TSY HILATSAKA...TSY AMPY

1. RUZ9 ( 19/01/2013 12:58)
Na dia tsara aza ilay filazana fa tsy hilatsaka ; tsy ampy kosa ; satria mbola haharitra vitsivitsy izany ny krizy ; mbola hitatra izany raha fifidianana depiote no hatao aloha.

Ny tena mety dia miala mihitsy ny FAT fa raha tsy izany toa tsy hisy fifidianana ho vita eto.

- Raha hisy ny fifidianana ; dia aoka hanaja tena ireo rehetra
- mila amnistia toa an'izy roalahy ; ireo izay nikolokolo an'ity krizy ity nandritry ny 4 taona (ny FAT sy ny olom-boatendriny isan-tokony...)
- Ireo rehetra efa teo ; efa tsy namokatra.
Aoka izay ny fanaovana ny politika ho "carrière".

Mikisaha ny mpanao politika rehetra rehetra raha tiana ny hiala @ krizy ka tsy hiverenanay intsony.

Tsy olomanga no ilaina fa OLO-MARINA ; OLON-KENDRY
TSY HO VOAVAHANAREO NY OLANA ka aza midi-kizo mba tsy hangataka amnistia intsony ; tahaka an'ireo diso adiresy nangataka an'izany tany @ SADC izay tsy lasibatra t@ nataony.
OMEO AN'ILAY MANANA NY VAHAOLANA NY FAHEFANA; fandaniam-potoana sy zava-poana ny ankoatr'izay....
Zonao ny mahalala ny momba anao sy ny firenenao ; ny lasa sy ny hoavy ; tsidiho ny http://cyrius.unblog.fr/




novalian'i Nehemiah ny 02/02/2013 14:36
2. Nehemiah ( 19/01/2013 14:23)
Miombon-kevitra aho, fa izany hoe feno havendranana New Age tsy misy fotony ary tsy mitondra mankaiza ilay blog omenao...
3. milamm ( 19/01/2013 15:34)
ekena zay ko ny fahitako azy
4. andrywui ( 19/01/2013 17:39)
mifaikitra sy mifampitaingina migera ato ny mpiondana !!
ngah kou ze eritreritr'i ruz no tanterahina e misy lalàna ty tany ty bainn a !
5. RUZ9 ( 02/02/2013 12:45)
Misaotra an'i Nehemiah fa raha tsy misy dikany sy feno havendranana tokoa ny blog-ko dia tsy nandany andro hanompa ahy eto ianao.
Tsy mahagaga io e fa fikan'antitra fampiasa nandritra an'izay 4 taona izao
Tsoriko aminao nefa fa ampahany t@ zavatra nianarako sy nokarohiko nandritry ny taona maro ireo ary fikarohana ara-tsiantifika fa tsy resa-be mandany andro sy nofy atoandro foronina olona te hatao hoe mahitahita....te halaza sns....
Manomeza porofy mivaingana ianao ahafahana mandiso na iray monja aza @ izay voalazako.
Pratique no niangana t@ ireo fa tsy théorie terena ho marina fotsiny...
Andriamanitra no mandidy ary tsy maintsy tanteraka izay nandidiany sy nalahany...MIARA-MIASA akaiky aminy i RUZ9 ary ny baikony ihany no arahiny.
Omeo kosa izay heverinao ho marina fa hokororohiko eto soa aman-tsara ireny.
6. Nehemiah ( 02/02/2013 14:36)
Ny heveriko ho marina ? Ny Baiboly no fahefako fara-tampony @ taranja rehetra, satria Tenin'Andriamanitra ilay izy. Ary natao ho raisina ara-dahatsoratra ny teniny fa tsy avadibadika tahaky ny nanaovanao ny hoe "Ma grâce te suffit" : marihiko etoana fa ny grâce dia fahasoavana nomen'Andriamanitra ho an'izay mandray an'i Jesoa Kristy ho tompo tokan'ny fiainany fa tsy zavatra hafa.

Ka ny Tenin'Andriamanitra tsy mampianatra an'izany aura izany, na ny fisian'ny vatana 7, na ny karma, fa kosa mampianatra ilay izy fa tsy mila bokina mpanompo sampy tahak'ireo gita antsika mba hivoatra ara-panahy, fa mifantoka @ fampianarany irery ihany.

Izaho koa anie nirona t@'ireny fandinihana occultes mifototra @ finoana hindoue, ary hitako fa tena nandalina koa ianao, mahafantatra hatr@ resaka Atlantide sy Lémurie ianao. Ary izay no nandrava ny fiainako ambony ambany.Tsy maintsy nanafay ahy mafy i Andriamanitra vao tafaverina aminy, satria hafa mihitsy ny fikasany ho an'ny fiainako.
Ka fitiavana agape no mahatonga ahy hampitandrina anao : tsy mitondra mankaiza io (afa-tsy @ fiainan-tsi-hita mazava ho azy).

Ny fisian'ny Atlantide dia tsy misy porofo ara-tsiansa, vao mainka Lémurie. Fa ny azo lavina tsara mihitsy dia ny teninao hoe avy @ kolon-tsaina Egyptiana ny finoana Jiosy : be loatra ny fahasamihafana, anisan'ireny ny finoan'ny egyptiana ny ka dia mifanohitra tanteraka @ fiheveran'ny Hebreo ny fiainan-tsi-hita (Mpi. 9:10).

Ny Baiboly tsy miresaka Atlantide sy Lémurie, ary tsy misy inona na inona mampieritreritra an'izany eo, fa kosa miteny ilay izy fa nitambatra ho 1 ny kontinanta rehetra talohan'ny Safodrano. Tsy mampianatra izy fa misy karma avy @ vies antérieures izy araky ny Heb. 9:27. Fa mampianatra kosa izy fa izay manatona an'i Kristy dia tsy ho laviny mihitsy.

P.S. : Ny tody dia tsy midika hoe "karma" fa midika hoe "justice immanente".
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.5955