VERY NY FAHENDRENA

1. nilex ( 25/03/2013 13:59)
Mampalahelo tokoa ity vokatry ny fandrosoana sy ny fankana tahaka be fahatany ny fomban'ny vazaha ataon'ny akizy gasy nefa nge isika tena manana ny fahendrena lalina tena mampiavaka antsika e.Ny tiako hambara dia izao nisy ankizy vavy izay 22 ans eo izy izay tafaresaka tamiko ary rehefa nandeha ny resaka dia tsy tahotra tsy henatra mihintsy izy niteny tamiko ho mahamenatra azy hono ny miteny amin'ny sipany izany hoe ny bandy miaraka aminy fa mbola virjiny izy ary dia mandainga hoe efa nanao izy izany rehefa miresaka satria mahamenatra izany sa hoe taraiky ve?Nanariko ihany izy fa ilay saina mihintsy no efa hafa e.Nefa nge ny fisainany dia mbola zaza mihintsy e fa ny taonany fotsiny no mirongaronga .Nanazava taminy aho fa tsy mahamenatra mihintsy izany fa tokony hireharehana aza satria vitsy ny olona mahatandrina izany ankehitriny.Nazavaiko taminy koa fa tena mikaonty be ny fahadiovana rehefa tonga ny fotoana hanambadiana.Misy bandy tsy mahazaka an'io mantsy ka mibirioka ary maro tokoa ny tokantrano mikorontana vokatr'io.
Misokatra ny ady hevitra e,ary mba ataovy resaka matotra fa tsy mananihany fotsiny e.
novalian'i 5laody ny 15/04/2013 20:09
2. Nehemiah ( 25/03/2013 15:12)
Efa taranaka vitsivitsy izay no voataiza @ hevitra hoe finoanoam-poana ny finoana kristiana ary angano lany daty ny Baiboly. Tsy azo atao intsony ny mampianatra ny momba an'Andriamanitra @ ambaratonga voalohany, fa ampianarina ny ankizy fa taranaka mikrôba izy ireo ary tsy misy hery mitarika ny fiainantsika sady tsy misy tanjony faratampony ny fiainana. Ampianarina relativisme ara-pitondrantena izy ireo.

Ka tsy tokony ahagaga ny vokatr'izay fampianarana izay hitantsika @'izao.

Tsy tokony ahagaga raha mitotongana ny soatoavina rehetra.
3. smileyah ( 26/03/2013 13:28)
Ho an'ny tsy mpino dia zavatra mandeha ho azy izany firaisana ara-nofo izany, satria tsy mba mihevitra afa tsy ny zavatra ara-nofo izy ireo. Fa ho an'ny mpino kosa dia tokony hahalala tsara fa toetra ambony ny fahavirjiniana. Tokony hampianatra ny zanany an'izany ny ray aman-dreny mba tsy hanaonao foana ny ankizy. Ny firaisana ara-nofo mantsy dia natokana ho an'ny mpivady ihany satria fitaovana nentin'Andriamanitra hahafahana mampita aina izany. Ka tokony tsy hatao ivelan'ny fanambadiana fa lasa fahotana.
Na ny ankizivavy na ny ankizilahy dia tokony toroana an'io toetra io. Maro ny zavatra azo anehoan'ny olon-droa ny fifankatiavany. Fa tsy tokony hatao io fomba iray io no fitaovana entin'ny lehilahy hanaporofoan'ny olontiany ny fitiavany. ny ankizivavy koa dia tokony tsy ho mora rebireben'ny lehilahy ka ho voalangolango @ izany.
Voninahitry ny vehivavy ny fahavirjiniany. Toa izany koa ny lehilahy manompo an'Andriamanitra.
Ataoko angamba fa ny mpino no betsaka @ zao fotoana izao raha oharina @ tsy mpino ka tokony efa hanova fomba fisainana @ zay ny olon-drehetra fa tsy hanaraka ny fomban'ny jentily.
4. sitlo ( 27/03/2013 18:35)
Misy karazany ilay hoe "tsy mpino" fa aza mivaha. Firy amin'ny sinoa no kristianina nefa nahoana ny filma sinoa no tsy misy resaka firaisana mihitsy? Izay sahy manao firaisana amin'ny filma dia naman'ny manao veloma an'i Chine.

Azo atao tsara ny mitaiza tsy mampiditra resaka kristianisma na kely aza. Ary ny fahitako azy aza, ny fampidirana resaka fivavahana isaky ny misy olana no vao maika manosika ny olona hiala amin'ilay fivavahana raha tsy voavaha ilay olana.

5. nilex ( 28/03/2013 05:40)
14 Miezaha mitady fihavanana amin'ny olona rehetra ary fahamasinana; fa izay tsy manam-pahamasinana dia tsy hahita ny Tompo.
HEBREO 12 14 - 14

Dinihon'i Sitlo tsara io teny io.Rehefa tsy manana ny fahamasinana ny olona tsy hahazo valimbavaka mihintsy.Ka tsy izay rehetra miditra any am-piangonana akory no atao hoe mivavaka fa izay mitady ny fahamasinana ihany.
Ka tsy mahagaga ny olona raha tsy mahazo valim-bavaka satria ilay fahamasinana tsy ao anatiny fa tsy ny fivavahana mihintsy no ratsy.Ary izay indrindra no mahatonga ilay fahendrena ho very satria vitsy ny olona manana ny fahamasinana.
Isika kristianina dia mifototra amin'ny tenin'Atra ao amin'ny baiboly izany ny firesaka fa ny an'ny sino hafa inday ny azy ny fomba fiainany.Samy mivohy ny fahendrena ireo fa ny ivelany anie ireo mibirioka sy maditra ireo e.
6. smileyah ( 28/03/2013 13:12)
Stilo>> Ny sinoa rehetra izany dia virjiny daholo alohan'ny fanambadiana?


7. hery ( 28/03/2013 14:01)

Misy karazany ilay hoe "tsy mpino" fa aza mivaha. Firy amin'ny sinoa no kristianina nefa nahoana ny filma sinoa no tsy misy resaka firaisana mihitsy? Izay sahy manao firaisana amin'ny filma dia naman'ny manao veloma an'i Chine.


Toa misy film sinoa misy resaka firaisana betsaka mihitsy an. Na tsy film porno aza dia betsaka.
8. sitlo ( 28/03/2013 22:12)
Diso angamba aho raha niteny hoe "mihitsy" fa "vitsy" no tokony ho izy. Ny antony dia raran'ny lalàna ilay izy ka izay sahy dia na migadra na lasa mandositra any Hong Kong sy Taiwan.
Tsy miteny aho hoe ny sinoa rehetra dia virjiny daholo alohan'ny fanambadiana fa ny tiako tenenina dia arakaraka ny fankalazana an'io eo amin'ny fiarahamonina no mamily ny sain'ny olona ho any amin'io. Any Chine ohatra bloqué ny site porno.
Fa ny antsika malagasy kosa, vao niteny Ravalomanana hoe tsy azo atao ny mandefa porno eny amin'ny video, dia nimenomenona daholo fa didy jadona, manapaka ny fidiram-bolan'ny mahantra. Ahoana moa raha nampiany fandefasana ampigadrana izany?
Ny antony dia ny lalàna dia ho raisin'ny olona ho didy jadona foana raha tsy misy fanazavana miaraka aminy. Na lalàna avy amin'ny fanjakana io, na lalam-pitondrantena tsotra, na lalàn'ny finoana.
Ka ekeko fa diso ny fitondrana tamin'izany tsy nanazava.
Fa tahaka izany ihany koa ny rehetra, afaka azavaina tsara ve ny antony maharatsy ny firaisana alohan'ny fanambadiana raha toa ka efa maro no nanao izany. Io mantsy no fanontaniana mipetraka ao antsain'ny zatovo ka tsy voavahany. Ary aleo iarahamandinika toy izay mifanondro tananana.
9. Nehemiah ( 02/04/2013 06:45)
Fa aiza ihany ary no iavian'izao resaka tsara sy ratsy, mety sy tsy mety, fahendrena sy hadalàna resahanareo izao ? Tongatonga ho azy ve ? Sa Nisy namepetra ?

Azo apetraka @ fomba hafa ny fanontaniana : raha tsy manan-ko lazaina @ fiainantsika i Andriamanitra dia inona moa no antony tokony anaovana soa rehefa tsy ahazoan'ny tena tombony ?
10. sitlo ( 02/04/2013 21:55)
Satria aminao ny olona rehetra tia tena avokoa?

Maro ny antony anaovana ny tsara sy tsy anaovana ny ratsy raha mba mandinika kely fotsiny ianao fa tsy voatery ho tahotra ny afobe akory.

Fa saingy tsy izany no dinika eto.
11. Nehemiah ( 03/04/2013 05:30)
Ary tsy izany no tiako tenenina. Ny tiako tenenina dia tsy misy fitsipi-pitondran-tena marim-pototra raha tsy misy ny lalàna ara-pitondran-tena (mazava loatra), ary tsy possible ny nahatongavan'izay lalàna ara-pitondran-tena @ fomba kisendrasendra fa tsy maintsy Misy namepetra.
12. sitlo ( 03/04/2013 13:52)
Io izany ilay baiko tsy miaraka amin'ny fanazavana lazaiko.

Ka rehefa misy tsy manaraka io baiko io dia aza ny hafa tsy naninontsy naninona no tondroina tanana.
13. Nehemiah ( 03/04/2013 14:25)
He he he, iza aloha ny "hafa tsy naninontsy naninona tondroiko tanana" resahanao ?
14. sitlo ( 03/04/2013 14:32)
Tsy hitako izay mampihomehy amin'izany.

Fanontaniana tsotra no napetrako.
sitlo:
Afaka azavaina tsara ve ny antony maharatsy ny firaisana alohan'ny fanambadiana raha toa ka efa maro no nanao izany. Io mantsy no fanontaniana mipetraka ao antsain'ny zatovo ka tsy voavahany.


Rehefa tsy mahavaly dia tsara angamba ny mangina.
15. Nehemiah ( 03/04/2013 14:47)
Soa dia ianao ary no tsy nahatsikaritra ny lohahevitra : "VERY NY FAHENDRENA".

Angaha azo faritana ny "mahatsara" sy "maharatsy" raha tsy manana fototra objectif ho an'ny fitondrantena ny olona ? Fa raha misy tokoa ny fitondran-tena marim-pototra dia avy @'Andriamanitra. Ary raha milaza zavatra 1 ho tsy mety Izy dia tsy mety izany, na tian'olona na tsy tian'olona. Sady fantany rahateo izay mahasoa antsika sy tsy mety amintsika. Izay no entiko hamaliana ny fanontanianao.

Fa raha mbola hiditra @ antsipiriana teôlôjikan'ny fahamasinan'ny fanambadiana araky ny namoronan'Andriamanitra azy nefa ianao tsy te-hihaino dia manjary vatosoa atsipy eo anoloan'ny kisoa.
16. sitlo ( 03/04/2013 14:52)
nilex:
Ny tiako hambara dia izao nisy ankizy vavy izay 22 ans eo izy izay tafaresaka tamiko ary rehefa nandeha ny resaka dia tsy tahotra tsy henatra mihintsy izy niteny tamiko ho mahamenatra azy hono ny miteny amin'ny sipany izany hoe ny bandy miaraka aminy fa mbola virjiny izy ary dia mandainga hoe efa nanao izy izany rehefa miresaka satria mahamenatra izany sa hoe taraiky ve?
17. sitlo ( 03/04/2013 14:54)
sitlo:
Afaka azavaina tsara ve ny antony maharatsy ny firaisana alohan'ny fanambadiana raha toa ka efa maro no nanao izany. Io mantsy no fanontaniana mipetraka ao antsain'ny zatovo ka tsy voavahany.
18. sitlo ( 03/04/2013 14:56)
Nehemiah:
Satria izay ny nolazain'Andriamanitra.
19. Nehemiah ( 03/04/2013 15:05)
Maninoa kay raha "izay ny nolazain'Andriamanitra" ? Raha Zanahary Izy, tsy zoany ny mandidy antsika izay mety sy tsy mety amintsika ? Ianao angaha mbola tsy nananaran'ny rainao hatrizay niainanao (raha tsy mandiso aho) ?
20. sitlo ( 03/04/2013 15:15)
Nanarina miaraka amin'ny fanazavana.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1331