mitsiriritra vadin'olona

1. amig0 ( 13/02/2013 14:07)
Mety ve izany sy ara-dalana?
novalian'i vale ny 03/05/2013 10:43
2. Nehemiah ( 13/02/2013 14:24)
Ex. 20:17 re !
3. lal84 ( 15/02/2013 08:36)
ts met tsotrzao!
4. nilex ( 18/02/2013 07:38)
28 Fa izaho kosa milaza aminareo fa izay rehetra mijery vehivavy hila azy dia efa nijangajanga taminy tam-pony sahady.

MATIO 5 28 - 28
5. booboo ( 19/02/2013 08:47)
:-D :-D :-D :-D :-D noheveriko fa exemple ity Ex.

6. nilex ( 20/02/2013 05:36)
Izaho no tena izy ry zalahy a.Mba ataovy toy ny fisainako.Marina fa tsara ilay vadin'olona dia hajanona eo ny fijery hoe tsara izy fa tsy alefa lavitra kosa.Rehefa hoe vadin'olona izy dia ekena izay ary hajaina.Amboarina ny saina satria mbola be ny vehivavy tsara tsy misy tompony.Ho an'ny tsy manambady izay fa ho an'ny manambady kosa indray dia ny vadinao no efa anjara sy tsara matoa nosafidiana,tsy hoe tsara hendrika akory no tiako ho tenenina eto fa tsara amin'ny maha olona azy.Dia io no kolokoloina sy hatsaraina eo dia mahafinaritra fa tsy ny an'olona indray no tsiriritina.Io fitsiriritana io mantsy dia miteraka heloka eo anatrehan'Atra io no mety hiteraka olona maro be raha tsy voafehy.
Ho fehiny izany dia izao,aleo tsy mitsiriritra ny an'olona fa ny an'ny tena no atao milay e dia mahafinaritra foana io.
7. siga_soa ( 28/02/2013 08:05)
Fa misy koa anefa manana ilay fisainana hoe tsy mahatanteraka ny filany intsony ilay vady ao an-trano ka mba hamenoana an'izany dia ny vadin'olona no tsiriritina sy alaina na koa mitady hafa. Raha io indray dia ahoana hoy ianareo?
8. mirananirina ( 01/03/2013 09:15)
Tsy mety izany satria izany aza hoe efa vadin'olona iny, efa misy tompony ka aza tsiriritina intsony fa be ny tanora sy celiba tokony ho tsiriritina.Io koa ange na hitsiriritra eo aza ianao araka izay hoe mitsiriritra fotsiny fa tsy ahazo azy mht eh
9. nilex ( 05/03/2013 06:18)
tsara amboarina ihany ny saina ho antsika lehilahy.Mba ataovy tsara ny safidy dia tsy mitsiriritra ny an'olona e,mba ilaina koa ny manakambo eo amin'ny fiainana e,aleo ny an'ny tena no atao tsara fa tsy ny an'olona ve no ho tsiriritina.mila saina mahay mionona koa nge e fa tsy misy akory ny tonga lafatra na ahoana na ahoana.Ilay fitsiriritana mantsy miteraka fihitaran'ny saina fihitaran'ny saina lavitra ka manjary manaonao foana ny sasany.
10. 201007jacky ( 09/03/2013 08:09)
Marina ny hoe " Aza mitsiriritra vadin'olona" NEFA kosa matoa misy io fandrarana io dia efa nisy nanao izany .
Ny lalàna mantsy tsy misy raha tsy misy ny hampiharana azy.

Ny maso , hono, adaladala , ka hasakasak'izay azon'ny fanafitohinana sy ny fakam-panahy.
Tandremo kosa anefa ianao vadin'olona io sao iraihan'ny fakam-panahy.
11. ral_ ( 09/03/2013 16:08)
Salama jiaby
Tsy mitovy aloha ny mitsiriritra sy ny tena maka e, je touche avec les yeux.
Bon week-end daholo e
12. vale ( 03/05/2013 10:43)
aza maka ny an'oul izany fa sode mahazo problème @ zavatra tsy ho lasanao akory hein! lol!!!
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2646