Helo/Afobe
23. Miharena
(
02/03/2013 04:59)
Ny olana amin'ilay fampitandremana dia rehefa misy olona mamakafaka ka manana vahaolana mahomby entina tsy hinoana ilay fahaverezana dia toa hoatry ny manetry finoana ny hafa izay mino helo sy afobe ary misy mihitsy aza no milaza fa mivaona amin'ny finoana marina ny olona manao izany (Ny namana Nehemiah anisany).
Angamba tokony hatao hoe fampianarana na fampahalalàna zavamisy ary hazavaina tsara ilay izy fa tsy atao ara-tsoratra fotsiny. Ohatra, ny inona ao amin'ny olombelona no miaina ny afobe ary nahoana no mampisy azy io? Inona no fomba hihoarana azy io ary inona no tokony hampahafantarina ny mpiara-belona?
Lalana iray mazava ohatra ny fampahafantarana ny atao hoe mandalo sy mandrakizay ary ny fahefan'ny olombelona mampaharitra na tsia ny zava-misy iray. Izany dia eo amin'y sehatra iveloman'ny ambaratongam-pisian'ny olombelona tsirairay avy : ohatra, ara-nofo, ara-astraly ary ara-panahy maha-Kristy. Iza amin'ireo no maharitra mandralizay? Ity farany ve mety atao hirehitra any amin'ny helo sa ny ara-astraly no mety hiaina io fahoriana mandalo io?
Ilay âme ihany koa, ny ara-astraly ve sa ny inona amin'ny olombelona no mila vonjena ary entina ho amin'ny inona izany famonjena izany?
Mamoaka kely ny fomba fheverna aho izao fa raha ny namana Nehemia ohatra dia mety tsy hety aminy izany fa voafetra ho helo sy fiainana ihany no misy aminy fa tsy tonga dia raisiny ankehitriny fa manana singa mandrakizay azony antoka fa nolovany tamin'Andriamanitra izy ary tokony hampianariny amin'ny olombelona rehetra izany araka ny Baiboly.

24. Nehemiah
(
02/03/2013 06:48)
Vahaolana mahomby ? Mahomby @'inona ? @ mampionona ny olona @ faux sens de la sécurité ve ?
Dia izaho izany tsy mba hampitandrina ? Raha tsy hihaino aho dia farafaharatsiny henoy i Andriamanitra. Nefa tsy maintsy manao an'izay aho fa raha tsy izay dia "non-assistance à personne en danger" no ataoko, ka manjary tsy madio @ ranareo aho.
Ny mahavoa an'i Miharena dia manao tahakan'i Md Augustin : allégoriser-na daholo ity filazan'ny Baiboly rehetra ity. Ny fitaizan'i Md Augustin tany @ Sekoly tany Aleksandria no nahatonga azy hanao an'izay, ary ny hevi-diso niraikitra tao anatin'ny sainao no mahatonga anao manao an'izay.
Izao angamba no exercice tsara ataonao : manandrama mamaky Baiboly ka mandray azy @ teniny fa tsy ampandalovina @ filtre-n'ny fiheveranao, dia ho hitanao fa tsy misy inona na inona tsy ara-Baiboly nolazaiko.

25. Miharena
(
02/03/2013 10:11)
Hitanao namana! avy ianao izay amin'ny angady sy ny harona rehefa misy zavatra mahatsongo anao.
Ny Baiboly manontolo anie namana dia efa tapitra voavaky, ary koa ireo famakafakàna mivoaka avy amin'ny famakiana izany ataon'ny hafa rehetra aza dia efa fantatrao tsara fa manerana izao haino aman-jery sy eo amin'ireo fiangonana maro isan-karazany ireo e! Misy filtre hatrany araka ny filazanao no ambaran'ireo rehetra ireo.
Dia rehefa manome hevitra tsotra aho araka ny fahazoako azy ve dia ataonao fa manana filtre aho? tsia, manome endrika vaovao entina mamaky ny Baiboly fotsiny aho rehefa nahavaky sy mahita ny ataon'ny olon-drehetra milaza fa nahazo faminaniana, na fanomezam-pahasoavana hitory teny amin'ny alalan'ny fampitana izay voalaza ao anaty Baiboly. Ary manamafy izay azo lazaina fa manome vokatra tsara ho an'ny olona mizara izay fantany sy azony, nefa manakiana hampahazava kokoa ny namana fa tsy mijanona ho figé ny Baiboly amiko fa Dynamique izy io rehefa hay ny mamaky sy manazava azy. Toy izany ohatra ny momba ny Trinité vao navelabelatrao izay Fototry ny Finoana tokoy hiainana isanandro, ka rehefa manao izany dia manana fahazavana ary afaka manazava ny hafa rehetra eo amin'ny karazana firehena mipoitra. Ny Helo sy n afobe ohatra anisan'ny tafiditra ao.
Raha misy tsy mazava aminao amin'ny filazako dia afaka manazava hatrany aho.
HOtahian'ny Tompo namana ary hitombo ao amin'ny Fanahy Masina hatrany anie!

26. Nehemiah
(
25/06/2013 07:11)
Fehiny : ny helo no andehanan'ny olona izay nanao ratsy t@ fiainany. Mazava loatra fa tsy maintsy saziana, ohatra, ireny mpanao pôlitika manao tsindrihazolena ny vahoaka.
Kanefa izao : samy efa nanao ratsy isika t@ fiainantsika, sady nanisy ratsy ny namana no nanafotsy an'Andriamanitra t@ tsi-fanajàna ny Lalàny lavorary (na hoe : nanota), ka samy mendriky ny helo. Hafa ho an'ny Amerikana ny mandaka alika mirenireny sy ny mandaka an'i Obama. Mampigadra ny faha2. Nefa Andriamanitra dia masina lavitra dia lavitra nohon'i Obama. Ka tsy mahagaga raha mitaky fanamelohana tsy misy fetrany ny Fahamasinany tsy misy fetrany. Tsy afaka milefitra @'izany na kely aza Izy.
Ny tena loza dia tsy afaka manoatra isika satria efa toetrantsika hatr@ Adama io maha-mpanota io. Ny anton'ny Hazon'ny Fahalalàna ny Tsara sy ny Ratsy dia ny mba ahafahan'i Adama maneho fa tena tia an'Andriamanitra maimaim-poana izy @ alalan'ny fampiharany ny fahafahany misafidy. Kanefa moa fantantsika tsara loatra ny zavatra nosafidiany. Nanomboka hatreo dia nanaranaka ny toetra maha-mpanota.
Midika izany fa tsy afaka manamarina ny tenantsika isika eo anatrehany, na inona na inona ataontsika.
Soa ihany fa nahita fomba azontsika ialàna @'izany. Tsy marimaritra iraisana ilay izy satria Andriamanitra dia tanteraka @ Fahamarinany sy ny Fahamasinany. Izy ihany (izany hoe Jesoa Kristy) no nizaka an'ilay sazy sahaza antsika, Ilay Tsi-manan-tsiny ho an'ny manan-tsiny. Tsy tongatonga ho azy raha Jesoa Kristy no tena niresaka imbetsaka momba ny Gehena.
Tsy vitan'izay fa raha miaiky Azy ho Tompon'ny fiainantsika isika dia andefasany ny Fanahy Masina isika izay mahatonga antsika ho afaka manao ny sitrapon'Andriamanitra. Mbola misy tombon-tsoa maro hafa koa ankoatran'izay.
Ka mazava loatra fa izay mitsipaka an'izay fahasoavana izay dia tena mendriky ny helo avokoa.
Ny Paradisa dia toerana tsy misy afa-tsy fahasambarana sy fahalavorariana, ka mazava ho azy fa tsy misy mpanota tsy voadio afaka miditra any. Ireo izay mandeha @ helo dia mahazo izay niriany mandritry ny fiainany, izany hoe tontolo tsy misy an'Andriamanitra.
Raha ny momba ny olona izay tsy naheno ny Evanjely indray dia ataon'ny Rom. 1:18-28 mazava fa efa miharihary ho azy ireo @ alalan'ny zavaboary sy ny eritreritra ny fisian'Andriamanitra sy ny fahamasinany, ka tsy manan-kalahatra izy ireo. Tsy "neutres" izy ireo fa efa samy nanota daholo. Kanefa tsy anjarantsika ny miasa saina momba ny fanaon'Andriamanitra sy ny fahamarinany (Gen. 18:25b : "tsy hitsara marina va ny Mpitsara ny tany rehetra ?") fa ny anjarantsika dia ny mampiely an'ilay Hafatra mba ho henon'ny voary rehetra.