Maharaviana ihany ny lehilahy fa mihevitra ho mafy...

1. siga_soa ( 20/02/2013 12:05)
Maharaviana ihany ny lehilahy fa mihevitra ho mafy sy matanjaka kanefa rehefa manoloana ny vahivavy dia malemy sy azon'ilay vehivavy manao izay sitra-pony rehetra. Ary nahoana moa ny lehilahy no manambady kanefa rehefa avy eo hitsahina ilay vady niara-niaritra ny mafy sy nnamone tarakana fa ilay vehivavy izay nalaina manaraka no andaniana ny vola rehetra sy hasoasoina ary dokafana ery ary hamoronana ny tsy misy mihitsy aza mba hanomezana fafaham-po an'ilay vehivavy faharoa ka na tsy mihinan-kanina aza ny vady aman-janaka dia tsy mampaninona. Diso tia tena loatra ny lehilahy. Ahoana ny hevitrao?
2. vony501 ( 21/02/2013 06:55)
VY TSY MIKITRANA IRERY!!
3. Lars ( 21/02/2013 15:40)
Danz be ny herin' kely lalina e!
4. shannie ( 27/02/2013 12:32)
sarotra sady mampalaelo fa ny aza mb vo iany. marina fa oe vy tsy mikitrana irery nefa na izany aza, tokn mb andinika tsara l lelah. fa na l 2eme bureau aza d voafitaka satria sipasipa fotsiny iany. ny tena vady ko mijaly. sady tsy sitrapon'A/tr zan. a ilay vady niara-niaritra ny mafy sy nnamone tarakana fa ilay vehivavy izay nalaina manaraka no andaniana ny vola rehetra sy hasoasoina ary dokafana ery ary hamoronana ny tsy misy mihitsy aza mba hanomezana fafaham-po an'ilay vehivavy faharoa ka na tsy mihinan-kanina aza ny vady aman-janaka dia tsy mampaninona. Diso tia tena loatra ny lehilahy. Ahoana ny hevitrao?
5. siga_soa ( 28/02/2013 08:03)
Sady ny tena mampalahelo anie dia ilay faharoa no tena miseho ho sarotiny. Ny lehilahy moa @ izay dia mohaka tanteraka eo anatrehany. Fa rehefa tena dinihina dia tsy tena fitiavana no ao fa filan'ny nofo fotsiny ka rehefa ratsy ratsy iny dia mitady vaovao indray. Ny olana anefa dia tsy ho lany mihitsy ny tsara fa mitombo hatrany sady mihamanintona foana.
6. nilex ( 01/03/2013 06:43)
Mety ho zava-misy izany ary tsy diso fa izao no azoko hazavaina aminareo.
Ny fanambadiana tsy kilalao ka tokony hahay hifidy tsara ny vadiny ny olona.Izao mantsy no antony.
1-misy ny lehilahy tena manana ny hazon-damosiny ary tena afaka mijoro amin'ny maha lehilahy azy.Efa matotra tsara amin'ny fiaianana izany ka vonona handray andraikitra sy ny adidiny rehetra rehefa miroso amin'ny fanambadiana.
2-misy ny lehilahy atao hoe "mohaka"izany hoe irony lehilahy tsy dia mba nanana personnalité irony.Tsy dia matotra amin'ny fiainana sy ny zavatra hatao rehetra mihintsy.
Ireo karazan'olona roa ireo dia tsy misy hanavahana azy ety ivelany fa miankina amin'ny fahamatoran'ny vehivavy koa no hahazoany ny iray amin'ireo karazan'olona ireo.Mba mila mandalina koa na dia vehivavy aza.
Marihiko fa tsy misy hidiran'ny taona mihintsy ny fahamatorana an.Tsy hoe olona efa lehibe dia midika fa matotra izay na koa kely taona dia midika fa tsy mbola matotra fa ny fomba fitaizany ny tenan'ny tsirairay avy ihany no mitondra an'io.

OHATRA:
ity ohatra ity dia matetimpitranga mihintsy ary antony mahatonga io sujet eo ambony io.
Matetika ny vehivavy ankehitriny ny endrika no jereny voalohany.Bogosy hono ilay bandy e,dia jereny koa fa raha vao zanaky ny mpanana dia voa maika roboka ny vehivavy.Manana fiara ko.
Tsy voajery mihintsy ilay hoe "NY FANAHY NO MAHA OLONA"sy ilay tenin'ny soratra masina hoe"Ny vady hendry dia fanomezana avy amin'Atra".Dia lasa mikorontana ilay tokan-trano na fiarahana avy eo.
Izay no mba hevitro ry namana.

7. mirananirina ( 01/03/2013 09:11)

siga_soa:

Maharaviana ihany ny lehilahy fa mihevitra ho mafy sy matanjaka kanefa rehefa manoloana ny vahivavy dia malemy sy azon'ilay vehivavy manao izay sitra-pony rehetra. Ary nahoana moa ny lehilahy no manambady kanefa rehefa avy eo hitsahina ilay vady niara-niaritra ny mafy sy nnamone tarakana fa ilay vehivavy izay nalaina manaraka no andaniana ny vola rehetra sy hasoasoina ary dokafana ery ary hamoronana ny tsy misy mihitsy aza mba hanomezana fafaham-po an'ilay vehivavy faharoa ka na tsy mihinan-kanina aza ny vady aman-janaka dia tsy mampaninona. Diso tia tena loatra ny lehilahy. Ahoana ny hevitrao?


Dakôro aminao aho ny @ izay, betsaka ny lhl manao toy izany dia mampalahelo tokoa ny vady amanjanaka ka izao no tokony atao mba ialana @ izany:
tsy miankina loatra @ lhl, tsy mitambitamby aminy firy, mahaiza mandefitra nefa mila sahisahy azy ihany koa.Omeo fitiavana bebe kokoa izy na laviny aza indrai2 dia tsy rarahiana, ialao ny fieritreretana fa any misy vhv hafa tiany sy andaniany ny fananany!Ataovy izay maha afapo anao sy ny zanakao, asaivo mitaraina aminy ny ankizy fa tsy misy hohanina sns...fa aza ampidirina mht ny resaka vhv hafa fa vao maika mandrisika azy hifikitra sy handany vola @ iny
8. amig0 ( 06/03/2013 22:09)
Siga_soa: dia inona no tena tianao lazaina amin'le lehilahy sy vehivavy aloha fa tsy mazava amiko, mba hazavao tsara fa tsy mazava eh!
9. siga_soa ( 07/03/2013 12:30)

amig0:

Siga_soa: dia inona no tena tianao lazaina amin'le lehilahy sy vehivavy aloha fa tsy mazava amiko, mba hazavao tsara fa tsy mazava eh!


Ny tiako lazaina diany toetran'ny ankabeazan'ny lehilahy tia mampirafy ary manao tsinontsinona ny vady. Ary manome fahafaham-po an'ilay any ivelany
10. amig0 ( 07/03/2013 14:18)
Izao ary no mba teniko ry siga_soa ah!

Misy koa ny vehivavy manana anio toetra io ah,, tsy ny lehilahy ihany.

Mety oe ratsy vitana i siga_soa.. Ary tena ratsy vitana, satria mbola tsy nahazo anireny bandy tsy mampirafy ary manao izay hafaliany tiany ihany.

ka ny lehilahy rehetra no homeny tsiny. Ka izay no tsy mazava amiko eh!xd
11. 201007jacky ( 09/03/2013 07:47)
Mety HO marina ny fomba fijerinao , nefa indraindray mba tokony hanontany tena ihany hoe:
" Nahoana moa ny lehilahy no manao toy izany ?Inona no zavatra banga , tsy tomombana ao an-tokantrano na eo amin'ny fiarahana? "
Misy anefa dia hetraketraka tsotra izao.
Misy ihany koa anefa fomba fiteny Betsileo manao hoe : " Tsa misy fo mahafoa vady , fa ny maso no te - hanam-bao koa" ary "Tsa misy fitia herin-taogna , fa lehe tagny ko fonegnana".

Ny dikan'izany dia izao , araka ny hevitro manokana : ilay 1° dia hoe noho ny fitsiriritana na fahafinaretan'ny maso no antony mahavoasarika ny lehilahy hiantso , hiresaka , hifanao fotoana , hiaraka ary hifankatia amina vehivavy iray.Izany dia mety hitarika amina fiarahana maharitra NEFA tsy amoizany ny vadiny.
RAHA tsy mahatandrina anefa dia mety hovoatarika hatramin'ny fisarahana , fanaovan-tsinontsinona ny sipa na vady aman-janaka mihitsy.

Ilay 2° indray dia midika fa ny fitiavana mety tsy maharitra , nefa noho ny fahatahorana ny fiarahamonina na ny fonenana dia tsy maintsy miaraka eny ihany.

Izay no mba hevitray avy aty atsimo fa de mba ilazao raha hafa koa moa lehe misy fa soa be ny mifanakalo hevitsa sahala am'izao.
Misaots e
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.103