Mba mangataka fanampiana @ nareo namana.

1. mauricette ( 27/01/2013 04:09)
Manahoana daholo tompoko!
Zaho zany dia manana olana eo @ tokan-tranoko,28 taona zaho izao manambady ary mananjanaka 2 :7taona sy 3taona.Ny olako dia toa izao:
Sinoa ny vadiko ary efa ho 7 taona izay zahay no nivady.Nanomboka t@ voalohany d'efa tsy de tia io vadiko io zaho satria efa nanana olontiana tamin'izany ,fa nohon'ny faneren-dray amandreny no nahatonga ahy nanambady azy,voalohany zahay vao nanomboka ni-iray trano d'efa nikasi-tanana ahy io vadiko io nohon'ny fanadalany mpiasa vavy ,marihiko eto moa fa nanana societe teto Mada izy t@'izany ary betsaka ireo vehivavy mpiasa tao.
Ny tena mampalahelo ahy anefa dia isakin'ny avy manadala vehivavy izy de tratrako fona na le vehivavy mihintsy no mitantara dircet aty amiko ny zavatra nataon'ny vadiko taminy.
Rehefa izany dia tezitra sy malahelo zaho ka miteny aminy de tonga izy dia mikasy tanana ahy mbafanalany tena.Marihiko koa fa io vadiko io dia tena tsy tia izany hoe alaina baraka izany ary izy koa dia tena olona tsy manaiky disoina izany mihintsy.Rehefa nanana ny zanakay voalohany aho dia nanao vava tamiko izy hoe [ra vao vehivavy io zaza io dia zaho tsy mila fa na omeko olona na alefako any @ mamanareo tezainy] fa izy mantsy efa divorce ary efa nanan'janaka vavy 1 any @ taniny.Nataony nalaza tao@ toerana fiasana izany, koa dia nahalala izany daholo ireo mpiasa vavy rehetra tao
nisy t@ ireo mpiasa mihintsy moa indraindray no miteny amiko rehefa mahita ahy zareo dia miteny hoe [tena manao kibom-bavy be njy] rehefa teraka soaman'tsara moa zaho dia lahy ny zanako ary rehefa izany dia nangataka fialana ny secretairenay izay manana olana @ resaka fananan'janaka .Ary io secretaire io mihintsy matetika no milaza ahy hoe vavy anaka tamin'izaho mbola bevohoka.
Rehefa teraka soaman'tsara moa ilay zanako dia nanao ny dossier ny vadiko sy ny namany gasy 1 izay.Ny tena nahagaga ahy tamin'izany dia nanao certificat de nationaliten'ilay zanako zareo ary tsy nisy taratasy nataoko sonia mintsy mandra-pahavitan'ilay izy,rehefa nivoaka ilay certificat de nationaliten'ilay zanako dia nentin'ny vadiko nandeha tany @ Ambassade izahay mianaka ary rehefa tonga tany dia toa hoe hanamboatra passeport njanako no nalehanay tany ,teo koa zaho dia tena gaga satria hitako tena maika be mihintsy ilay vadiko hanao ilay papier sinoa an'ilay zanako saingy ny olona tao @ ambassade no nilaza taminy fa ra azy marina ny zaza dia tokony hanao fisoratam-panambadiana amiko izy izay vao manana zoa manao izay zavatra ilainy hatao @ ilay zaza ,teo no eo ihany izy dia niantso ny secretaire vao2 nay ary niteny hoe[hanao fisoratam-panambadiana zahay fa mandehana karakaro hainga ]tsy naharitra ela akory fa 1 herin'andro dia vita ny fisoratam-panambadianay.
Matetika isakin'ny misy zavatra hatao dia tsy milaza amiko mihintsy io vadiko io ary ny zavatra hampanaoviny ahy indraindray dia zavatra tsy mifanaraka @ lalana malagasy mihintsy ,rehefa mba miteny azy @ hevitro momba izany anefa aho dia izao foana no lazainy amiko hoe[fa ianao mahay inona] marihiko koa moa fa izaho olona tsy dia nandiha fianarana firy ka tsy dia mahalala ny zavatra sasantsany .Tsy naharitra ela io societeny io dia fongana satria mbetika izy manafatra enta avy any ivelany dia mbetika eo indray izy miteny hoe hanokatra restaurant ,avy eo tonga daholo indray ny entana hanaovana ny restaurant dia mivadika zavatra hafa indray koa izy,farany tsinisy niangana na ny iray aza t@ ireo fikasany ireo ary tena loza dia ny fananay tao antrano koa aza fonagana nohon'ny zavatra nataony tsy hampieverana ,tsy mba manaiky anefa izy hoe izy no diso fa rehefa mirasaka @ olona izy dia azerany aty amiko daholo ny olana rehetra hoe noho izaho tsy mba manampy azy hono kanefa izao isakin'ny mba miteny azy dia fanambaniana ahy ho tsy nahita fianarana foana no lazainy ahy any zaho tena leo dia aleoko zaho manaiky izay zavatra hampanaoviny ahy na haiko io hoe mety na tsia dia hataoko fona satria zaho leo. Nandritrin'ny 3 taona nifanesy dia mila ho isan-taona zaho tsimaintsy voakasi-tanana foana ary niantony dia vehivavy foana ihany,satria tratrako @ zavatra hataony izy dia izay no mba fanalany ny tenany.
Ankehitriny mipetraka aty ivelany izahay zany hoe aty @ fireneny ,t@ 2011 dia nanomboka nanao zavatra hafa indray koa izy ,zany hoe nasainy nitady vehivavy malagasy te hanambady sinoa ka afaka mandeha aty china izaho,ary rehefa izany dia betsaka ireo vehivavy no nanaiky ny nadeha taty ary nifanaraka tsara izahay fa izahay no miantoka ny vola lany rehetra @ io vehivavy io fa rehefa mahita vady izy dia izay olona ho vadiny no mamerina ny volanay ,teo dia nanomboka indray ny olana satria rehefa nahatonga vehivavy 1 taty zahay dia izy no nadeha nitsena ilay vehivavy tany @ airoport tany ka tamin'izany dia nahazo fanadalana taminy ilay vehivavy kanefa tsy azony ary noferany mafy tsy hilaza izay zavatra nisy tany aty amiko,rehefa izany moa dia tena tsy nilaza izany toako ilay vehivavy ary nandeha nipetraka tany @ vadiny izy rehefa nahita vady, tonga indray ny vehivavy faha 2 dia mbola izy ihany no nandeha nitsena ilay olona tany ary dia mbola toan'ilay teo aloha ihany koa ny zavatra niseho saingy nahatsiaro ho manana fanainga lavitra izany zaho ka tsapako fa misy vazatra tsy milamina any @ vadiko any ary isakin'ny miantso ahy izy dia manafatrafatra azy foana zaho hoe tandremo saody hanao2 foana any an! tonga soamantsara taty @ misy anay zareo ary vao tonga io vehivavy io dia nanontaniako izay zava-nisy tany satria herinandro mahery zareo tany fona fa hoe tsy nahita billet train mody aty @ misy anay hono ary nipetraka t@ na hotel ka chambre 1 ihany no hiraisan'izy roa .T@ voalohany tsy nahasahy niteny tamiko io vehivavy io fa rehefa notereko izy dia nitsotra ihany ary nitantara ny zavatra nisy tany eny fa na dia hoe tsy azon'ny vadiko aza izy .
Teo aho dia tena kivy ary mbola nangataka fana-zavana t@ vadiko ihany ,
saingy valy biraingina no hanaovany ahy ary ilay vehivavy indray no lazainy hoe adala fa hoe inona hono no hitantarana izany nefa ianao aza hoy izy tsy hazoko akory koa inona no tombi-tsoa azonao @ izany .Ary teo dia mbola nisy indray ny fikasian-tanana ahy ary natao radio mihintsy zaho tamin'izany satria teo @ lohako no voa.Nandritran'ny fotoana nijanona'io vehivavy io tao aminay dia betsaka ny olana satria isakin'ny tsy eo imasoko ry zareo dia mbola manao ny fanaony ihany.Taty ahoriana nahita vady ilay vehivavy ary lasa tany @ vadiny koa ,saingy tsy naharitra ela izany dia nangataka fisarahana t@ vadiny ilay vehivavy fa hoe tsy tamana hono,teo koa ilay vehivavy tonga voalohany fa nangataka fisarahana t@ vadiny koa ary samy nifanaraka izy roa vavy fa hi-divorce ary ody .Nampalahelo ahy ny vadin'ilay voalohany satria tena tsotra be ilay rangahy dia niteny tamiko io rangahy io mba hanambitamby azy tsy ody,saingy tamin'ny andro saika hiaonako tamin'io vehivavy io dia tsy nety nihaona tamiko izy fa hoe matahotra ny vadiko hono dia nanontany izay antony aho ary nambarany tamiko ny zavatra nisy rehetra fony izy vao tonga taty ary tamin'izany no nilazany tamiko koa fa matetika io vadiko io no mandeha any antranony ary mnagataka firaisana aminy fona hono ary efa tena nisy mihintsy
aza teo amin'zareo roa,saingy tsy fantatro mihintsy satria io vehivavy io mila ho isakin'ny 2 andro dia mandeha any aminay fona ary tonga maraina dia mody ny ariva ,hay kay izy sy io vadiko io miaraka fa izaho no tsy nahalala mihintsy satria manafina ry zareo rehefa eo imasoko.Amin'izao fotoana izao dia lasa kivy aho satria lasa tsisy fitiavana azy intsony ny foko ary tena lasa mankahala azy aho satria eny fa na dia ny fanaovana raport aza dia mila hatsiaro ilay fitantaran'ilay vehivavy ny zavatra nataon'zareo fona aho ary tena tsy zakako dia io vadiko io tsy mba manao izay hoe hisariana ahy ho envie @firaisana fa izy foana no mila hatao izao rehetra izao mba hahazo fafiny fa izaho dia mivongady fotsiny eo kanefa izy nanao t@ olona tany mahay manao izao rehetra izao mba ampi -exite ilay vehivavy.Tena kivy aho reto ah! ary mieritreritra ny hisaraka ,ka eto no mba tiako hilana fanampiana @ nareo satria tena tiko ny zanako ary tsy foiko kanefa ny fihainako amin'io vadiko io dia tena efa tsy ao intsony ny fitiavako .Misy hadinoko kely fa hatramin'izay fotoana nivadianay izay dia tsy mba nandray ny familleko ho familleny mihintsy io vadiko io ary tena mahasahy ny manambany ireo ray aman-dreniko mihintsy,ary mazana izy no mitady hanafatra ireo zandriko vavy hoe andeha aty,kanefa haiko tsara ny toetrany fa tea hanadala ireo zandriko ireo izy ary tea hanararaotra azy ireo koa ,saingy zaho moa tsy nanaiky mihintsy satria haiko fa ijaly ireo zandriko ra tena lasa aty .Eo koa ny zavatra lazainy ahy hoe
izaho hoy izy tsy mila ny havanao mandeha aty na ireo zandrinao ireo aza fa manjary mampiady antsika izany,satria inona no antony hilazany izany? satria izy tena tsy maha-fehy tena mihintsy ra vao mahita vehivavy fa dia any fona .
Ka inona reto no hataoko ah? Izy koa en plus ato efa tsy miasa intsony fa dia mihaina @ Fisotron-drononon'ireo ray mandreniny izahay fa raha vao hoe resaka hiasa dia lazain'ny mamany fona hoe marary hono izy ka tsy mahazo manao asa mandreraka vatana ,matetika koa ireo namany no mitady asa mba mety ho vitany kanefa izy efa zatra n'ny milalao vola be ka tsy tia vola kely izany.Lasa izaho foana no hampirisian'izy miana-kavy ny hiasa ato kanefa ry zareo koa tsy manaiky ny hanaovako asa hafa fa hoe hampianatra anglais hono zaho kanefa zaho mbola tsy tena maha-fehy io langue io mihintsy ena fa na dia hoe efa mba mahay manoratra sy sy miteny kely aza.Toa izay reto ny olana mahazo ahy ah! ka mba tory hevitra aho hoe inona no tokony ho hataoko ary mety ve ny fisarahako aminy sa tsia?

Misaotra sahady anareo rehetra izay mamaly sy mamaky ny olako aho ary manantena ny mba hahazo valiny @ nareo tsirairay avy.
Mankasitra tompoko, ary mirary soa .
novalian'i jobiely ny 21/03/2013 09:09
2. amig0 ( 27/01/2013 13:48)
Ok hataovy ny dEvorsaa!
3. bazooka ( 29/01/2013 07:14)
tena mampalaelo ny tantarampiainanao, voalohany aloha amiko ny fanambadiana tsy azo atao forcé, ka na inona na inona fanerena nataon ireo ray amandreninao tamizany hoe tsy maintsy hanambady azy dia tsy nanaiky ianao raha tsy nisy fitiavana anazy koa tao aminao
Efa vita moa ny amin'iny fa tsy asiantsika resaka lava fa izao fotsiny ny teniko aminao : dieny mbola izao dia ataovy izay fomba ahafahanao misaraka aminy fa raha azoko tsara de ao andavak i satana tanteraka ianao no mipetraka satria efa tsisy intsony ny fahafinaretana ao aminizany tokantranonao izany na ny kely aza, ka amiko tsitako tsony ze mbola hijanonanao ao? Sa hampijaly tena? aza manaiky ataon ny lehilahy anizany fa tsy rariny izany a, tsy vitan izany fa raha mba hoe tsy mikasitanana sy mampiadana anao izy amin'ny zavadrehetra ka mba hoe miafina izy manao anizany toetra ratsiny tia vehivavy izany dia mba nihafihafiana teo ihany fa ny olombelona ko nge tsisy parfait e, fa ny azy kosa nge efa aharihariny otran ny vay akandrina e, sady surtout ianao any amin ny taniny de vo maika izy mahazo vahana tsara mitsy, ka izao no hevitra atoroko anao ataovy zay fomba hanekeny hanaovanao divorce aminy de tsory azy mitsy hoe tsy tamàna tsony aho sady tsy tia anao tsony ko hoe e, aza menatra fa tsory azy ny ao amponao de firy taona moa le zaza ? misy lalàna koa io fa ny any am tribunal no mifehy anizany hoe manaraka anao le zaza na mijanona aminy raha tsy ze omeny volabe ko ny any aminy any angamba , tena mamy aloha ny zanaka fa rehefa hahafaty anao kosa ve ny ataon ny rainy de mbola hiaritra eo ihany a, tsy ho very tsy ho zanakao iny fa ny aina aloha avoty f efa hahafoy andro iainana ve tsy aleo miala, fa ny olana koa zao raha tsy manaiky an ilay divorce izy de awona ? ary raha sanatri ndray ka izay no mitranga ianao ve tsy manana moyen hoe mba hiverenanao aty Mcar sa tsy omeny vola ve na frais aza ? Tena sarotra be ny mahazo anao fa mahereza , marina aloha fa ny tokantrano fihafiana fa ny anao efa tena fampijaliana sy tsy firarahina ankarihary zao , karakarao ny divorce raha tena tsy misy fitiavana azy tsony tokoa ianao
zay dia courage foana amizay atao, mivavaha fa ANDRIAMANITRA tsy mandao
4. mauricette ( 29/01/2013 08:19)
Bonjour! Tena misaotra betsaka anao tompoko fa nahatsapako zavatra maro sy tena nam-pody saina ahy ny valin-teninao.Hitanao izao nandritran'ny 3 taona mahery nipetrahako taty izay mbola ts niasa mihintsy ary izy koa ts miasa hatramin'izao fa de miaina @ pansion n'nireo rafozako zahay ato,amin'izao fotoana izao zah dia tena mieritreritra ny ody tokoa saingy mbola ts te hampafantatra azy ny momban'ny divorce zah satria tena matahotra matetim-pitranga aty chine mantsy ny famonoana olona rehefa misy ny olana ohatra hoe ts te hanome vola ahy izy na ohatran'izany dia tena mety mahavita ny hamono ahy mihintsy ,satria tena betsaka ny trangan'javatra toa izany aty.Fa ny azoko hatao dia miandry ny fotoana izay hahafahany mandefa ahy mody ,satria tsimaintsy ody hanova passeport zah @ ity taona ity na 2014.Fa dia entina am-bavaka arakin'ny teninao sisa azo hatao e!
Mbola mamerina ny fisaorana betsaka indrindra tompoko.
5. nilex ( 01/03/2013 07:31)
Tsy dia voavakiko loatra ny olanao fa somary lava nefa azoko ihany ilay olana.Fa izaho no vahaolana tsotra sady mora indrindra azoko hatolatra anao fa miankina amin'ny safidinao.
Tsy misy tsy vitan'ny vavaka tompoko o satria mahery ilay Andriamanitsika.
1-mandiniha tena lalina ianao.
2-Miverena sy manolora tena ho an'Atra
3-Apetraho amin'ny olana rehetra sy ny fanirianao.
4-Mivavaha ho an'ilay olona vadinao.(Mangataga famelana sy fihovam_po ho azy.
5-Ankino aminy tanteraka ny ho avinao rehetra.
6-Aza mankahala ny vadinao fa mivavaha ho azy.


44 Fa Izaho kosa milaza aminareo hoe: Tiava ny fahavalonareo, ary mivavaha ho an'izay manenjika anareo,

MATIO 5 44 - 44

19 Ry malala, aza mamaly ratsy, fa omeo làlana ny fahatezerana; fa voasoratra hoe: "Ahy ny famaliana; Izaho no hamaly, hoy Jehovah" (Deo. 32. 35).20 Fa raha noana ny fahavalonao, omeo hanina izy; raha mangetaheta izy, omeo hosotroiny; fa raha manao izany hianao, dia hanambatra vainafo ho eo an-dohany (Oha. 25.

Ny tiako ho marihina fotsiny dia izao,tsy sitrak'Atra ilay fomba nanorenanareo ny tokatranonareo ka mila mifona aminy sy miverina aminy ianao.
Mbola tiany ianao ary misy zavatra tiany hambara aminao matao tafaresaka eto ianao.
Izay fa ny Tombo homba anao.

40 Hoy Jesosy taminy: Tsy voalazako va fa raha hino hianao, dia ho hitanao ny voninahitr'Andriamanitra?

JAONA 11 40 - 40

6. jobiely ( 21/03/2013 09:09)
Tena gravy nenao sady enao lavitry ny fianakavina fa zao ny mba torohevitro:
Mivavaha amin' A/tra rain' i Jeso Kristy aloha fa reo sinoa reo nge olona ts manana an' A/tra e, zany no mahatonga azy hampijaly anao ôtrzao. Faharoa, dia aza miteniteny aminy aloha hoe hisaraka aminy enao, sô tsy avelany mody aty eo tsony na matiny any sanatria. Ataovy mirindra tsara ôtran 'ny isan' andro iany ny fiainana sy ny fihetsikao mba tsy hahamahina azy. Fahatelo, ataovy mihitsy izay tsy maintsy hiverenanao aty Madagascar, ts manin ra lé oe hanova passeport @ 2014 ary vô hiverina aty Mada fa hiafio lo zay eritaona fa atrizay ary vita iany. Rehefa tonga aty @zay D aza mety miverina any tsony fa teneno @zay lé divorce, ento miaraka amnao aty ny zanakao dieny mbola tsy misy ny disadisa eo amnareo, aloan'ny hilazanao aminy ny fisarahanareo. Mody mitadiava antony hitondrana lé zaza enao. Zay no mba takatry ny saiko fa mankahery anao.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.859