Labozia firy ho an'ny gâteau-n'ny Tany ?

1. Nehemiah ( 02/03/2013 13:24)
Raha ataontsika hoe misy olona manapa-kevitra ny hanamboatra "gâteau d'anniversaire" ho an'ny Tany, mila labozia firy izy ? Betsaka ny olona izay hamaly hoe mila labozia 4 500 tapitrisa satria 4 500 tapitrisa taona ny tany hoy izy ireo.

Nefa mety gaga ireo olona ireo raha mahafantatra fa tsy azo t@ fidatiana vato ety ambony tany ity tarehimarika ity fa azo avy @ fidatiana meteôrita, vato avy any @ habakabaka ! Nisy fandinihana t@ 1956 izay nidaty vongana meteôrita ho 4 500 tapitrisa taona. Tahaky ny fandinihana daty @'izao ankehitriny izao dia niainga avy t@ vinavina maro tsy dia azo antoka loatra ity fandinihana ity, fa ny tsy mampitovy an'ity fandinihana ity @ fandinihana datin'ny vato ety ambony tany dia niainga koa avy @ vinavina hoe sisasisan'ny fiforonan'ny tany ny meteôrita.
Lazain'ny mpahaibolantany (géologue) Arthur Holmes fa tsy mitombina izao fomba fanao izao raha ny tena marina (sady iaraha-mahafantatra fa efa tsy eken'ny manam-pahaizana mpandala ny tapitrisa taona intsony izao teôria izao), nefa moa tsy voatery mila ho voatohana tsara ny hevitra anankiray mba hiraiketany @ atodohan'ny sarambabembahoaka fa mila averimberina imbetsaka fotsiny ;).
novalian'i Miharena ny 12/03/2013 00:39
2. ral_ ( 09/03/2013 16:58)
Tena maro be mihintsy, hitanao ireo dorotanety tsy ankijanona ireo?
3. Nehemiah ( 11/03/2013 07:46)
Raha anaovana dorontanety 4 500 000 000 isan-taona moa tsy loza lol ?
4. Miharena ( 12/03/2013 00:39)
Ary mba efa nisy ve Nehemiah ny fandrefesana hoe zato taona na arivo taona dia efa mahazo ireny taolana dinozaoro lasa vato ireny?
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2544