Ny andro, ny herinandro, ny volana, ny taona araka ny nanaovan'Ilay Mpahary azy

1. didi10 ( 09/01/2013 09:36)
Tsara ny Tompo

Ny Genesisy toko voalohany dia tokony ahatakarantsika ny momba ny fahariana rehetra, ny momba an'Andriamanitra sy ny olona ary ny calendrier arakan'Andriamanitra.

Ny andro

Gen 1,3
3 Ary Andriamanitra nanao hoe: Misia mazava; dia nisy mazava. 4 Ary hitan'Andriamanitra fa tsara ny mazava; ary nampisarahin'Andriamanitra ny mazava sy ny maizina. 5 Ary Andriamanitra nanao ny mazava hoe andro; ary ny maizina nataony hoe alina. Dia nisy hariva, ary nisy maraina, andro voalohany izany.

Ny iray andro dia mizara roa, ny mazava ary ny maizina ka ny maizina no manomboka azy satria ny haizina no nisy talohan'ny mazava, izany hoe manomboka amin'ny maty masoandro ka hatramin'ny maty masoandro ny ampitso (calendrier grégorien) ny iray andro araka ny namoronan'Andriamanitra azy.

Ny ora

Ny maizina = alina dia misy ora 12 ary ny mazava =andro ihany koa dia misy ora 12.

Jao 11 9
Jesosy namaly hoe: Tsy roa ambin'ny folo va ny ora amin'ny indray andro? Raha misy mandeha amin'ny antoandro, dia tsy mba tafintohina izy, fa mahita ny fahazavan'izao tontolo izao.

Tsy ahitana fanisana ora amin'ny alina ao anaty Baiboly satria ny alina tsy natao iasana fa ialana sasatra.
Ny fanisana ny ora dia tsy ampifampitohizana ny maizina sy ny mazava fa rehefa tapitra ny 12 ora amin'ny maizina dia miverina ora voalohany rehefa tonga ny mazava, ka rehefa hazavaina ny tenin'Andriamanitra momba ny ora nahafatesan'i Jesosy (tamin'ny ora fahasivy) dia mazava fa manodidina ny tamin'ny 3 ora hariva (oran'izao tontolo izao) satria manisa ora 9 ianao manomboka amin'ny 6 ora maraina (fipoahan'ny masoandro).

Porofo hafa:Tsy maintsy nalevina haingana ny fatin'i Jesosy satria efa manakaiky ny Sabata izay nanomboka ny maty masoandro.

Ny Herinandro
Na manampahaizana iza na siantifika iza dia tsy hanana valiteny mazava velively hoe fa maninona no natao fito andro ny herinandro iray.

Andriamanitra Ray no namorona io andro fito mameno ny herinandro io tamin'ny namoronany izao tontolo izao, ary nitsaharany tamin'ny andro fahafito (Sabata). Tapitra ny andro fahafito dia miverina andro voalohany.
Mat 28 : 1 - 11
[-28-] Ary tamin'ny alin'ny Sabata, raha vao mazava ratsy ny andro voalohany amin'ny herinandro, dia avy hizaha ny fasana Maria Magdalena sy ilay Maria anankiray.

Mazava noho izany fa ny andro voalohany dia manomboka ny sabotsy maty masoandro ka hatramin'ny alahady maty masoandro ary ny andro fahafito dia manomboka zoma maty masoandro ka hatramin'ny sabotsy maty masoandro.

Ny volana
Araka izay anarany izay hoe volana dia manaraka ny fihodin'ny volana ny fanisana ny volana.
Ny andro voalohany amin'ny volana dia ilay maizim-bolana, na koa hoe tsinam-bolana, misasaka ny iray volana rehefa fenomanana miverina ny fanisana rehefa maizina ny volana.

Ny taona
Ny volana fiandohan'ny taona dia ny volana nisan na abib izay Andriamanitra Ray ihany koa no nametraka azy.
Eks 12 : 1 - 11
[-12-] ARY Jehovah niteny tamin'i Mosesy sy Arona teo amin'ny tany Egypta ka nanao hoe: 2 Ity volana ity ho voaloham-bolana ho anareo; dia ho voaloham-bolana amin'ny taona ho anareo izy.
Eks 34:18
18 Tandremo ny andro firavoravoana, dia ny andro fihinanana ny mofo tsy misy masirasira. Hafitoana no hihinananao ny mofo tsy misy masirasira, araka izay nandidiako anao, amin'ny fotoan'andro amin'ny volana Abiba, fa tamin'ny volana Abiba no nivoahanao avy tany Egypta.

Hatramin'izao ny vahoaka Jiosy dia mankalaza ilay Paska (Pessah) ilay nivoahana tany Egypta ka amin'ny fenomanana amin'ny volana Mars (calendrier grégorien) no hankalazany azy. Mazava izany fa tsy niova ny fomba fikajiana io andro io hatramin'izay ka hatramin'izao.

Ny taona iray dia mitsinjara 4:
- lohataona
- fahavaratra
- fararano
- ririnina

Tsy maintsy mifanojo ny lohataona sy ny fahataperan'ny volana 12 kanefa misy décallage 11 andro isantaona ireo, ka izay no mahatonga ilay hoe 13e mois isaky ny 3 taona hampifanarahana io lohataona io.

Aza gaga isika raha misy tsy fitovian-kevitra ny mpandalina ny taom-baovao malagasy; misy ny manaraka ny lohataona araka ny fanisana Jiosy (11 Mars 2013 amin'ity ), fa misy ny manaraka ny lohataona (saison) malagasy ( 05 Septambra 2013 amin'ity).

Mety hiteny isika hoe: important ve ny fahafantarana izany!!!
Matoa ilay Mpahary namarona an'ireo dia misy dikany, misy andro maromaro ao nodidiany hanaovana fotoam-bavaka ho Azy, tsy ilay vavaka mangingina any an-trano io fa ilay iarahan'ny Olony antsoina hoe "Fivoriana Masina", dia ny:
1- Sabata
2- Ny voaloham-bolana
3- Ny Paska (harivan'ny 14/01(abiba)
4- Ny andro firavoravoan'ny Paska (15/01 sy 22/01)
5- Ny Pentekosta

Koa raha hanao ihany ve ry namana tsy aleo amin'ilay andro efa notondroiny toy izay hankalaza Azy amin'ny andro nasiam-panovana? isika tsy manompo andro fa miangavy anao aho régleo ny famantaran'andronao, ny famantaran'oranao, ny famantaram-bolanao ary ny famantaran-taonanao.

novalian'i didi10 ny 11/01/2013 15:32
2. Maranatha ( 09/01/2013 11:23)

didi10:

....
Matoa ilay Mpahary namarona an'ireo dia misy dikany, misy andro maromaro ao nodidiany hanaovana fotoam-bavaka ho Azy, tsy ilay vavaka mangingina any an-trano io fa ilay iarahan'ny Olony antsoina hoe "Fivoriana Masina", dia ny:
1- Sabata
2- Ny voaloham-bolana
3- Ny Paska (harivan'ny 14/01(abiba)
4- Ny andro firavoravoan'ny Paska (15/01 sy 22/01)
5- Ny Pentekosta
.....

Mipetraka tsara ny teo ambony rehetra fa eto no misy fanamarihana. raha ny tena izy sy ny ara-baiboly dia nihatra ireo zavatra ireo satria mbola teto ambonin'ny tany ny tempoly. Ireo (sy mbola misy tsy voalazanao) no voalaza fa hatao araka ny eksedosy 34.

Fa ny tempoly anie izao efa misy karazany roa e! ny iray any an-danitra izay hanaovan'i Tompo asa-fanompoana , ny iray isika izay mety hitoeran'ny Fanahiny masina. Noho izany rava daholo aloha ireny fanompoam-pivavahana aloka ireny. Mihiditra amin'ny fahatanterahana isika. Raha isika no tempoly dia izao no fantaro izay fanaka rehetra tao an-tempoly no tsy maintsy hita amin-tsika, miaraka amin'ny heviny Vakio hebreo 9 (Ohatra: Didy 10, Latabatra misy mofo aseho=Tenin'A/tra, Tehin'i arona=fandaminana, Fanaovan-jiro fitoratsana= fanahy masina, alitara fandoroana diti-kazo manitra= vavaka hataon'ny olona masina sns...) Noho izany tsy ara-bakiteny intsony ny paska 14 eme abiba hoy ny Ikor 11:25 ... na oviana na oviana...

Ny voaloham-bolana izany dia aloka tsy nisy nanao izany intsony na ny apostoly na ireo izay lazaina fa kristiana tao aoriany (tsy misy na dia soritra kely akory ao amin'ny baiboly milaza fa nanao izany ny mpianatra eny fa na dia i Paoly izay mpianatry gamaliela aza)

Ny pantekosta fotoana nanomezana ny fanahy masina an'ireo mpianatra no fahatanterahan'izany tsy tokony hatao intsony izay rehetra tandindona ka efa vita .

Ireny rehetra ireny no ezahin'ireo kely fahalalana haverina mba hitaomana olona hanompo ny tempoly izay natao tanana ety ambonin'ny tany.

Aloka ireny fa ny tenany dia ny Mesia. Raha miova ny fisoronana dia miova ny lalàna (lalàm-panompoam-pivavahana). ohatra : zanak'ondry no fanatitra teo aloha, efa ny Mesia no nisolo izany sns...( Lalàm-pisoronana no resaka eto).
Mandiniha tsara!
3. didi10 ( 09/01/2013 11:34)
Misaotra amin'ny fanamarihana namana, tsy hiditra be loatra amin'ity resakao ity aho aloha fa manjary voavily any amin'ny resaka tempoly ny lohahevitra; efa voaraiko tamin'ny lohahevitra nosoratanao tany aloha ny hevitrao ny amin'ny tsy tokony hankanesana any am-piangonana intsony.
4. Miharena ( 09/01/2013 12:46)
Toa heverin'ny namana Didi10 fa maivana ny resaka ataon'ny namana Maranatha momba ny Tempolin'Andriamanitra araka an'i Kristy.

Raha mandinika isika dia misy fampianarana izay mampanompo ny olona hanaja ny andro. Nefa rehefa tena zohina anie ny andro dia tsy misy any an-danitra fa mazava mandrakariva any. Ary raha isika no miaiky fa miaina amin'ny Mazava dia tsy misy andro azo heverina intsony na dia eto an-tany aza. Ny fantatra dia hoe : ny fihodinan'ny tany amin'ny masoandro sy ny fihodinany amin'ny tenany ary ny fihodinan'ny volana aminy no manome ilay atao hoe taona sy andro ary volana. fa ny firindran'ny fiainanan'ny nofo no voafetran'izany fa raha ny fanahy kosa dia tsy manana andro fa miasa mandrakariva.

Eo amin'ny resaka Tempoly ao anaty, raha tena mandinika isika dia misy sary izay hita ao amin'y Apokalypsy ao ary olona mitondra Kintana fito eny an-tanany, na koa vehivavy misy Kintana 12 eny an-dohany. Raha tena jerena ireo dia ny firafitry ny olona, izay Tempolin'Andriamanitra, iasan'ireo fanahy 12 sy fanahy fito izay hahafehy ny asan'ny fanahy efatra voamariky ny Soavaly efatra.

Endrika iray io ka asa hoe mety haharesy lahatra ve sa tsia, satria ny olana dia raha niteny i Jesoa hoe : indro ny Fanjakan'Andriamanitra dia ao anatinareo dia nihanahana ny olona. Ny fombany manko dia nitady izany lavitra azy hatrany izy nefa IZY tsy tadiavina fa loarana ao anaty ao ary asongadina rehefa hita tsara. Io no manamarina ny Teniny hoe : andeha isika hanao olona mitovy endrika amintsika.

Raha olona mbola toa ny namana Didi10 dia tsy hahazo izay lazaiko, fa izay olona efa mandroso ara-anahy no mahalala izany zavatra izany.
5. Maranatha ( 10/01/2013 10:20)

didi10:

Misaotra amin'ny fanamarihana namana, tsy hiditra be loatra amin'ity resakao ity aho aloha fa manjary voavily any amin'ny resaka tempoly ny lohahevitra; efa voaraiko tamin'ny lohahevitra nosoratanao tany aloha ny hevitrao ny amin'ny tsy tokony hankanesana any am-piangonana intsony.

Tsy diso io hevitra atsidikao io Mat 18:20 Fa na aiza na aiza no iangonan'ny roa na telo amin'ny anarako, dia ao afovoany Aho. hoy ny Tompo.
6. bor2lais ( 10/01/2013 13:53)
Ary mahay manandro kosa ange ra-didi ity e ! ;-)
7. tsitialainga ( 10/01/2013 16:27)

didi10:

Misaotra amin'ny fanamarihana namana, tsy hiditra be loatra amin'ity resakao ity aho aloha fa manjary voavily any amin'ny resaka tempoly ny lohahevitra; efa voaraiko tamin'ny lohahevitra nosoratanao tany aloha ny hevitrao ny amin'ny tsy tokony hankanesana any am-piangonana intsony.

Shalom rahalahy didi1O satria antsoiko hoe "rahalahy" izay rehetra manao ny sitrapon'ny Raiko izay any an-danitra, koa mampahery anao no sady mamporisika anao hanohy hatrany ny fampahafantarana ny FAHAMARINANA MIAFINA toy ireo nambaranao ireo. Ny FANAHIN' ILAY MPAHARY mihitsy no nitarika anao hampahafantatra ireny FAHAMARINANA ireny koa ndao isika hanao soroka miara-milanja sy tongotra miara-mamindra @zay fa ireo FAHAMARINANA ireo no NANDRASAN' ILAY MPAHARY hahafahany manavotra sy mamonjy ny firenen-tsika.
Aoka isika rahalahy didi10 tsy hangina intsony fa hitory ny FAHAMARINANA sy ny FILAZAN-tSARA foana satria araka ny 1Kor15/58 dia tsy foana ireny rehetra ireny.
Ary ho an'ny namana Nehemia indray dia asaivo tandremany ilay 2Kor4/1-4; sy ny 2Tim4/3-5 fa ny tenin' i Dada anie ka maranitra toy ny sabatra 2 lela hoy Izy ka fantatsika rehetra ny tohiny e!
Ity koa misy toko sy andininy hoan' ireo olona rehetra KAMO BE TENDA ARA-PANAHY ireo ( ireo tsy te hisasatra sy tsy te ho teriterena kanefa te handova ilay Fiaianana mandrakizay nampanantenaina izay mino sy mankatoa) dia ny 2Tes2/7-12.
"FA ISIKA TSY NAMAN'IZAY MIHEMOTRA HO @ FAHAVEREZANA" rahalahy didi10 fa izay Jodasy sy Sambalah anie ka tsy maintsy misy foana fa sahaza azy ireny ny AA 13/46.
Mahereza rahalahy didi10 dia ho ampitomboina hoanao anie ny FAHASOAVAN' ILAY MPAHARY.
8. Nehemiah ( 11/01/2013 05:39)

tsitialainga:

Lk. 23:34a
9. didi10 ( 11/01/2013 05:59)

tsitialainga:

Mahereza rahalahy didi10 dia ho ampitomboina hoanao anie ny FAHASOAVAN' ILAY MPAHARY.

Amena

Ampitiavana rahalahy a!
Ho tahian'Ilay avo indrindra ihany koa ianao sy ny ankohonanao.
10. didi10 ( 11/01/2013 09:33)

bor2lais:

Ary mahay manandro kosa ange ra-didi ity e ! ;-)

Arahabaina fa feno herintaona koa izao ity fehezan-tenin'i bor2lais ity :-)

inona aloha ny dikan'ny hoe manandro amin'ny namana?
11. bor2lais ( 11/01/2013 10:07)
Misaotra anao nahatadidy io fehezan-teny nataoko io : herintaona tokoa no nilazako an'io fa izao ianao vao mba manisy resaka azy ! Porofo izany fa notsakotsakoanao nandritra izay herintaona izay izy io (ka efa mba manana ho lazaina mikasika an'io angamba ianao izao) ! ;-)

Mipetraka aza ny fanontanianao ankehitriny :
radidi:

inona aloha ny dikan'ny hoe manandro amin'ny namana?

Amiko (mety diso a !) ny atao hoe manandro dia fijerena ny andro mahamety hanaovan-javatra.

Raha tohizana ve io fandalinanao io tsy mety hisy fifandraisany ihany amin'ny resaka lazaiko io ? ;-)

Avadika ny fanontaniana : ireny antsoin'ny Malagasy hoe mpanandro ireny ve ekenao sa tsia ? Tsy azo lazaina fa fampiharana io ataonao io ve ny ataony ? :-)

Ny fanontaniana manitikitika tiana ahatongavana dia ny hoe : ara-tsoratra Masina ve ny fanandroana (ataon'ny Malagasy ) sa tsia raha io famaritako ny atao hoe "manandro" io no jerena ? :-)
12. didi10 ( 11/01/2013 11:13)
bor2lais:

Amiko (mety diso a !) ny atao hoe manandro dia fijerena ny andro mahamety hanaovan-javatra.

Eny fijerena fotoana mety no mahalaza azy kokoa, mety ho ora, mety ho andro mety ho volana, mety ho taona.

bor2lais:

Raha tohizana ve io fandalinanao io tsy mety hisy fifandraisany ihany amin'ny resaka lazaiko io ? ;-)

Raha miainga amin'io définition eo ambony io isika dia misy fifandraisany tokoa ny satria misy ny fotoana mety ary misy ny fotoana tsy mety.

bor2lais:

Avadika ny fanontaniana : ireny antsoin'ny Malagasy hoe mpanandro ireny ve ekenao sa tsia ? Tsy azo lazaina fa fampiharana io ataonao io ve ny ataony ? :-)

Ny fanandroana malagasy sy ny horoscope vazaha dia samy mi-basé amin'io fanisana andro voalazako eo ambony io satria:

Samy Mars-Avril ny Alahamady sy ny Belier
Samy Avril-Mai ny Adaoro sy ny Taureau
...
...
Samy Fevrier-Mars ny alohotsy sy ny Poisson

Ny olona taloha anie namana tsy misy mijery calendrier izany raha te hahafantatra andro sy volana ary taona e! ny fiandrandrana ny lanitra hamantarana ny ora sy ny fotoana dia mampahatsiaro avy hatrany fa misy Nahary izao rehetra izao. Tsy mila mijery calendrier izany ny olona taloha fa mijery ny toeran'ny kintana sy ny volana ary ny masoandro eny amin'ny lanitra dia efa mahafantatra fotoana.

Ny tiako hahatongavana dia niainga tamin'ny fandinihana ny fahariana ireny saingy nivaona taty aoriana ka lasa misy ny asa fanandroana tahaka ny fijerena ny hoavy, fijerena ny fotoana mety saingy tsy manontany amin'Andriamanitra fa amin'olona na zavatra hafa.

Ireny mpanandro malagasy ankehitriny ireny raha hanontany ny andro mahamety dia tsy amin'i Jehovah no manontany fa amin'ny fanahin'ny razana, fanompoan-tsampy izany sady efa voarara ao anaty Baiboly rahateo.

Deo 18,10
10 Aoka tsy hisy eo aminao izay mampandeha ny zanani-lahy na ny zanani-vavy hamaky ny afo, na mpanao fankatovana, na mpanandro, na mpanao sikidy, na mpanana ody, 11 na manao ho masimbava, na mpanadina amin'ny manao azy ho tsindrian-javatra, na mpanao hatsarana, na mpanontany amin'ny maty. 12 Fa fahavetavetana eo imason'i Jehovah izay rehetra manao izany zavatra izany, ary izany fahavetavetana izany no androahan'i Jehovah Andriamanitrao azy eo anoloanao

Raha te hahalala ny fotoana mety dia tsy mila mankany amin'ny mpanandro fa aleo miresaka direct amin'ilay Nahary anao.
Anisan'ny zavatra tsy mahazatra ny olona ny miresaka direct amin'Andriamanitra rehefa misy zavatra atao, kanefa Izy dia afaka mamaly antsika ny amin'ny fotoana mety sy tsia.

bor2lais:

Ny fanontaniana manitikitika tiana ahatongavana dia ny hoe : ara-tsoratra Masina ve ny fanandroana (ataon'ny Malagasy ) sa tsia raha io famaritako ny atao hoe "manandro" io no jerena ? :-)

Ny fijerena fotoana mety dia misy tantara betsaka ao anaty Baiboly fa ny fankanesana any amin'ny olombelona mba hanontany azy ny ho avy sy ny fotoana mety dia voararan'ny Baiboly.
13. Nehemiah ( 11/01/2013 12:56)

didi10:

Ny tiako hahatongavana dia niainga tamin'ny fandinihana ny fahariana ireny saingy nivaona taty aoriana ka lasa misy ny asa fanandroana tahaka ny fijerena ny hoavy, fijerena ny fotoana mety saingy tsy manontany amin'Andriamanitra fa amin'olona na zavatra hafa.

Gen. 1:14 : "Misia fanazavana eny amin’ ny habakabaky ny lanitra hampisaraka ny andro sy ny alina; ary aoka ho famantarana sy ho fotoana ary ho andro sy taona ireo." fa tsy hoe famantarana ny fotoana anaovana zavatra.
14. bor2lais ( 11/01/2013 13:28)
radidi:

Ny olona taloha anie namana tsy misy mijery calendrier izany raha te hahafantatra andro sy volana ary taona e! ny fiandrandrana ny lanitra hamantarana ny ora sy ny fotoana dia mampahatsiaro avy hatrany fa misy Nahary izao rehetra izao. Tsy mila mijery calendrier izany ny olona taloha fa mijery ny toeran'ny kintana sy ny volana ary ny masoandro eny amin'ny lanitra dia efa mahafantatra fotoana.

Ny tiako hahatongavana dia niainga tamin'ny fandinihana ny fahariana ireny saingy nivaona taty aoriana ka lasa misy ny asa fanandroana tahaka ny fijerena ny hoavy, fijerena ny fotoana mety saingy tsy manontany amin'Andriamanitra fa amin'olona na zavatra hafa.

Ireny mpanandro malagasy ankehitriny ireny raha hanontany ny andro mahamety dia tsy amin'i Jehovah no manontany fa amin'ny fanahin'ny razana, fanompoan-tsampy izany sady efa voarara ao anaty Baiboly rahateo.

Rehefa mamaky ny valinteny omenao aho dia somary hita taratra ihany fa "tu es sur le défensif" hoy ny fitenenana ! ;-)

Ilay fanandroana angaha tsy azo raisina ho toy ny fanomezam-pahasoavana ? Izany hoe tsy ny rehetra akory no havanana na afaka hamantatra ny fotoana mety : noho izany amiko dia normal raha misy ny manao "anton'asa" ho mpanandro ary misy koa ny manatona azy ireny !

Mazava ho azy fa toy ny asa rehetra dia misy foana ny mivoana ! Eo no isan'ny ilana ny fizahan-toetra raha ny fijeriko azy ! :-)

Mikasika ny mpanandro malagasy ankehitriny indray aloha tsy dia fantatro loatra : tsara manontany ny "vondron'ny mpanandro" (raha misy) angamba isika ! :-)

radidi:

Raha te hahalala ny fotoana mety dia tsy mila mankany amin'ny mpanandro fa aleo miresaka direct amin'ilay Nahary anao.

F'angaha moa tsy io no (tokony) ataon'ny mpanandro ? ;-)
radidi:

Anisan'ny zavatra tsy mahazatra ny olona ny miresaka direct amin'Andriamanitra rehefa misy zavatra atao, kanefa Izy dia afaka mamaly antsika ny amin'ny fotoana mety sy tsia.

Araka ny nolazaiko etsy ambony, tsy ny rehetra akory no manana fanomezam-pahasoavana ny amin'izany ! ;-)

Ary ahoana ny fahazoanao ny nataon'i Davida sy ny zanak' Isiraely ireto ?

"Ary tamin'ny taranak'Isakara dia roanjato no lohany, samy nahay namantatra tsara izay fotoana mety ka nahalala izay tokony hataon'ny Isiraely; ary ny rahalahiny rehetra nanaraka ny teniny." I Tantara 12.32

Sa tsy azo raisina ho fanandroana (araka ny famaritana nomeko) io nataon'ny taranak'Isakara io ? :-)
15. didi10 ( 11/01/2013 14:49)
Aleo ihany namana mitandrina satria misy dikany matoa navahana ireto roa ireto:

1- olona mahay mamantatra ny fotoana mety (afaka arahina ny teniny) (Tantara 12:32)
2- mpanandro (tsy azo aleha) (Deo 18,10)

Zahao toetra ny fanahy hoy ny Teny, ireny tamin'ny Testamenta taloha ireny anie "sur" ianao fa fanomezam-pahasoavana avy amin'ilay Nahary io e! aleoko namana mivavaka manontany amin'ilay mpahary ihany a!
16. bor2lais ( 11/01/2013 15:23)
Ilay teny hoe "mpanandro" mihitsy no manahirana anao raha izany e ! :-)
17. didi10 ( 11/01/2013 15:32)
:-)
Raha manisy plaky izy hoe mpanandro dia tsy mitsofoka aho fa raha hoe mahafantatra ny fotoana mety dia mety ho ok loooool :-)
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.1023