Mpampianatra sy ny Ray aman- dreny

1. chantrire ( 02/01/2013 08:36)
Ny Ray aman- dreny dia tokony tsy hionona @ izay fampianarana ataon' ny mpampianatra any an- tsekoly fotsiny fa tokony hanara- maso ny fianaran- janany.
Inona avy ny fanaraha- maso tokony hataon'ny Ray aman-dreny amin' izany?
novalian'i chantrire ny 23/01/2013 12:04
2. Nehemiah ( 02/01/2013 08:50)
Manara-maso ny enti-modiny, manara-maso ny fahaizany sy fahazoany lesona ary indrindrindra manampy azy @'izany, @ fomba maro samihafa.
3. sipagasy ( 10/01/2013 20:54)

Nehemiah:

Manara-maso ny enti-modiny, manara-maso ny fahaizany sy fahazoany lesona ary indrindrindra manampy azy @'izany, @ fomba maro samihafa.


nefa dia tsy maharaka izany intsony ny ray aman-dreny fa vizaky ny asa aman-draharaha, akory atao!!!!
4. Nehemiah ( 11/01/2013 06:26)

sipagasy:

nefa dia tsy maharaka izany intsony ny ray aman-dreny fa vizaky ny asa aman-draharaha, akory atao!!!!

Ka eo no ilàna ny fandavan-tenan'ny ray aman-dreny. Raha tia ny zanany izy ireo dia manao izay hahombiazany. Ny olona mantsy @'izao mieritreritra fa azony avela any an-tsekoly ny zanany dia ny mpampianatra no manao ny rehetra. Fa izahay mpampianatra kosa tsy mahavita an'izay irery, fa tsy maintsy miara-miasa aminay ny ray aman-dreny, satria izy ireo no tena tompon'antoky ny fahombiazan'ny zanany.
5. valia ( 19/01/2013 17:10)
Fa ny tena ilaina indrindra ihany koa dia ny mampianatra azy ny fahalalam-pomba sy ny fanajana. Maro mantsy ireo RAD no manome tsiny anay mpampianatra raha mananatra azy ireny izahay, nefa ny zanany sady tsy manaja no tsy mahalala fomba rahateo
6. Nehemiah ( 21/01/2013 06:13)
Marina izany ry valia (y)
7. jajajaly ( 23/01/2013 09:20)
ato amin'ny rohy eto ambany misy fomba 5 hanampy ny mpampianatra sy ny ray amandreny.

http://www.jw.org/mg/zavatra-misy/gazety/g201210/afaka-manampy-ray-aman-dreny/
8. chantrire ( 23/01/2013 12:04)

jajajaly:

ato amin'ny rohy eto ambany misy fomba 5 hanampy ny mpampianatra sy ny ray amandreny.

http://www.jw.org/mg/zavatra-misy/gazety/g201210/afaka-manampy-ray-aman-dreny/

Misaotra an' i Jajajaly, Nehemia, sipa gasy ,valia t@torohevitra.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3903