Ahoana ny hevitrareo ?

1. Andry2013 ( 23/01/2013 06:25)
Ho an'ny Kristianina indrindra indrindra: Ahoana ny hevitrareo momba ireto toko sy andininy ao amin'ny Baiboly ireto : ny zavatra ambarany sy ny fifandraisany (niady hevitra tamin'olona momba ireo aho dia mba tiako ho fantatra kokoa ny hevitry ny be sy ny maro)
Matio 16, 18-19
Efezianina 4, 4-6
Efezianina 5, 32
1 Korintianina 10, 16-17
1 Korintianina 12,12
Kolosianina 1,18
Hebrio 12,22-24
Apokalipsa 12
Joany 19, 25-27
Lioka 1,43

Misaotra mialoha ho an'izay rehetra afaka hamaly
novalian'i andry2013 ny 04/02/2013 18:15
2. Nehemiah ( 23/01/2013 07:33)
Toa resaka finoana katôlika daholo ny anao izany ! Inona no tena tianao ahatongavana ?
3. Andry2013 ( 23/01/2013 07:52)
Ny tena tiako ahatongavana araka ny nolazaiko dia ny fahalalana ny hevitr'izay afaka mamaly satria toa ninian'ny olona sasany hadinoana ny zavatra voalazan'ireo toko sy andininy ireo kanefa toa zava-dehibe tokoa raha tena dinihina azo atao eo imason'Andriamanitra ve ny minia manadino ny teny voalazany izay misy antony lehibe matoa vosaoratra ao ? tsy mety izany angamba satria Andriamanitra dia mahalala ny zavatra rehetra.

Marina tokoa fa izaho miteny eto dia efa manomboka tapakevitra ho tena katolika ankehitriny satria moa ny fianakaviana nisy ahy dia tsy katolika ny reniko, (ny dadako katolika ihany fa tsy tena niaina ny finoany mihitsy amin'ny fiainany andavanandro...) ny reniko no akaiky ahy kokoa ka matetika aho nanaraka azy ka nivezivezy tamin'ny fisalasalana maro aho teo aloha izay tsy laviko nefa fa nanampy ahy be dia be handinika tsara (...) ka tiako hifampizarana ny lalana nodiaviko sy mba ahalalako izay hevitry ny maro momba izany indrindra momba ireo toko sy andininy ao amin'ny baiboly ireo izay anisan'ny tena nandresy lahatra ahy na dia mbola misy olona miady hevitra tamiko ihany aza amin'ny lafiny sasany.
4. Nehemiah ( 23/01/2013 08:05)
Raha izay no izy dia miala tsiny aminao, tsy afaka mamaly satria @ maha-Protestanta aho dia tsy maintsy hamaly tahaky ny Protestanta ka manjary manafintohina anao raha idirako lalina ny fahitako ny mariolâtrie, nefa ianao efa hitako tapa-kevitra handray ka hivelona ny finoana katolika ianao.

Izao fotsiny no lazaiko anao raha vonona ny handinika ny Baiboly : misy fitsipika faran'izay tsy azo atao ankilabao ny fandinihana ny Baiboly : NY SORATRA MASINA IHANY NO HANY AHAFAHANA MANAZAVA NY SORATRA MASINA, satria Tenin'Andriamanitra ilay izy. Tsy azo atao ny mampiditra hevitra avy ivelan'ny Baiboly anatin'ny Baiboly. Izay no fanafody ho an'ny hevi-diso sy fampianaran-diso rehetra. Miezaha ianao hamaky ny Baiboly, ary avelao re mba omeko anao ity hevitra ity : tsy mila an'i Mompera ianao vao afaka mahazo ny voalazan'ny Soratra Masina. Ny Baiboly mantsy dia manana ny atao hoe perspicacité, izany hoe natao ho azon'ny sarambabembahoaka ilay izy.
5. Andry2013 ( 23/01/2013 08:41)
Raha ny hoe mety hanafintohina aloha dia olona tsy dia mora tafintohina aho amin'ny ankapobeny. Efa nisy ny ady hevitra efa nataoko tamin'olona momba ny finoana sy ny baiboly fa amin'ny ankapobeny tsy dia hoe nisy nanafintohina ahy ...samy mikaroka ny marina sy izay ahavonjy azy , mifanaja fotsiny rehefa miady hevitra indrindra moa hoe samy milaza ho kristianina. Jesoa ary nampianatra ny Kristianina tsy ho taitra akory na dia amin'ny fanenjehana mafy ary ka maika fa izay ady hevitra amin'ny olona samy milaza fa manaraka ny fampianarany angamba tsy dia hitako hoe tokony hisy dia hoe hanafintohina toy inona

Matoa koa aho tonga eto manontany ny hevitry ny be sy ny maro dia vonona hiady hevitra raha ilaina izany eh (ny hevitra no ampifanankalozina fa tsy hoe hifanafintohina akory) , naneho ny hevitro ny nataoko dia manontany ny hevitry ny hafa. Ka amin'ny maha toko sy andininy amin'ny Baiboly ireo teny ireo dia izay no tiako hanontaniana ny hevitry ny be sy maro izay afaka maneho ny heviny momba ny Baiboly, anjarako avy eo ny mandanjalanja fa tsy dia hoe atao ahatafitohina ahy akory izay lazain'ny hafa.



6. Andry2013 ( 23/01/2013 09:34)
Raha ny momba an'i Masina Maria dia "Tsy Mivavaka amin'i Masina Maria" Ny katolika satria Andriamanitra tokana no hivavahan'ny katolika dia ny Trinité Masina Izany (Ray, Zanaka, Fanahy Masina) fa mangataka fanampiana avy aminy izany hoe "Mangataka vavaka aminy koa" sy fanelanelanana aminy amin'i Jesoa koa toa ny tamin'ny tantaran'ireo mpivady vao tao kana (Joany 2) hoy koa i Jesoa ao amin'ny iray amin'ireo verset nomeko teo aloha tamin-dreniny:

"Ravehivavy, indro ny zanakao" ary hoy izy tamin'ilay mpianatra malalany : "indro ny reninao" (Joany 19,25-27)

Ka ao amin'ny fiombonan'ny OLomasina (ety an-tany sy any an-danitra) ao amin'ny Tenan'i Kristy izay lohan'ny fiagonana araka ny voalazan'ireo verset nomeko (Matio 16, 19 ; Kolosianina 1, 18 na Hebrio 12,22-24 ohatra) i Masina Maria dia Reny ka angamba azontsika antsaina hoe inona no asan'ny Reny...

Izay voalazako izay dia anisan'ny hevitro momba ireo verset nomeko teo aloha araka ny nampianarina ahy koa moa ny sasany

Raha ny mikasika ny nolazainao farany araka ny hevitro dia marina tokoa fa natokana ho an'ny rehetra ny Baiboly saingy mazava fa mitaky fo madio sy fanilovan'ny Fanahy Masina Koa ny fahazoana izay lazainy kanefa matetika dia misy ny olona tsy dia manana fo madio loatra indraindray...ka izany no miteraka korontana raha tsy misy fandaminana...Tsy possible koa hoe vitan'ny olona iray ny mandinika tanteraka ny Baiboly manontolo (raha tsy hoe angaha tena manana Don manokana izy...) ka ny tsy fahalalana tanteraka ny votoatin-kevitra rehetra amin'ny ankapobeny ao amin'ny baiboly matetika mety hiteraka fahadisoan-kevitra ka ilaina araka izany ny fanampian'ny Fiangonana sy ny olona efa manana experience sy efa nianatra manokana momba ny soratra masina.


7. jajajaly ( 23/01/2013 10:01)

Raha ny momba an'i Masina Maria dia "Tsy Mivavaka amin'i Masina Maria" Ny katolika satria Andriamanitra tokana no hivavahan'ny katolika dia ny Trinité Masina Izany (Ray, Zanaka, Fanahy Masina) fa mangataka fanampiana avy aminy izany hoe "Mangataka vavaka aminy koa" sy fanelanelanana aminy amin'i Jesoa


Tsy de hiady hevitra loatra ny tanjona fa hanampiako ny namana Nehemiah hoe ny soratra masina ihany no manazava ny soratra masina. Marina koa anefa ny anao hoe sarotra raha tsy hoe don angaha ka tonga dia hahatakatra ny soratra masina. Raha hoe i Maria azo ekena mpanelanelana dia mba ahoana ny fahazoanao an'ity tenin'Andriamanitra ity izay somary hentitra fa ialana tsiny fa io no voasoratra ao : "Fa iray monja Andriamanitra, ary iray ihany no Mpanalalana amin'Andriamanitra sy ny olombelona, dia ny Kristy Jeso tonga olombelona," (Epistola Voalohan'i Md. Paoly Ho An'i Timote 2:5)
Dia mario ilay hoe Iray monja Andriamanitra fa tsy telo izay iray (Trinité) sy ilay hoe IRAY IHANY ny Mpanalalana (=Mpanelanelana amin'ny dikanteny maro hafa). Tsy mampieritreritra anao ve izany?
8. Nehemiah ( 23/01/2013 13:24)
Hay kosa manana fahamatorana ara-panahy i Andry2013.

Efa henohenoko ihany ny hoe "Ny Katolika tsy mivavaka @'i Masina Maria fa mangataka azy ireo hivavaka ho azy ireo. Izay no position ofisialin'ny EKAR, na dia mbola nahita eveka nangataka fitahiana t@ Maria aho t@ nandalovan'ny fatin'i Don Bosco taty. Ara-Baiboly ny valin'i Jajajaly.
Tsy voalaza mihitsy @ Baiboly fa tokony mangataka fanampiana hivavaka @ efa nodimandry antsika satria mitsahatra @ asany izy ireo (Rev. 14:13). Milaza ary ilay izy hoe : "Ary raha lazainy aminareo hoe: Milà saina amin’ ny manao azy ho tsindrian-javatra sy ny mpanao sikidy, izay mitsiatsiaka sy miboeriboerika, Moa tsy Andriamaniny va no tokony hilan’ ny olona saina? Fa hila saina amin’ ny maty ho an’ ny velona va izy? Ho amin’ ny lalàna sy ny teni-vavolombelona ihany! Raha tsy miteny araka izany teny izany izy, Dia olona izay tsy hiposahan’ ny fahazavan’ ny maraina [Na: Eny, izany no holazain’ ny olona izay tsy iposahan’ ny fahazavan’ ny maraina]." Lojika kosa izany : i Andriamanitra ve marenina no mbola hila olo-masina hitatitra ny vavaka aminy ? Sady amin'izay raha hanaiky an'izay antsika dia milaza fa omniscient tahakan'Andriamanitra ny olomasina, kanefa fantatsika fa tsy omeny olon-kafa ny heriny sy voninahiny, sady i Andriamanitra irery ihany no mahay ny zava-drehetra.

Raha ny resaka mariolâtrie indray (fantatro ny mahasamihafa ny dulie sy lâtrie, ary fantatro koa fa antsoina hoe "hyperdulie" ny culte omena an'i Maria, fa tsy hita @ Baiboly fa mila manome dulie an'iza na iza antsika, ka izay no antsoiko an'izany hoe mariolâtrie), tokony jerena tsara fa :
1°) tsy nirehareha mihitsy i Maria rehefa nolazain'i Gabriel fa hitoetra ny Mesia Izy fa niaiky izy fa mila Mpamonjy izy (Lk. 1:47). Sady tsy nisy Apostoly nanome azy voninahitra manokana izy.
2°) moa i Andriamanitra nateraka izao ? Manomboka @ nitorotoroan'ny Fanahy Masina an'i Kristy tao an-kibon'i Maria dia nibata natiora anankiroa Izy : sady Andriamanitra 100% no olombelona 100%. I Maria dia nitoetra sy niteraka ny maha-olona an'i Kristy, fa efa Andriamanitra hatr@ talohan'ny niforonan'izao tontolo izao Izy (eto izao no tsy iombonan-kevitra an'i Jajajaly amiko), ka tsy mitombina mihitsy ny fiantsoan'ny EKAR azy hoe "Renin'Andriamanitra".
Raha ny Rev 12 dia tsy misy inona na inona tokony hitarika antsika hieritreritra fa i Maria tokoa no resahana eto, ankoatry ny interprétation somary mareforefon'ny andininy 5. Rehefa dinihina ny Baiboly, matetika dia antsoina hoe "fofom-badin'ny Tompo" ny vahoakan'Andriamanitra (indrindra @'ireo bokin'ny mpaminany). Ao koa ny 2 Jn, rehefa dinihina koa ilay izy, toa fiangonana mihitsy no iantefan'ny hafana fa tsy vehivavy ara-bakiteny. Sady ny masoandro sy ny kintana 12 dia mampieritreritra ny nofin'i Josefa zanak'i Jakoba (Gen. 37:9). Ka angamba mitombina lavitra kokoa raha heverina fa mitandindona ny fiangonana ilay Vehivavy.

Ny Jn. 19:25-27 dia ampiasain'ny EKAR mba hanamarina fa nomen'i Jesoa ho renintsika rehetra i Maria, nefa non-sequitur izany (izany hoe tsy mifandraika @ petrakevitra ny tsoakevitra).

Eto @'izay no mety mananosarotra. Betsaka ny Protestanta mino (ary izaho koa anisan'izay) fa ny fanompoana omena an'i Maria dia endriky ny fanompoana ny "mpanjakavavin'ny lanitra" babyloniana izay resahan'i Jeremia. Naka endrika maromaro izy (Ashera, Héra, Isis, Ishtar, na dia i Kuan-Yin aza, manaova recherche d'images ho an'i KuanYin anie ianao fa ho hitanao fa mitovy izaitsizy @ Maria izy fa saingy sinoa, nefa efa nisy io sampy io taloha lavitry ny nidiran'ny misionera kristiana tany Sinina) ary tafiditra t@ EKAR ilay izy satria nalaky nampifangaro ny finoana kristiana t@ fanompoan-tsampy izy (ary tsy mba izay ihany no endriky ny fanompoan-tsampy niditra t@ katolisisma). Raha tsorina izany dia i Semiramis vadin'i Nimroda no tena nanomboka an'io, talohan'ny fiparitahana tany Babela (ary mety manazava ny fisian'ny sampy mitovy @ représentation katolika an'i Maria any Sinina izany).

Mahavariana koa ity perikôpa ity : Jer. 44:16-19 : "Raha ny amin’ ilay teny voalazanao taminay tamin’ ny anaran’ i Jehovah, dia tsy hihaino anao izahay. Fa hataonay tokoa ny teny rehetra izay naloaky ny vavanay, dia ny handoro ditin-kazo manitra ho an’ ny mpanjakavavin’ ny lanitra sy ny hanidina fanatitra aidina ho azy, toy ny efa nataonay sy ny razanay sy ny mpanjakanay ary ny mpanapaka anay tany amin’ ny tanànan’ ny Joda sy teny amin’ ny lalamben’ i Jerosalema; fa fahizany dia voky hanina izahay sady nambinina ary tsy nahita loza. Fa hatrizay nitsaharanay tsy nandoro ditin-kazo manitra ho an’ ny mpanjakavavin’ ny lanitra na nanidina fanatitra aidina ho azy izay, dia saiky tsy nanana na inona na inona akory izahay sady ringan’ ny sabatra sy ny mosary. Ary raha nandoro ditin-kazo manitra ho an’ ny mpanjakavavin’ ny lanitra izahay sy nanidina fanatitra aidina ho azy, moa tsy fantatry ny vadinay va ny nanaovanay mofo hasiana ny sariny [Na: ho enti-mivavaka aminy] sy ny nanidinanay fanatitra aidina ho azy?"
Nefa izay ihany no nahatonga an'Andriamanitra handefa azy ireo ho babo tany Babylona ! @'izao fotoana izao aza mbola mahita bas-reliefs misoritra an'i Jehovah ho fofom-badin'i Ashera ny arkeologa.

Ny Mt. 16:18-19 sisa no mbola tsy azoko antoka ny tianao tenenina : resaka momba ny fahefan'ny Papa ve izao ?
9. mirananirina ( 23/01/2013 15:36)

Raha ny momba an'i Masina Maria dia "Tsy Mivavaka amin'i Masina Maria" Ny katolika satria Andriamanitra tokana no hivavahan'ny katolika dia ny Trinité Masina Izany (Ray, Zanaka, Fanahy Masina) fa mangataka fanampiana avy aminy izany hoe "Mangataka vavaka aminy koa" sy fanelanelanana aminy amin'i Jesoa



"Fa iray monja Andriamanitra, ary iray ihany no Mpanalalana amin'Andriamanitra sy ny olombelona, dia ny Kristy Jeso tonga olombelona," (Epistola Voalohan'i Md. Paoly Ho An'i Timote 2:5)
Dia mario ilay hoe Iray monja Andriamanitra fa tsy telo izay iray (Trinité) sy ilay hoe IRAY IHANY ny Mpanalalana (=Mpanelanelana amin'ny dikanteny maro hafa). Tsy mampieritreritra anao ve izany


Andriamanitra tokana io daholo no atao rehefa mivavaka na katolika io na protestanta sns..
Trinité masina dia zvt hafa indray olona 3 samihafa
I Maria indray dia izy no nisehoan ny fanahy masina nilazany fa hiteraka an'i Jesoa sns... dia olona masina ihany koa izy izany raha toa ka niteraka zanak'Andriamanitra be izao!Tsy i Koto na i Kala no naterany fa i Jeso!Inn no olana raha mivavaka aminy?Mangataka fitahiana sns..
1 ihany no mpanelanelana fa teraka t@ vodirindrina i Jeso?Raha tsy nisy an'i Maria nanelanelana angaha nisy i Jesoanareo?
10. toriteny ( 24/01/2013 04:30)

Andry2013:

Ho an'ny Kristianina indrindra indrindra: Ahoana ny hevitrareo momba ireto toko sy andininy ao amin'ny Baiboly ireto : ny zavatra ambarany sy ny fifandraisany (niady hevitra tamin'olona momba ireo aho dia mba tiako ho fantatra kokoa ny hevitry ny be sy ny maro)
Matio 16, 18-19
Efezianina 4, 4-6
Efezianina 5, 32
1 Korintianina 10, 16-17
1 Korintianina 12,12
Kolosianina 1,18
Hebrio 12,22-24
Apokalipsa 12
Joany 19, 25-27
Lioka 1,43

Misaotra mialoha ho an'izay rehetra afaka hamaly




Mahafinaritra rehefa mikatsaka ny fahamarinana toy izany ianao. Raha ny hevitro manokana no tianao fantarina dia aza mbola misafidy aloha fa Jesosy ataovy izay ahitanao Azy sy handraisanao Azy eo amin'ny fiainanao haingana dia haingana fa tsy anaram-piangonana no handovànao ny fanjakan'ny lanitra fa Jesosy irery ihany.

Sady ny mpi-forum eto na samy milaza ho mpivavaka azy, samy manana ny marina aminy fa Jesosy tadiavina fa Izy irery ihany no lalana sy fahamarinana ary fiainana dia Izy no hitondra anao sy hiteny anao hoe ary mandeha.

Ho fanampiana anao amin'ny fitadiavana an'i Jesosy, vakio ny
http://forum.serasera.org/forum/message/m50ec1cbc03d3a
fa tena hihaona Aminy marina ianao ao raha tena mikatsaka Azy marina
11. Nehemiah ( 24/01/2013 05:29)

mirananirina:


Raha ny momba an'i Masina Maria dia "Tsy Mivavaka amin'i Masina Maria" Ny katolika satria Andriamanitra tokana no hivavahan'ny katolika dia ny Trinité Masina Izany (Ray, Zanaka, Fanahy Masina) fa mangataka fanampiana avy aminy izany hoe "Mangataka vavaka aminy koa" sy fanelanelanana aminy amin'i Jesoa



"Fa iray monja Andriamanitra, ary iray ihany no Mpanalalana amin'Andriamanitra sy ny olombelona, dia ny Kristy Jeso tonga olombelona," (Epistola Voalohan'i Md. Paoly Ho An'i Timote 2:5)
Dia mario ilay hoe Iray monja Andriamanitra fa tsy telo izay iray (Trinité) sy ilay hoe IRAY IHANY ny Mpanalalana (=Mpanelanelana amin'ny dikanteny maro hafa). Tsy mampieritreritra anao ve izany


Andriamanitra tokana io daholo no atao rehefa mivavaka na katolika io na protestanta sns..
Trinité masina dia zvt hafa indray olona 3 samihafa
I Maria indray dia izy no nisehoan ny fanahy masina nilazany fa hiteraka an'i Jesoa sns... dia olona masina ihany koa izy izany raha toa ka niteraka zanak'Andriamanitra be izao!Tsy i Koto na i Kala no naterany fa i Jeso!Inn no olana raha mivavaka aminy?Mangataka fitahiana sns..
1 ihany no mpanelanelana fa teraka t@ vodirindrina i Jeso?Raha tsy nisy an'i Maria nanelanelana angaha nisy i Jesoanareo?


Efa voavaly anie izay.
12. didi10 ( 24/01/2013 06:35)

Andry2013:

Ho an'ny Kristianina indrindra indrindra: Ahoana ny hevitrareo momba ireto toko sy andininy ao amin'ny Baiboly ireto : ny zavatra ambarany sy ny fifandraisany (niady hevitra tamin'olona momba ireo aho dia mba tiako ho fantatra kokoa ny hevitry ny be sy ny maro)
Matio 16, 18-19
Efezianina 4, 4-6
Efezianina 5, 32
1 Korintianina 10, 16-17
1 Korintianina 12,12
Kolosianina 1,18
Hebrio 12,22-24
Apokalipsa 12
Joany 19, 25-27
Lioka 1,43

Misaotra mialoha ho an'izay rehetra afaka hamaly



Matio 16; 18-19
18 Ary Izaho milaza aminao koa: Hianao no Petera, ary ambonin'ity vatolampy ity no haoriko ny fiangonako; ary ny vavahadin'ny fiainan-tsi-hita tsy haharesy azy. 19 Homeko anao ny fanalahidin'ny fanjakan'ny lanitra; ka na inona na inona fehezinao et? ambonin'ny tany dia hofehezina any an-danitra; ary na inona na inona vahanao et? ambonin'ny tany dia hovahana any an-danitra.

Mazava io fa i Petera no nosafidian'i Jesosy ho filohan'ny fiangonaNY izay natsangana teo ambonin'ny fanorenan'ny Apostoly ary i Kristy no fehizoro indrindra (Ef 2;20).
Tamin'ny taonjato voalohany sy faharoa dia nipetraka tsara io Ef 2;20 io fa samy mahafantatra isika fa nampifangaroana tamin'ny foto-pivavahana romana ny fivavahana kristiana ka lasa kilemaina ny fiangonana.

Efe 4, 4-6
4 Iray ny tena, ary iray ny Fanahy, dia toy ny niantsoana anareo ho amin'ny fanantenana iray momba ny fiantsoana anareo; 5 iray ny Tompo, iray ny finoana, iray ny batisa, 6 iray Andriamanitra sady Rain'izy rehetra, Izay ambonin'izy rehetra sy manerana azy rehetra ary ao amin'izy rehetra.

Mifameno amin'ilay toko sy andininy voalaza eo ambony ity Efe 4,4-6 ity, iray tokoa ny finoana fa fihezahan'ireo tonga saina amin'ny fampianaran-diso ka mitady ny fampianarana tsy misy kilema no mahatonga ny fisin-tahana isankarazany.

hitohy...
13. Andry2013 ( 24/01/2013 07:36)
jajajaly:


Tsy de hiady hevitra loatra ny tanjona fa hanampiako ny namana Nehemiah hoe ny soratra masina ihany no manazava ny soratra masina. Marina koa anefa ny anao hoe sarotra raha tsy hoe don angaha ka tonga dia hahatakatra ny soratra masina. Raha hoe i Maria azo ekena mpanelanelana dia mba ahoana ny fahazoanao an'ity tenin'Andriamanitra ity izay somary hentitra fa ialana tsiny fa io no voasoratra ao : "Fa iray monja Andriamanitra, ary iray ihany no Mpanalalana amin'Andriamanitra sy ny olombelona, dia ny Kristy Jeso tonga olombelona," (Epistola Voalohan'i Md. Paoly Ho An'i Timote 2:5)
Dia mario ilay hoe Iray monja Andriamanitra fa tsy telo izay iray (Trinité) sy ilay hoe IRAY IHANY ny Mpanalalana (=Mpanelanelana amin'ny dikanteny maro hafa). Tsy mampieritreritra anao ve izany?


Tsy maninona fa ataontsika hoe fifanakalozan-kevitra raha tsy mety aminareo ilay voambolana hoe fiadian-kevitra. Mba entiko hiezahana hamaliana anao araka ny fahafantarako azy sy ny nampianarina ahy dia aoka hojerentsika ireto andininy ao amin'ny soratra masina ireto :

Hoy Jesoa :»Mandehana hianareo, mampianara ny firenena rehetra, manaova batemy azy amin'ny anaran'ny Ray sy ny Zanaka sy ny Fanahy Masinaampianaro izy hitandrina ny zavatra rehetra nandidiako anareo. Ary indro aho eo aminareo mandrakariva ambara-pahatongan'ny faran'izao tontolo izao» (Matio 28,19)

Lazain’i Jesoa mazava amin’io andininy io ny endrika Telo hisehoan’ilay Andriamanitra Tokana dia ny Ray , ny Zanaka sy ny Fanahy Masina : Ny mba entina hilazana io misterin’Andriamanitra io no mahantonga ilay voambolana hoe Trinité (Tri-Unité : Telo dia Iray): Andriamanitra Ray dia ilay efa nanambara ny Tenany hatrany amin’ny Testamenta Taloha. Andriamanitra Zanaka dia I Jesoa Kristy izany dia ilay Tenin’Andriamanitra Tonga Nofo izay Tena Andriamanitra koa, hoy ny Evanjelin’I Md Joany:

«Tamin'ny voalohany ny Teny (I Jesoa Kristy) , ary ny Teny, dia tao amin'Andriamanitra, ary Andriamanitra ny Teny. Tao amin'Andriamanitra tamin'ny voalohany izy. Izy no nahariana ny zavatra rehetra, ary raha tsy izy, tsy nisy àry ny zavatra àry rehetra. (…) Ary ny Teny dia tonga nofo, ka nonina taty amintsika» (Joany 1, 1-14)

Araka ny voalazan’ny Jenezy koa dia ny Teniny (dia I Jesoa Kristy izany) no naharian-Andriamanitra izao rehetra izao . Hoy koa i Md Paoly:

«Izy no endrik'ilay Andriamanitra tsy hita; izy no teraka talohan'izao voary rehetra izao; tao aminy no nahariana ny zavatra rehetra any an-danitra sy ety an-tany, dia ny hita sy ny tsy hita, na fiandrianana, na fiamboniana, na fanapahana, na fahefana; taminy sy ho azy no nahariana ny zavatra. Izy no talohan'ny zavatra rehetra, ary ao aminy no aharetan'ny zavatra rehetra.Izy no Lohan'ny tena, izany hoe ny Eglizy; izy no voalohany, dia ny voalohan-teraka tamin'ny maty, mba ho Loha amin'ny zavatra rehetra izy» (Kolosianina 1,15-18)

Ny Fanahy Masina moa dia Ilay Fanahin’Andriamanitra efa nampiteny ny Mpaminany Hatrany amin’ny Testamenta Taloha ary niseho ho toy ny endriky ny Voromailala (tamin’ny Batemin’I Jesoa) sy ny Afo (tamin’ny Pantekoty).

«Raha vao niala avy tao anaty rano izy, dia nahita ny lanitra nisokatra, sy ny Fanahy nidina tahaka ny voromailala, nankeo amboniny;» (Marka 1,10)

«Nony tonga ny andron'ny Pentekoty, dia tafavory tao amin'ny trano anankiray izy rehetra, ary tampoka, inay nisy feo avy any an-danitra toy ny rivotra mifofofofo mafy ka nahenika ny trano nitoerany, sady nisy lela maro mitarehin'afo niseho taminy sy nizarazara nipetraka teny amboniny tsirairay avy, ka samy feno ny Fanahy Masina izy rehetra, sy niteny tamin'ny fiteny maro samihafa, araka ny nampitenenan'ny Fanahy Masina azy avy. » (Asan'ny Apostoly 1,1-4)

Mazava tsara ny lazain’ny Baiboly izany fa Andriamanitra Tokana dia niseho mazava tamin’ny Endrika Telo : ny Ray , Ny Zanaka (Teny tonga Nofo), Ny Fanahy (Fanahy Masina) ka izay no mahatonga ilay voambolana hoe Trinite (Tri-Unité) araka ny efa nolazaiko teo aloha.


14. Andry2013 ( 24/01/2013 08:11)
jajajaly:


Raha hoe i Maria azo ekena mpanelanelana dia mba ahoana ny fahazoanao an'ity tenin'Andriamanitra ity izay somary hentitra fa ialana tsiny fa io no voasoratra ao : "Fa iray monja Andriamanitra, ary iray ihany no Mpanalalana amin'Andriamanitra sy ny olombelona, dia ny Kristy Jeso tonga olombelona," (Epistola Voalohan'i Md. Paoly Ho An'i Timote 2:5)
Dia mario ilay hoe Iray monja Andriamanitra fa tsy telo izay iray (Trinité) sy ilay hoe IRAY IHANY ny Mpanalalana (=Mpanelanelana amin'ny dikanteny maro hafa). Tsy mampieritreritra anao ve izany?


Raha ny hevitrao ary dia inona no tokony ilazana ireo olona mivavaka ho an’ny olona sasany sy mitondra azy ireo ho eo amin’Andriamanitra : tsy mpanelanelana eo amin’ilay olona sy Andriamanitra ve izy ireo ?

Efa henoko tokoa io andinin-tsoratra masina io ary efa nanontaniako olona koa ny heviny ka izao no azoko amintinina ny hevitro ho fanampin'ny efa nolazaiko teo ambony hamaliana izay voalazanao :

I Jesoa dia «Mpanalalana Tokana» toy ilay ilazana azy hoe «Zanaka Lahitokana» satria izy irery no tena sady «Andriamanitra» no tena Sady «Olombelona» hoy koa izy Izy no hany tokana mampifandray tanteraka ny maha-Andriamanitra sy ny maha-olombelona. Izy no Lohan’ny Fiangonana hoy Md Paoly (Kolosianina 1,18) ka na inona na inona dia tsy maintsy mandalo aminy vao tonga any amin’ny Ray , hoy koa izy

"Izaho no làlana sy fahamarinana ary fiainana; tsy misy olona mankany amin'ny Ray afa-tsy amin'ny alalako. " (Joany 14,6)

Ary izy no manome Fahefana avy eo ho an’ireo "Ratsambatana hafa" ireo "zandriny" izay olombelona fa tsy Andriamanitra saingy hatsangana ho zanak'Andriamanitra avy amin'ny alalany, ohatra nanome fahefana an’I Piera izy ho Filohan’ny Eglizy (manarakaraka azy)

«Ianao no Piera (vato), ary eo ambonin'izany vatolampy izany no hanorenako ny Egliziko, ary ny vavahadin'ny afobe tsy haharesy azy. Homeko anao ny fanalahidin'ny fanjakan'ny lanitra, ka izay rehetra hofehezinao etý an-tany dia ho voafehy koa any an-danitra, ary izay rehetra hovahanao etý an-tany dia ho voavaha koa any an-danitra.» (Matio 16, 18-19)

Araka ireo verset efa nomeko voalohany indrindra raha vakianao tsara izy ireo dia ny Eglizy no atao hoe Tenan’I Kristy izay Kristy no Tena «Lohany Tokana» izy ilay «Zanaka Lahitokana» sy Tena «Mpanalalana Tokana» saingy izy no manome fahefana ireo olombelona hafa hanana ny andraikiny avy ao amin'ny " Fiangonana dia ny Fiombonan'ny Olomasina eto an-tany sy any an-danitra izay ataon'ny Baiboly koa hoe Tenan'i Kristy" : Maria Reny, Piera filohan'ny Eglizy manarakaraka an'i Kristy,... ireo olomasina ireo dia nantsoiny koa ho zanakan’Andriamanitra ihany koa manarakaraka azy ary ho mpanalalana ihany koa : ohatra rehefa manao ny asany ho fanasoavana ny olona hafa ianao na mivavaka ho an’olon-kafa dia azo atao hoe mpanelanelana amin’ilay olona sy Izy Andriamanitra satria rehefa tena kristianina ianao dia I Kristy ilay mpanalalana tokana no velona sy miasa ao aminao. Hoy koa Md Paoly

"ka matoa velona aho, dia tsy izaho intsony no velona, fa ny Kristy no velona ato anatiko" (Galata 2,20)

"Satria izay fantany rahateo no notendreny hitovy endrika amin'ny Zanany koa, mba ho Lahimatoa amin'ny rahalahy maro izy." (Romanina 8,29)


Izay no azoko ambara aloha izao fa izaho koa izao maimaika mbola hiasa, mamaly ireo hevitra hafa izay nomen’ny olona hafa ihany aho raha misy tokony hovaliana rehefa avy mamaky azy ireo tsara.
15. Nehemiah ( 24/01/2013 12:24)

Andry2013:

«Ianao no Piera (vato), ary eo ambonin'izany vatolampy izany no hanorenako ny Egliziko, ary ny vavahadin'ny afobe tsy haharesy azy. Homeko anao ny fanalahidin'ny fanjakan'ny lanitra, ka izay rehetra hofehezinao etý an-tany dia ho voafehy koa any an-danitra, ary izay rehetra hovahanao etý an-tany dia ho voavaha koa any an-danitra.» (Matio 16, 18-19)

Ilay "vatolampy" resahana eto kosa dia i Kristy fa tsy i Petera...
16. jajajaly ( 24/01/2013 13:07)
Andry 2013>>>>
Misaotra amin'ny valin-teny. Toy izao no hita ao amin'ny baibolinao "Fa ho avy ny andro, ary efa tonga sahady aza, izay hivavahan'ny mpivavaka marina amin'ny Ray amin'ny fanahy sy fahamarinana, fa ny mpivavaka aminy toy izany no tadiavin'ny Ray." Joany 4:23

Maniry angamba ny rehetra hoe ankasitrahan'Andriamanitra ny vavaka ataontsika! Ahoana no ahazahoana izany? Mario ilay tenin'i Jesoa hoe amin'i RAY fa telo izay iray no hivavahana. Ny mpivavaka marina anefa no manao izany hoy i Jesoa etsy ambony fa tsy ny mpivavaka rehetra. Tianao ve ny antsoin'i Jesoa hoe mpivavaka marina!! Saintsaino ary ilay hira 'Yaveh no mpiandry ahy ...isan'andro vaky tantanany aho...' izy manko ilay Ray! Mpiaro antsika.

Andry 2013
Raha ny hevitrao ary dia inona no tokony ilazana ireo olona mivavaka ho an’ny olona sasany sy mitondra azy ireo ho eo amin’Andriamanitra : tsy mpanelanelana eo amin’ilay olona sy Andriamanitra ve izy ireo ?

Fa iza no nahafeno fepetra hiditra ao amin'ilay Masina indrindra (Ny Ray na Yaveh) hitondra ny vavaka ataontsika? Firy ny isany? Anisany ve i Maria?
Mario ny valiny omen'ny baibolinao ao amin'ny Epistolan'i Md. Paoly Ho An'ny Hebrio 9:24 "Fa tsy mba fitoerana masina nataon-tànana sy tandindon'ny tena izy fotsiny no nidiran'ny Kristy, fa tany an-danitra mihitsy, mba hiseho eo anatrehan'Andriamanitra ho antsika ankehitriny."
Iray ihany ary ny mpanalalana araka ny soratra masina dia iJesoa Kristy.
Noforonina hoe niakatra velona any an-danitra i Maria ary izany fampianarana tsy araka ny soratra masina izany no manajamba ny tena fahamarinana. Mbola ho resahina i Petera lohan'ny Eglizy fa aleo aloha i Maria afaka atao mpanelanelana no resahana aloha.



17. Nehemiah ( 24/01/2013 13:20)

jajajaly:

Mario ny valiny omen'ny baibolinao ao amin'ny Epistolan'i Md. Paoly Ho An'ny Hebrio 9:24

Fanamarihana kely fotsiny : angamba tsy i Paoly no nanoratra ny Hebreo, satria samihafa mihitsy ny style-ny. Milaza ny sasany fa i Apolo no mpanoratra, fa mbola tsy azo antoka izay.
18. milamina ( 25/01/2013 00:13)
Andry2013:

Ho an'ny Kristianina indrindra indrindra: Ahoana ny hevitrareo momba ireto toko sy andininy ao amin'ny Baiboly ireto : ny zavatra ambarany sy ny fifandraisany (niady hevitra tamin'olona momba ireo aho dia mba tiako ho fantatra kokoa ny hevitry ny be sy ny maro)
Matio 16, 18-19
Efezianina 4, 4-6
Efezianina 5, 32
1 Korintianina 10, 16-17
1 Korintianina 12,12
Kolosianina 1,18
Hebrio 12,22-24
Apokalipsa 12
Joany 19, 25-27
Lioka 1,43

Misaotra mialoha ho an'izay rehetra afaka hamaly



"Mais il n'eut pas de relations conjugales avec elle avant qu'elle ait mis au monde un fils, auquel il donna le nom de Jésus." Mat 1:25

"but had no marital relations with her until she had borne a son; and he named him Jesus"Mat 1:25 (New Revised Standard Version Catholic Edition)

=> Na ny Baiboly Katolika aza dia mampiseho mazava fa tsy nisy ny firaisana teo amin'i Josefa sy Maria ambara-pahaterak'i Jesoa. Mifanaraka amin'izay ve anefa ny fampianaran'ny fiangonana sa nitariny ho mandrakizay ilay tsy fisian'ny firaisana?
19. milamina ( 25/01/2013 00:18)
"ary tsy nahalala azy izy ambara-piterany ny Zanany lahimatoa, ary nataony hoe Jeso no anarany." Mat 1:25 (http://baiboly.katolika.org)
20. jajajaly ( 25/01/2013 05:27)

Nehemiah - 24/01/2013 14:20


jajajaly
Mario ny valiny omen'ny baibolinao ao amin'ny Epistolan'i Md. Paoly Ho An'ny Hebrio 9:24


Fanamarihana kely fotsiny : angamba tsy i Paoly no nanoratra ny Hebreo, satria samihafa mihitsy ny style-ny. Milaza ny sasany fa i Apolo no mpanoratra, fa mbola tsy azo antoka izay.


Io no voasoratra ao amin'ny Baiboly fandikan-teny Katolika. Nefa maro no porofo hilazana fa i Paoly no nanoratra azy io tany Roma tokony tany amin'ny 61 am.f.i. tany ho any. Aleo tsy amin'ity lohahevitra ity no hanazavana izany fa mivaona HS.

Miverina kely amin'i Maria. Inona no azontsika ianarana avy amin’ny fitantarana momba an’i Maria?
1) Tokony ho vonona hihaino izay lazain’Andriamanitra amin’ny alalan’ny mpanompony isika, na dia mety hanahiran-tsaina na sarotra inoana aza ilay izy amin’ny voalohany.—Lioka 1:26-37.
2) Mila manana herim-po isika mba hanaovana ny sitrapon’Andriamanitra, ka mila matoky azy tanteraka. (Jereo ny Lioka 1:38. Asehon’ny Deoteronomia 22:23, 24 mantsy fa nomelohina ho faty ny ankizivavy jiosy bevohoka tsy nanambady.)
3) Tsy miankina amin’ny fari-piainan’ny olona iray no ifidianan’Andriamanitra azy.—Ampitahao ny Lioka 2:22-24 sy ny Levitikosy 12:1-8.
4) Tokony hatao loha laharana foana ny fanompoana an’i Yaveh. (Jereo ny Lioka 2:41; Asan’ny Apostoly 1:14. Tsy voatery nankany Jerosalema niaraka tamin’ny vadiny ny vehivavy jiosy mba hankalaza isan-taona ny Paska. Nandeha foana anefa i Maria.)
5) Tokony hadio fitondran-tena foana isika.—Lioka 1:34.
6) Tokony hazoto hampianatra Baiboly ny zanany ny ray aman-dreny. (Hitantsika ny vokatr’izany tamin’i Jesosy 12 taona. Jereo ny Lioka 2:42, 46-49.)

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0672