modia any mada

1. bazylou ( 25/03/2013 00:38)
manova sy manazava ny sain'ny olona raha mahay sy maharesy lahatra fa aza aty amin'ny forum sy gasin'andafy aty no lany andro.
Dia mandihiza mba hojerenay raha mahaery e.

Mivovo aty fotsiny ianareo milaza azy avara pi sy milaza azy milay nefa tsy sahy akory.

Milaza fa ratsy i mada tamin'ny tgv fa i le8 no nampandroso e, katsaka e, koba e, voanjobory e............. nefa tsy misy sahy akory hanala an'i tgv eo.

hoela fanapahana anie ny tgv eeeeeeeeeee
novalian'i hery ny 28/03/2013 10:46
2. hery ( 25/03/2013 09:52)
:-) Kodiaran-tsarety ny fiainana ry zoky a

3. nilex ( 25/03/2013 13:43)
Raha ny fijeriko azy dia io no filoha mora haongana indrindra tamin'izay nandalo teo ka aleo angamba izy tsy haongana fa mampalahelo fa miongana ho azy eo e.Taiza no nisy filoha ataon'ny olona saribakoly sy tohatra fiakarana izany raha tsy i lavasanga.Marina mihintsy ity tenin'i Papa ity fa diniho tsara.
4. bazylou ( 25/03/2013 16:33)

dia aza be menomenona aty aantanin'ny olona aty fa zefa ialahy isany. tsy mahasahy kombaka fotsiny sady manao adim borontsiloza fotsiny

tia tanindrazana hono nefa tsy sahy mody mikombak aany an tanana akory.

beeeeuuuuurrk
5. hery ( 25/03/2013 22:28)
Tsy azoko ilay blemn'i bazylou

- Tokony ho gaga i bazylou hoe maninona izahay no mimenomenona kanefa ny fiainanay aty antany lavitra aty mandeha tsara... ary tsy mbola mieritreritra ny hody akory.
- Tokony ho tsapan'i bazylou hoe tsisy tombontsoa ho anay mihitsy ilay mimenomenona milaza izay tsy mety ao Dago. Raha tombontsoa ho anay tokoa no notadiavinay dia efa ela izahay no nody (tahaka ny sasany) naka izay zaka na nanongana izay tokony haongana.

Fa izahay dia mimenomenona aty mba ho an'ny vahoaka, hahatonga saina ny vahoaka. Raha tsy tonga saina moa izy dia azy ny azy fa ny fiainanay mitohy.

Izaho manokana na ho prezidà-n'ny tetezamita mandritra ny 20 taona aza i TGV tsy mampihena ny karamako, ary na Ravalo koa no lasa prezidà tsy mampitombo ny karamako... ka tsisy tombony ho ahy raha eo Ravalo ary tsisy faty antoka ho ahy raha eo Rajoelina... fa matoa aho mimenomenona miteny izay tsy mety, dia hitako hoe tsy mety.

Ny tokony haha beuurk dia ireo olona izay aty antanin'olona aty, izany hoe mba nahita fianarana ihany, afaka manao analyse hoe tsy mety io, kanefa tsy mahasahy miteny satria mety nisy tombontsoa very teo aloha dia mba hita amin'izao. Na amin'izao mba mahita potipotiny dia aleo tapenana ny maso. Izany no tena maha beurk... fa inoako fa tsy anatin'izany i bazylou :-)
6. bazylou ( 26/03/2013 00:15)

ny gasin'andafy ihanyanie no be menomenona e, fa ny any mada angaha misy mitady zavatra hafa ankoatra ny hanina hohaniny .

fa ny olana dia ilay tsy fananan'ny gasy aty ivelany fahasahiana hijoro sy hanoro ny ao an tanana fa lany andro mamafa wc aty fotsiny.

beuurk
7. hery ( 26/03/2013 21:36)
1. Tsy ratsy ny mamafa wc ka :-)

2. Tsy menomenona koa ilay izy fa fanoroana ny Gasy araka ny voalazanao

3. Hody haninona anefa? Hamafa wc gasy?
8. andrywui ( 26/03/2013 22:48)
fa inn kou no tena blemm n'i hery e ??? ..efa hita fa lisany gasin'andafy ireo mpanao oui msié oui msie sy mpiondrika maiky be fahatany any antanion'ol any fotsiny kou mbola be wawawa iany ! marina mitsy le beeuurrkk ozy rabazylou
tsy maintsy miankina amin vazah na hiodina aiza na iodina aiza ary tsy maintsy mangataka amn vazah ny gasy !! na hiseho mila otran aoana aza ! i hery zao nanao album io de hitalaho amin'ny prezida n'i italy ao mba havoaka amin mass media ny hira de tsy maintsy mandady i hery huhuhuhuhuh


NB: mba asio hira iray tokoa oe rahery mba henoina !! ze mba tena vaovao vao vita ireny alefa eto e !!
9. andrywui ( 26/03/2013 22:49)

- sa efa tsy nahavita hira tsony ??
10. bazylou ( 27/03/2013 00:20)

aminay ry baina dia akanosana no iforetana any ivelany any nefa ny kombaka aty no mandeha.
Milaza ialahy isany fa maketsy makeroa i madagasikara nefa noho ny anataonareo mirepla any ihany anie io e. ianareo andevom bazaha any ivelany any. Jereo anie ee, na ny mivondrona hanana depute sy senatera aty mada ho solotenanareo aza tsy ataonareo fa aleo mimenomenoa fotsiny dia mizity manao vacance any mada.
Nefa hoe tia tanindrazana sy ampandroso an'i Mada.


beuuurrrkk
11. hery ( 28/03/2013 10:46)
i Madagasikara tsy manketsy mankeroa ka... :-) En tout cas tsy izahay no milaza an'izany.

- Manankarena izao i Madagasikara
- Milamina tsara ny sécurité ao Madagasikara
- Mahita asa tsara daholo ny tanora
- Mora be ny fiainana

Ireo izano no lazaiko... iza no milaza mifanohitra amin'ireo? :-)

Tsy mbola blem-nay ny hampandroso an'i Mada. Raha mbola ny toetsaina jiolahimboto no manjaka any ka ravaina sy dorana izay mba mitsangana, potehina izay mandroso, dia tsy mahamaika ny hampandroso zavatra ao.

Teneno ihany izahay rehefa milamina ny savorovoronareo ao
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2576