mino an'Andriamanitra iray tsitoha...

1. hadji ( 04/01/2013 13:24)
mba mahavariana ihany ity mpivavaka hoe hitokona izahay rehefa miova ny pasitera fa ahona e? tao Tana tao no nisy anio an!
novalian'i nilex ny 07/01/2013 13:52
2. Miharena ( 04/01/2013 16:02)
hadji:

mba mahavariana ihany ity mpivavaka hoe hitokona izahay rehefa miova ny pasitera fa ahona e? tao Tana tao no nisy anio an!


Io no hahafantarana fa miankin-doha be loatra amin'y mpitandrina ny mpivavaka Kristianina. Io dia mitarika amin'ny fanatisma fa tsy fitaizam-panahy marina.

Ny tsy fantatra dia olona feno tahotra ve no notezaina hatrizay ka raha vao misy fiovana dia miova koa ny fo amam-panahy?

Lesoka amin'ny fampianarantsika Kristianina io. Amiko dia satria tsy notezaina hifandtay amin'Andriamanitra marina izay tsy lavitra azy fa ao anatiny ny olona matoa voan'io fandrika iray io. Izay manao AZY ivelany tsinona dia tsy manana hazondamosina raha tsy misy mpitarika.
3. nannie ( 05/01/2013 07:21)
Sarotra b ny mitsara ny olona na ny fiangonana manana an'io toetra io satria na izaho sy ianao aza mety ho tratran'izany. Fomba fiadin'ny devoly io rehefa tsy azony amin'ny fahotana samihafa ianao. Ataony lasa mahafatra-po ny fiangonana satria tsisy kianina ny pasitera. Ny pasitera moa dokafany. Ary tsy tsarotsaroan'ny fiangonana akory fa hay izy efa ilay pasitera no iankinany.
Anatra : Na inona na inona firehanao, aza miankina amin'ny fiangonanao, na ny pasiteranao, na ny olona heverinao hatao ho ohatra, satria samy mety diso ireo, ary samy miezaka amin'ny fombany avy hanao izay mahamendrika. Iray no tsy manan-keloka dia Ilay Tsitoha nahary ny lanitra sy ny tany. Izy no araho. Ary JC no ohatra amin'izany. Ny ankoatr'izay dia tsy izy, fa fiaraha-monina hahafahan'ny tsirairay mivelatra fotsiny.
4. leva2 ( 05/01/2013 19:33)
Velona Jesosy!

Ahitsiko kely aloha : mino an'Andriamanitra RAY tsitoha no izy, fa tsy "iray".

Mpitandrina no ianteherana fa tsy Jesosy : mampalahelo tokoa, ary anisan'ny endriky ny "fahalovana" misy any anatin'ny fiangonana ity tranga ity. Mampalahelo fa dia ireo fiangonana heverina fa "lehibe" no tena ahitana azy io.

Zaraiko aminao namana ity fampianarana ity, fa mifandraika indrindra amin'ity lohahevitra ity, ka sao dia mahasoa anao, ary koa ahafahantsika manampy ny hafa :



Dia mirary soa namana isany!
5. leva2 ( 05/01/2013 20:05)
Velona Jesosy!

Ity manaraka ity no tena mahalaza azy e, fa jereo ihany aloha io eo ambony io fa misy azo raisina koa ao ary samy mahasoa daholo.

Mazotoa mijery, dia hotahian'ny Tompo namako isany!

6. niryna ( 07/01/2013 03:40)

hadji:

mba mahavariana ihany ity mpivavaka hoe hitokona izahay rehefa miova ny pasitera fa ahona e? tao Tana tao no nisy anio an!
Tsy azoko ny tianao ho tenenina.Ny lohateny hafa ,ny tantara hafa ,sa izaho no tsy mahazo resaka?
7. niryna ( 07/01/2013 03:44)

leva2:

Velona Jesosy!

Ahitsiko kely aloha : mino an'Andriamanitra RAY tsitoha no izy, fa tsy "iray".

Mpitandrina no ianteherana fa tsy Jesosy : mampalahelo tokoa, ary anisan'ny endriky ny "fahalovana" misy any anatin'ny fiangonana ity tranga ity. Mampalahelo fa dia ireo fiangonana heverina fa "lehibe" no tena ahitana azy io.

Zaraiko aminao namana ity fampianarana ity, fa mifandraika indrindra amin'ity lohahevitra ity, ka sao dia mahasoa anao, ary koa ahafahantsika manampy ny hafa :



Dia mirary soa namana isany!
ka ny tena mampalahelo anie dia lasa buzy ilay fiangonana aty amintsika ankehitriny e.Misy aza miady sy mizarazara mihitsy ny fiangonana noho ny hevitra tsy mitovy sy noho ny fioronana amin'ny olona fa tsy Atra.
8. hadji ( 07/01/2013 07:40)
Samy marina avokoa ny voalazanareo
9. hadji ( 07/01/2013 07:41)
Samy marina avokoa ny voalazanareo
10. nilex ( 07/01/2013 13:52)
Ny fijeriko azy dia izao,miakina amin'ny antony hanalana ilay pasitera io fa aza adino fa amin'ny fiangonandehibe dia misy koa koa ny resaka seza ao anatiny ao ka hamindramindrana pasitera fotsiny.
Faharoa dia izao ,ny pasitera tsy mitovy daholo akory ny fahaizany mitaiza olona ka izay no mety mahasarotiny ny olona sasany.Aza adino ilay teny n'Atra hoe ny ny fioana dia azo avy @ toriteny.Ny pasitera anefa no mitoriteny ary eo ny olona satria misy ny tena mahay mihintsy izany asany izany ka manavotra fanahin'olona maro fa misy kosa no toa asa fitadiavana fotsiny ilay izy ka dia lasa routing fotsiny ny ao am-piangonana.Zava-misy izany ka tsy azo lavina.
Misy koa anefa ny hoe heritreritra amin'ny maha olombelona ihany ka lasa fahazaraha ity mitokona ity e.
Nefa raha ny tena izy dia hapetraka amin'Andriamanitra ny zavatra rehetra dia izy no mandamina ary isika manaiky ny sitrapony.Saingy eo no sarotra aman'olona.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0466