tsy mazoto manao firaisana amiko tsony ny vadiko

1. fitatoky ( 09/03/2013 18:27)
Inona no tokony hataoko ,nanomboka tamin'ny nahabevoka ahy tamin'ny zanako vavy farany,ka hatramizao de misy probleme am firaisana za sy ny vadiko,vo nanomboka bevoka ny zanako farany a de nanomboka itako hafa2 izy,ary farany mo de tena tratrako nanao tam piasa tao antrano,tena nalaelo b a sady tezitra mafy nefa nandefitra a satry ny oavin'ny tokatranoko sy ny zanako no nandeferako ka tsy nisarahako taminy,sady nifona tamiko izy,nandrapaterako ndray nefa de ts niova izy fa de tratrako in-2 niaraka tamna vevavy hafa mits ndray,fa nandefitra fona a,nefa na zany aza de nampisafidy azy ze tena fanapakeviny,de nilaza fa ts anao tsony ndray,nilamina atreo sady teraka somatsara a,fa 3 taona aty aoriana ndray,niova be izy,tsy tia manao firaisana tsony izy,fa in1 mande isambolana zay ra be ndrindra no manao firaisana,sady mitodidamosina foana,anotaniko izy de milaza vizana ono,mba ndramako taitairina,calin2 sns fa ts mety taitra mits,tsis réaction,inona no tokony ataoko?mety manao sipa ve izy de reraka de ts mavita n'inoninona tsony refa ao antrano? MISAOTRA MANORO HEVITRA
2. mirananirina ( 09/03/2013 18:43)
Izany angamba ny lhl rhf tsy tia intsony! Hay ato hitako fa efa niteraka nareo ! Aza miraharaha izany fa avelao @ izao , isika vhv manko na misy na tsisy firaisana tsy mampaninona loatra! Rhf nataonao daholo tsinona ny fanairana rht tsy niraika izy! Ary mbola tsy niteny ve izy hoe andao hisaraka? Raha izay manko dia mbola misy fitiavana kely ihany izy na mitsinjo ireo zanany! Raha izaho no teo @ toeranao dia tsy vakiako loha izy fa ataoko koa izay maha afapo ahy hanariako dia ! Karakarana tsara ny tokatrano sy ny ankizy dia aza atao akory ny mahalala izay ataony any ivelany any fa rhf mody izy dia ampy izay
3. fitatoky ( 09/03/2013 18:53)
merci am torohevitra mirananirina,de tsitako tsony ze atao?indrai2 am ma olombelona ahy tena mila tsy tantiko ny ataony ,nefa atreto lo zay fotsiny mba espoirkeliko de izy mbola ts y nialamandry sady mbola tsy niresaka fisarahana,ny karamany ko no sady tsy omeny no tsy ampafantarina ahy tsony fa ze mba atony participation de ekeko ,soa a fa niasa,de tsitako tsony ze asina ny tenako ndrai2,marary be ny foko ,mitomany mangina a fa ts ataoko itany, fa de apetrako amin'Atra sisa ze fantany fa mety!
4. vony501 ( 11/03/2013 07:29)
Mbola mpivady foana ianareo hatreto, noho izany tokony hifampiresaka ihany. Ankoatra ny efa fahatratraranao azy matetika, mba anontanio izy hoe inona no tena antony? Inona no tena tsy tantiny mahatonga azy manao izany toetrany izany. Sao misy zavatra tsy zakany ataonao, nefa izy irony lehilahy tsy mba miteny fa mamaly bontana amin'ny fihetsika
5. ral_ ( 11/03/2013 12:34)
Salama aby isika,

Lhl izaho mamaly ary hitako hoe marina io lazain'i Vony io hoe ny fifampiresahana izan'ny mahavaha olana betsaka raha olona mihaino anao ramose ka hainao ny mandamina ny fotoana na ny toerana iresahanareo izany, Atao izay hahatsaratsara ny ambiansy sns...

dia ity koa eritreritra ihany: tsaroanao ve taminareo vao niaraka hoe mihetsiketsikasy manao sexy ianao amin'ny fomba fiakanjo sy fahatokisan-tenanao ka mitsiriritra ery izay bandy mahita anareo eny an-dalana?

Ataovy tahaka ny tamin'izany fa lery koa angamba tsisy mpifaninana aminy dia tsy taitra. na ao an-trano aza manaova manjamanja, sao zatra mahita anao amin'ny pyjama sy pantoufles izy dia tsy mazoto. dia somary ampifilao kely ihany indraindray. Tsy hoe manadino ny fikarakarana ny ankizy akory izany fa ny tenanao koa aza adino.
Tsy fantatro raha misy olona mampanao therapie ho ana couple koa manana torohevitra tsara nefa tsy maintsy miara manaiky hoe ho any ianareo mivady.
6. kotozafy2012 ( 11/03/2013 17:05)
Efa niainako io olana io. Izaho lehilahy tsy nanana envie hanao firaisana @ vadiko mihitsy. Fantatro ny antony taty aoriana. Niatomboka t@ vadiko bevohoka ny olana. Kizintina be loatra ny vadiko, ka lasa sorena koa aho. Lasa marikoriko ahy ny mijery azy be menomenona sy be sermons lava. Niezaka ni-comprendre nefa aho satria mety tsy fananiany izany fa asesiky ny "hormones" be dia be ao aminy mandritra ny vohoka. Kinanjo, teraka foana ny zaza fa ny hakizintinana tsy nijanona mihitsy. Raikitra foana ny ady. Nanontany ahy izy ho: " manao sipa mihitsy enao any ivelany any matoa tsy tia miray amiko tsony"; nolazaiko azy ny marina fa ny kizintina sy tabatabany no mahatonga an'io. Tsy hafenina fa maro ny vehivavy charmante sy manana fijery miramirana notsiriritiko satria za leo ny tao antrano. Efa ho herintaona taty aoriana vao nisinda ny fikizintinany. Niverina niaraka t@ zay ny fahazotoako niray taminy.
7. mirananirina ( 11/03/2013 17:35)
Kotozafy mahafinaritra ny maheno feo avy @ lhl ny antony tsy hiraisany @ vadiny! Fa misy kosa dia efa tsy tiany intsony ny ao antrano fa mitia olona hafa izy! Na izany aza tokony hiova ihany koa aho fa sady masiaka no kizitina ao antrano sao arian i lery eo
8. fitatoky ( 12/03/2013 18:40)
merci bc anareo lhl ts nisorona,oh mba mis fanantenana kely ian a zany,tena aza mba tratran oh zan fa tena tsita ze atao,ts eken'ny saiko mits ny fisarahana,enga ne mba ho oh zany n cac n vadiko,hiezaka hietsik2 sy hanova ny fietsik na sentiment na in de mba anarak n teninareo,ilazak vao2 eo any ra mba tena ahomby le strategi,merci dolo!!!
9. RALIJOHN ( 13/03/2013 08:09)
Aza miraraha anizany fa ataovy otrany tsy misy izy refa any ivelany, refa ao atrano d omeo sakafo, sasao ny lambany sns... fa mbola vady ianao. ataovy ze mahavery dia anao, ny miresadresaka no manary dia indrindra.
ra manana ol mahatoky izarana d zay no tsara indrindra. maereza.
10. jajajaly ( 13/03/2013 09:00)
fitatoky>
Nanampy tokatrano maro eran-tany ity rohy eto ambany ity, ary mety hanampy ny anareo ihany koa.
Mety misy torohevitra tsara azo ampiharina ao.
Mahereza

http://www.jw.org/mg/zavatra-misy/gazety/wp20110501/manova-tokantrano-ny-zaza/

11. fitatoky ( 14/03/2013 05:08)
merci! dol am torohevita,atreto lo de tena tsis fiovana ny fihetsik n vadik,efa mba mieza ian a fa mbola tsis fiovana hatreto,mba trotroy ambavaka fa tsita tsony ty,aleo ndray aza tonga de oe ita oe manao ny ataon fa de manairana.
12. nilex ( 14/03/2013 07:19)
Misy fanontaniana manitikitika ahy ihany ry namana ka asa raha mba azonao valiana.Tena mpivady ara-dalàna ve ianareo aloha? vita soratra ve?vita mariazy ve? mivavaka ve ianareo.miala tsiny fa tena manandanja be ireo fanontaniana ireo eo amin'ny famahana ny olanao ka tiako raha mba valianao mba hahafahako manoro hevitra anao.Manjary lava be mantsy ny resaka raha ho raisiko cas par cas io zavatra io fa aleo fantatra tsara ny zava-misy dia miresaka isika avy eo.Dia miandry valiny avy aminao aho izany ry namana.Ny Tompo anie homba anao.
13. fitatoky ( 14/03/2013 20:07)
nilex!ie tena mpivady vita soratra mits zay,fa mbola ts vita mariage,ary mananjanaka 3 ;ary tena mpivavaka mitsy koa,taloha izy tena mpivavaka mafana fo sady(zay roa mitsy mo io),membre choral mits ar izy fa teo am 2 taona teo izy no lasa marisarisa,tsindraindray tadiavina vô mba mande mamonjy fivoriana sy mivavaka lahady maraina,fa za tena mba miezaka tsy mirate mivavaka lahady maraina faran ze vitako mba ts ananak tsinny am Atra hoe 1 jour/7 ny mba atokana ihaonana aminy,fa izy tena lasa kamo,ny zvt itak sy tsikarotro tamin fotsn tamn mois de novembre farany teo,de oh mifampiresaka am vevavy am face book,itako matsy ny historique retra refa miala eo am machine izy,en + naitako sarimbehivavay gasy 1 fa samihafa bedebe ,atramin'ny any anaty piscine tao disk durn ,ar io sary io itako matetika am doc récent jereny isan'andro,ary itak am email mandefa sms am face book fona le vevavy,defa gaga2 tamzay,le vevavy lo tena tsara tarehy mitsy mba tsy itenenak oe tsara no za,de noteneniko iz tamzay oe fa manin enao no mitahiry saarimbevavy oh reny sad ol ao am face book de navaliny oe efa ela be io no tao,de enao oa to mifampiresakaamn matetika fa itako,de tezitra b iz de mod nofafany dol le sary ao anaty ordi ,de oe tsis dikany reny,nefa zao iz tena io manao ny ataony io,de ts itako tsony ze atao,atao calin2, ts rotitriz fa mod iomehezan fotsny a,oh to o leony ko a ny farany fa mba oh ts mety amiko tsony le mbola anao zany amn nefa odin fan,de zao zay samy matory,de na de mifampiondantanana toy ny talo aza ts ataonay tsony,tonga ny maraina de mifampiarahaba de samy mikonikonina sy mikarakara kely ny akizy de samy lasa miasa de oh zany fôna,zay nefa tena tsy miady fa za ndray2 no ts mahay manafina aditsaiko de ts miteny amin firy tsony a fiz ndrai2 no manakadresaka de sam matory aveo de routine ndrai...de asa re fa de zany ve no atao oe in fa tena mila ho kivy mits a ndray2,ts sanatry oe za ve no mamba te hanao firaisan amn fa oh itako tena tsy normal ra mpivady no ts manao zany,nefa nenay def o ray volana mahery tena tsiz zany tsony,taloha matetika ihany ,aveo indrai sa indroa isambolana fa zao tena tsisy,asa mety normal ve zany fa za matahotra oe manitsaka2 ny tokatranonay ndray izy, ; misaota am torohevitra!!! de mba ivavaho zay mba hilamina e!!!
14. nilex ( 15/03/2013 06:51)
Mazava ny fanazavanao.Fa voalohany indrindra dia izao,marina fa efa mivavaka ianao tsara izany fa mila mandinintena lalina ihany koa hoe tena efa tafahoana marina tamin'ny Jeso kristy ve ianao.Sao lasa fahazarana fotsiny mantsy fa tsy mbola tena izy.Aza miraharaha ny olana rehetra aloha fa ataovy mihintsy izay handraisanao ny Tompo ho ao amponao dia hanaraka ho azy ny zavatra rehetra.Izy mantsy no mpamonjy mora azo indrindra.
1 Ho an'ny mpiventy hira. Nataon'ny Koraita; At-alamoth; Tonon-kira.
Andriamanitra no aro sy hery ho antsika;
Mpamonjy mora azo indrindra amin'ny fahoriana Izy.

SALAMO 46 1 - 1
Dia mila ho entina ambavaka ihany koa ny vadinao fa misy asan'ny satana mahery ao anatiny ka mila roahina amin'ny anaran'i Jesosy izany.
Izao an,tena hiasa mafy anefa i satana mandritra izany fotoana izany fa sy tokony ho taitra isika fa mivavaka mafy fa ny Tompo kosa no havelantsika hiady sy hiasa ho antsika.
"4 fa Jehovah Andriamanitrareo no miara-mandeha aminareo hiady ho anareo amin'ny fahavalonareo mba hamonjy anareo."

DEOTERONOMIA NA FAMERENAN-TENY 20 4 - 4

Dia mila miady ambavaka mafy isika sady mila faharetana fa izaho manoratra ho anao dia mino tanterka fa hain'Atra ny zavatra rehetra rehefa mangataka aminy isika.
"14 Fa moa misy zavatra mahagaga izay tsy hain'i Jehovah va?
GENESISY NA FIANDOHANA 18 14 - 14".
"40 Hoy Jesosy taminy: Tsy voalazako va fa raha hino hianao, dia ho hitanao ny voninahitr'Andriamanitra?"

JAONA 11 40 - 40
Tena tsy mandaninga ny Tompo ry namana fa ho hitantsika eo ny voninahitr'Atra hamirapiratra ao antokantranonao.
Hivavaka ho anao aho fa mahereza indrindra fa mbola mafy ny ady an.Averiko foana fa tsy ho faly satana an ka mila miomana tsara isika.
Ho tahian'ny Tompo e.
Eto foana aho raha mila fifanohanana ianao.Mbola betsaka ny dingana azo atao fa io aloha no tena fototra tsy maintsy hiaingana.
15. fitatoky ( 15/03/2013 18:56)
Bonsoir nilex,misaotra betsaka am tomarika sy fitondrana ambavaka,fa tiako mba fantatra tsara oh ahona ny atao hoe tafaray marina am Kristy sy ny hoe lasa fahazarana am fivavahana zfd?za mantsy efa mba tena miezaka ihany mametraka ny fiainanay amn,nefa mety mbola tsy tanteraka,merci!
16. nilex ( 18/03/2013 06:24)
Miarahaba anao.Tafaray tanteraka amin'i Kristy ny olona rehefa nanapakevitra hiala amin'ny fanaon'izao tontolo izao ka manolo-tena ho an'i Kristy Jeso kosa.

"20 Indro, efa mitsangana eo am-baravarana Aho ka mandòndòna; raha misy mihaino ny feoko ka mamoha ny varavarana, dia hiditra ao aminy Aho ka hiara-misakafo aminy, ary izy amiko.
APOKALYPSY NA FANAMBARANA 3 20 - 20

"20 Voahombo miaraka amin'i Kristy amin'ny hazo fijaliana aho, ary tsy izaho intsony no velona, fa Kristy no velona ato anatiko
GALATIANA 2 20 - 20".
Tena iainana ny tenin'Atra ka lasa mibaiko ny fiainanao.Ankatoavina tsy misy fepetra.
Raha hazavaina izany dia lasa ny tenin'Atra mihintsy no mibaiko ny fiainana sy ny atao rehetra.Mila mangataka ny fanahy masina anefa mba hanampy anao amin'izany satria miasa mafy satana.
Kanefa rehefa rehefa manana an'ny Tompo eo amin'ny fiainanao ianao dia tsapanoa mivantana mihintsy fa miasa Andriamanitra.
Ny hoe lasa fahazarana fotsiny ny fiangonana dia izao.Lasa fomba fotsiny ny miangona fa tsy iainan'ny olona mihintsy ny tenin'Atra izay zaraina any ampiangonana.Maro ary ny olona tsy mahatsapa mihintsy ny asan'ny fanahy masina ao anatiny.
Mila mamantatra ny tenin'Atra noho izany amin'ny famakiana ny teniny na ny fiainoana toriteny koa.

17. hadji ( 19/03/2013 10:27)
azafady.................. reraka angamba ny filahiany
18. MIANTSATIA ( 19/03/2013 12:21)
Bjr doly,

Tsara aloha raha tsy mananihany Hadji, fa resaka tena sérieux ty. mampalaelo fa rehefa lany aiky sy tapidalankaleha ny olombelona dia voatery mitodika oazy @ Atra Ray Nahary an'izao tontolo izao. kanefa mbola tsy tara izao fitodihantsika izao fa izao no ora sy fotoana mety indrindra. aoka ho fatatsika fa ny olana goavana indrindra tsy voavahan'olombelona dia moramora foana ny amahan'Atra azy, ka maereza mitolona mvavaka ary aza amelana raha tsy maazo valiny. raha ny Zanany Lahitokana aza nomeny antsika nampahoriana sy nampijaliana ary natao tsinontsinona sy novonoina mba ho famonjena ny fanahintsika, maika fa ireo olana kelintsika ireo, tsy kely amintsika fa tena goavambe, saingy bitika eo anatrehan'ny fahendrena sy fahaizan'Atra. ireo ve dia tsy ho hainy ny mamaha azy ?
hainy saingy mila antsika manantona azy Izy. toy ireny zaza mangataka zavatra @ rainy na reniny irreny, efa fatatry ny rainy ny zvtr ilainy, saingy tiany ny zanany hanatona sy hiteny vao omeny.
mahalala ny fahoriantsika Atra, mahita izay iaretantsika isanadro, saingy tiny tsika hanatona azy, hanokatra ny vavatsika hangataka sy hiangavy.
mialohan'ny hangataka dia mifona sy miaiky fa mpanota sy tsy mendrika, ka mangataka famindrampo. zay vo mangataka. mahereza.
19. sitlo ( 20/03/2013 12:13)
Tsotra kosa aloha ny fahitako azy, raha ny manao ny lettre majuscule aza tsy mampazoto anao, iza no hazoto anao firaisana aminao?
20. MIANTSATIA ( 20/03/2013 12:58)
Sitlo kosa e, aza amaivanina ny probleman'olona fa matoa izy manoratra amintsika dia tena tery tanteraka... mba tsy ho ataon'olona otrizany anie ianao rehefa mba manana olana goavana koa any aoriana any...
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1973