Ilaina ve ny mikapoka ny zaza?

1. pulm ( 15/03/2013 13:22)
Ny zanako laly vao 2 taona nefa lery itako fa tena mditra, raha misy zavatra eny atanany ka alaina dia ankona eo izy ary tsy mangina na inona ataonao eo! sady mandadilady @tany izy, nefa raha kapoina @iny vao maika loza ohatry ny oe vonoina izany lery, nefa raha tsy kapoina dia manahy aho sao zatra izy dia tsy miraharaha. mba toroi hevitra fa tena tsy hitako zay atao, sa ve sarotra ny mitaiza vavalahy? sa ve avela anarapo eo izy mandrapahatongany saina? ampio aho
2. Nehemiah ( 15/03/2013 14:02)
Ao ny Heb. 12:7-8, ny Oh. 22:15, 23:13, ary 29:15, fa azadino kosa ny Ef. 6:1-4
3. sitlo ( 15/03/2013 14:39)
Maro ny firenena no mandrara ny fikapohana zaza. Ny antony dia mety hiteraka trauma izany ka hitarika olana maro be.

Ny ataon'ny vazaha dia ny mamantatra ny antony anaovan'ilay zaza an'iny. Mila mampiasa saina kely. Dia avy eo lazaina azy hoe mitombina na tsy mitombina.(tandremo fa mety marina ny azy an) Raha manam-potoana dia ampio fanazavana kely hampitatra ny sainy.
4. Nehemiah ( 15/03/2013 14:45)
Ahoana moa ny tahan'ny délinquance juvénile any ?
5. hery ( 16/03/2013 04:57)
Samy manana ny toetrany ny zaza tsirairay (angamba holazain'i Nehemiah hoe ozona ho an'izay tys mamaky baiboly ny zaza maditra?)

Tena mila etudes manokana mihitsy arakaraka ny situations.

Raha zaza efa nandramanao nokapohina nefa tsy misy vokany dia aza kapohina fa itadiavo fika hafa.

Ohatra fotsiny, inona ilay zavatra nalaina teny an-tanany? Efa ela ve no teny dia tianao tsy ho eny an-tanany intsony sa zavatra saro-pady ka tsy tokony raisiny? Raha zavatra azony raisina dia averina omena azy fa tenenina azy hoe rehefa avy eo alaiko... izany hoe tsy tonga dia alaina avy hatrany. Ny zaza dia tena mahazo mihitsy rehefa ifanarahana. Raha ohatra indray ka zavatra saropady dia alaina ary azavaina aminy ny antony, na azavaina aminy ela be amin'izy mitomany iny ara tsy maninona, arahina fihetsika sns. Tsy mety ilay misintona fotsiny dia mandeha dia avela hitomany eo izy. Tsy mety koa ny mikapoka mampangina fa tsy misy vokany.

Matetika ny zaza hendry no mety kapohina. Izany hoe zaza mora manaiky na zaza matahotra kapoka. Fa raha tsy matahotra kapoka dia vao maika miteraka olana.
6. Nehemiah ( 16/03/2013 07:42)
Ny lohahevitra dia : "Ilaina ve ny mikapoka ny zaza?" dia novaliako.

Tsy niteny mihitsy aho hoe c'est la solution.

Fa manimba fiaraha-monina ny pôlitikan'ny "zaza manjakazaka".

Tadidiko tsara t@'izaho tany France ilay boay kely 10 taona mena maso ary maimbo toaka avy alavitra ny vavany !!!
7. Ratoa ( 17/03/2013 22:56)
nahoana no kapoka fa maninona raha ny saina no ampiasaina, na ny anao izany na ny an'lay zaza. Misy saina anie ny ankizy, eny fa na dia zaza vaom ena vava aza mahazo izay lazaina sy azavaina miny
8. Hagg ( 18/03/2013 08:26)
Raha ny hevitro an, dia misy taona mbola tsy tokony hikapoahana, misy taona mety ilana fikapohana, indrindra ny lahy, ary misy taona tsy ahafahana mikapoka intsony.
Misy fotoana tena ilaina ny mikapoka rehefa amin'ny taona mbola ahafahana manao izany. Ny zaza alo, indrindra ny lahy, dia normal raha manana ditra fa setrin'izany koa dia normal koa ny fanitsiana azy dia ny mbola azo ahitsy. Fa amin'ny ankapobeny dia arakaraky ny zaza io. Amiko alo dia tsy normal ny zazalahy ka bonaika be tsy manana ditra mihitsy na feno tahotra .... tokony hitovy ny fomba fitaiz (pbjectif) avy amin'ny reny sy ny ray...fa raha vao mifanohitra io dia manimba zaza.
Raha izaho koa dia alep ny ray amandreny no mikapoka toy izay ny olona any ivelany no hanao izany, na mivantana na ankolaka. Mbola tsy tokony hiteny délinquance juvénile akory amin'io stade io. Raha vao tonga amin'izay stade izay mantsy dia efa ny fanjakana indray no "hikapoka" azy ary efa simba izy eo... Tsy mora izany rehetra izany amin'zao vaninadron'ny fahalalahana izao sy ny fiarovana ny zaza amin'ny herisetra. Inona ny atao hoe herisetra amin'ny zaza? mitovy ve ny lazain'ny baiboly sy ny lalàna ankehitriny momba io herisetra io? azo lazaina fa herisetra ve ny kapoka noho ny ditran'ny zaza kanefa tsy natao hanimba azy fa natao hamizana azy? Impiry isantaona na isambolana no azo kapohina ny zaza? inona sy aiza ny faritra azi kapohina sy ny tsy azo?.... raha mikapoka zaza ka misy mangana ve dia azo angalana certificat médical? .... betsaka ny fanontaniana mipetraka fa hisaorana mialoha izay afaka mameno e....
9. jobiely ( 19/03/2013 09:06)
Za efa tena nikapoka zaza matetika t@ ditrany fa tsy nisy vokany. Vô maika ary za njay no alan' lé zanako D oziz oe itady neny hafa hono izy. Tonga saina aho D mba notambatambazako njay izy refa misy zavatra atôny. ötranenao zany oatra D alaiko moramora lé zavatra eny an- tanany sady hazavaiko azy. oatr izy oe milalao zava- maranitra D ataoko hoe " Ento aty an, sôD maratra eo ny tanan' ny zanako fa aza milalao an' iny" sady manambitamby enao amzay fa tsy mitrerona. Fa tonga D omeny mora, @ manaraka ary D izy njay no miteny oe " ts milalao an ty sô D maratra an" . Andramo njay lo ny tambitamby fa mbola azo anarina tsara zany e.
10. booboo ( 03/05/2013 13:41)
Pulm > rehefa lasa ny mpijery dia mijanona ho azy ny cinéma ;-). Andramo ange rehefa manao ilay crise mitsipaka² sy mitomany @ tany iny izy e.
Amiko manokana tsy voatery ho tonga any @ fikasihan-tanana vao afaka maneho/manana autorité @ zanaka. Miresaka, manazava, mametraka limite, manasazy (réparer la bêtise), manova ny ton n'ny voix rehefa hibedy mafy, manome safidy @ zavatra tsotra² kely ohatra hiborosy nify klou vao hanao pyjama sa hanao pyjama vao hiborosy nify, hentitra tsy azo iadian-kevitra mihitsy ohatra resaka sécurité hoe tsy maintsy tantanana rehefa hiampita arabe na hikiaka² hitomany eo aza, ahodina @ zavatra hafa ny attention-ny rehefa eo an-dalana hanao crise na bêtise izy, tsy atao takatry ny tanany sy ny masony ny raha saro-pady ao -trano, sy ny sisa bobaka be. Tsy mora ilay izy, indrindra @ io taona-na " Terrible Two " io, fa araka tenin'ny namana hafa hoe mila mampiasa saina sy adapter-na araka ny toetran'ilay zaza ny raha.
11. vahiny2004 ( 20/08/2013 09:43)
Hoy ny Ntaolo hoe "ny zaza tiana tsy itsitsiana rotsa-kazo"

Ny kapoka noho ny hatezerana no hitako tsy mety , fa ny kapoka famaizana dia tokony handaitra raha efa nisy fampitandremana
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.4349