Inona aminao no tena sakana tsy handraisan'ny olona ny Famonjena ka mahavariana azy amin'izao tontolo izao?

1. toriteny ( 11/01/2013 14:07)
Nefa anie ka tori-teny izay efa natao izay é. fa tsy ahitam-bokatsoa. Ilay olona mitondra ny Teny ve no tsy nangataka tsara ny FAnahy MAsina mba hiasany eo amin'izay manatrika?

Sa ny olona mihitsy amin'izao no efa ratsy ka tsy te hahalala?
2. bor2lais ( 11/01/2013 14:24)
Ary sao dia ny mpitoriteny kosa no tsy mahandry tantana ! Tsy anjaran'ny mpitondra Teny ange no mandresy lahatra e : asan'ny Fanahy izany ! ;-)
3. didi10 ( 11/01/2013 14:56)
Tsotra

Tsy mety tafita ny toritenim-pamonjena satria:
1- Vitsy no manao izany fa variana amin'ny toritenim-pitahiana (vola, fahasalamana, asa tsara, fanalana hozona...) izay mahasoa ny nofo fa tsy migarantir famonjena ny mpitory
2- Izay maheno ny toritenim-pamonjena dia madilo sy mihifikifika satria tsy mahafoy ny asan'ny nofo sy ny filany ary ny fampianara-drazana ka hoy ireo hoe "calme fotsiny fa aleo ilamina de misesy"
4. toriteny ( 11/01/2013 15:10)
bor2lais:

Ary sao dia ny mpitoriteny kosa no tsy mahandry tantana ! Tsy anjaran'ny mpitondra Teny ange no mandresy lahatra e : asan'ny Fanahy izany ! ;-)

Ka efa 2 000 ans anie no nitoriana ny Fiainana é. Efa hantomotra kely ny andro nefa mbola tsy rototra ihany ry zareo.
5. nanau ( 11/01/2013 15:19)
Fantatr n'mpitory tsara fa ny zavatra ampanantenzin NY tenin Atra Ann fitahiana aranofo dia ny vokatry ny finoana izay ahazoana ny famonjen fanahy donc raha mitory tenu pasy la milaza fotsiny oe hiova n'fiainanao ta miditra apengonan na otrzany tsy mety satry le asan fana Tsy nis de néfa nis fapanatenana Tao. De le olona naheno nanantena nefa mbola tsy nino very fanatenana satry ts nis niova akor de mitsahatra ts manatena sy tsy mino tsony izay fisian Atra. De aleony mifikotra am zavatra hita maso. Dia ety am zao ttlo Zao ihan mants no mora hinoana satry mis Prodi n' zavadrehetra de mahita fafampo n'olona. De aleon miaina ameao ànaty ota amzay tsy diso fanantenana tsony.
6. nanau ( 11/01/2013 15:20)

7. nanau ( 11/01/2013 15:21)

8. Miharena ( 12/01/2013 07:16)
Vakio ny lettre avy ao amin'ny www.voiechristique.co.za dia ho fantatrao ny valin'ny tsy nahombiazana efa 2000 taona izay.

Ireo hafatra ao dia efa taty amin'ny taona 2007 no nomen'i Jesosy ka asa aloha fa isika dia anisan'ny togna dia manakiana raha vao misy hafatra toy itony fa ao anaty Baiboly ihany hono no hahitana ny marina.

Nefa mihodinkodina miteraka fanontaniana toy itony hatrany ny fitoriana atao avy amin'y Baiboly.
9. Nehemiah ( 12/01/2013 12:49)

Miharena:

Ireo hafatra ao dia efa taty amin'ny taona 2007 no nomen'i Jesosy ka asa aloha fa isika dia anisan'ny togna dia manakiana raha vao misy hafatra toy itony fa ao anaty Baiboly ihany hono no hahitana ny marina.

Fanamarihana kely fotsiny : ny Baiboly no hany mari-pandrefesantsika ny zava-drehetra, ka tsy hoe raha tafita ny fanadinana ara-Baiboly ny hafatra iray dia mbola ho kianina ihany. Mino aho fa misy vitsivitsy @'ireo fahitàna ireo no tena marina. Fa tsy maintsy mitandrina antsika, satria "Satana aza mampiova ny endriny ho tahaka ny anjelin’ ny mazava." (2 Kor. 11:14). Ao koa ny fampitandremana avy @ Gal. 1:8.

Ka aoka antsika hanao tahaky ny Beriana tsara toe-panahy, izany hoe "mandinika ny Soratra Masina isan-andro, na marina izany, na tsia" (Asa. 17:11) fa tsy gobéna fotsiny izao izay "fanambarana" rehetra hitantsika.
10. Miharena ( 12/01/2013 16:14)
Rehefa avy mamaky tanteraka ny Baiboly ka mahita fa tsy tafavoaka ny Kristianina dia mila mahafantatra hafatra hafa. Ary ny fahaizana manavaka hafatra iray na marina na tsia dia avy amin'IZY Tompo ihany. IZY no manome antsika hoe izatsy no Teniko tena marina rehefa mahita IZY fa tsy tafavoaka isika fa midy hevitra amin'y zava-tsy misy fotony, ary mihodinkodina toy ny tandrimo fa tsy mandroso any amin''ny MAZAVA izay tsy misy afa-tsy IZY no manana izany.
11. tsitialainga ( 13/01/2013 10:17)
Tsotra ihany ny antony : na efa manana mpamonjy sy làlam-pamonjena hafa izay noheveriny fa sahaza azy izy dia tsy miraika @ izay hafa, na koa mifamadika aminy mihitsy ilay toko sy andininy ao @ Matio 6/33. Amin'ny ankamaroan' ny "kristianina" mantsy dia ny vatana sy ny nofo sy izay hita maso aloha na marimarina kokoa dia izay tena maha-olombelona aloha no katsahina sy itadiavana làlana fatratra vao manaraka farany izany fanjakan'ny Lanitra izany.
12. tsitialainga ( 13/01/2013 11:02)

toriteny:

Nefa anie ka tori-teny izay efa natao izay é. fa tsy ahitam-bokatsoa. Ilay olona mitondra ny Teny ve no tsy nangataka tsara ny FAnahy MAsina mba hiasany eo amin'izay manatrika?

Sa ny olona mihitsy amin'izao no efa ratsy ka tsy te hahalala?

Miankina @ ilay tori-teny koa ilay izy fa raha tori-teny tsy mikatsaka ny Fanjakany sy ny Fahamarinany aloha no atao fototra dia zava-poana satria izay tsy manam-pahamasinana tsy mahita an' Andriamanitra araka ny Heb 12/14, ary fanampin' izany dia mila fantarina tsara koa ilay Andriamanitra toriana sy hivavahana fa betsaka ny andriamanitra manodidina an-tsika.
Izao mantsy no tena mampieritreritra : maninona no efa nanomboka 1820 no nitoriana ny teny sy nampidirana ny baiboly teto m/scar kanefa hatr@zao anisan'ny fadiranovana indrindra isika na ara-panahy na ara-javatra eto ambonin'ny tany?
Feno foana anefa ny fiangonana isan-kalahady sy isan-tSabata, fa inona àry no antony?
Tsy mivavaka ve ny malagasy sa diso fangataka ve sa tsy mihaino Ilay Andriamanitra ivavahany sa tena tsy misy mihitsy? Ilàna valiny izany rehetra izany mba hahafahana mana-pakevitra haingana satria toy ny mamafy rivotra foana ny malagasy. Tokony ho henitra isika, indrindra fa ireo atao hoe "kristiana" satria tsy tokony hikiry foana @ zavatra tsy mahomby rehefa tsy nahitam-bokany nandritra ny 190 taona.
Tandremo tsara indray ho an' ireo mpandray an-tendrony fa tsy niteny mihitsy aho hoe tsy tokony hivavaka na tsy tokony hiditra am-piangonana intsony ny malagasy.
Fa ny tiako hampitaina dia nametrahan' ILAY NAHARY sombim-pahendrena kely isika aty anatin-tsika mba hahay hanavaka ny ratsy sy ny tsara ka ny Zanak' Andriamanitra aza t@ izy tonga tety an-tany dia nozoniny ny aviavy rehefa tsy nahitam-bokany, toy izany koa mikasika ny voaloboka sy ny sampany ho an' izay tsy mahavokatra dia tsy maintsy tapahina ka atsipy any anaty afo. Araka izany dia tsy ankasitrahany ny fahamombana sy ny tsy fahavokarana.
Tokony ho toy izany koa isika raha tena nandray Azy na nandray ny Fanahiny MARINA (fa tsy sarintsariny) dia tokony hahay hitady sy hamantatra izay ankasitrahana sy hamokarana bebe kokoa fa tsy hitombo hiharatsy na "momba". Toy ny nolazaiko tany @ lohah-hevitra hafa tany.
Ny hazo tsara mantsy ny hahafantarana azy dia ny vokany, aoka àry isika araka izany handinika tsara ny vokatra.
Manaraka izany, mihatsara ve isika sa miharatsy?
Ity ilay lahatsorata (miala tsiny fa copie/coller)

Ohatra izao aminao, tena mifantoka tsara sy tafatodika tsara amin' Andriamanitra ve ianao raha midera azy any am-piangonana ka misy manao jupe hatrany am-poto-pe eo alohanao ary eo akaikinao indray misy vehivavy mampiseho ny antsasa-nonony? Ary eo ankavanana manao mifinjifinjy hatrany ambony ka hatrany ambany? Io mantsy ilay tonga @ ilay hoe raha tsy mananatra azy ianao dia miombon' ota aminy ka moa isika izay te-hanana fifantohana tsara amin' Andriamanitra ve no tokony hifindra toerana sa ireny karazan' olona tsy matotra ireny no tokony tsy ampidirina sa ahoana no tokony hatao?
Marina fa natao hivavahan'ny olona rehetra ny tranony fa kosa mba mampieritreritra ihany raha isak' Alahady izao na isan-tSabata izao manandrify an'i Pasitera @ mini-jupe sy ny décollleté mampiseho nono foana ry tovovavy eny fa na dia ny efa manan-jafikely ka mba te-ho à la page sy à la mode aza kanefa tsy azo adinoina fa na ny eritreritra izay any anaty aza mila atao tsara rehefa hikatsaka an' Andriamanitra ary ny fo atao madio tanteraka, mainka fa ny fitafiana ivelany raha feno zanaka sy olom-pady sy ray aman-dreny any am-piangonana? Izany ange Nehemia no mahatonga ny ankamaroan'ny olona tsy mankany am-piangonana intsony e? Mety hiteny ianao hoe dia ahoana ilay ao @ Hebreo 10/25? ASA????

Ny vokatra izany izao raha io tranga voalaza etsy ambony io fotsiny dia feno eritreritra fijangajangana ny mpivavaka, mahita mihitsy àary aho eto ambany tranonay satria tsy lavitra fiangonan-dehibe iray no misy anay dia mahavatra tsy miditra am-piangonana akory ilay tovovavy sy tovolahy @ fidirana @ 9h3O fa mifanoroka sy mifanafosafo tsy mahalala menatra intsony etsy ambody hazo ry zareo ka @ firavan'ny fiangonana @ 11h30 izy vao mody dia tsy mahalala na inona na inona akory ny ray aman-dreny fa dia noeritreretina ho nandeha nivavaka tany am-piangonana ireo zanany! Tena mampihoronkoditra!

Raha tena Fiangonana MARINA sy Andriamanitra TENA IZY no toriana ao @ ilay fiangonana ao dia tsy nahitam-bokatra miseho toy izany ety ivelany. Amiko aloha izay fa tsy mahita fanoharana hafa ankoatra izay voalaza ao @ baiboly ihany aho.
Noho izany amiko dia TSY HIAKATRA ary TSY AZO HAM%PIAKARINA izany fiangonana izany fa tokony hanofa zezika sy hifoka tsara ny ranon' orana izay avy any ambony fa tsy ny avy ety an-tany ihany. Ny vokatry ny nofo mantsy no hita betsaka mitombo, noho izany dia tokony hotapahina sy rantsanana ny hazo toy izany.
Hatreo angamba aloha fa tsy tokony hanao fahazarana fotsiny isika rehefa mety ho fiangonana ka itondrana sy hitoriana ny voalaza ao anaty baiboly dia voatery ho marina.
Mahereza rahalahy isany dia mialatsiny fa somary lava.
13. niryna ( 19/01/2013 07:14)

toriteny:

Nefa anie ka tori-teny izay efa natao izay é. fa tsy ahitam-bokatsoa. Ilay olona mitondra ny Teny ve no tsy nangataka tsara ny FAnahy MAsina mba hiasany eo amin'izay manatrika?

Sa ny olona mihitsy amin'izao no efa ratsy ka tsy te hahalala?
ny omby indray mandry tsy indray mifoha.
Ao no mifoha ary no lasa niverina natory indray hi,hi

tsitialainga:

Miankina @ ilay tori-teny koa ilay izy fa raha tori-teny tsy mikatsaka ny Fanjakany sy ny Fahamarinany aloha no atao fototra dia zava-poana satria izay tsy manam-pahamasinana tsy mahita an' Andriamanitra araka ny Heb 12/14, ary fanampin' izany dia mila fantarina tsara koa ilay Andriamanitra toriana sy hivavahana fa betsaka ny andriamanitra manodidina an-tsika.

ka eo no olana satria samy milaza azy ho manana andriamanitra hafahafa daholo ny mpitory koa
Tsara ho fantatra koa raha ny firenentsika no tenenina dia mbola marobe ny mijangajanga ara-pinoana -mampivady ny fivavahana sy ny fampiasana ny dadarabe( ny fiarovana sy ny fombafomba maro) dia tsy mahagaga raha miriorio tsy mahafantatra ny tena hivavahany ny olona-

Feno foana anefa ny fiangonana isan-kalahady sy isan-tSabata, fa inona àry no antony?
Tsy mivavaka ve ny malagasy sa diso fangataka ve sa tsy mihaino Ilay Andriamanitra ivavahany sa tena tsy misy mihitsy? Ilàna valiny izany rehetra izany mba hahafahana mana-pakevitra haingana satria toy ny mamafy rivotra foana ny malagasy. Tokony ho henitra isika, indrindra fa ireo atao hoe "kristiana" satria tsy tokony hikiry foana @ zavatra tsy mahomby rehefa tsy nahitam-bokany nandritra ny 190 taona.
tandremo sao maka ny toeran'Andriamanitra isika an
Ny hopitaly ve tsy feno olona foana e? Inona no mahatonga ny olona andeha any amin'ny hopitaly? Marary ka mila sitranina ,mila fanafody .Satria mila fanasitranana ny olona ary toy mila hery sy tanjaka ara-panahy koa ny olona ka tsy mahagaga raha feno ny fiangonana. Noho izany samy mitady fanasitranana avokoa ny olona raha toa ka mandeha any am-piangonana izy ireo. Ny hopitaly natao ho an'ny marary fa tsy ho an'ny salama.Ny fiangonana natao hiderana an'Atra ,natao hivavahana,hiderana an'Atra. ka raha toa ka hijerijery ny olona no atao dia mila mitandrina sy mila mivavaka mafy mba tsy hidiran' ny fanahin'ny fijangajangana sy ny fanahy mpamitaka

14. tsitialainga ( 20/01/2013 10:08)

niryna:

Samihafa ny point de vue raha io nolazainao io no asian-teny satria marina fa tokony hoany @ hopitaly na dokotera rehefa marary araka ny ao @ Lio 5/32 fa misy anie manao cinéma na ny dokotera tokony hitsabo hanasitrana (charlatan) ary misy koa ny marary mafy loha ka ny dokotera indray no baikony hoe aza tsindronina aho fa gellule na comprimé omena ahy e!
Ao koa ireo tsy mety manaraka prescription médical sy ny toro-hevitry ny dokotera e!
Mba valio tsara izao : raha marary ve enao ka lasa manatona dispensaire na hopitaly dia tsy ataonao izay hahasitrananao haingana sa mahafaly sy mahasambatra anao ny miaina ao anatin' ilay aretina foana na 1taona aza ka na efa fantatra aza fa ny fifadianao sira no hahasitrana anao dia mbola mikiry ihany ianao mihinan-tsira satria tsy mahazo tsiron-tsakafo ny lelanao?
Ny tena mahalasa saina mantsy dia izao : na ilay dokotera manaiky baikon' ilay marary tsy mety mifady sira na ilay marary dia samy adala satria samy milalao aretina fa ilay marary no tena adala ketrina satria rehefa traitement à long terme kanefa tsy mety sitrana izy dia tokony miova dokotera fa tsy mikiry ao foana.
Momba ilay dokotera koa dia tsy maintsy ho fantany fa raha mbola tia vola foana izy ka satriny tonga mandoa consultation foana ilay marary dia tsy maintsy hofaty ity farany ka an' iza moa ny fatiantoka raha ety an-tany?
Fa ity no tsarovy! miombon' ota @ ota "ingahy pasy" ary dokotera sandoka tia vola fotsiny raha toa ka tsy mahateny mafy eo ambony pilipitra fa tsy ekena ny provocation ho @ fijangajangana izany hoe ny mini-jupe sy ny fampisehoana nonobe any am-piangonana. Hotsaraina mafy ary ho meloka tanteraka ingahy pasy satria raha tsy miteny sy mananatra ary manitsy ho @ fahamaotinana ara-pitondran-tena dia mankasitraka (manaiky matoa tsy miteny, hihi!!!!!!)ary raha mankasitraka dia naman'ny manao ihany koa.
Vakio kely azafady ny Jakoba 4/17; Rom 1/26-32 sns...
Dia tonga @ ilay hoe tonga @ fitoerana "masina" ny fahavetavetana fa amiko aloha ilaozako tanteraka ilay fiangonana sy ilay pasitera satria mpiray tsikombakomba ireo, ary mety pasitera mihitsy aza no mitily ilay nonobe sy febe ka mahatonga azy tsy hiteny na hananatra.
Na koa ireo mpanao mini-jupe ireo ny ankohonan' ingahy diakona tremalahy dia asiana hena-maso sao tsy feno eo ny kitapo iombonana na mihena ny rakitra sy ny ampahafolon-karena?
Dikan'izany rehetra izany dia izao : marina fa natao hoan'ny marary ny hopitaly fa misy koa tsy te hositranina mihitsy ary mety hamindra aretina @ hafa, eo ihany koa ilay dokotera janga lahy! Satriny hotonga foana ny ankohonan' ingahy tremalahy. Janga lahy ara-panahy sy ara-nofo ingah dokotera eto satria tsy vitan'ny mitetika volabe fa sady mitetika nonobe sns koa.
Izaho aloha dia tsy miala @ zao na ahoana na ahoana fomba fitsaranareo e : "NY VOANY NO HAHAFANTARANA NY HAZO", ka ilay zatovo mpifanorokoroka sy mpifanafosafo ange tsy vao alahady in-1 na in-2 fa efa isa-kerinandro e! Azoko vinaniana sahady izany ny ao anatin'io fiangonana io.
Farany vakio dia diniho ary araho tsara ny Heb 10/26-27 ; Titosy 3/10 ; Heb 6/4-8
N.B : rehefa midera ve ianao na mihaino tori-teny sy mihira any am-piangonanareo dia mikipy maso? Pire : akipy foana izany ny maso tsy hijery làlana toy ny fariseo rehefa hanatitra rakitra ery @ alitara? Ka tsy vao maika loza fa ho feno olona mitsirara ao am-piangonana?
Torohevitra farany : Aza mitsahatra mamantatra ny hazo sy mandinika ny voany ianao dia tsy ho voafitaka!
Mpanota hibebaka no tadiavin' Andriamanitra fa tsy mody mibebaka sy mpamindra virus toy ireny pasitera sy mpivavaka mpanao mini-jupe sy mpampiseho nono ireny. Ny vehivavy mipataloha aza efa tsy fidiny ary atsy hoatsy raha mbola mtin-kenamaso ihany ingahy pasy dia hisy hanao bikini mihitsy ao am-piasànany (fiangonana izany).
Mifohaza ianareo izay matory!!!!!!
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0583