sitrano ny aretina mahazo ny tokantrano ankehitriny

1. smileyah ( 26/02/2013 06:09)
Ankehitriny dia toa lasa lamaody ny fisaraham-panambadiana, ary maro ireo tsy mihevitra intsony ny fahamasinan'izany tokantrano izany. Ka raha vao miseho kely ny olana dia toa ny fisarahana no atao ambetin-teny fa tsy mba mihevitra ny hamahana ny olana aloha na ny andaniny na ny ankilany. Koa isika izay efa miombona tanteraka amin'i Kristy ka manana an'ilay toe-tsaina hoe:" izay rehetra nakamban'Andriamanitra dia tsy azo sarahin'olombelona "no hiangaviako mba hitondra soson-kevitra ho an'ireo namantsika tafiditra amin'izany fakam-panahy lehibe izany mba hanampy azy ireo hahatoitra ny ratsy.
Ary koa hoe ahoana ny fomba tokony hataon'ny mpivady mba hampaharitra ny fitiavany, ny adidin'ny tsirairay, ny fomba hikolokoloana ny fitiavana mba haharetany ka ho tanteraka ny ohabolan-drazantsika hoe: "lamban'akoho, aina no fetra".
novalian'i toriteny ny 01/03/2013 15:59
2. Nehemiah ( 26/02/2013 07:22)
Araky ny fandinihan'i C.S. Lewis, ilay mpanoratr'ireo bokin'i Narnia ireo, ny mahavoa ny olona @'izao dia mieritreritra fa hahita tsara kokoa rehefa mijery @ hafa, nefa matetika dia matetika tsy marina izay. Ny mahavoa azy ireo koa dia heveriny fa miankina @ fitiavana ara-nofo Erôs ihany ny tokantrano, nefa malaky maty izay fitiavana izay (ary soa izany fa raha tsy izay matin'ny aretin-dalan-dra daholo ny mpivady rehetra). Tsy ataotao foana ny voady any am-piangonana. Izay mihitsy no ilàna azy ireo : mba tsy arian'ny iray ny vadiny rehefa tsy mahita "tsirony" @ fanambadiana intsony.

Ny maharatsy ny fisaraham-panambadiana dia tahaky ny "amputation" ilay izy, satria nanjary nofo iray ihany izy mivady.
3. AndriambyII ( 26/02/2013 07:42)
Tokony faritana tsara aloha hoe , inona ilay fisarahana miseho , fisarahan-toerana ? fisaraham-panahy ? fisarahan-toetra ? fisaraham-pihariana ? ...Raha fanambadiana naorina ivelan' ny finoana kristianina mantsy no jerena dia tsy mitombina mihintsy ilay hoe Aina no fetran' ny fanambadiana ,ohatra ireo olona mampihatra ny fananana vady maro² , dia ndrao dia misy fironana @ izany no mahatonga ny fisarahana fa tsy lamaody araka ny fahatsapanao azy ? Bref amiko aloha dia tsy kristianina loatra ny olona misaraka izany .
4. smileyah ( 26/02/2013 08:36)

AndriambyII:

Tokony faritana tsara aloha hoe , inona ilay fisarahana miseho , fisarahan-toerana ? fisaraham-panahy ? fisarahan-toetra ? fisaraham-pihariana ? ...Raha fanambadiana naorina ivelan' ny finoana kristianina mantsy no jerena dia tsy mitombina mihintsy ilay hoe Aina no fetran' ny fanambadiana ,ohatra ireo olona mampihatra ny fananana vady maro² , dia ndrao dia misy fironana @ izany no mahatonga ny fisarahana fa tsy lamaody araka ny fahatsapanao azy ? Bref amiko aloha dia tsy kristianina loatra ny olona misaraka izany .

Izay indrindra no tiako ahatongavana. Satria isika tsirairay dia samy miaina ao anaty fiaraha-monina misy antsika any, ary samy mahita ny olana mahatonga io fisarahana io ka arakaraky ny olana hitantsika no anomezantsika vahaolana ihany koa. Mila fanasitranana ity aretina ity fa avy amin'ny tokatrano salama no mahatonga koa ny fiaraha-monina salama sy mivoatra ho tsara. Koa manentana antsika rehetra izay mahatsapa tena fa manana anjara biriky entina hanavaozana ny fiainana ankehitriny mba ho tsara handray anjara mavitrika. Misaotra mialoha antsika rehetra.
5. bor2lais ( 26/02/2013 10:08)
Nehemiah:

Tsy ataotao foana ny voady any am-piangonana.

Ity ambaran'i Nehemiah ity no efa nisintonako ny sain'ny namana teto amin'ity sehatra ity : "inona no lanjan' io voady atao am-piangonana io ho an'ny Kristiana ?" Mbola misy "valeur"-ny ve izy io raha ny fisaraham-panambadiana Kristiana entina eny amin'ny tribonaly no jerena ? Ary ny mahagaga dia hatramin'ny mpitondra fivavahana no hita eny ! :-)
AndriambyII:

Bref amiko aloha dia tsy kristianina loatra ny olona misaraka izany .

:-)
6. leva2 ( 26/02/2013 20:56)
Velona Jesosy!

Ho an'ny mbola mpitovo aloha dia henoy tsara ny hafatr'ity hiran'ny Ampifitia ity :


Ho an'ny efa mivady kosa, ity no mba itako :
http://www.mitempo-iray.org/index.php/toriteny2/fampaherezana/47-toriteny/toriteny-fampaherezana/72-ny-hevitr-andriamanitra-ny-amin-ny-fanambadiana

Mahereza namana isany!
7. Miharena ( 27/02/2013 02:42)
Ny olona tsy mitombina sy faran'ny lohany avy no misaraka. Ary maro ireo tsy matotra akory dia mivady.
Raha zohina tsara dia miankina betsaka amin'y atao hoe EGO na ny an(ny tena ihany no fottry ny ady rehetra eo ami'ny fiaraha-monina. Raha tsy manafoana ny tenany avy aloha ny tsirairay dia tsy misy fiaraha-monina mazava sy zotram-piarahamonina mazava. Satria ny fanafoanana ny tena izay ampiharin'ny tsirairay no hahitan'ny andaniny sy ankilany mazava ny lalan-kombana, ny vahaolana raha tojo olana, ary ny fitondran-tena mahomby kokoa amin'ny seha-pifandraisana sy fikolokoloana ny fifankatiavana.
8. smileyah ( 27/02/2013 08:37)
Ny olana mateti-pitranga aloha dia ny fitiavam-bola (izay matetika ny vehivavy no azon'io fakam-panahy io) sy ny fitiavana ny fahafinaretan'ny nofo diso tafahoatra (io indray dia fakam-panahy mahazo ny lehilahy) ary ny fitiavan-tena (io indray dia itambaran'ny roa tonta).
Koa tokony hahay hionona amin'izay ananana aloha ary mikaroka hevitra miaraka ny mpivady hanampiana ny eo am-pelatanana raha misy fahabangana.
Tokony hahafehy tena ary mitady zavatra ahafahana manatanteraka izany (ohatra fanaovana sport, fiarahana mandrakariva amin'ny vady aman-janaka; izany hoe raha misy fotoana malalaka dia tokony laniana amin'ny vady aman-janaka ny fotoana).
Ny fahaizana mifanaja ary fananana fandeferana sy fanetren-tena . Ireo rehetra ireo anefa dia sarotra amin'ny olona tsy miaina tanteraka miaraka amin'Andriamanitra. Koa tokony aorina eo ambonin'ny fototra mafy orina dia Andriamanitra ny tokantrano mba Izy irery ihany no hibaiko ny tsirairay.
9. bor2lais ( 27/02/2013 10:09)
Rehefa mamaky ny voasoratrareo aho dia azo fehezina hoe : ny tsi-fahalalàna ny atao hoe fanambadiana Kristiana mihitsy no fototry ny olana e ! :-)

Nanao sosokevitra aho teto indray maka hoe : tokony atao talaky maso (ao an'efitra ohatra) fa tsy ampirimina any amin'ny tahiry any :-) , ireny taratasim-panambadiana omen'ny Fiangonana na voady natao ireny hamerina hatrany rehefa sendra mandalo ny tandrifin-drahona ;-) fa efa nanao voady teo anatrehan'Andriamanitra sy ny Fiangonana ny mpivady ! ;-)
10. jajajaly ( 27/02/2013 12:40)
Efa nanavotra ny tokatrano eran-tany ity rohy ity ary afaka hanampiana ny ny rehetra eto amin'tsika koa. Jereo ange !

http://www.jw.org/mg/fampianaran-ny-baiboly/fianakaviana/mpivady-ray-aman-dreny/
11. toriteny ( 01/03/2013 15:59)
Misaotra anao nanokatra ilay sujet fa tena mampalahelo mihitsy fa na dia fianakaviana kristianina aza dia betsaka ny misaraka

Tsy haiko hoe inona no mampisaraka ny olona aloha fa raha kristianina ianao tsy azo atao ny fisaoram-bady raha tsy nijangajanga ny vadinao (ny vavy) MAt5:32/ MAt19:9/Deo24:1-4.

Fa ny problème ilay lehilahy foana matetika no mijangajanga mahatonga ilay vehivavy mampiditra divorce. Ary ny cause de divorce ankoatry ny fijangajangan'ny vavy dia tsy eken'ny baiboly
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0913