Mbola misy olona marina ihany eto..Dimy ambin'ny roampolo taona...

1. niryna ( 05/03/2013 17:52)
Matetika dia ny fiainana sarotra,ny halatra,ny mpisiloky,ny mpamadika tanindrazana ny hano fa adala tompo ,ny omaly tsy miova fa ny eo ihany no eo.Toa tsy mba hita taratra intsony ny fahatsarana fa feno ratsy avokoa izay jerena.Mila manana finoana isika fa indray andro any dia mbola hipotsaka ilay masoandro.

Indray andro,nandalo teny amoron'ny arabe ity ramatoa efa antitra ary dia nalainy daholo ny vola tany am-paosiny nomeny ity mpangataka
Nony tonga tany an-trano izy tsy itany ny peratra mariaziny.Teo izy mivady vao sanganehana.Nivady dimampolo taona izy roa ireo .Teo ka teo,ela izy vao tonga sainy hoe nalama ny tanany ary lasa nanaraka ilay vola ny peratra.Niverina tany amin'ny toerana nisy ilay mpangataka izy roa ary io fa itany ilay mpangataka.Nanontaniany ilay rangahy ary dia navoakany moramora ilay peratra izay nofatorany tamin'ny paingotra.Fantatro hianao fa tsy maintsy hiverina eto hoy izy ary dia noentiko niaraka tamiko isan'andro ilay peratra. Diboky ny hafaliana ilay ramatoa ary nomeny azy daholo ny vola tany am-paosiny
Nalefan'izy mivady tamin'ny radio sy ny gazety ilay vaovao ary nahita izay ilay rahalahiny izay tsy nifankahita ity rahalahiny nandritra ny roampolo taona.Faly izy nahita ity rahalahiny mahantra,very ka ita indray ary dia nalainy niaraka nipetraka aminy amin'izao fotoana izao ilay mpangataka rahalahiny ary tsy nanao ilay asany intsony noho ny fahatsaram-panahiny fa maro dia maro ny olona no nanome fanampiana azy.
Toy izany koa isika,maty dia velona indray,very ka itan'Andriamanitra indray.Tantara tena marina io lazaiko io ary eny,marina ny fisian'Andriamanitra ka aza variana miady hevitra amin'ny tsy fitoviana .Andramo ka zahao ny asa sy ny fisiany amin'ny fiainantsika dia ho hitanao tokoa izany famindram-poany sy ny voninahiny izany
Ho Azy irery ihany anie ny voninahitra Amena
Niryna
novalian'i niryna ny 21/03/2013 04:33
2. toriteny ( 06/03/2013 02:34)
Dia cas exceptionnel be ve izany ry niryna? Raha azoko tsara izany ny tianao tenenina dia vitsy ve izany ny tena manana ny Tompo eto amintsika ka afaka manohitra fankam-panahy kely izany (kely be izany amin'ny fizahantoetra) fa kristianina sarintsariny daholo ve izany isiaka mameno fiangonana isak'alahady sy sabata ireto? MAmpieritreritra é?

Nefa vao peratra volamena aza izany maika izany fa tentation amin'ny bois de rose sy vola milliard dia asa fotsiny, angamba dia emmurer na amin'ny mur de beton mihitsy aloha Andriamanitra sao dia miteniteny eo, dia asiana Andriamanikafa eo amin'ny place ny

Tena mila mijoro kokoa isiaka kristianina ny dikan'izany mampiseho an'i Kristy fa tena takona ny fahamarinany ka lasa cas exceptionnel raha vao mba misy olo-marina mijoro amin'ny maha kristianina azy
3. Nehemiah ( 13/03/2013 06:12)
Nahazo an'izay fitahiana izay izy ireo satria nahalala an'Andriamanitra. Nefa miseho azy ho mahalala an'Andriamanitra koa anie ireo mpanao aferaferana harem-pirenena. Ny mahatonga an'izay dia tsy mahalala ny Teniny izy ireo, na manamavo azy.

Ka inona izany no finoana kristiana toriantsika ? Finoana mitampoka rano sa ilay tena "réel" ?
4. niryna ( 21/03/2013 04:33)

toriteny:

Dia cas exceptionnel be ve izany ry niryna?


Fa ahoana?
Raha azoko tsara izany ny tianao tenenina dia vitsy ve izany ny tena manana ny Tompo eto amintsika ka afaka manohitra fankam-panahy kely izany (kely be izany amin'ny fizahantoetra)
Ny tsirairay no mahalala ny ao am-pony na manana an'i Tompo izy na tsia.
[quote]
fa kristianina sarintsariny daholo ve izany isiaka mameno fiangonana isak'alahady sy sabata ireto? MAmpieritreritra é?
Mampieritreritra tokoa satria mivoana ny hafatra zaraiko ny eritreritrao
Nefa vao peratra volamena aza izany maika izany fa tentation amin'ny bois de rose sy vola milliard dia asa fotsiny, angamba dia emmurer na amin'ny mur de beton mihitsy aloha Andriamanitra sao dia miteniteny eo, dia asiana Andriamanikafa eo amin'ny place ny

Tena mila mijoro kokoa isiaka kristianina ny dikan'izany mampiseho an'i Kristy fa tena takona ny fahamarinany ka lasa cas exceptionnel raha vao mba misy olo-marina mijoro amin'ny maha kristianina azy
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0742