FAHAVELOMANA
1. YDIFAS
(
07/01/2013 21:33)
Faly miarahaba antsika rehetra mamaky izao hafatra izao indray. Manonona ny Fahasoavan'Ilay Ray Tsitoha sy ny Fiadanana avy amin'i Kristy Zanany ho amintsika rehetra.
Amin'ity anio ity dia hifampizàra hafatra tsotra nefa mafonja isika.
Ndeha vakiantsika ny Jaona toko faharoa, ny andininy voalohany hatramin'ny faha iraika ambinifolo (Jaona 2/1 - 11)
Ity tantara ity dia manambara ny fahagagàna voalohany nataon'i Jesosy nandritra ny fampakaram-bady tao Kana.
Misy sary maromaro azo tsoahana avy amin'ity tantara ity:
Voalohany, Raha manambara ny Teny ao amin'ny Jaona 15 / 3 manao hoe " Efa madio rahateo ianareo noho ny Teniko, izay nolazaiko taminareo", dia azo anatsoahana ny hevitry ny "rano" ao amin'ny baiboly dia ny Tenin'Andriamanitra .
Ny Teny no voalaza fa manadio antsika, manafaka antsika amin'ny fahalotoana ary manamasina antsika araka ny Jaona 17 /17: "Manamasina azy amin'ny Fahamarinana, ny Teninao no Fahamarinana".
Noho izany, aoka hanaiky hosasana isika ka ho raisintsika ho Fahamarinana tokoa ny hoe: "Aoka ny Tenin'i Kristy hitoetra betsaka ao aminareo..." Kolosiana 3 / 16 a satria izay tsy manam-pahamasinana tsy hahita Azy hoy ny Teniny (Hebreo 12 /14 b)
Manaraka izany, ny "siny" eto dia ny fotsika ka tokony hofenoina Tenin'Andriamanitra (rano). Tsarovy fa rehefa tsy manana Tenin'Andriamanitra isika dia ny saintsika sy ny hevitra foana (vide) avy ao am-potsika no itondrantsika ny fiainantsika.
Izany hoe, raha manana Tenin'Andriamanitra betsaka isika dia manam-pahalalàna ka tsy ho voafitaka, tsy ho latsaka amin'ny tahotra, mahalala ny hasiantsika ny tongotsika ka "Inona no hiarovan'ny zatovo ny lalan-kalehany tsy ho voaloto? Ny fitandremana araka ny Teninao" Salamo 119 / 9.
Rehefa mamaky ilay Jaona 2 isika dia mahita fa niova ho "divay" ilay rano natao tao anaty "siny". Mino aho fa azonao ny tiana hambara eto: Rehefa nandray tsara ny Teny ny fotsika sy ny amintsika rehetra dia miova manaraka izany ihany koa ny toetrantsika, ny fiainantsika manontolo. Raha ara-bakiteny, ny rano dia matsatso ary ny divay dia misy tsirony.
Ny divay dia antom-piveloman'ny Jiosy hatramin'izay ary hita mandrakariva teo amin'ny fiainan'izy ireo an-davanandro (tsy midika nefa izany fa hoe mpimamo izy ireo an!). Ny hevitry ny "divay" ao amin'ny baiboly dia manambara fiainana, fivelomana ary fahavelomana.
Mba hananantsika fiainana dia nandatsaka ny Ràny Jesosy ary nohariny tamin'ny "divay" izany (Marka 14 / 24; Matio 26 / 27 - 28).
Izany tokoa, ry havana malala, mba hananatsika fiainana dia nahafoy ny Ainy Jesosy, nandatsaka ny Ràny ho famelàna ny helotsika "...fa raha tsy misy rà alatsaka, dia tsy misy famelan-leloka" Hebreo 9 / 22 b.
Noho izany, rehefa mino sy mandray izany Teny (rano) izany isika dia velona ary tsy hoe ara-nofo fotsiny fa fahavelomana mandrakizay no tambin'izany (1 Petera 1 / 18 - 19).
Inona moa no tiana ahatongavana, ry havana?
Raha mamaky tsara ny Jaona 2 / 2 isika dia anisan'ireo Olona nasain'ireto mpanambady i Jesosy (sy ny mpianany).
Izay indrindra no tiako hisarihana ny saintsika: Ampandrosoy Jesosy (= Raiso ny Teniny). Rehefa nanokatra ny tokatranony, ny fiainany tamin'i Jesosy izy mivady dia nahazo fahavelomana ary hatramin'ny lazany (réputation) aza dia tsara no fahitana azy (Jaona 2 /10).
Izany hoe, rehefa mampandroso an'i Jesosy isika dia tsy maintsy misy fiovàna ho amin'ny fahatsaràna mandrakariva eo amintsika.
Tiantsika ve ny hanana fiainana be dia be? Tiantsika ve ny hiova hihatsara? Maniry fahavelomana mandrakizay ve isika? Tiantsika ve ny hihazona izany?
Mino aho fa eny no valiny. Koa ankehitriny, ry havana malala, mamporisika antsika hatrany hampandroso sy handray ny Tenin'i Kristy (Rano).
Tsy mbola tanteraka isika fa miroso ho amin'izany. Koa aza misalasala fa mandrosoa ho amin'izany na efa nandray an'i Jesosy isika na tsy mbola. (Efesiana 4 / 13 - 14).
Tsy hilaza aho hoe andramo fa ataovy mihitsy e!
Farany, "Ataovy izay asainy ataonareo" (Jaona 2 / 5) dia midika hoe aza manakatra ny antony fa ankatoavy fotsiny ny torohevitra na baiko (consigne, ordre) nomena. Izany no tena finoana marina, izany no angatahiny amintsika. Tsy mametra-panontaniana ny mety ho vokany fa mandeha araka izay voalaza fotsiny.
Ho hitantsika fa hahita fahagagàna sy hatsaràna ary fiovàna isika raha mandeha arak'izany (hatramin'ny hita maso ka hatramin'ny tsy hita). Ny fankatoavana no lehibe indrindra amin'ny fiarahana amin'Andriamanitra koa izory izany dia ho velona mandrakizay isika.
Antenaina fa naharay lesona indray isika tamin'ity anio ity: voasasan'ny "Rano" isika dia ny Tenin'Andriamanitra izany ka niova ho tsara ary nahazo fahavelomana toa ny "divay" misy tsirony izay manambara ny fiainana mandrakizay tamin'ny alalan'ny "Ran'i Kristy" nalatsany ho famonjena antsika. Aleloia
Ny Voninahitra dia ho an'Andriamanitra irery ihany.
Hafatra: "Koa raha manana ireo teny fikasana ireo isika, ry malala, dia aoka isika hanadio ny tenantsika ho afaka amin'ny fahalotoana rehetra, na amin'ny nofo, na amin'ny fanahy, ka hahatanteraka ny fahamasinana amin'ny fahatahorana an'Andriamanitra." 2 Korintiana 7 / 1

novalian'i leva2 ny 08/01/2013 11:22
2. Tefigasy
(
08/01/2013 04:27)
YDIFAS:
Faly miarahaba antsika rehetra mamaky izao hafatra izao indray. Manonona ny Fahasoavan'Ilay Ray Tsitoha sy ny Fiadanana avy amin'i Kristy Zanany ho amintsika rehetra.
Amin'ity anio ity dia hifampizàra hafatra tsotra nefa mafonja isika.
Ndeha vakiantsika ny Jaona toko faharoa, ny andininy voalohany hatramin'ny faha iraika ambinifolo (Jaona 2/1 - 11)
Ity tantara ity dia manambara ny fahagagàna voalohany nataon'i Jesosy nandritra ny fampakaram-bady tao Kana.
......
Misaotra an' YDIFAS. Mahafinaritra ilay fizarana ny tenin'Andriamanitra ! Inona moa no atao hoe fiainana mandrakizay? Andrasana any an-danitra (na paradisa) ve izany vao hiainana ?
Jao.17:3a: «ary izao no fiainana mandrakizay dia ny mahafantatra Anao " ==> Ny firaisana amin'Andriamanitra no "fiainana mandrakizay"
4. leva2
(
08/01/2013 11:22)
Velona Jesosy!
Mahafinaritra e, fa dia voaray ny hafatra namana YDIFAS.
Tsy misy ady hevitra, ary mamporisika anao handray anjara mavitrika eto amin'ny forum.
Hotahian'ny Tompo isika rehetra.