VERY NY FAHENDRENA

21. Nehemiah ( 03/04/2013 15:25)
Izay izao no adi-hevitra vanona. Kanefa tsy voatery ho hainao foana ny zavatra mahatonga ny rainao hampanao anao zavatra tsy tianao. Ahoana izao no anazavàna ny antsipirian'ny vaksiny ny zazakely 4 taona ?

Fa aty kosa dia mazava ny vokatry ny tsy fanajàna ny hasin'ny fanambadiana : fialonana, fifandirana, aretina. Moa hiparitaka toy izao ny SIDA raha mba manaja ny hasin'ny fanambadiana ny tsirairay ?
22. sitlo ( 03/04/2013 15:35)
Nehemiah:
Kanefa tsy voatery ho hainao foana ny zavatra mahatonga ny rainao hampanao anao zavatra tsy tianao.

Ekeko fa tsy nisy nahay tany ankibin-dreniny. Fa saingy isika tsy 4 taona. Azo anazavana zavatra tsara.

Nehemiah:
Fa aty kosa dia mazava ny vokatry ny tsy fanajàna ny hasin'ny fanambadiana : fialonana, fifandirana, aretina.

Afaka mahita olona aho nanao firaisana talohan'ny fanambadiany nefa tsy misy an'ireo.
23. sitlo ( 03/04/2013 15:49)
Moa hiparitaka toy izao ny SIDA raha mba manaja ny hasin'ny fanambadiana ny tsirairay?

Tsara ary marina izany.

Fa marihiko fa tsy miankina amin'ny fivavahana io soratra io.
24. nilex ( 04/04/2013 05:44)
Raha ny fahazahoako ny resaka rehetra nataonareo mianadahy eto dia tsara hajanona satria hita fa tia miresaka fotsiny ny iray fa tsy mbola manam-pahamatorana loatra raha alalinina ny fomba firesany rehetra.Tsy ny taona akory no maha matotra ny olona sao ho tezitra ianao ry namana fa ny atao ihany no hita.Mbola sahinao ve ny manontany ny maharatsy ny firaisana alohan'ny fanambadiana.Fantatry ny olona rehetra ny dikan'izany fa manao fanahiniana fotsiny izy afatsy ny zaza nga no tsy mahalala izany.Hoy ny fitenenana hoe "mitaraha mba hahita e".
Ary ny mahagaga ahy koa ny asahianao maniratsira ny tenin'Atra an.Tandremo sao tsy ho zakanao izany fa Atra nge tsy azo vazivaziana e.
25. mirananirina ( 04/04/2013 14:34)
Ny tanora ankehitriny dia mifaninana ny mahazo sipa betsaka, misotro taoka sns... Famonjena alimpandihizana isankarazany ! Dia menatra raha tara tsy maharaka lamaody! Inn moa no azo atao fa izay no fandrosoana?
26. Nehemiah ( 04/04/2013 15:01)
Oh. 22:6 : "Zaro amin’ izay lalana tokony halehany ny zaza, Ka na rehefa antitra aza izy, dia tsy hiala amin’ izany"
27. sitlo ( 04/04/2013 20:19)
Azo atao hoe izao ve izany ny niveau intellectuel-n'ilay mpitory teny? Ozona sy minoa fotsiny ihany sy fanomezantsiny ary fanambaniana no mba valiteny azo.
Mila mihetsika ny Fanahy Masina fa raha izao no izy tsy mahagaga raha tsy manaraka izay lazainy ny olona.
28. Nehemiah ( 05/04/2013 05:29)
I Nilex no nametraka ny lohahevitra ka tsy maintsy hajaina ny fangatahany
29. nilex ( 05/04/2013 05:38)
Aza maniratsira ny Fanahy Masina toy izany ry namana Sitlo fa asehoy ny fahaizano maneho hevitra rehefa tsy sitrakao ny resaka fivavahana fa aza maniratsira ny tenin'Atra sao ho sahirana.
"29 fa izay miteny ratsyny Fanahy Masina kosa dia tsy mahazo famelan-keloka mandrakizay, fa miendrika hohelohina ny amin'ny ota mandrakizay izy; izany no nolazainy,
MARKA 3 29 - 29 ".
Malalaka be nge ny fanehoana hevitra eto e,ary eto no hanehoana ny fahaizana mandresy lahatra.Matetika anefa ny olona rehefa tsy mahay mandresy lahatra dia manakiana sy manaratsiratsy fotsiny no atao eto.Eo no miditra ilay resaka fahamatorana.Rehefa domaine tsy hay dia mangina fotsiny fa matoa ny olona mametraka olana dia mangataka vahaolana koa izy ireo fa tsy faniratsirana fotsiny.
30. 5laody ( 05/04/2013 21:14)
Fa ahoana ary no tsy tantinareo ilay hanihany? mba manisy tsirony hafa eto anie ilay izy indraindray, no sady mba mampakatra e. samy manana ny fomba tiany hampitana hevitra.
ao ny mitoraka dictionnaire , ao ny mitoraka amin'ny encyclopedie, ao ny mitoraka amin'ny code civil, ao ny mitoraka amin'ny baiboly, ny sasany kosa mitoraka amin'ny blague sy tantara kely.

Nisy mpanoratra tantara izay nandefa ny eritreriny dia tiako mba zaraina aminareo koa,
nilaza izy hoe ahoana no mety ho nahatonga ny vondron'olombelona tany amboalohany tany hanisy fadifady (tabou) ny resaka firaisana?
mety ny tsy fananan'ilay foko sakafo ampy hahazoana mamelona izay zaza tonga raha maro loatra , mety ny tsy fahafahan'izay miteraka manana entimanana sy fahamatorana hamelona ireo zaza ka izay no nahatonga an-dry zareo hanisy fitsipika ary mampitahotra ho e tsy azo atao izao na izao raha tsy efa matotra.


Ny amin'ilay sipa 22a etsy ambony io indray aloha angamba dia mety hitany hoe hohavahina izy raha tsy mody mba hoe efa nanana traikefa toy ny sasany koa adia mandainga.
Tadidiko aho taloha rehefa feno ny equipen na foot dia rehefa te hanala anao izy dia hoe izay vaky feo ihany no mahazo milalao.

misaotra namaky na dia lava be aza e




31. Nehemiah ( 06/04/2013 07:10)
Angamba tsy ny hanihany per se no olana fa ny faniratsirana olona
32. 5laody ( 09/04/2013 10:20)
Salama daholo e,

Ny hevitra eto no tokony hifandona fa tsy ny olona e. Izany hoe tokony ho apetraka tsara ihany aloha ny fanontaniana hoe tianao hovaliana amin'ny maha-Kristiana fotsiny ve sa amin'ny maha-malagasy fotsiny sa amin'ny ara-piaraha-monina ankapobeny.

Eto izao ny manitikitika ahy dia ny hoe raha miteny i Nilex hoe very ny fahendrena, tiako raha misy manome sopapa amin'ny hoe: "nanao ahoana ny fandraisan'ny Malagasy taloha ny resaka firaisana, ahoana ny fomba nitaizan'ny ray aman-dreny taloha ny zanany, ny amin'ny momba an'io. Tsy dia nahita references momba ny fitaizana tany aloha aho (talohan'ny nidiran'ny fivavahana Kristiana teto Madagasikara) ka misaotra ireo izay mba afaka milaza na dia lovan-tsofina ihany aza.

Misaotra antsika rehetra.
33. Nehemiah ( 09/04/2013 12:38)
5laody >> Misy présupposition hoe tsy ampahan'ny fiaraha-monina malagasy ny finoana kristiana @ fanontanianao, fa tsy marina izany.
34. 5laody ( 12/04/2013 10:56)
Salama Nehemiah a!

Diso ve aho raha mba somary manokatra kely any aloha?
hafatra faha-34 amin'ilay hevitra misokatra izao ity soratako ity ka mba mitsinjo kely ihany aho hoe afaka mifanakalo amin'ny fomba fisaina sy ny fiainan'ny Ntaolo ny resaka sexualité.
Amin'ny maha-Kristiana angamba dia efa nitondra izay azony nentina daholo, tsy manakana anao haneho hevitra fanampiny akory izany ary ny tenako faly hifanakalo aminao eto foana.

Bon W.E
35. smileyah ( 12/04/2013 14:33)
Tamin'ny Ntaolo malagasy dia zavatra nahamenatra izany hoe mitari-bady tsy vita vodiondry izany. Raha amiko manokana io kolotsaina io dia midika fa saro-pady teo @ Malagasy ny resaka fomba fanaon'ny mpivady (firaisana ara-nofo), ka nahatonga io fitenenana io. Hilazana izany fa ny firaisana ara-nofo alohan'ny fanambadiana dia zava-pady teo @ Ntaolo.
36. 5laody ( 15/04/2013 20:09)
Miarahaba ny rehetra

Misaotra namaly ry Smileyah, ny tena tsy azoko, tamin'ny andron'ny Ntaolo, ohatran'ny henoheno ihany hoe ny reny mananatra ny zanany vavy amin'io resaka io ka toa lasa secret lovan-tsofina entre vehivavy ilay izy dia ianao etsy K^ofiboay mihahaka fotsiny.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.4633