misy "sosie" mandehandeha amin'izao a!
1. rabefou
(
05/02/2013 18:45)
ô rey olona e! na Jesoa/Jesosy/Yeshoah, izy daholo io fa isika génération fa 57 raha atao hoe 35 taona no mivadika ny génération ka miova eny an-dalana ny fomba fanononana Anarana. tsara ny manam-pahahalalana fa te hampahafantatra antsika aho fa misy sosie ko anie Izy iny e! ary ny loza dia tsy ny endriny fotsiny no mampitovy azy, fa ny fahafahany manao miracle koa, Adihadio tsara anie e, dia tandremo sao voafitaka hoy ny hiran'ny SLKAF.
novalian'i Miharena ny 11/02/2013 16:36
2. niryna
(
09/02/2013 06:29)
Misaotra anao.Ny zavatra tsikaritro dia misy finoana iray izay feno ny sarin'i kristy ny tranon'ny mpino sy mpanaraka io finoana io.Izany hoe raha vao miditra ny tranon'olona iray hianao dia fantatrao hoe finoana izao no misy azy satria misy sary ngezabe izy mila hafarana mihitsy hono vao mahazo azy( atao hoe tena sarobidy izany ilay izy e) Ary atao ngezabe mihitsy an fa hoe io hono no sary mitovitovy Azy.Dia ny mahagaga ahy koa dia tsy mampianatra ny hoe aza manana andriamanitra hafa ry zareo na mampiditra ny hoe aza miankohoka amin'ny sary vongana na sarin-javatra hafa Hay moa manana sarisary izay noheveriny fa ho Atra-kristy ilay finoana .Indray andro izahay nandeha tany amin'ny fivarotana boky ny kristiana izahay.Io eo ilay sary nolazain'ny finoana iray fa mitovy an'i kristy fa amidiny ary kely dia kely ilay izy.Tsy misy manontany akory satria toy ny fanoroana pejy rehetra ireny fotsiny kanefa dia noforonina ary namitahana ny olona ao aminy fa io no mitovy an'i kristy..Mahavariana indraindray an
Variana tokoa aho fa hoy ilay olona ambony tao amin'ilay fiangonana hoe tsy maintsy asiana an'io ny trano ary hanafarana io sary io .Ny fanalehibiazana ilay sary kely izany dia lasa fitadiavam-bolan'ilay fiangonana ary lasa manana symbol ny maha toa izao sy izao an'ilay finoana ilay olona Tena hoe toerana hafa mihitsy no hanafarana azy kanefa na eny amoron'ny arabe aza dia ahitana ilay kisarisary.Mila mitandrina isika fa misy tokoa ny olona nantsoin'Andriamanitra hitory saingy rehefa tonga ao amin'ny fahefana dia lasa manaraka fahefana hafa izy ka tafaroboka avokoa na ny olona hoentiny sy mitondra ny fiangonana miaraka aminy aza.Andriamanitra anefa dia fanahy ka ny olona izay mino azy dia mivavaka amin'ny fanahy fa tsy vonganjavana na kisarisary ,izay no fahalalako azy aloha an

3. Miharena
(
09/02/2013 17:51)
Amiko indray dia izay mieritreritra ny hitady AZY ivelany no isehoan'ny sandoka satria fatra-pitady famantarana.
Ny olana eto dia izay norafetiny ho IZY no miseho aminy ary manome endrika araka ny fiheveran'ny tenany AZY ihany no miseho aminy. Mahay mamorona tokoa ny olona ary tanteraka aminy ilay izy. Rehefa izay no miseho dia hita mihitsy ny maha-zanak'Andriamanitra ny olombelona satria mahay mamorona toa AZY ary mahatanteraka izay heveriny hatrany na dia diso noforonin'ny tenany ihany ary lasa fahamarinana aminy araka ny Tenin'i Kristy hoe : na inona na inona no angatahinareo amin'ny Anarako dia hataoko izany.
Ka raha toa ka milaza ilay olona hoe : diso ny fanaon'ny Fiangonana, dia eken'i Krsity ilay izy hoe eny diso tokoa izany araka ny fiheveranao io mihitsy. Ary koa rehefa misy miteny hoe, izato no tena marina, dia miteny aminy' koa i Kristy hoe ; eny marina izany fiheveranao izany.
Dia izay no mahatonga izao zavatr anoforonintsika olombelona ho finoana izao ho lasa samy manana ny azy satria hay noforoniny ilay izy na dia efa misy milatsaka avy any an-danitra aza ny fampianarana ny marina.

4. moustaraf
(
11/02/2013 12:58)
Salama namana,
1. Efa nilaza ny Mesia fa hoa avy ny andro hisehoan'ilay MILAZA TENA HO MESIA "Mpamonjy";
koa aza gaga isika raha betsaka ny sosie satria izay no efa nambarany,
Eo indrindra no tokony hisokafan'ny masontsika rehetra hoe: IZA MARINA ITY ARAHIKO ITY?
-Ilya original (tena izy ) sa ilay sarintsariny noforonin'ny Grika sy Romana.
"Dinihonareo ny soratra masina"sefer kadosh" (ny bokin'ny mpaminany izany) fa ao no manambara ahy (Mesia) ; Izay finoana manilikilika ny bokin'ny Mosesy sy ny Mpaminany izany dia fantaro fa tsy hahita mihitsy ny tena Mesia marina;
-Ny mpaminany ISAIA (52:7) efa nilaza fa YESHU'A no anarany,saingy nafenina ary nadika anarana hafa syfanahy hafa:
"Mah nanou al heharym ragleï mevaser masmiya shalom mevaser tôv masmiya Yeshu’a omer letsyôn malakh Elohaykh =Yeshu’a milaza @ Ziona hoe Mpanjaka Elohym nao."
-Noho izany fahadisoana izany , dia diso avokoa ny dikan-teny rehetra, ohatra:
1. 1JAONA 4: 1-5/
Ny fanahy tsy maniky an'i YESHUA dia sandoka . lasa hoe: Ny fanahy tsy manaiky an'i Jesosy dia sandoka.
2. 2KOR 11:4 fampitandremana @ fampianarana tsy izy
iZAY mitory Yeshua hafa >> fanahy hafa >> filazantsara hafa ; lasa hoe
izay mitory Jesosy hafa ...fanahy hafa...fiazantsara hafa
-Ahoana moa no tsy hiova avokoa ny fahamarinana rehetra???
fanahy hafa Yeshu'a (jiosy) / ARY fanahy hafa ary olona hafa mihitsy koa Jesosy (Romana)
MAHAREZA DAHOLO

5. Miharena
(
11/02/2013 16:36)
Namana Moustaraf,
Mba azonao omena santionany amin'ny mahasamihafa ny asan'ireo fanahy ireo ve izahay?
Izany hoe, tsara raha jerena mihitsy ilay asa vitan'ny fiantsoana hoe Jesoa, na Jesosy, ary koa ny asa vita amin'ny fanononana fa Yeshua IZY?