Mpomba ny Fanekena Vaovao antsika

1. Nehemiah ( 11/01/2013 14:58)
Tadido fa mpanao sonia ny Fanekena Vaovao antsika kristianina t@tsika nandray an'i Kristy ho Tompo.
Efa maty ho antsika i Jesoa. Aza mivelona ny fiainanao tahaky ny tsy misy dikany ny Hazofijaliana re ianao.
Tsy ny fampianaran'ny Baiboly rehetra no natao ho arahin'ny mpomba ny Fanekena Vaovao. Ny fampianaran'i Kristy ilay niakatra tany an-danitra no arahintsika. Ny mpomba ny Fanekena Vaovao dia eo ambany FAHASOAVANA.

Nahita lesoka t@ Fanekena Taloha i Andriamanitra, izay no nanaovany fanekena vaovao.
Jer. 31:31-33
"Indro, avy ny andro, hoy Jehovah, Izay hanaovako fanekena vaovao amin’ ny taranak’ Isiraely sy ny taranak’ i Joda, Nefa tsy araka ny fanekena nataoko tamin’ ny razany tamin’ ny andro nitantanako azy nitondra azy nivoaka avy tany amin’ ny tany Egypta; Fa izy ireny dia nivadika ny fanekeko, Nefa Izaho no vadiny [Na: tompony] , hoy Jehovah. Fa izao no fanekena hataoko amin’ ny taranak’ Isiraely, Rehefa afaka izany andro izany, hoy Jehovah: Dia hataoko ao an-tsainy ny lalàko Sady hosoratako ao am-pony; Ary Izaho ho Andriamaniny, ary izy ho oloko."

Heb. 8:6-7
"Fa ankehitriny efa mahazo fanompoam-pivavahana tsara noho ny an’ ireny Izy, dia araka ny nanaovana Azy ho Mpanalalana amin’ ny fanekena tsara lavitra, izay natao tamin’ ny teny fikasana tsara lavitra. Fa raha tsy nanan-tsiny izany fanekena voalohany izany, dia tsy mba nisy fitoerana hotadiavina ho an’ ny faharoa."

Efa nofenoin'i Kristy ny fitakian'ny Lalàna rehetra.
Rom. 8:3-4
"Fa izay tsy hain’ ny lalàna, satria ny nofo no nahalemy azy, dia vitan’ Andriamanitra tamin’ izy naniraka ny Zanany, naka ny endriky ny nofo ota sy ny amin’ ny ota, ka nanameloka ny ota tao amin’ ny nofo, mba hahatanteraka ny fahamarinana ilain’ ny lalàna amintsika, izay tsy mandeha araka ny nofo, fa araka ny Fanahy."

Efa nofoanan'Andriamanitra koa ny sora-tanan'ny didin'ny Lalàna satria efa nankatoavin'i Jesoa tanteraka izany.
Kol. 2:14 : " novonoiny ny sora-tànan’ny didy izay niampanga antsika; dia nesoriny tsy ho eo mihitsy izany ka nohomboany tamin’ ny hazo fijaliana"

Rom. 7:4-6 :
"Ary amin’ izany hianareo koa, ry rahalahiko, dia efa natao maty ny amin’ ny lalàna noho ny tenan’ i Kristy, mba ho vadin’ ny hafa hianareo, dia Izay natsangana tamin’ ny maty, mba hahavokarantsika ho an’ Andriamanitra. Fa fony tao amin’ ny nofo isika, dia ny filan’ ny ota, izay nohetsehin’ ny lalàna, no niasa tao amin’ ny momba ny tenantsika hahavokatra ho amin’ ny fahafatesana. Fa ankehitriny dia efa afaka tamin’ ny lalàna isika, satria maty ny amin’ izay nihazonana antsika, ka dia manompo amin’ ny havaozam-panahy isika, fa tsy amin’ ny hahelan-tsoratra."

Efa nampitandrina i Kristy @ fampifangaroana ny Fanekena Taloha sy ny Fanekena Vaovao.
Mat. 9:17 :
"tsy misy manisy divay vaovao ao anaty siny hoditra tonta; raha izany, dia ho triatra ny siny hoditra, ka ho raraka ny divay, sady ho simba ny siny hoditra; fa ny siny hoditra vaovao no asian’ ny olona divay vaovao, dia miara-maharitra izy roroa."

Ap. 3:15-16 :
"Fantatro ny asanao, fa tsy mangatsiaka na mafana hianao; aleo ho mangatsiaka na ho mafana hianao. Fa satria matimaty hianao ka tsy mafana na mangatsiaka, dia efa haloan’ ny vavako hianao"

Efa ambany FAHASOAVANA antsika, aza miverina ho andevon'ny LALÀNA !

Inona no zavatra takian'Andriamanitra ? ANKATOAVY TANTERAKA NY DIDIKO REHETRA, tsy hoe ankatoavina tsindraindray na ankatoavina @ ampahany fa ankatoavina IZY REHETRA.
Det. 28:1 :
"Raha mihaino tsara ny feon’ i Jehovah Andriamanitrao hianao ka mitanrina hanaraka ny didiny rehetra, izay andidiako anao anio, dia hasandratr’ i Jehovah Andriamanitrao ho ambonin’ ny firenena rehetra amin’ ny tany hianao".

Nefa mazava ho azy fa tsy mahavita an'izay antsika.
Fa raha ny eo ambany Fahasoavana, dia ny Tompontsika sy Mpamonjintsika Jesoa Kristy no nankato azy ireo HO ANTSIKA, AMIN'NY ANARANTSIKA.

Tahiana isika, tsy nohon'ny fankatoavantsika, fa satria nankato tanteraka ny Ray i Jesoa.

Raha mahavita mahazo fitahiana nohon'ny fankatoavantsika antsika dia tsy mila an'i Kristy tsy akory.

"Raha azoko tsara, tsy mila mankato ny lalàna intsony antsika ?"

Jer. 31:33 :
"izao no fanekena hataoko amin’ ny taranak’ Isiraely, Rehefa afaka izany andro izany, hoy Jehovah: Dia hataoko ao an-tsainy ny lalàko Sady hosoratako ao am-pony; Ary Izaho ho Andriamaniny, ary izy ho oloko."

Jn. 13:34 : "Didy vaovao no omeko anareo, dia ny mba hifankatiavanareo; eny, aoka ho tahaka ny nitiavako anareo no mba hifankatiavanareo kosa."
(Raha mitandrina an'izay antsika, dia voatandrintsika ny Lalàn'Andriamanitra iray manontolo".
Ny Tompo mihitsy no nampianatra antsika hitia. Arakaraky ny ahazoanao an-tsaina ny fitiavan'ny Tompo anao no mahamora kely ny mitia ny namanao.

Tsy manana fahamarinana antsika manokana isika, fa natao ho marina
Is. 64:6 :
"Samy efa tahaka ny olo-maloto izahay rehetra, ary tahaka ny lamba mihosin-drà ny fahamarinanay rehetra; Malazo tahaka ny ravina izahay rehetra, ary ny helokay mipaoka anay tahaka ny rivotra"

Rom. 5:19 :
"tahaka ny nanaovana ny maro ho mpanota noho ny tsi-fanarahan’ ny olona iray, no hanaovana ny maro ho marina kosa noho ny fanarahan’ ny Anankiray."

Marina, tanteraka ary masina tsy ankehitriny ihany fa mandrakizay !
Heb. 10:14 :
"ny fanatitra iray ihany no efa nahatanterahany ho mandrakizay izay olona hamasinina."

Efa voavela ny helokantsika REHETRA (na ny efa lasa, na ny @'izao, na ny ho avy).
2 000 taona lasa no nahafatesan'i Kristy ambony hazofijaliana, fa tadidio kosa fa Andriamanitra Izy ary tsy voafehin'ny zavatra nohariany : araky ny fotopisainan'ny relativité générale, ny fotoana dia dimension iray hafa @ espace, ka manaporofo izany fa ampahan'ny voarin'Andriamanitra ny fotoana !
Mbola tsy teraka antsika t@'izany, mbola ho avy ny otantsika t@'izany, nefa voavela ihany. Ka aoka antsika tsy hieritreritra fa tsy tafiditra ao anatin'izay ny otantsika rahampitso.

1 Pet 2:24 :
"ary Izy nitondra ny fahotantsika [Isa. 53. 12] tamin’ ny tenany teo ambonin’ ny hazo, mba ho faty ny amin’ ny ota isika, fa ho velona ny amin’ ny fahamarinana; ary "ny dian-kapoka taminy no nahasitranana anareo" [Isa. 53.5].

"Efa voavela ny helokantsika, ka tsy maninona izany raha manota ?"

Rom. 6:1-2 :
"Inona ary no holazaintsika? Mbola hitoetra amin’ ny ota ihany va isika hitomboan’ ny fahasoavana? Sanatria izany! Hataontsika izay efa maty ny amin’ ny ota ahoana no ho velona aminy ihany?"

Rom. 6:15 :
"Ahoana ary? hanota va isika, saingy tsy ambanin’ ny lalàna, fa ambanin’ ny fahasoavana? Sanatria izany!"

Rom. 6:18 :
"rehefa natao afaka tamin’ ny ota hianareo, dia tonga mpanompon’ ny fahamarinana."

Mbola ety ambonin'ity tany mivarilavo ao anaty vatana difotry ny fahalovana isika, ka fantatr'Andriamanitra fa mbola hanota ihany isika ety ambony tany. Fa isaorana kosa anie i Andriamanitra fa nohon'ny fiahiany dia voavela DAHOLO ny helokantsika, noloavin'i Kristy mihoatra lavitra ny trosantsika.

Efa lasa fahendrentsika i Kristy, moa hampianatra antsika hanota ve i Jesoa ?

Jereo tsara, I JESOA KRISTY no vontoatiny, tsy manana anjara asa mihitsy antsika ! Efa niteny izy hoe "Vita !" (Jn. 19:30).

Ka ho velon'ny finoana ny marina.

VONINAHITRA ANIE HO AN'ANDRIAMANITRA !
Rehefa azonao tanteraka ny filazantsaran'ny fahasoavana, dia ho babon'ny Fitiavan'i Kristy ianao.
novalian'i Nehemiah ny 18/01/2013 13:35
2. bor2lais ( 11/01/2013 16:09)
Nehemiah:

Rehefa azonao tanteraka ny filazantsaran'ny fahasoavana, dia ho babon'ny Fitiavan'i Kristy ianao.

Misaotra an'i Nehemiah amin'ny fizarana izay tena mahaliana sy mazava tokoa (ho ahy aloha farafaharatsiny) !

Ny tsoa-kevitra (lehibe) azo(ko) raisina eto dia ny fanazavana ilay teny hoe "mitafy an'i Kristy" : Fitafiana manarona ny tsy famendrehana rehetra manoloana ny Ray ! Ny hany angatahana (amintsika) dia ny hanaiky itafy Azy !

Ary izay koa angamba ange no azo hamaritana ny atao hoe Kristiana e ! :-)
3. Nehemiah ( 12/01/2013 05:36)

bor2lais:

Ny tsoa-kevitra (lehibe) azo(ko) raisina eto dia ny fanazavana ilay teny hoe "mitafy an'i Kristy" : Fitafiana manarona ny tsy famendrehana rehetra manoloana ny Ray ! Ny hany angatahana (amintsika) dia ny hanaiky itafy Azy !

Tahaky ny nanaovan'Andriamanitra akanjo vita @ hodi-biby voatery novonoiny ho an'i Adama sy Eva fa tsy mety aminy ny akanjo vita ravina namboarin-dreo.
bor2lais:
Ary izay koa angamba ange no azo hamaritana ny atao hoe Kristiana e ! :-)

Asa. 11:26 : "Tany Antiokia no voalohany nanaovana ny anaran’ ny mpianatra hoe Kristiana." @ lafiny étymologique, ny teny Kristiana dia midika hoe "an'i Kristy". Tsy tongatonga ho azy izany ;).
4. Miharena ( 12/01/2013 16:24)
Ny olana tamin'izany andro izany dia nisy hatrany ny adim-pinoana satria samy nanana fombana olona na andriamanitra nofaritany avy ny olona.

Ary io hitantsika io ny akony hatramin'izao, satria na isika Kristianina aza dia mifamaly finoana. Ao no milaza fa ny an'i Jehovah no izy, ao no milaza fa ny an'i Kristy no izy, ao no manafangaro ani' Kristy sy Jehovah.

Rehefa tsy hita ilay lalan'ny fanambarana rehetra hoe tena fanonganana ireo toetra miady ho isan'izatsy na izaroa no voalaza ao anaty Baiboly ary tokony novoizina ho an'ny taranaka fara aman-dimby dia mbola hiitohy ny ady finoana ary tsy misy mahazo tombony na dia iray aza fa very fotoana.

Ka ny fanazavana ami'nizao fotoana izao moa dia hoy i Kristy hoe : rehefa tsy hody dia aleo réincarné indray. Ary io angamba no tena tian'ny kristianina resahana amin'ilay hoe hitsangana amin'ny maty.
5. Nehemiah ( 14/01/2013 05:25)

Miharena:

Mbola mampiditra hevitra tsy ara-Baiboly anaty Baiboly indray ianao... Raha ny resaka réincarnation sy ny Tenin'Andriamanitra dia efa nametrahako fanazavàna any ambadika any @'ity rohy ity :
http://forum.serasera.org/forum/message/m50dd29379dc68/20

Ianao koa toa tsy mino fa tanteraka ny Baiboly...
6. Miharena ( 14/01/2013 11:37)
Tsy hoe tsy mino ny Baiboly fa mijery ny fanazavana izay voalaza ao araka ny tena tokony ho izy fa tsy ny hoe mitanisa ny fisian'y fitsanganana ami'ny maty dia tsy mahafantatra hoe toy ny ahoana àry izany ary toy ny inona no tena fizotrany?
7. moustaraf ( 16/01/2013 07:22)

Nehemiah:

Tadido fa mpanao sonia ny Fanekena Vaovao antsika kristianina t@tsika nandray an'i Kristy ho Tompo.
Efa maty ho antsika i Jesoa. Aza mivelona ny fiainanao tahaky ny tsy misy dikany ny Hazofijaliana re ianao.
Tsy ny fampianaran'ny Baiboly rehetra no natao ho arahin'ny mpomba ny Fanekena Vaovao. Ny fampianaran'i Kristy ilay niakatra tany an-danitra no arahintsika. Ny mpomba ny Fanekena Vaovao dia eo ambany FAHASOAVANA.

Nahita lesoka t@ Fanekena Taloha i Andriamanitra, izay no nanaovany fanekena vaovao.
Jer. 31:31-33
"Indro, avy ny andro, hoy Jehovah, Izay hanaovako fanekena vaovao amin’ ny taranak’ Isiraely sy ny taranak’ i Joda, Nefa tsy araka ny fanekena nataoko tamin’ ny razany tamin’ ny andro nitantanako azy nitondra azy nivoaka avy tany amin’ ny tany Egypta; Fa izy ireny dia nivadika ny fanekeko, Nefa Izaho no vadiny [Na: tompony] , hoy Jehovah. Fa izao no fanekena hataoko amin’ ny taranak’ Isiraely, Rehefa afaka izany andro izany, hoy Jehovah: Dia hataoko ao an-tsainy ny lalàko Sady hosoratako ao am-pony; Ary Izaho ho Andriamaniny, ary izy ho oloko."

Heb. 8:6-7
"Fa ankehitriny efa mahazo fanompoam-pivavahana tsara noho ny an’ ireny Izy, dia araka ny nanaovana Azy ho Mpanalalana amin’ ny fanekena tsara lavitra, izay natao tamin’ ny teny fikasana tsara lavitra. Fa raha tsy nanan-tsiny izany fanekena voalohany izany, dia tsy mba nisy fitoerana hotadiavina ho an’ ny faharoa."

Efa nofenoin'i Kristy ny fitakian'ny Lalàna rehetra.
Rom. 8:3-4
"Fa izay tsy hain’ ny lalàna, satria ny nofo no nahalemy azy, dia vitan’ Andriamanitra tamin’ izy naniraka ny Zanany, naka ny endriky ny nofo ota sy ny amin’ ny ota, ka nanameloka ny ota tao amin’ ny nofo, mba hahatanteraka ny fahamarinana ilain’ ny lalàna amintsika, izay tsy mandeha araka ny nofo, fa araka ny Fanahy."

Efa nofoanan'Andriamanitra koa ny sora-tanan'ny didin'ny Lalàna satria efa nankatoavin'i Jesoa tanteraka izany.
Kol. 2:14 : " novonoiny ny sora-tànan’ny didy izay niampanga antsika; dia nesoriny tsy ho eo mihitsy izany ka nohomboany tamin’ ny hazo fijaliana"

Rom. 7:4-6 :
"Ary amin’ izany hianareo koa, ry rahalahiko, dia efa natao maty ny amin’ ny lalàna noho ny tenan’ i Kristy, mba ho vadin’ ny hafa hianareo, dia Izay natsangana tamin’ ny maty, mba hahavokarantsika ho an’ Andriamanitra. Fa fony tao amin’ ny nofo isika, dia ny filan’ ny ota, izay nohetsehin’ ny lalàna, no niasa tao amin’ ny momba ny tenantsika hahavokatra ho amin’ ny fahafatesana. Fa ankehitriny dia efa afaka tamin’ ny lalàna isika, satria maty ny amin’ izay nihazonana antsika, ka dia manompo amin’ ny havaozam-panahy isika, fa tsy amin’ ny hahelan-tsoratra."

Efa nampitandrina i Kristy @ fampifangaroana ny Fanekena Taloha sy ny Fanekena Vaovao.
Mat. 9:17 :
"tsy misy manisy divay vaovao ao anaty siny hoditra tonta; raha izany, dia ho triatra ny siny hoditra, ka ho raraka ny divay, sady ho simba ny siny hoditra; fa ny siny hoditra vaovao no asian’ ny olona divay vaovao, dia miara-maharitra izy roroa."

Ap. 3:15-16 :
"Fantatro ny asanao, fa tsy mangatsiaka na mafana hianao; aleo ho mangatsiaka na ho mafana hianao. Fa satria matimaty hianao ka tsy mafana na mangatsiaka, dia efa haloan’ ny vavako hianao"

Efa ambany FAHASOAVANA antsika, aza miverina ho andevon'ny LALÀNA !

Inona no zavatra takian'Andriamanitra ? ANKATOAVY TANTERAKA NY DIDIKO REHETRA, tsy hoe ankatoavina tsindraindray na ankatoavina @ ampahany fa ankatoavina IZY REHETRA.
Det. 28:1 :
"Raha mihaino tsara ny feon’ i Jehovah Andriamanitrao hianao ka mitanrina hanaraka ny didiny rehetra, izay andidiako anao anio, dia hasandratr’ i Jehovah Andriamanitrao ho ambonin’ ny firenena rehetra amin’ ny tany hianao".

Nefa mazava ho azy fa tsy mahavita an'izay antsika.
Fa raha ny eo ambany Fahasoavana, dia ny Tompontsika sy Mpamonjintsika Jesoa Kristy no nankato azy ireo HO ANTSIKA, AMIN'NY ANARANTSIKA.

Tahiana isika, tsy nohon'ny fankatoavantsika, fa satria nankato tanteraka ny Ray i Jesoa.

Raha mahavita mahazo fitahiana nohon'ny fankatoavantsika antsika dia tsy mila an'i Kristy tsy akory.

"Raha azoko tsara, tsy mila mankato ny lalàna intsony antsika ?"

Jer. 31:33 :
"izao no fanekena hataoko amin’ ny taranak’ Isiraely, Rehefa afaka izany andro izany, hoy Jehovah: Dia hataoko ao an-tsainy ny lalàko Sady hosoratako ao am-pony; Ary Izaho ho Andriamaniny, ary izy ho oloko."

Jn. 13:34 : "Didy vaovao no omeko anareo, dia ny mba hifankatiavanareo; eny, aoka ho tahaka ny nitiavako anareo no mba hifankatiavanareo kosa."
(Raha mitandrina an'izay antsika, dia voatandrintsika ny Lalàn'Andriamanitra iray manontolo".
Ny Tompo mihitsy no nampianatra antsika hitia. Arakaraky ny ahazoanao an-tsaina ny fitiavan'ny Tompo anao no mahamora kely ny mitia ny namanao.

Tsy manana fahamarinana antsika manokana isika, fa natao ho marina
Is. 64:6 :
"Samy efa tahaka ny olo-maloto izahay rehetra, ary tahaka ny lamba mihosin-drà ny fahamarinanay rehetra; Malazo tahaka ny ravina izahay rehetra, ary ny helokay mipaoka anay tahaka ny rivotra"

Rom. 5:19 :
"tahaka ny nanaovana ny maro ho mpanota noho ny tsi-fanarahan’ ny olona iray, no hanaovana ny maro ho marina kosa noho ny fanarahan’ ny Anankiray."

Marina, tanteraka ary masina tsy ankehitriny ihany fa mandrakizay !
Heb. 10:14 :
"ny fanatitra iray ihany no efa nahatanterahany ho mandrakizay izay olona hamasinina."

Efa voavela ny helokantsika REHETRA (na ny efa lasa, na ny @'izao, na ny ho avy).
2 000 taona lasa no nahafatesan'i Kristy ambony hazofijaliana, fa tadidio kosa fa Andriamanitra Izy ary tsy voafehin'ny zavatra nohariany : araky ny fotopisainan'ny relativité générale, ny fotoana dia dimension iray hafa @ espace, ka manaporofo izany fa ampahan'ny voarin'Andriamanitra ny fotoana !
Mbola tsy teraka antsika t@'izany, mbola ho avy ny otantsika t@'izany, nefa voavela ihany. Ka aoka antsika tsy hieritreritra fa tsy tafiditra ao anatin'izay ny otantsika rahampitso.

1 Pet 2:24 :
"ary Izy nitondra ny fahotantsika [Isa. 53. 12] tamin’ ny tenany teo ambonin’ ny hazo, mba ho faty ny amin’ ny ota isika, fa ho velona ny amin’ ny fahamarinana; ary "ny dian-kapoka taminy no nahasitranana anareo" [Isa. 53.5].

"Efa voavela ny helokantsika, ka tsy maninona izany raha manota ?"

Rom. 6:1-2 :
"Inona ary no holazaintsika? Mbola hitoetra amin’ ny ota ihany va isika hitomboan’ ny fahasoavana? Sanatria izany! Hataontsika izay efa maty ny amin’ ny ota ahoana no ho velona aminy ihany?"

Rom. 6:15 :
"Ahoana ary? hanota va isika, saingy tsy ambanin’ ny lalàna, fa ambanin’ ny fahasoavana? Sanatria izany!"

Rom. 6:18 :
"rehefa natao afaka tamin’ ny ota hianareo, dia tonga mpanompon’ ny fahamarinana."

Mbola ety ambonin'ity tany mivarilavo ao anaty vatana difotry ny fahalovana isika, ka fantatr'Andriamanitra fa mbola hanota ihany isika ety ambony tany. Fa isaorana kosa anie i Andriamanitra fa nohon'ny fiahiany dia voavela DAHOLO ny helokantsika, noloavin'i Kristy mihoatra lavitra ny trosantsika.

Efa lasa fahendrentsika i Kristy, moa hampianatra antsika hanota ve i Jesoa ?

Jereo tsara, I JESOA KRISTY no vontoatiny, tsy manana anjara asa mihitsy antsika ! Efa niteny izy hoe "Vita !" (Jn. 19:30).

Ka ho velon'ny finoana ny marina.

VONINAHITRA ANIE HO AN'ANDRIAMANITRA !
Rehefa azonao tanteraka ny filazantsaran'ny fahasoavana, dia ho babon'ny Fitiavan'i Kristy ianao.

Salama namana,

Fanekena vaovao no resahina ka misa mba manitikitika kely;
1. ny teny hoe"Fanekena vaovao" aloha dia diso be mihitsy, ny dikan-teny marina dia "Fanekena nohavaozina" (version originale)

2. Raha nitranga ny olana : ilay Fanekena ve no nisy olana, sa ny Israely no nandika ilay fanekana?
- i Israely no nivadika ny fanekena, fa tsy ny fanekena no diso, ka mila ovana;
Raha rava ary ilay fanekena taloha, fanekena inona no HAVAOZINA?

3. Mampody vady no ilazan'ny Mpaminany io fanavaozana fanekena io:
-Raha i Rasoa no vady nisarahana, ka i Ravao no ampakarina, mampody ve izany?
-Ny ISRAELY no vady nisarahana, ka ny firenena jentilisa ve no hampakarina?

4.Ny olana t@ Fandraisana ilay fanekena tao SINAY dia noho ilay FO tsy voafora teo @ Israaely; i Mosesy dia efa nomena hafatra momba ny famorana fo, mba hitoeran'ilay fanekena!

Ny fampianarana naelin'ny Romana hatrizay manko dia hoe: FANEKENA HAFA MIHITSY ilay fanekena taloha, ary hafa ny aty @ andron'i Mesia!
-Efa nolavina Israely, ka ny jentilisa indray no nomena ny fanekena!

Mazotoa daholo
8. moustaraf ( 16/01/2013 07:24)

Tsy misy manisy divay vaoavo anaty siny hoditra tonta : Ilay fanekena izay tsy miova dia tsy azo apetraka anaty Fo tsy voafora (fo vato)!

Mazotoa daholo
9. Nehemiah ( 16/01/2013 08:28)
moustaraf:

Famadibadihany ny voalazan'ny Baiboly velively ireo hevitra ireo. Izao vao mba mahita an'izany "fanekena nohavaozina" izany aho. Ary na izany na tsy izany, rehefa nifindra t@ Microsoft Office 2010 ianao ve dia mbola hiverina @ Microsoft Office 2003 ?

Tsy mety manaiky ve ianao fa tsy misy inona na inona azonao atao ho an'ny Famonjenao fa i Andriamanitra no manao ny rehetra ? Kanefa izay no ampianarin'ny Baiboly fa tsy zavatra hafa. Izay mampianatra zavatra hafa ankoatran'izay dia sekta.
10. Maranatha ( 18/01/2013 06:05)

Nehemiah:

..........

Betsaka no zavatra tsy fantatry i Nehemiah. INONA NO LALàNA NoFOANAN'NY KRISTY????
Te hanontany anao aho hoe aiza ny Tompo izao ary manao inona ??? tsy andrasako ny valiteninao fa raha mamaky ny bokin'ny hebreo isika dia miaraka manaiky fa manao ny asan'ny Mpisorona be any andanitra ao antempoly Izy. Dia mba manontania tena hoe inona no asan'ny Mpisorona be ???? Manao asa fanavotana .( Fa angaha tsy Lalàna izany??) mitondra ny ràn'ny fanekena ( Lalàna izany ). Ny lalàm-pisoronan'ny olona no nofoanany nosoloany ny Lalàm-pisoronany (Lalàn'i Kristy).

dia hoy hianao hoe :"Mbola ety ambonin'ity tany mivarilavo ao anaty vatana difotry ny fahalovana isika, ka fantatr'Andriamanitra fa mbola hanota ihany isika ety ambony tany. Fa isaorana kosa anie i Andriamanitra fa nohon'ny fiahiany dia voavela DAHOLO ny helokantsika, noloavin'i Kristy mihoatra lavitra ny trosantsika." sy ity teninao ity "Jereo tsara, I JESOA KRISTY no vontoatiny, tsy manana anjara asa mihitsy antsika ! Efa niteny izy hoe "Vita !""

Ny olona voavonjy dia manao fitafiana fotsy nofotsiana t@ ràn'ny zanak'ondry. Raha voavela heloka hianao dia tsy miverina manao iny heloka iny intsony Moa mpanompon'ny ota va i Kristy?? Ny fibebahana marina dia mitsotra sy mahafoy Ohabolana 28:13. Ary manonitra ny ratsy vita.

Izay otanao efa nibebahana ka nofotsiany t@ ràny dia tsy azo haverina intsony. Ny olona tena manantona an'iTsitoha dia hita mihatsara mihatsara hatrany ny toetrany. Ny marina hihamarina. Fa tsy hoe mbola mandika ny DidiNy foana (Manota=Mandika lalàna I Jaona 3:4)

Mandiniha tsara!
11. Nehemiah ( 18/01/2013 06:51)

Maranatha:

Asa ny fomba famakianao ny Hebreo, fa mazava tsara @'ity Epistily ity fa natao indray mandeha fotsiny ny Sorona dia tapitra hatreo.

Hita fa tsy azonao mihitsy ny hevitra tiako voizina. Tsy miteny aho akory hoe hilefitra @ ota antsika, na hiverina @ ota taloha, fa raha nahatsikaritra ianao, mbola nanota i Petera taorianan'ny nilatsahan'ny Fanahy Masina, t@'izy nisintaka t@ Jentilisa ka nanaran'i Paoly. Zavatra mety mitranga ho antsika rehetra izany. Araky ny teninao, "ny marina hihamarina", zavatra tsy maintsy ianarana ny fiaraha-dia @'i Kristy. Raha tonga dia tsy manota intsony ny Kristiana ety ambony tany rehefa avy nandray ny Famonjena, dia tsy nila hanoratra ny Epistiliny mihitsy i Paoly Apostoly.

Tahaky ny ankizy tia matematika hoy aho izay : mahazo naoty tsara izy satria tia an'ilay taranja, fa tsy hoe mahazo naoty tsara izy satria asain'ny ray aman-dreniny hahazo naoty tsara.
12. Maranatha ( 18/01/2013 11:28)

Nehemiah:

Asa ny fomba famakianao ny Hebreo, fa mazava tsara @'ity Epistily ity fa natao indray mandeha fotsiny ny Sorona dia tapitra hatreo.

Tena nianatra momba ny bokin'ny hebreo aho . Tsy diso no voalazanao fa indray mandeha fotsiny no nanaovana iny sorona iny. Ilay rà izay nalatsaka tao kalvary in-draim-pandeha iny tokoa no nentina. fa ny nilaina iny rà iny any an-danitra no tsy azonao mihintsy.
Mipetaka amin'iny rà iny ny fahotan-tsika izay mino, nafafy aloha iny teo amin'ny efitra lamba (na rideau ) manasaraka ny efitra masina sy ny efitra masina indrindra. Nekena izay hatramin'ny nilatsahan'iny rà iny mandram-pahatonga ny farany. toy ny fanao teo amin'ny israely fahiny isaky ny manota dia mitondra biby hatao fanatitra ho famelana heloka dia ny ràn'ilay biby no hafafin'ny mpisorona ao amin'ny efitra lamba.
FA ny tsy takatrao mihintsy dia ny andro fanavotana izay indray mandeha isan-taona no fanao teo amin'ny israely . mandritra io fotoana io no hahafantarana na voavela ilay helokao izay namafazana ilay ràm-biby teo efitra lamba iny na tsia. Io no tandindon'ny fitsarana ankehitriny nafafy ao amin'ny bokin'ny fahafatesana ilay rà mba hamonoana ireo fahotanao nandritra ny androm-piainanao , tsy tonga dia maty eo io fa miandry ny andro fanavotana. Ny andro fanavotana izay hahalalana na eken'A/tra ve ny fifonana natao taminao sa tsia??? mandritra ny famafazana indray ao amin'ny rakom-panavotana ao amin'ny efitra masina indrindra ilay ràNY hanadiovana ilay fahotanao izay voasoratra ao amin'ny bokin'ny fahafatesana(=efitra lamba). Izay no ilaina ny MPISORONABE. Mpanao izay fanompoam-pivavahana izay.
Nehemiah:

Hita fa tsy azonao mihitsy ny hevitra tiako voizina. Tsy miteny aho akory hoe hilefitra @ ota antsika, na hiverina @ ota taloha, fa raha nahatsikaritra ianao, mbola nanota i Petera taorianan'ny nilatsahan'ny Fanahy Masina, t@'izy nisintaka t@ Jentilisa ka nanaran'i Paoly. Zavatra mety mitranga ho antsika rehetra izany. Araky ny teninao, "ny marina hihamarina", zavatra tsy maintsy ianarana ny fiaraha-dia @'i Kristy. Raha tonga dia tsy manota intsony ny Kristiana ety ambony tany rehefa avy nandray ny Famonjena, dia tsy nila hanoratra ny Epistiliny mihitsy i Paoly Apostoly.

Tahaky ny ankizy tia matematika hoy aho izay : mahazo naoty tsara izy satria tia an'ilay taranja, fa tsy hoe mahazo naoty tsara izy satria asain'ny ray aman-dreniny hahazo naoty tsara.

Samy hafa ny hoe latsaka tsy nahy t@ fahotana sy ny hoe minia manota. Ny olona latsaka tsy nahy t@ fahotana ihany no mahazo ny I Jaona 2:11 Anaka, izany zavatra izany no soratako ny aminareo mba tsy hanotanareo. Ary raha misy manota, dia manana Solovava* ao amin'ny Ray isika, dia Jesosy Kristy, Ilay Marina.

Hoy ny Tompo raha tia ahy hianareo dia hitandrina ny didiko: Fitiavana miampy fankatoavana . fa tsy hoe fitiavana dia handeha @ izay tianao ianao . Noho izany sady tiako ilay taranja matematika no asain'ny ray amandreniko hanatratra naoty tsara ihany koa aho. Vokatra Tena tsara no azo amin'izay !

Mahereza
13. Nehemiah ( 18/01/2013 13:35)
Ka inona no ifanoheran'izay sy ny zavatra nosoratako ? Nanao an'izay fanompoam-pivavahana izay i Kristy dia tapitra hatreo. Ary efa niteny izy hoe : "Vita" (tetelestai, ilay teny grika izay soratana @ taratasin'ilay olona izay efa naloa ny trosany). Efa manan-kery ny famonjentsika. Ny andro famonjena izay resahan'ny Hebreo, izany hoe ny Sabatan'Andriamanitra, dia efa azo idirana, fa tsy mila andrasana intsony. Ary ny finoana no idirantsika eo, fa tsy ny fitandremana ny lalàna. Nitandrina ny andro faha-7 ny Zanak'Isiraely, nefa mbola nataon'Andriamanitra hoe "Tsy hiditra @ fitsaharako izy ireo". Tsy tafiditra tany i Mosesy satria nandika lalàna ka tsy navelan'ny lalàna, fa i Josoa (mitovy @ Jesoa ny anarany @ teny Hebreo) dia tafiditra noho ny finoany.

Raha ny resakao momba ny olona latsaka tsy nahy t@ fahotàna, izay mihitsy no tiako tenenina @ hoe "mbola ety ambonin'ity tany mivarilavo ao anaty vatana difotry ny fahalovana isika, ka fantatr'Andriamanitra fa mbola hanota ihany isika ety ambony tany." Miala tsiny raha tsy nampita tsara ny hevitra. Raha minia manao tsinontsinona ny Famonjena nomen'i Kristy antsika dia zavatra hafa mihitsy izay, ary iaraha-mahafantatra fa masiaka be ny Hebreo momba an'ireny olona ireny.

Fa saingy tiako marihina fa ny ankizy tia matematika dia mbola hahazo naoty tsara foana ny ankizy tia matematika, na dia tsy ao aza i Dada sy Mama. Ny fitiavana no zava-dehibe. Marina fa ilaina ny mahafantatra sy manaja ny sitrapon'Andriamanitra, raha tsy izay dia hirongatra daholo ny heloka bevava isan-karazany, ny fanalan-jaza, ny homosexualité sns (ary izay no hitantsika @'izao fotoana izao aty Madagasikara), fa tsy io no zava-dehibe fa ny fitiavana (sady mamintina ny sitrapon'Andriamanitra rahateo ny fitiavana), ary izay no anaovan'i Paoly Apostoly resaka lava be @ 1 Kor. 13. "Raha tia ahy hianareo dia hitandrina ny didiko" : ny fitiavana no ahafahantsika mitandrina ny didin'ny Tompo.

Mety ho gaga ianao @ tenin'i Md Augustin hoe "tiava marina tokoa ary ataovy izay tianao atao". Tsy hoe katolika aho ka ataoko "parole d'Évangile" ny tenin'olombelona sanatria, fa heveriko fa mamintina tsara an'izao hevitra izao io. Inona no didin'ny Tompo Jesoa Kristy ? "Tiava an’ i Jehovah Andriamanitrao amin’ ny fonao rehetra sy ny fanahinao rehetra ary ny sainao rehetra" ary "Tiava ny namanao tahaka ny tenanao". Raha maharaka an-dreo isika dia mandeha ho azy ny zava-drehetra. Fa averiko ihany, tsy maintsy fantatra ny sitrapon'Andriamanitra mba ahafahana hitia azy (lojika izany).
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.1621