Hevi-diso momba ny famonjena
21. didi10
(
14/01/2013 07:56)
Tim I 1;9
9 ..tsy ny olona marina no nanaovana ny lalàna, fa ny mpandika lalàna sy ny maditra, dia ny tsy matahotra an'Andriamanitra sy ny mpanota
Ny olona dia mampianatra ianao fa tsy misy olona tsy manota sy tsy mahay manota fa mpanota avokoa izy rehetra kanefa mampianatra ihany koa ianao fa tsy tokony ho ambany lalàna, vakio tsara io ambony io fa ho an'ny mpanota no nanaovana ny lalàna.
22. Miharena
(
14/01/2013 11:33)
Nehemiah:
Miharena:
Efa nambara moa hoe misy tantara ao anaty Baiboly ao ary tsy tantara ankehitriny izany fa lasa. Ary misy ny fanavaozana izay nentina aty aoriana ary ao anaty Baiboly koa aza dia efa mamaly betsaka fa efa lasa ny zavatra teo aloha, indro lasa vaovao ireo. Ka asa hoe inona marina no mbola ifikirana amin'ny tantara? Hoy aho moa momba io Hbreo io hoe ; nampifandraisin'i Petera, ao koa i Paoly, ny atao hoe fivavahana tamin'i Jehovah izay nisy fanatitra dia nampifanindriany tamin'ny fandatsahandran'ii Kristy.
Sarotra ihany ny miresaka izany amin'ny olona izay efa manana fomba fijery manompo teny fa tsy miaina miaraka amin'Andriamanitra amin'ny andro ankehitrininy.
Na mamaky Baiboly aza isika dia mila mahafantatra hoe inona ao no milaza ny momba an'Andriamanitra marina. Ohatra, raha niresaka ny Fariseo hoe inona no didy lehibe indrindra, dia namaly Kristy hoe tsy misy afa-tsy ny fitiavana an'Andriamanitra sy ny fitiavana ny namana, dia manambara izany fa fiainana mazava mahafehy ny rehetra izany. Ny hafa rehetra dia manaraka ho azy avy eo.
Ny hamaliana an'izao dia tsy maintsy fantatra tsara ny atao hoe hermenotika, izany hoe ny fizotra arahin'ny mpandinika Baiboly mba hamantatra tsara ny hevitra tena tian'ny mpanoratra voizina. Ka mila axiomes vitsivitsy izany, tahaky ny fotopisainana rehetrarehetra tsy an-kanavaka, ohatra @'izany :
tsy mety diso mihitsy ny Soratra Masina, tsy @ taranja ara-panahy ihany fa @ taranja rehetra ampianarina (na astronomie, na tantara, na anthropologie...), sady tsy misy fitaka mihitsy.
- list item
- list item
Tsy mahatonga omniscience ny tsindrimandrin'Andriamanitra fa kosa niantoka ny fahamarinan'izay rehetra nosoratan'ny mpanoratra ny Baiboly.
Ny maha-olona mivarilavo mety diso ny mpanoratra voalohany dia tsy nahatonga azy ireo hanodikodina na hanisy diso ny Tenin'Andriamanitra.
- list item
Ka tsy hitondra soa antsika ny hanaja ny Baiboly raha leferintsika fa mety misy diso ilay izy.
Ka ahoana ny anaovana interprétation tsara ny Baiboly ?
Zavatra voalohany, mazava fa ny fomba ifaneratseran'Andriamanitra sy ny olombelona dia @'alalan'ny fiteny tsotra sady mazava tsara, fa tsy voasoratra @ code secret saro-pantarina Izy.
Manaraka, ary zava-dehibe izany, manana ny fiandrianany i Andriamanitra ary mikasa antsika hahazo tsara ny Teniny (2 Tim. 3:15–17).
Ny fomba firesahan'Andriamanitra @ olombelona dia miendrika fanambaràna "propositionnelle". Nampitainy @ fomba surnaturel t@ mpitondra teny voafidy ny hafany, izay miendrika filazana zavatra marina raketina fehezanteny tsy mifanipaka.
Tsy hoe raisina an-tendrony fotsiny izao ny Baiboly, ary efa nataoka mazava tanteraka izany t@ lohahevitra hafa, fa tsy maintsy dinihina ny contexte ara-tantara sy ara-pitsipi-pitenenana. Raha mbola zavamananaina rationnels mahay mifanerasera @ fiteny misy heviny sy objectif dia tsy maintsy izay no atao. Torak'izay koa, tsy azo atao ny maka tapany iray @ Baiboly ka atao interprétation arak'izay itiavantsika azy, sady mampiditra hevitra avy ivelan'ny Baiboly anaty Baiboly, fa tsy maintsy zohina ny hafatry ny Baiboly iray manontolo. Nohon'izay, NY SORATRA MASINA IHANY NO ENTINA HANAZAVANA NY SORATRA MASINA.
Raha fintinina izany dia miresaka momba an'Andriamanitra ny Baiboly iray manontolo, satria i Andriamanitra miresaka momba ny Tenany (fomba fiteny ny hoe "ny Tenany" fa i Andriamanitra dia Fanahy ;) ) ny Teniny. Rehefa mandinika ny valinao aho dia lavinao ho nanana ny tsindrimandrin'Andriamanitra ny Apostoly, fa raha izay no izy dia tsy aleo tsipahina daholo ny Baiboly iray manontolo, satria Apostoly no nanoratra ny Filazantsara ?
Miharena:
Ny famakafakana dia tsy mahatonga antsika hitombo fanahy mihitsy fa mampitombo saina fotsiny ihany.
@ taranja karaté, tsy mahatonga hitombo fahaizana miady ny fanaovana kata, nefa ilaina mihitsy izany. Averiko aminao ny 2 Tim. 3:16-17 :
"Izay soratra rehetra nomen’ ny tsindrimandrin’ Andriamanitra dia mahasoa koa ho fampianarana, ho fandresen-dahatra, ho fanitsiana izay diso, ho fitaizana amin’ ny fahamarinana mba ho tanteraka ny olon’ Andriamanitra, ho vonona tsara ho amin’ ny asa tsara rehetra."
Miharena:
Ny fitomboana ara-panahy dia ny fifanatonana amin'Andriamanitra ankehitriny fa tsy fiverenana amin'ny tantara. MIla tsaroana fa olombelona no nanoratra ary mety misy hevit'r'olombelona ao anaty Baiboly, ka mila mahay manavaka izay tena vontoatiny isika mba tsy hampiainantsika fahoriana ny namamtsika amin'yn famerenana tantara mahalavo ao anaty Baiboly izay lazaina moa fa Tenin'Andriamanitra avokoa tsy avahana.
Raha misy tantara ohatra nosoratan'ny Jiosy momba ny fireneny dia lazaina ve fa Tenin'Andriamanitra izany? Raha nilaza ve ny Jiosy fa rehefa tonga ny loza dia lazainy fa avy amin'i Jehovah dia ataonao fa azo antoka izany fanambarana izany?
Efa fantatsika fa betsaka ny teny mifanohitra ao anaty Baiboly ao ary raha zohina tsara dia fomba fijerin'olombelona mahita lafy tsara sy ratsy no nentiny nanoratana io Baiboly io.
Cf. etsy ambony. Averiko indray mandeha, tsy ny mpanoratra no infaillibles fa ny Soratra.
Miharena:
Izay no mahatonga antsika tsy tafavoaka mihitsy amin'izany hoe fiainam-panahy tsy misy fimonomononana sy fahasoavana feno izany. Satria mandray fa marina avokoa izay voalaza nefa hita mibaribary fa mifanohitra. Ary ny olona mijery fa ivelany any ambony any Andriamanitra no tsy mahita fa ny Tenin'i Krsity tsy misy pentina milaza fa ao anatintsika Andriamanitra no tokony harahana.
Miala tsiny aminao fa non-sequitur izao.
Miharena:
Ny Testamenta Taloha dia mazava fa lavitra Andriamanitra fa ny Testamenta vaovao kosa dia manambara fa miaina ao anatintsika Andriamanitra ary efa noporofoiny izany tamin'ny nilazaNY hoe any aoriana any dia hataoko ao am-pony ny lalàko. Tanteraka eo amin'ny fanomezan'i Kristy ho ohatra velona izany teny izany. Asakasakao tsy mandray aloha fa izaho dia miaiky fa IZY no ato anatiko matoa aho mahavaka tsara hoe izatsy tsy Teniny fa tantara, izaroa kosa dia Teniny madiodio.
I Kristy ve dia hampianatra anao hanipaka ny ampahan'ny Teniny ho "tantara" ary ny sasany ihany no tazominy ho tena Teniny ? Tsy mampino izany. Ary inona no critère ampiasaina ? Tsy hita akory izay fototra tokony iaingàna raha hifantina ny zavatra voalazan'ny Baiboly, fa tsy aleo ve tonga dia izy iray manontolo no tsipahana ?
Misaotra anao manamafy ny valinteny sy fanohann-kevitrao.
Marina avokoa izay voalaza fa ny tiana tsipihina fotsiny dia tsy hoe tsipahina ny Baiboly fa ny fitadiavana izay FOTOTRA ao sy ny fomba fiasany no mila fitandremena lehibe satria manome sary mivoana rehefa tsy hay ny mamaky azy araka ny hitsiny. Tsy azo lavina hatrany hoy aho ny fisian'ny fireham-pinoana maro ateraky ny famoahan-kevitr'olombelona avy ao anaty Baiboly. Izany no antony hijerena izay voambara aty aorian'ny Baiboly, izay fantatra fa manana andraikitra manazava ny sain'ny olona, dia Andriamanitra Tenany na Jesoa Tenany mihitsy no hany mahasolo vava AZY fa tsy ny olona velilvely.
Izay no mahafintina izay ambarako.
23. didi10
(
14/01/2013 12:03)
didi10:
Tim I 1;9
9 ..tsy ny olona marina no nanaovana ny lalàna, fa ny mpandika lalàna sy ny maditra, dia ny tsy matahotra an'Andriamanitra sy ny mpanota
Ny olona* dia mampianatra ianao fa tsy misy olona tsy manota sy tsy mahay manota fa mpanota avokoa izy rehetra kanefa mampianatra ihany koa ianao fa tsy tokony ho ambany lalàna, vakio tsara io ambony io fa ho an'ny mpanota no nanaovana ny lalàna.
Ny olana
24. Nehemiah
(
14/01/2013 12:12)
Miharena:
Misaotra anao manamafy ny valinteny sy fanohann-kevitrao.
Marina avokoa izay voalaza fa ny tiana tsipihina fotsiny dia tsy hoe tsipahina ny Baiboly fa ny fitadiavana izay FOTOTRA ao sy ny fomba fiasany no mila fitandremena lehibe satria manome sary mivoana rehefa tsy hay ny mamaky azy araka ny hitsiny. Tsy azo lavina hatrany hoy aho ny fisian'ny fireham-pinoana maro ateraky ny famoahan-kevitr'olombelona avy ao anaty Baiboly. Izany no antony hijerena izay voambara aty aorian'ny Baiboly, izay fantatra fa manana andraikitra manazava ny sain'ny olona, dia Andriamanitra Tenany na Jesoa Tenany mihitsy no hany mahasolo vava AZY fa tsy ny olona velilvely.
Izay no mahafintina izay ambarako.
Miombon-kevitra aminao aho. Fa angamba azonao an-tsaina fa mila mampihatra discernement koa antsika, mba tsy ho voafitaka
