatena fa misy hotsakotsakoinao.

aza adino ny miborosy nify.





9. bazylou ( 06/04/2013 16:54)
tongologasy a, efa lasa gros oignon hon oizy.

loooooool
10. humiliervous ( 08/04/2013 13:04)

Finaritra tongolo a.
Misaora ani Jesoa aloha ianao raha mbola tsy tafaraka ianareo, dia aza manao premier pas aminy izany.
Ny zavatra mety hitranga raha manao premier pas ianao dia araraotiny satria tafalatsaka aminy, de avy eo nefa ialany satria mety tsy tiny akory ianao fa mikafiry an'izay ilainy any aminao fotsiny izy.
Ny azoko lazaina amininao de izao.
Raha hitia olona tsy hitanao ihany ianao, dia aleo ilay sady tsy mamitaka no tsy mandinga ary afaka manova ny fiainanao. Hoy izy hoe: "Anaka atolory ahy ny fonao" Dia i Jesoa izany.
Afaka miresaka par-mail isika raha ilaina humiliervous@gmail.com


11. anjali ( 10/04/2013 06:44)
Tongologasy>> Moa ve raha ianao ny teo @ toeran'ny sipan'io ankizilahy io dia tianao raha lasan'olon-kafa izy?
Matoa zareo tsy mbola nisaraka na dia eo aza ny elanelan-tany misy dia mbola mifankatia izy ireo. Aza tia misompatra ny hafa izany.Tsarovy izao teny izao: izay rehetra tianao atao aminao no ataovy @ hafa.Ny tody tsy misy fa ny atao no miverina. Andraso ny andronao. satria raha tia anao koa izy dia efa nanao premier pas taminao.
Mahareta. Ary mitadiava zavatra hahavery dia anao fa aza afantoka aminy loatra ny saina. Raha anjaranareo ny hiaraka dia tanteraka foana io.
Mahereza.
12. sitlo ( 11/04/2013 10:16)
Dia ahoana aliha ny tohin'ny tantara fa izahay mba te hamaky e.
13. vale ( 11/04/2013 10:50)
raha ny fandinihako azy dia mety nihaona izy sy ilay olon-tiany dia variana izy ka izay no tsy maha- en ligne azy, raha zaho manokana tsy tokony hitory fitia aminy izany ianao, satria efa fantatra fa tsy célibataire izy voalohany, faharoa indray raha réciproque ny sentiment-nareo izy lehilahy efa ela izy no nitory fitia taminao, za manao hoe adinoy izy fa sao hanimba anao, araka ny voalazan'ny namana etsy ambony hoe mety ho araraotiny fotiny ianao, fa izy tsy tena tia anao no efa manana olon-tiana
14. sitlo ( 11/04/2013 23:25)
Na roue de secours...
15. Rabefou ( 21/04/2013 17:31)
lu namana tongolo gasy! Lehilahy aho, indraindray ridicule ny fiheveran'ny olona hoe vehivavy manao premier pas kanefa lazaiko anao fa ny mieritreritra izany no tena ridicule satria ny vehivavy no tena mamboly fitiavana alohan'ny lehilahy. raha efa nifankafantatra tsara ianareo, azonao lazaina azy ny ao am-ponao fa mametraka balise tsara ianao mba tsy hivoana amin'ny fifandraisana efa nisy taminareo ny filazanao ny marina. Ezaho anefa ny tsy handratra fon'olona satria mbola mitempo koa ny fonao.
16. vale ( 22/04/2013 04:44)
tsy misy resaka ridicule izany aloha raha ny fanazavàko an, efa tsy izany itsony izao fa efa manana zo mitovy ny lahy sy ny vavy fa ny tiako tenenina hoe izy olona tsy libre e, mazava be anie izany fa efa engagé ilay olona dia manimba tena fotsiny raha hisiska aminy eo, asa anefa an
17. bibidia ( 22/04/2013 11:13)

tongologasy:

Misy forum gasy iray nandefasako sujt hoe mitady namana aho mba hi-chat-ina fontsiny satria izaho dia tena tia mi chat. Tiko homarihina fa tsy ny hitady sipa am net no tanjoko tam zay, na de ts manana sipa aza aho fa juste manila azy ftsn rehefa leonny asa, mba te hanandrakandrana fontsiny. Tsy vitsy ireo namaly, nefa be de be tam reo no ts serieux mits afa-tsy iray ihany dia iKoto! Miresaka foana zahay sy Koto presque isan'andro, ao am chat de ndraindray sms, de misy koa appel, nirafa tam echange na sary moa le izy taty aorina.Mifananihany sy miresaka be, miara tapatsinay...sns! Be de be moa ny zavatr niseho teny atsefatsefany teny fa rehefa nande ny ftoana dia lasa tia azy aho. Fantatro anefa taty aoriana fa efa manana sipa izy saingy tsy eto an-toerana, rehefa manao vancaces vao mihaona izy sy lay sipa angamba! 7 volana zay no nifandraisanay.
Tsy tsapako hoe tia ahy koa izy, fa zaho tena lasa tia azy, efa nifandefa sary moa zay efa ela be talohan'ny nitsiarian fitiavako azy!
---inn ny tokony hataoko hiteny aminy ve aho sa hiezaka hanadino azy?
---hoteneniko azy ve ny marina, hoteneniko ve fa tia azy aho? Inn n fiheveran’ny bandy ny sipa manao premier pas aminy? Tiko ho marihina fats mbola nanao an zan ah atram zay niainako.
Mijaly be aho fa any aminy foana ny saiko sy ny eritreritro isa-minitra sy isan'ora! Izy rahateo teo koa ts hitako enligne tsony efa une semaine zay! Na ny sms ko aza ts valiny tsony, ny appel ko tsy raisiny.
Misaotra mialoha am valinteny.

tsapako ianao fa olona fragile moramora ihany fa misy mahay lela mamy biz
18. andrywui ( 22/04/2013 12:14)
tongologasy a , ny email no haingana indrindra , tonga de mora tafa ny sipa amreny email ireny fa andramo alou e , de sary alou takina voalohany , kendreo tsara sao sary fopla no alefany amnao eo a ,, anotanio tsara oe sary vao zao ve sa efa folo taona na efa tahatahakzany no azonao aminy io , fa sao vao mipirina be eo enao refa hita maso eo amzay izy ,
19. andrywui ( 22/04/2013 12:27)
nenareo kou tonga de oe avelao lery fa efa misy fioka any oany
izy sns ... mety mba otran'ny tongolo gasy koa izy , mieritreritra oe aiza oaiza no itondrako azy fa tafalatsaka kou ah ty amininy fioka iny e! mety mitovy ny blemm nareo mtsamy amzao ka aleo hilamm andrandraso eo iany izy fa mety mbola hisy kozy hafa be apoitrany amnao eo !! mety tonga de vinany nefa mety tonga d tafa be le izy satri tazy ko ane ra misy fioka hafa zan de mety manao balance lery e
20. tongologasy ( 22/04/2013 14:02)


bibidia> efa marina ny teninao, somary fragil kely aho! nefa tsy adala angamba aho raha lasa tia olona iray zay efa hitako sary raha toa ka niresaka ts niato nandritra ny 7 volana izahay! tena hafahafa amiko mihitsy lay izy e: nandany ftona tam chat sy appel+sms pour rien, au moins mba tenenina hoe mijanona nohon izao antony manaraka izao. fa efa tsy maninona aho zao e! c'est pas la fin du monde.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2905