Misy vanim-potoana ny finoana sy ny asa takian'ny finoana!!!

1. Maranatha ( 11/02/2013 10:33)
Mba hanamifasana ny lohahevitra dia ity misy andalana soratra masina maromaro manamafy fa tsy maintsy harahana asa ny finoana:
Jakoba 2:14 [Ny fahafoanan'ny finoana tsy misy asa] Inona moa no soa azo, ry rahalahiko, raha misy milaza fa manam-pinoana izy, nefa tsy manana asa? Ny finoana va mahavonjy azy? .......17 Ary mba toy izany koa ny finoana, raha tsy misy asa, dia maty mihitsy.18 Fa angamba hisy hanao hoe: Hianao manam-pinoana, ary izaho manana asa; asehoy amiko tsy amin'ny asa ny finoanao, ary izaho kosa haneho aminao ny finoako amin'ny asako.19 Hianao manao fa iray ihany no Andriamanitra; koa tsara izany ataonao izany,- ny demonia koa mba mino izany ka dia mangovitra.20 Moa tsy fantatrao va, ry olom-poana, fa tsy vanona ny finoana tsy misy asa?

Araka izany ny finoana izany dia tsy maintsy harahana asa. fa misy vanim-potoana ihany koa ny fanarahana io finoana io. handray ohatra maromaro isika dia hazava aminareo ilay izy.

-T@ andron'i Adama sy Eva ny finoana notakiana taminy dia ny hoe raha vao mihinana ny hazo fahalalana ny tsara sy ny ratsy dia maty , ny asa takiana dia tsy manatokatona ilay hazo ary tsy mihinanana ny voa avy aminy Gen 2:16 Ary ny Tsitoha nandidy an-dralehilahy ka nanao hoe: Ny hazo rehetra eo amin'ny saha dia azonao ihinanana ihany;17 fa ny hazo fahalalana ny tsara sy ny ratsy dia aza ihinanana; fa amin'ny andro izay ihinananao azy dia ho faty tokoa ianao.
-t@ andron'i abrahama dia ny finoana dia Gen 12:1 Ary hoy ny Tsitoha tamin'i Abrama: Mandehana miala amin'ny taninao sy ny havanao ary ny tranon'ny rainao hankany amin'ny tany izay hasehoko anao;2 dia hahatonga anao ho firenena lehibe Aho sady hitahy anao sy hahalehibe ny anaranao; ary ho fitahiana tokoa ianao; .Ny finoana ho tonga firenena lehibe sy hihalehibe ny ananarana ary ho fitahiana . Ny asa dia tsy misalasala fa tonga dia mandeha .sns......
-t@ andron'ny zanak'israely ny fomba famelan-keloka dia mitondra zanak'ondry na voromailala, ka rehefa avy manota dia iny no atao sorona ho famelan-keloka dia voavela ny heloka . Ny finoana:Ny ràn'ilay zanak'ondry mahavela heloka . Ny asa mitondra zanak'ondry na voromailala hatao fanatitra sns...

-t@ Mpamonjy tonga tety ambonin'ny tany dia ny finoana Azy no asa notakian'ny Tsitoha tamin'ny olona tety ambonin'ny tany jaona 6:28 Dia hoy ireo taminy: Inona no hataonay mba hiasanay ny asan'Andriamanitra? 29 Jesosy namaly ka nanao taminy hoe: Izao no asan'Andriamanitra, dia ny hinoanareo Izay nirahiny.

-t@ Mpianatra nitety nankany @ jentilisa Ny finoana : Mino ny tompo fa Izy no mpamonjy; ny asa: Asa 15:28 Fa sitraky ny Fanahy Masina sy izahay tsy hampitondra enta-mavesatra anareo afa-tsy izao zavatra tsy maintsy hotandremana izao ihany:29 dia ny hifadianareo ny hena aterina amin'ny sampy sy ny rà sy ny zavatra kendaina ary ny fijangajangana; raha mahatandrin-tena hifady izany ianareo, dia ho soa. Veloma ianareo.

-Ankehitriny vanimpotoana andro farany
Ny finoana : Mino isika fa manao ny asa-fanavotana farany ao amin'ny efitra masina indrindra ilay mpisoronabe antsika Mamono ireo fahotan'ireo voavonjy ao amin'ny bokin'ny fahafatesana .
Ny asa : Miory izay tena zanakin'i tsitoha rehetra ary manaraka ny teny ihany koa ato amin'ity Apok 14:9 Ary nisy iray koa, dia anjely fahatelo, nanaraka ireny ka nanao tamin'ny feo mahery hoe: Raha misy miankohoka eo anoloan'ny bibi-dia sy ny sariny ka mandray ny marika eo amin'ny handriny na amin'ny tànany,10 dia izy koa no hisotro ny divain'ny fahatezeran'Andriamanitra, izay naidina tao anatin'ny kapoaky ny fahatezerany tsy miharoharo zavatra, sady hampijalina amin'ny afo sy solifara eo anatrehan'ny anjely masina sy eo anatrehan'ny Zanak'ondry iry;11 ary ny setroky ny fijaliany dia miakatra mandrakizay mandrakizay; ary tsy manam-pitsaharana na andro na alina izay miankohoka eo anoloan'ny bibi-dia sy ny sariny, na izay mandray ny mariky ny anarany.12 Indro ny faharetan'ny olona masina, dia izay mitandrina ny didin'Andriamanitra sy ny finoana an'i Mpamonjy.

Miory, Mitandrina ny Didin'ny Tsitoha, Mino ny Mpamonjy, Tsy miankohoka amin'ny Bibidia na mandray ny marika avy aminy (na amin'ny handrina na amin'ny tanana).
novalian'i Nehemiah ny 11/02/2013 12:56
2. Nehemiah ( 11/02/2013 12:56)
Tsy mba izaho no handà fa ny finoana tsy arahin'asa dia tsy mba finoana mahavonjy. Fa ity kosa misy fanamarihana kely : tadidio ny Fi. 2:13 : "Fa Andriamanitra no miasa ao anatinareo na ny fikasana na ny fanaovana hahatanteraka ny sitrapony." Tsy afaka miaina fiainana ankasitrahan'ny Tompo antsika @ herintsika fa i Andriamanitra mihitsy no mankahery antsika ho an'izany. Tsy maintsy mahazo sève avy @ voaloboka ny sampam-boaloboka vao mitsiry ny voany.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3286