Efa voasoratra hoe... didy vaovao

1. hery ( 06/03/2013 15:15)
Tao amin'ny Testamenta Taloha dia nametraka lalàna ny mpaminany sy ny mpanjaka, didy avy amin'Andriamanitra, misy 635 ny lalàna hoy ny mpandinika baiboly fa tsy didy folo ihany, ary misy antsipirihany mihitsy. (Resaka sakafo, andro hivavahana, sary sns...)

Raha amin'izao fotoana izao ny mpaminany no nitory dia mety ho zavatra hafa no novoiziny. Mety hisy lalàna antsipirihany hafa toy ny hoe "Tsy azo atao ny pédophilie, ny mamaky banky, ny mitifitra amin'ny bala réelle"...

Izany hoe lalàna manaraka toetr'andro iainan'ny mpanoratra sy ny mpitory teny.

Tsy ho nampaninona loatra ireo lalàna ireo raha toa ka tsy noraisin'ny mpanara-bakiteny ara-bakiteny ka tsy napetrany amin'ny contexte nisy azy. Izany indrindra nahatonga an'i Jesoa nilaza ny didy vaovao.



Tsy nanafoana ny lalàna i Jesoa fa nampifanandrify ny lalàna hifanaraka amin'ny fiainan'ny olona. Nametraka lalàna universelle roa izay mahafehy ny lalàna rehetra tsy miankina amin'ny toetr'andro sy fiovaovan'ny contexte.

Koa lalàna toa inona no arahinao?
novalian'i bor2lais ny 11/03/2013 15:28
2. hery ( 06/03/2013 15:16)
1. Tiava ny Tompo Andriamanitrao amin'ny fonao rehetra, amin'ny sainao rehetra sy amin'ny fanahinao rehetra.
2. Tiava ny namanao tahaka ny tenanao.
3. andrywui ( 06/03/2013 17:07)
Tiava ny fahavalonao !!!!
Rabatista (zama91) anefa mbola voagadra any ho any ny IP any !..nisy nanapoaka (??) mety halako bika tsy tiko tarehy ohatra na nikitika ny rambon'ireo sipa tranainy tato lery de io silaka be io !!
mila tanterahina zany alou arabakiteny ilay fitiavana vao miainga eto ny resaka !!
4. bor2lais ( 06/03/2013 17:13)
Fahazoako azy :
- 1 aloha vao 2 !
- Raha mety tsara ny 1 dia (tokony) mandeha ho azy (koa) ny 2 !
- Rehefa mamboatra lakroa dia apetraka ambonin'ilay mitsangana ilay mitsivalana !

Miala tsiny fa sary no nampiasain'i bor2lais a ! :-) :-) :-)
5. amig0 ( 06/03/2013 22:05)
Hery: misy koa ny teny hoe: Tiava ny fahavalonareo, omeo soa koa izay manisy ratsy anareo..

Kanefa i hery tsy tiany loatra izay hataoko aminy rehetra.. izany hoe: fahavalony hery zany zah.

Mba manana fahadisoana ihanh ve ny sefony serasera??
6. Miharena ( 07/03/2013 04:27)
Ny fahalalàna an'Andriamanitra no mampanam-pitiavana. Raha ny marina dia tsy manana fahavalo isika fa ny otantsika no mahatonga antsika mamorona fahavalo.

Ny olana iray mitranga ohatra dia misy ny mitory teny dia milaza hoe : tokony ho Kristianina daholo ny rehetra, tokony ho Jiosy daholo ny rehetra, tokony ho Silamo daholo ny rehetra, da manangana fahavalo avy ireo rehefa tsy manaiky izany ny andaniny sy ny ankilany avy.

Mamperitreritra ity verset ao ami'ny Korana ity momba io resaka io :

133. étiez-vous témoins quand la mort se présenta à Jacob et qu'il
dit à ses fils : “Qu'adorerez-vous après moi” ? - Ils répondirent : “Nous
adorerons ta divinité et la divinité de tes pères, Abraham, Ismaël et
Isaac, Divinité Unique et à laquelle nous sommes Soumis”.
134. Voilà une génération bel et bien révolue. A elle ce qu'elle a
acquis, et à vous ce que vous avez acquis. On ne vous demandera pas
compte de ce qu'ils faisaient.
135. Ils ont dit : “Soyez Juifs ou Chrétiens, vous serez donc sur la
bonne voie”. - Dis : “Non, mais suivons la religion d'Abraham, le
modèle même de la droiture et qui ne fut point parmi les
Associateurs”.
136. Dites : “Nous croyons en Allah et en ce qu'on nous a révélé, et
en ce qu'on n'a fait descendre vers Abraham et Ismaël et Isaac et Jacob
et les Tribus, et en ce qui a été donné à Moïse et à Jésus, et en ce qui a
été donné aux prophètes, venant de leur Seigneur : nous ne faisons
aucune distinction entre eux. Et à Lui nous sommes Soumis”.

Raha io no dinihina dia farantampon'ny fitiavana no tokony hampiharin'ny antoko telo fa tsy misy mifanenjika na dia iray aza.

Ary raha mandalina ny Korana isika dia mahita koa fa betsaka ny secte ary rehefa dinihina dia ny sekta no manangam-pahavalo satria manisy rindrina amin'ny namany avy.

Fa raha ravana ilay rindrina dia mifankatia daholo ny rehetra. Ny fandrodanana rindrina dia ny fanekena fa IRAY no nipoirana. Ary matoa IZY nampisy ahy sy ianao sy ny olombelona rehetra dia Fitiavana IZY ary te-hiahatonga lafatra izany ao anatin'ny voariNY rehetra ka isika olombelona mino Andriamanitra tokana no voalohany amin'izany.
7. RBNIR ( 07/03/2013 07:07)
hery:

1. Tiava ny Tompo Andriamanitrao amin'ny fonao rehetra, amin'ny sainao rehetra sy amin'ny fanahinao rehetra.
2. Tiava ny namanao tahaka ny tenanao.

Faly miarahaba namana,
Didy folo ihany io resahinao io :
1- Raha tena Tia an'Andriamanitra ny olona iray dia tokony hita taratra amin'ny fiainany ny porofo (fanantanterahana ny didy 1 ka hatr@ didy fahefatra).
2- Raha tena Tia namana kosa ka mitandrina ny teny hoe Fitiavana tsy manisy ratsy ny namana dia hotanteraka ao aminy fanajana ny didy faha dimy ka hatr@ fahafolo

Izany no mahatonga ny teny hoe "Izay Tia Ahy mitandrina ny didiko...

« Ny fankahalana dia manetsika ady; Fa ny fitiavana manarona ny ota rehetra. » (Oha. 10:12)
« Ary mihoatra noho ny zavatra rehetra, mifankatiava tsara; fa "ny fitiavana manarona fahotana maro" (Oha 10.12) » (1 Pet.4:8)

Jereo fa efa tamin'ny testameta taloha dia efa nampahafantarin'Andriamanitra izany,

Tsy didy vaovao ireo 2 ireo fa didy efa nomena hatramin'ny ela (1 Jao.2:7).

Ny didy vaovao dia tsy ireo didy 2 ireo fa ity : « Didy vaovao no omeko anareo, dia ny mba hifankatiavanareo; eny, aoka ho tahaka ny fitiavako anareo no mba hifankatiavanareo kosa. » (Jao.13:34)
Fitiavana tahaka ny nitiavan''i Jesosy ny olona no takiana eto amin'ity didy vaovao ity.

Fa toy izao no « Izao no ahafantarantsika ny fitiavana, satria Izy no nanolotra ny ainy hamonjy antsika; ary isika kosa mba tokony hanolotra ny aintsika hamonjy ny rahalahy. » (1 Jao.3:16)

Izay tonga amin'io fitiavana io no mahatandrina ny didy vaovao (manolotra ny ainy hamonjy ny hafa toa an'i Jesosy),

Samia ho tahin'ny Tompo daholo
8. hery ( 07/03/2013 07:50)
Noho izany dia voafehy ao anatin'ireo lalàna ireo avokoa ny lalàna rehetra.

Tsy misy intsony ny hoe:

- Sakafo fady raha toa ka fitiavana an'Andriamanitra sy ny namana tahaka ny tena no ihinanana azy.
- Fanajàna sabata, raha toa ka fanehoana fitiavana an'Andriamanitra sy ny namana tahaka ny tena no ivavahanao alahady.
- Manao sarin'i Jesoa, raha toa ka fanehoanao fitiavana azy fa tsy sampy no anaovanao izany
- Miara-mivavaka amin'ny olomasina, raha toa ka Andriamanitra no ivavahana ka mampiseho fitiavana azy izany
- sns.
9. andrywui ( 07/03/2013 08:02)
ary n'y milalao vovopaty sy milalao faty ry Hery fitiavana an'iza ndray zany? De ny tsy manambady fitiavana aniza kou ,nefa aveo manolana ??
10. RBNIR ( 07/03/2013 08:12)

hery:

Noho izany dia voafehy ao anatin'ireo lalàna ireo avokoa ny lalàna rehetra.


Fa tsy midika kosa hoe azontsika atao daholo, ny zavatra rehetra, Tokony ho hita taratra foana ny fanantanterahana ny didiny,

Ohatra 1, raha tsy mitandrina ilay andro Sabata, na mampirafy azy amin'ny sarinjavatra dia tsy afaka intsony hilaza fa Tian'Andriamanitra.

Ohatra 2 Raha nangalatra, na tsy nanoa Ray sy Reny, na naka vadin'olona (tsy afaka intsony hilaza fa tia namana satria efa nanisy ratsy ny hafa)

IZAY TIA TSY TIA MANISY RATSY NY TIANY :

1- Raha tia an'Andriamanitra tsy hanao izay hampalahelo Azy ka hanao zavatra efa norarany fa tsy azo atao.

2- Raha tia namana tsy hanisy ratsy io namany io mihitsy na dia amin'ny madinika indrindra aza.

Ny lalàna 600 mahery misy karazany 6 ary ireo karazany 6 ireto mbola azo sokajiana ho telo:

Misy amin'ireo sokajina lalàna ireo efa nofoanan'i Jesosy, misy kosa mbola notandremany.

Mila mamantatra ny olona hoe iza avy no efa nofoanana ary iza avy no mbola mitoetra,
Nisy olona nampianariny mivantana ka nanehony hoe aiza ho aiza ao amin'ny baiboly no manambara fa ny lalàna toy izao mbola mitoetra, ary ny lalàna toy izao efa tsy tandremana intsony,

Zava-miafaina ireny, vitsy no nampalalany azy, Ireny olona ireny tadiavina ny fampianarany,

Izay nianatra tsara mahafantatra fa "MORA NY ZIOGANY ary MAIVANA NY ENTANY"

Samia ho tahin'ny Tompo

11. hery ( 07/03/2013 08:48)

Ohatra 1, raha tsy mitandrina ilay andro Sabata, na mampirafy azy amin'ny sarinjavatra dia tsy afaka intsony hilaza fa Tian'Andriamanitra.


Aza atambatra amin'ilay hoe "na" ilay izy satria zavatra tsy mitambatra ireo.

Raha tsy mitandrina ny andro sabata aloha dia lalàna taloha, na i Jesoa aza nifamaly tamin'ny mpanora-dalàna ny amin'io. Ka inoako fa afaka miteny hoe tia an'Andriamanitra raha tsy mankalaza ny andro asabotsy fa mankalaza ny andro alahady.

Fa ny resaka mampirafy azy amin'ny sarinjavatra koa dia fanompoantsampy avy hatrany.



1- Raha tia an'Andriamanitra tsy hanao izay hampalahelo Azy ka hanao zavatra efa norarany fa tsy azo atao.


Io efa norarany tsy azo atao io no voafehin'ilay lalàna roa ka.
12. didi10 ( 07/03/2013 10:19)

hery:







Izao aloha dia efa manaporofo fa henjana be ianareo Katolika raha hanao "manipulation de l'ésprit par l'image" na fandemen-tsaina amin'ny alalan'ny sary.
Milaza ianao fa didy vaovao kanefa ny vato misy ny didy 10 sy sarin'i Mosesy (raha Mosesy io), no asehonao dia avy eo mody soratana eo ilay didy vaovao.

Ianao ihany eto dia mitory fa tsy afaka miala amin'ny didy 10 ny olon'Andriamanitra ary tsy misy didy fanampiny fa ny taloha ihany no nohavaozina.


hery:

Koa lalàna toa inona no arahinao?


Ny olona mbola ao anatin'ny ota azo avy amin'ny tsy fahamarinana mihitsy no tokony hitandrina ny didy 10. Izay maty tsy manana ny lalàna dia ho very tsy manana ny lalàna.
13. hery ( 07/03/2013 10:22)
1. Ny didy lehibe indrindra dia ireo didy roa ireo, tsy izaho no niteny an'izay fa ny Lohan'ny Fiangonana Katolika (Jesoa)
2. Ny didy vaovao hoe mifankatiava koa mbola tsy izaho no niteny azy fa mbola ilay Lohan'ny Fiangonana Katolika (Jesoa) ihany koa.

Ka normal ny Katolika raha tsy manana afats'ireo didy ireo :-)
14. RBNIR ( 07/03/2013 10:38)
didi10:


hery:







Izao aloha dia efa manaporofo fa henjana be ianareo Katolika raha hanao "manipulation de l'ésprit par l'image" na fandemen-tsaina amin'ny alalan'ny sary.
Milaza ianao fa didy vaovao kanefa ny vato misy ny didy 10 sy sarin'i Mosesy (raha Mosesy io), no asehonao dia avy eo mody soratana eo ilay didy vaovao.


Izaho indray mahita hafatra hafa amin'io sary io : IREO DIDIM-PITIAVANA LEHIBE 2 = DIDY FOLO IHANY,

Samia ho tahin'ny Tompo e
15. andrywui ( 07/03/2013 11:24)
Fa taiza naitan'i Hery anio takelabato fopla tsy didy folo io e ???

Aza mba mamorona kosa nareo katô e ...misy teny ao amin 'ny baiboly oe aza anapiana n'a analana ozy io baiboly io fa Andriamanitra hanaisotra n'y anjara hazon'aina ho anzay manao anle izy ,,ka mba porofoy kely oe ry Hery ny nahitanao anio ?? Sa Pape nivadika Moizy nisehoan'Andriamanitra ko de nomeny anireo DIDY ROA ireo ??
--sa be loatra le FOLO de nanalana ?? Zao izy mora atao ??
16. smileyah ( 07/03/2013 12:57)

didi10:


hery:







Izao aloha dia efa manaporofo fa henjana be ianareo Katolika raha hanao "manipulation de l'ésprit par l'image" na fandemen-tsaina amin'ny alalan'ny sary.
Milaza ianao fa didy vaovao kanefa ny vato misy ny didy 10 sy sarin'i Mosesy (raha Mosesy io), no asehonao dia avy eo mody soratana eo ilay didy vaovao.

Ianao ihany eto dia mitory fa tsy afaka miala amin'ny didy 10 ny olon'Andriamanitra ary tsy misy didy fanampiny fa ny taloha ihany no nohavaozina.


hery:

Koa lalàna toa inona no arahinao?


Ny olona mbola ao anatin'ny ota azo avy amin'ny tsy fahamarinana mihitsy no tokony hitandrina ny didy 10. Izay maty tsy manana ny lalàna dia ho very tsy manana ny lalàna.
Ry kely finoana sy votsa saina moa tsy novakianareo va fa ireo didy roa ireo no mahafehy ny didy rehetra?
Tiava ny Tompo Andriamanitrao @ fonao manontolo moa tsy mahafehy ny didy faha 1-2-3?
Tiava ny namanao tahaka ny tenanao, moa tsy mahafehy ny didy hafa rehetra?
Raha tianao Andriamanitra dia hanaja azy ianao.
Raha tianao ny namanao (les prochains) dia tsy hanao izay mampalahelo azy ianao.
17. andrywui ( 07/03/2013 13:22)
Fa taiza oe no naitan'i Hery an'io didy folo fopla io kou.....
Zany oe raha ataoko ny konty a de misy zavatra tsy azoazon'ny tamnireo didy folo vrai nanasorany tao reny
18. Miharena ( 07/03/2013 16:23)
Rehefa mandeha ilay dinika dia efa hita sahady ireo voalazan'n yBaiboly hoe voapetaky ny vy mahamay ny lohany. Tsy afaka mihitsy izy hifantoka amin'ilay vontoatinn'ny didy fa ilay endrika nanehoana azy indray no tsikerainy.

Mahagaga !!!!
19. sitlo ( 08/03/2013 00:42)
Le wiwi aloha izany dia mbola vonona ny hanenjika foana, mampalahelo.
20. RBNIR ( 08/03/2013 05:11)
Faly miarahaba ny namana rehetra indray,

Ny Didim-pitiavana lehibe 2 dia tsy nasolo ireo didy taloha fa notsindrina fotsiny hoe LEHIBE izy ireo:

Ho an'izay tsy mahafantatra dia tsy i Jesosy Tompo akory no nanome voalohany ireo didy ireo :
« Ary tiava an'i Jehovah Andriamanitrao amin'ny fonao rehetra sy ny fanahinao rehetra ary ny herinao rehetra. » (Deo.6:5).
« Aza mamaly ratsy na manao lolompo amin'izay iray firenena aminao: fa tiava ny namanao tahaka ny tenanao: Izaho no Jehovah. » (Lev.19:18).

Na dia nomena ireo didy lehibe ireo aza ny zanak'Israely, dia mbola nisy ihany koa didy hafa izay nasain'Andriamanitra notandremany,

Tamin'ny Jesosy Tompo tonga dia nisy no mbola notandremany tamin'ireny didy hafa ary nisy kosa efa noravany,

« Izay milaza fa mitoetra ao aminy izy, dia tsy maintsy mandeha toy izay nandehanany koa. » (1 Jao.2:6).

Izay rehetra mbola notandremany sy notandreman'ireo mpianany tany amboalohany tsy maintsy mbola tandremantsika koa, izay rehetra efa noravany kosa dia tsy maintsy ravantsika ihany koa.

Mila mianatra isika.

Samia ho tahin'ny Tompo


© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3617