Tena iray, Fanahy iray, Fanantenana iray, Tompo iray, Finoana iray, Batemy iray (Efezianina 4, 3-6)

1. andry2013 ( 07/02/2013 03:31)
Hafatr’i Md Paoly

Mikeleza aina hitana ny firaisam-po amam-panahy akamban'ny fihavanana; fa tsy misy afa-tsy tena iray, sy Fanahy iray, araka ny niantsoana anareo ho amin'ny fanantenana iray; tsy misy afa-tsy Tompo iray, finoana iray, batemy iray, ary Andriamanitra iray, izay Rain'izy rehetra, ambonin'izy rehetra, manerana azy rehetra, ary ao anatin'izy rehetra.

Samy manana ny ambaratongany anefa ny fahasoavana nomen'ny Kristy antsika tsirairay avy. Izany no anaovan'ny Soratra Masina hoe: Niakatra any ambony izy, nitondra olona maro ho babo, ary nanome fanomezana maro ho an'ny olona. Inona no ilazana hoe niakatra izy, afa-tsy noho izy efa nidina ho any ambanin'ny tany koa? (izany hoe maty I Kristy mba hamiditra ny fanahin’ireo maty ho oa amin’ny Eglizy Sambatra any an-danitra) Ary tsy iza ilay nidina fa ilay niakatra any ambonin'ny lanitra rehetra ihany, mba hamenoany ny zavatra rehetra.

Dia izy no nanome ny sasany ho Apostoly, ny sasany ho mpaminany, ny sasany ho evanjelista, ary ny sasany ho mpiandry sy mpampianatra, mba samy hanana ny fandraharahany avy, amin'ny fandavorariana ny olona masina, dia amin'ny fandrafetana ny tenan'ny Kristy, mandra-pahatongantsika rehetra ho amin'ny firaisam-pinoana amam-pahalalana lavorary ny Zanak'Andriamanitra, sy ho lehilahy lehibe tonga ohatra, mahatratra ny halehibeazana amam-pahafenoan'ny Kristy; dia tsy ho zaza intsony isika, ka tsy ho azon'ny rivotry ny fampianaran-tsamihafa rehetra ahilangilana sy avezivezy, tsy ho voafitaky ny saim-petsy itarihan'ny olona ho amin'ny hevi-diso; fa hanaraka ny marina amin'ny fitiavana, ka hitombo hatrany hatrany amin'ny zavatra rehetra, amin'ny firaisana amin'ny Loha, dia ny Kristy. Izy no iankinan'ny tena manontolo, ka mahatonga ny rantsam-batana rehetra hilamina fatratra, hitambatra mafy, hifanampy hatrany, samy miasa araka ny anjarany tsirairay avy, ka mitombo sy toa mandrafitra tena amin'ny fitiavana.

Koa izao àry no lazaiko sy ambarako ao amin'ny Tompo: Aza manao fitondran-tenan-jentily izay mizotra manaraka ny hevi-poanany, fa nihamaizin-tsaina izy ireny, sy nanalavitra ny fiainan'Andriamanitra, noho ny tsy fahalalana amam-pahajambam-pony, ka lany henatra dia navarin'ny filan-dratsiny tamin'ny fijejojejoana amam-pahalotoana rehetra. Fa hianareo kosa, dia tsy mba ny ho toy izany no nianaranareo hahalala ny Kristy, raha izy tokoa no renareo ka tao aminy no nampianarana anareo, araka ny fahamarinana ao amin'i Jesoa, hiala amin'ny fitondran-tenanareo taloha, ka hamela ny olon-tranainareo efa simban'ny fitaky ny filan-dratsy, mba hohavaozina ao amin'ny saina amam-panahinareo hianareo, ka hitafy ny olom-baovao izay noharina araka an'Andriamanitra amin'ny fahamarinana [amam-pahamasinana tena izy tokoa.

Ario àry ny lainga, ka samia milaza ny marina amin'ny namany avy, fa mifampirantsam-batana avokoa isika rehetra. Tezera, fa aza manota, ary aoka tsy ho tratry ny masoandro milentika ny fahatezeranareo. Aza omena fidirana ny demony.

Izay nangalatra, aoka tsy hangalatra intsony, fa aleo miasa tànana, manao zavatra tsara, dia hanan-komena ny tsy manana aza.

Aoka tsy haloaky ny vavanareo ny teny ratsy, fa ny teny soa mampandroso amin'ny tsara, araka izay ilaina, mba hahazoan'izay mihaino fahasoavana. Aza mampalahelo ny Fanahy Masin'Andriamanitra, izay nanasiana tombo-kase anareo, ho amin'ny andro fanavotana. Esory aminareo rahefa mety ho lolom-po, fahatezerana, fahavinirana, fitabatabana, fitenenan-dratsy, ary hasomparana. Fa aoka hianareo samy halemy fanahy amin'ny namany avy, ka hifampiantra sy hifamela heloka, toraka ny namelan'Andriamanitra anareo ao amin'ny Kristy
(Efezianina 4, 3-32)

Maro koa ny Marika Napaetrak’Andriamanitra ao amin’ny Baiboly hanamarika io Fiangonana Fiobonana iray io, ohatra amin’izany ny fankalazana ny Sakramentan’ny Eokaristia (Asa 2,42; Asa 20,7; 1 Korintianina 11,23-29) izay Naorin'i Jesoa manokana mihitsy (Matio 26, 26-27; Marka 14, 22-24; Lioka 22, 19-20; Lioka 24,30; Joany 6, 50-69)ary tena mifono Mistery sy hevi-dalina tsy azontsika saintsainina akory(...) Hoy mantsy Md Paoly:

"Moa ny kalisim-pisaorana izay isaorantsika, tsy firaisana amin'ny ran'ny Kristy va? Ary moa ny mofo izay vakintsika, tsy firaisana amin'ny tenan'ny Kristy va? Satria iray ihany ny mofo, ka dia tena iray ihany koa isika na dia maro aza, fa mofo iray ihany no iombonantsika rehetra." (1 Korintianina 10, 16-17)
novalian'i Miharena ny 07/02/2013 15:59
2. Miharena ( 07/02/2013 15:59)
Misaotra ny namana andry2013 fa ireo ihany no izy fa ny sisa resabe avokoa.

Mahereza namana isany mitana ireo dia aleveno ny adihevitra dia ho hitanao fa sambatra ianao sady manana firaisana marina amin'ny rehetra satria efa nahazo feno tamin'i Kristy.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0889