Ny Trinite, fizaràna faha-3 : ilaina tokoa ve ny miaro an'izay fampianarana izay ?
1. Nehemiah
(
12/03/2013 06:51)
Trinite i Zanahary
Naloakan'ny vavan'ny Ray ny baiko izay nahatonga ny zavatra rehetra hisy t@ famoronana. I Jesoa no enti-manatanteraka an'izay (ilay Logos resahan'i Jaona @ Jn. 1, izahao koa Heb. 1:2). Hoy ny momba an'i Jesoa hoe : "fa tao aminy no nahariana ny zavatra rehetra any an-danitra sy ety ambonin’ ny tany, dia ny hita sy ny tsy hita, na fiandrianana [Gr. seza fiandrianana] , na fanjakana, na fanapahana, na fahefana, Izy no nahariana ny zavatra rehetra, sady ho Azy izany; ary Izy no talohan’ ny zavatra rehetra, sady ao aminy no aharetan’ ny zavatra rehetra."
Hoy koa ny Genesisy fa teo ary niasa ny Fanahin'Andriamanitra t@ famoronana, sady nanomba tambonin'ny rano ([url=http://www.smartbaiboly.org/online#Genesisy%201:2]Gen. 1:2). Miteny ny Mpit. 12:1 hoe "ireo Mpanao anao", na dia tsy hita @ dikan-teny maro aza izany. Ny olona izay tsy te-hahita ny Trinite @ Testamenta Taloha dia milaza an'izay ho "pluriel de majesté", nefa moa tsy hita ny "pluriel de majeste" afa-tsy any @'izay toerana izay tsy maintsy itadiavana fanzavana hafa mba tsy hiditra an-tsehatra ny resaka Trinite (dia gaga ianareo ;) ).
Ilaina ny fampianaran'ny Trinite
Milaza tsara ny momba ny Trinite sy ny endriny maro ny Baiboly iray manontolo, ary ny mpino tena mahatoky dia manaiky an'izay fampianarana izay. Tao anatin'ny tantaran'ny Fiangonana dia notsipahana @ maha-heresia azy ny fahazoana ny fifandraisan'ny Persona 3 hafa rehetra. Mifandray tanteraka @ fiasan'ny Famonjena io fampianarana io, ka izay manipaka azy dia manipaka ny Evanjely, satria mifanohitra @ toetran'Andriamanitra sy/na ny maha-Andriamanitra an'i Jesosy ny fotopisainana rehetra tsy misy an'izay. Izay no nahatonga an'izay rehetra nanda ny Trinite t@ tantaran'izao tontolo izao ho toriana ho tsy Kristiana. Zavatra tsy maintsy tazomintsika an-tsaina izany, satria maro ny sekta manda ny Trinite izay mitaky ny ho ekena ho Kristiana.
Hamaranako azy dia mba te-hanamafy ny mahatonga ahy hijoro tahak'izao @'ity resaka ity. I Jesoa Kristy, ny Evanjeliny feno voninahitra sy ny fampielezana ny Fanjakany no antony sy tanjona faratampony. Ka zava-dehibe sady ifotoran'ny Filazantsaran'ny Famonjena tokoa ny hoe iza marina i Andriamanitra ary iza marina i Kristy. Hoy i Jesoa @ Jn. 8:24 : "izany no nilazako taminareo fa ho faty amin’ ny fahotanareo hianareo; fa raha tsy mino hianareo fa Izaho no Izy, dia ho faty amin’ ny fahotanareo hianareo." Tsy ao ny "no Izy" @ teny Grika, ka raha averina ara-bakiteny ny tenin'i Jesoa eto dia niteny izy hoe "raha tsy mino hianareo fa Izaho, dia ho faty amin’ ny fahotanareo hianareo." Izaho, izany hoe "Je Suis", "I Am", ka manambara ny maha-Andriamanitra Azy izany izy eto, satria mampitovy ny tenany @'Andriamanitra Ray Izy (Eks. 3:14). Raha minia manipaka ny fanambaran'i Jesoa fa Andriamanitra Izy antsika dia manafoana ny Fahasoavany mahavonjy antsika raha ny tena marina, ary lozabe izany.

novalian'i Nehemiah ny 12/03/2013 06:52
2. Nehemiah
(
12/03/2013 06:52)
Io ny rohy mankany @ fizaràna faha-2 raha misy liana :
http://forum.serasera.org/forum/message/m513460bdd9d56