Miandry setroka fotsy

1. 5laody ( 13/03/2013 18:12)
Salama daholo,

Miandry mafy ny Kristiana katolika sy ny mpanao gazety hoe Iza no Papa manaraka. mbola motera diesel be nefa izao ilay trano fifidianana ka mamaoaka setroka mainty ilay cheminée,
Ianareo ve mino ilay hoe Prophetie des Pape?
novalian'i niryna ny 21/03/2013 05:10
2. Nehemiah ( 14/03/2013 06:08)
Prophétie inona izao azafady ?
3. didi10 ( 14/03/2013 09:14)

5laody:

Salama daholo,

Miandry mafy ny Kristiana katolika sy ny mpanao gazety hoe Iza no Papa manaraka. mbola motera diesel be nefa izao ilay trano fifidianana ka mamaoaka setroka mainty ilay cheminée,
Ianareo ve mino ilay hoe Prophetie des Pape?


Prophétie de Saint Malachie

Io faminaniana io dia milaza fa ny Papa faha-111 no Papa farany, tsy hay na ny Fiangonana no ho rava na ny Tompo no ho tonga fa ny zavatra fantatra dia efa i Benoit-16 io Papa faha 111 io voafidy io.
4. didi10 ( 14/03/2013 09:23)
Diso kely aho fa Papa faha 112 no farany fa tsy 111, izany hoe ity Papa François 1er ity no Papa farany raha io prophetie io.
5. toriteny ( 14/03/2013 09:34)
Ho avy tsy ho ela ve izany ny Tompo.
Misy an'izany aiza indray ry didi? Hiantso Maranatha aza hatao.
6. hery ( 14/03/2013 10:27)
:-)

Ary gravy ihany ny katolika raha miankina amin'ny Papa-ny no hahatongavan'ny Zanak'olona

Dia na ry didi10 aza manaiky :-)

Eo ampelatanan'ny katolika izany ilay izy? Izany hoe raha vao mametra-pialàna tahaka an'i Benoà XVI i Papa Fransoà dia tonga ny farandro?

Ary mila kajiana tsara ihany izy raha izany. Mety raha vao misy manakorotana kely ny Katolika dia hiteny i Papa Fransoà hoe "Hiala eo aho an!"... tonga dia mipirina daholo
7. Nehemiah ( 14/03/2013 12:24)
F'angaha tsy papa faha-271 i "François 1er" ?
8. Miharena ( 14/03/2013 17:22)
Papa faha-266 ity farany ity ary faha-112 taorian'ny faminaniana Malakia.

Dia arahabaina ny namana Katolika nahazo Papa ary hitondra fanovana be dia be eo amin'ny fomba fijerin'ny kristianina rehetr anie izy hampian'ny Fanahy Masina iraisan'ny olombelona rehetra!

Fa raha ilay prophétie no jerena dia tanteraka ihany ilay izy fa ny resaka hoe Peter, izay anaran'ny Cardinaly afrikana iray tao no niova kely, fa lasa tonga dia nandingana kely ilay prophétie, satria aorian'io Peter io hono dia hisy ny ady te-ho Pape. Nefa rehefa mijery isika dia toa Benoit XVI sy François 1er no niady ho Pape satria raha vao tsy lany i Jorgio fa resin'i Ratzinger dia nitomany. Izany hoe tena niriny mafy ny ho Pape tamin'izany.

Ka asa hoe marina sa diso ilay prophétie? ary raha marina, aiza ho aiza no fifandraisany amin'ny hoe Peter?

9. sitlo ( 15/03/2013 00:32)
Ka le zanak'olona aloha rehefa milatsaka avy eny an-danitra dia mba mitondra parà sa tonga dia hifetaka amin'ny tany?
10. Maranatha ( 15/03/2013 05:48)

sitlo:

Ka le zanak'olona aloha rehefa milatsaka avy eny an-danitra dia mba mitondra parà sa tonga dia hifetaka amin'ny tany?

Lioka 23:34 Ary hoy ny Tompo: Raiko ô, mamelà ny helony, fa tsy fantany izay ataony.
11. sitlo ( 15/03/2013 06:11)
hahaha, ary toa tsy natao tamin'ny teny tsy fantatra. Ny avy ao Andranomanelatra mantsy raha tadidiko tsara efa miteny amin'ny teny tsy fantatra.
12. RBNIR ( 15/03/2013 06:17)
sitlo:

Ka le zanak'olona aloha rehefa milatsaka avy eny an-danitra dia mba mitondra parà sa tonga dia hifetaka amin'ny tany?

Faly miarahaba namana,

Raha tena mangetaheta ianao namana dia araho ity rohy ity http://forum.serasera.org/forum/message/m5142b81e5b494.
Raha faniratsirana kosa dia hoy aho hoe : mandiniha tena namana,

Samia ho tahin'ny Tompo namana
13. sitlo ( 15/03/2013 06:21)
Mampalahelo ahy ianareo. Nampiesonina dia niesona tokoa. Fa ny antenaiko dia tsy hampiesona olona hafa ianareo. Mandiniha tena marina.
14. niryna ( 21/03/2013 05:10)
didi10:


[quote=5laody]
Salama daholo,

Miandry mafy ny Kristiana katolika sy ny mpanao gazety hoe Iza no Papa manaraka. mbola motera diesel be nefa izao ilay trano fifidianana ka mamaoaka setroka mainty ilay cheminée,
Ianareo ve mino ilay hoe Prophetie des Pape?


Prophétie de Saint Malachie

Io faminaniana io dia milaza fa ny Papa faha-111 no Papa farany, tsy hay na ny Fiangonana no ho rava na ny Tompo no ho tonga fa ny zavatra fantatra dia efa i Benoit-16 io Papa faha 111 io voafidy io.

misy tena mahita ho lazaina mihitsy ato amin'ity sera ity an
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0437