"Izay tsy manohitra antsika dia miaraka amintsika"
1. miarana
(
21/12/2012 12:36)
"Izay tsy manohitra antsika dia miaraka amintsika" (Mk 9,40). Maninona no tsy io no entin'ny Kristianina miatrika ny Kristianina tsy mitovy fiangonana aminy? Rehefa mitory an'i Kristy koa izy (miaraka amintsika) dia tsy manohitra an'i Kristy. Ny antony nahatonga an'i Kristy niteny an'io dia satria gaga ny mpianatra ary nahavatra niteny hoe misy olona hafa mandroaka demony sy manasitrana amin'ny anaran'i Kristy kanefa tsy mpianatr'i kristy akory. Koa ohatra ho an'ny Kristianina izany... rehefa tsy manohitra an'i Kristy ny olona iray na dia tsy mitovy firehana aminao aza dia miaraka aminy koa izay... na dia tsy mpianany akory aza...
Loahevitra efa t@ 2003 ity no naveriko (Mankasitraka ilay nanome ny hevitra)

novalian'i toriteny ny 21/01/2013 10:07
2. leva2
(
21/12/2012 12:53)
Velona Jesosy!
Asa raha nahatsikaritra ianao namana Miarana fa misy herim-panahy roa lehibe mifanohitra foana eto amin'ity serasera ity. Mazava ho azy fa ny iray dia herim-panahy avy amin'Andriamanitra, ary ny iray kosa dia avy amin'ny devoly. Tsy misy marina karazany roa izany eto fa iray ihany no MARINA.
Ny tiako ambara koa dia izao :
- Matetika ny tena mampifanolana eto dia ny tsy fitovian'ny kifombafombam-pivavahana isan-karazany toy ny hoe : mankalaza an'izao sy tsy mankalaza, mihinana an'izao sy tsy mihinana, sns ... Amiko manokana dia mbola "segondaire" daholo ireny. Raha ny fantatro, Andriamanitra dia mijery ny "fo sy ny voa", fa tsy ny endrika ivelany no zava-dehibe aminy.
- Raha ny amin'Andriamanitra Ray kosa nefa no diso dia tena tonga amin'ilay hoe "diso adiresy" ka "mandodona any an-tranon'olona". Raha ny amin'i Jesosy Kristy no diso dia tena diso varavarana hidirana, na tsy mahita izay varavarana tokony hidirana.
Mahereza amin'ny fanarahana ny Tompo namako!

4. Miharena
(
21/12/2012 13:57)
Rehefa mahalala tsara ny teny hoe aza mitsara mba tsy hotsaraina ny rehetra dia afaka manana fahamarinana na inona endrika hanehoany izany na inona. Satria na inona antony anaovany endri-panompoana dia fantatr'Andriamanitra daholo ny ao am-pony sy ny fari-pahalalàna ananany mahatonga azy hanao zavatra iray eo amin'y fiainany.
Ohatra iray na Dahalo aza mivadika ho hendry satria tsy fahadisoany no naha-Dahalo azy eo anatrehan'Andriamanitra. Olona mpangalatra gaigilahy sy mpamono olona lasa mitory rehefa anehoana fa tsy fahadisoany no nahatonga izany.
Dia toy izany koa isika rehetra, samy zanak'Andriamanitra avokoa na iza na iza. Dia rehefa miteny aho moa hoe : ho any am-paradisa daholo isika rehetra dia misy mitsipaka eto.
Ilay manana fahazavam-po mino fa izay no izy no tsy lanin'ny vanonin'ny sasany ary tsy hanomezantsiny azy satria mbola tratran'ny teny hoe : fampianarana natolotry ny razana izy na dia mino an'i Krsity aza dia mbola degré primitif kokoa no fahafantarany Azy fa tsy izay tena i Kristy Velona miasa ankehitriny mandrakizay.
Rehefa tena manana antoka isika hoe miasa IZY hatrizay ka ho mandrakizay dia hahazo antoka fa mifoha avokoa ny olon-drehetra fa tsy ho voarebireby amin'ny conditionnement. Io ilay déconditionnement noresahako ny namana atsy ambadika.

5. Nehemiah
(
21/12/2012 14:24)
Miharena:
Ohatra iray na Dahalo aza mivadika ho hendry satria tsy fahadisoany no naha-Dahalo azy eo anatrehan'Andriamanitra. Olona mpangalatra gaigilahy sy mpamono olona lasa mitory rehefa anehoana fa tsy fahadisoany no nahatonga izany.
Taiza ianao no nianatra an'izany ? Mbola mampiditra hevitra ivelan'ny Baiboly anaty Baiboly indray ianao izany. I Andriamanitra dia mihevitra antsika rehetra tsy an-kanavaka samy tompon'andraikitry ny ataontsika. Ka tsy mahagaga ny Sal. 14:1 manao hoe : "Samy efa nivily izy rehetra ka tonga vetaveta avokoa; tsy misy manao ny tsara, na dia iray akory aza."
Nizaka ny sazy sahazantsika teo @ hazofijaliana i Jesoa Kristy, ka izay mino an'izany dia voavonjy avokoa, tsy takiana zavatra hafa izy, satria tsy vitantsika ny manamarina ny tenantsika eo anatrehan'Andriamanitra. Izay no herin'ny hafatry ny famonjena, izay manova ny fiainan'ny dahalo sy mpivarotena ho olom-banona feno fahasoavana mitory an'i Kristy.
Miharena:
Dia toy izany koa isika rehetra, samy zanak'Andriamanitra avokoa na iza na iza. Dia rehefa miteny aho moa hoe : ho any am-paradisa daholo isika rehetra dia misy mitsipaka eto.
I Jesoa Kristy no tena niresaka momba ny helo mandrakizay, ary raha ny contexte dia tsy azo lavina fa vitsy ny ho tonga any am-paradisa izany.
Mampivarahontsana ny olona betsaka ny eritretry ny fijaliana mandrakizay, ao ny annihilationnisme-n'ny Vavolombelon'i Jehovah, ao ny mampianatra réincarnation, ao ny mandà an'Andriamanitra, fa raha mitehaka ny mpiasako dia zavatra iray, raha mandeha any USA hitehaka an'i Obama aho dia zavatra hafa mihitsy ary zoany ny mamarina ahy any am-ponja satria manana ny hasiny izy. Ka tsy vao mainka manan-jo hanasazy antsika i Andriamanitra ? Iza no ray mendriky ny antsoina hoe ray izay tsy manasazy ny zanany rehefa manao ratsy izy ?
Efa noteneniko izany fa averiko : izay handeha any @ helo dia hahazo izay niriny nandritry ny fiainany : tontolo tsy misy an'Andriamanitra.
6. leva2
(
21/12/2012 14:45)
Miharena:
Ohatra iray na Dahalo aza mivadika ho hendry satria tsy fahadisoany no naha-Dahalo azy eo anatrehan'Andriamanitra. Olona mpangalatra gaigilahy sy mpamono olona lasa mitory rehefa anehoana fa tsy fahadisoany no nahatonga izany.
Dia toy izany koa isika rehetra, samy zanak'Andriamanitra avokoa na iza na iza. Dia rehefa miteny aho moa hoe : ho any am-paradisa daholo isika rehetra dia misy mitsipaka eto.
Velona Jesosy!
Mba azonao omena ve ny Tenin'Andriamanitra ahafahanao milaza ireto hevitrao ireto :
1- "dahalo ... mpangalatra gaigilahy sy mpamono olona ... fa tsy fahadisoany no nahatonga izany"?
2- "ho any am-paradisa daholo isika rehetra"?
Fa tontolo nofinofy aiza (fiangonana? fampianarana?) no misy anao ty namana miharena fa toa miteniteny foana ianao?
7. Miharena
(
21/12/2012 16:29)
Resaka tsotra no azo hamaliana anareo,
Azo jerena ny ao anaty Baiboly fa tsy voambara ao daholo ny Tenin'Andriamanitra. Apokalypsy, Matio, Marka, Lioka, milaza izany avokoa.
rehefa tapitra voavaky ny Baioly vao mijery izay tsy ao ary mandray izay marina avy amin'Andriamanitra

8. niryna
(
21/12/2012 16:57)
leva2:
Velona Jesosy!
Asa raha nahatsikaritra ianao namana Miarana fa misy herim-panahy roa lehibe mifanohitra foana eto amin'ity serasera ity. Mazava ho azy fa ny iray dia herim-panahy avy amin'Andriamanitra, ary ny iray kosa dia avy amin'ny devoly. Tsy misy marina karazany roa izany eto fa iray ihany no MARINA.
Ny tiako ambara koa dia izao :
- Matetika ny tena mampifanolana eto dia ny tsy fitovian'ny kifombafombam-pivavahana isan-karazany toy ny hoe : mankalaza an'izao sy tsy mankalaza, mihinana an'izao sy tsy mihinana, sns ... Amiko manokana dia mbola "segondaire" daholo ireny. Raha ny fantatro, Andriamanitra dia mijery ny "fo sy ny voa", fa tsy ny endrika ivelany no zava-dehibe aminy.
- Raha ny amin'Andriamanitra Ray kosa nefa no diso dia tena tonga amin'ilay hoe "diso adiresy" ka "mandodona any an-tranon'olona". Raha ny amin'i Jesosy Kristy no diso dia tena diso varavarana hidirana, na tsy mahita izay varavarana tokony hidirana.
Mahereza amin'ny fanarahana ny Tompo namako!
misaotra anao nizara,marina tokoa izany ary mila samy mandinika ny tena ao anatin'ny baiboly isika ary eo koa no lesoka satria samy maka izay metimety aminy avokoa isika rehetra milaza azy hoe kristianina.Ny antony dia mijanona eo amin'ny fampianarana noratovina tamin'ny olona ka dia miziriziry eo foana.Raha mifantoka amin'ny baiboly tokoa isika dia mety ho foana daholo ireny.Ny sasany aza moa mamadika ny baiboly ambony ambany mihitsy dia lasa manana baiboly hafa kely k'nou ooops
9. didi10
(
21/12/2012 18:32)
leva:
- Matetika ny tena mampifanolana eto dia ny tsy fitovian'ny kifombafombam-pivavahana isan-karazany toy ny hoe : mankalaza an'izao sy tsy mankalaza, mihinana an'izao sy tsy mihinana, sns ... Amiko manokana dia mbola "segondaire" daholo ireny. Raha ny fantatro, Andriamanitra dia mijery ny "fo sy ny voa", fa tsy ny endrika ivelany no zava-dehibe aminy.
- Raha ny amin'Andriamanitra Ray kosa nefa no diso dia tena tonga amin'ilay hoe "diso adiresy" ka "mandodona any an-tranon'olona". Raha ny amin'i Jesosy Kristy no diso dia tena diso varavarana hidirana, na tsy mahita izay varavarana tokony hidirana.
Namana Leva
rehefa diso dia diso fa tsy tokony hisy fahamarinana "important" sy "secondaire" izany, adinonao sahady angaha ny momba ny fampianarana tsy misy kilema?
Tim II 4.2-5
2 mitoria ny teny, mazotoa, na amin'ny fotoana, na tsy amin'ny fotoana, mandrese lahatra, mamporisiha, mananara mafy amin'ny fahari-po sy ny fampianarana rehetra. 3 Fa ho avy ny andro izay tsy hahazakan'ny olona ny fampianarana tsy misy kilema; fa hangidihidy sofina izy, dia hamory mpampianatra ho azy araka ny filany; 4 ary hampiala ny sofiny amin'ny teny marina tokoa izy ka hivily ho amin'ny anganongano. 5 Fa hianao kosa mahonona tena amin'ny zavatra rehetra, miareta fahoriana, ataovy ny asan'ny evanjelista, tanteraho ny fanompoanao.
Tahian'ny Tompo
10. niryna
(
21/12/2012 21:04)
didi10:ka na ny mpilaza azy ho mizara ny fampianarana tsy misy kilema aza izay azohazon'ny vavoniny sy nampianarina azy ihany no ataony sesi-boletra k'nou ha,ha
leva:
- Matetika ny tena mampifanolana eto dia ny tsy fitovian'ny kifombafombam-pivavahana isan-karazany toy ny hoe : mankalaza an'izao sy tsy mankalaza, mihinana an'izao sy tsy mihinana, sns ... Amiko manokana dia mbola "segondaire" daholo ireny. Raha ny fantatro, Andriamanitra dia mijery ny "fo sy ny voa", fa tsy ny endrika ivelany no zava-dehibe aminy.
- Raha ny amin'Andriamanitra Ray kosa nefa no diso dia tena tonga amin'ilay hoe "diso adiresy" ka "mandodona any an-tranon'olona". Raha ny amin'i Jesosy Kristy no diso dia tena diso varavarana hidirana, na tsy mahita izay varavarana tokony hidirana.
Namana Leva
rehefa diso dia diso fa tsy tokony hisy fahamarinana "important" sy "secondaire" izany, adinonao sahady angaha ny momba ny fampianarana tsy misy kilema?
Tim II 4.2-5
2 mitoria ny teny, mazotoa, na amin'ny fotoana, na tsy amin'ny fotoana, mandrese lahatra, mamporisiha, mananara mafy amin'ny fahari-po sy ny fampianarana rehetra. 3 Fa ho avy ny andro izay tsy hahazakan'ny olona ny fampianarana tsy misy kilema; fa hangidihidy sofina izy, dia hamory mpampianatra ho azy araka ny filany; 4 ary hampiala ny sofiny amin'ny teny marina tokoa izy ka hivily ho amin'ny anganongano. 5 Fa hianao kosa mahonona tena amin'ny zavatra rehetra, miareta fahoriana, ataovy ny asan'ny evanjelista, tanteraho ny fanompoanao.
Tahian'ny Tompo
11. niryna
(
21/12/2012 21:09)
miarana:na Baala na Atra velona fa misy sady mino an'Atra no mandeha any amin'ny dadarabe no mifady zavatra , no manaraka fombafomba ka hoe tsy maintsy amin'izao no mandeha miangona fa izay tsy manao izany dia tsy izy na hoe izay mankalaza ny andro nahaterahan'i kristy dia tsy izy .. Be fombafomba be mihitsy isika ary na ny anaram-piangonana aza mila tsy fantatra intsony hoe inona indray re ity fiangonana vaovao ity e
"Izay tsy manohitra antsika dia miaraka amintsika" (Mk 9,40). Maninona no tsy io no entin'ny Kristianina miatrika ny Kristianina tsy mitovy fiangonana aminy? Rehefa mitory an'i Kristy koa izy (miaraka amintsika) dia tsy manohitra an'i Kristy. Ny antony nahatonga an'i Kristy niteny an'io dia satria gaga ny mpianatra ary nahavatra niteny hoe misy olona hafa mandroaka demony sy manasitrana amin'ny anaran'i Kristy kanefa tsy mpianatr'i kristy akory. Koa ohatra ho an'ny Kristianina izany... rehefa tsy manohitra an'i Kristy ny olona iray na dia tsy mitovy firehana aminao aza dia miaraka aminy koa izay... na dia tsy mpianany akory aza...
Loahevitra efa t@ 2003 ity no naveriko (Mankasitraka ilay nanome ny hevitra)
.Dia mifangaroharo be ihany tsy itany izay tena inoany sa ny kristiana milaza azy ho kristiana kanefa tsy mino Azy ho Atra no tianao ahatongavana sa zavatra hafa mihitsy
12. Miharena
(
22/12/2012 04:21)
Ny tsara angamba namana Niryna dia ny mampahatsiahy fa mety lasa betsaka loatra ny fanontaniana misafotofoto eo amin'ny olombelona izay mihanahana. Ny vontoatin"ny Baiboly dia ny fanafahana. Fampahatsiahivana fa zanaka zandry isika olombelona.
Rehefa tafatombina amin'izay ny saina sy ny fo ary indrindra ny fanahy dia tsy miherikerika intsony, ary ny fanekena fa voarin'Andriamanitra ny rehetra no Fototra tsy azo ialàna indrindra. Izay vao tanteraka ny Fitiavana izay nilazan'i Krsity hoe tiava ny fahavalonareo.
Tian'i namana Niryna mihitsy manko ohatra ny mampivoitra ireny teny sarotra tanterahana ireny ao anaty Baiboly ao toy io lazaina eo ambony io.
Tsy sarotra anefa io fa atao amin'y fo feno fanetren-tena dia tanteraka, na ny fahavalo noheverin'ny tena ho izany aza dia afaka rehefa anehoana fitiavana satria mifindra any ilay fitiavana, na ny arina kokoa ny Mazava zaraintsika aminy.

13. miarana
(
22/12/2012 06:12)
Mino fa mahita ity resaka ity ilay namana nanoratra azy t@ 2003 na dia tsy mamaly aza.
Ho ahy manokana, ny fahatsiarovan-tena no tiako ho tonga amintsika fa betsaka loatra (trop) ny anaram-piangonana eto amintsika dia manao ny azy ho marina daholo (@ fombafomba surtout). Lasa ny samy "mpivavaka" no mifanenjika sy mifanaratsy, hany ka ... Ireo izay tsy mivavaka (te hahalala an'Andriamanitra) dia mihemotra ndray mahita ny ataontsika.
Iza no omena tsiny ?

14. Nehemiah
(
22/12/2012 07:17)
miarana:

Tena miombon-kevitra aminao tanteraka aho. Ny Baiboly dia milaza mazava tsara fa "Minoa an’ i Jesosy Tompo, dia hovonjena hianao sy ny ankohonanao" (Asa 16:30-31) fa tsy hoe miandania @ fiangonana iray. Ny fampianaran'ny Baiboly (ary ny Baiboly iray manontolo fa tsy hoe ampahany) ihany no tokony ifikirana ary ny fampianaran-diso ny tokony vakiana bantsilana.
15. niryna
(
22/12/2012 22:10)
Miharena:
\
Dia toy izany koa isika rehetra, samy zanak'Andriamanitra avokoa na iza na iza
fa moa ve samy manaiky ho zanany avokoa ny rehetra?
Dia rehefa miteny aho moa hoe : ho any am-paradisa daholo isika rehetra dia misy mitsipaka eto.ahoana tokoa moa no tsy hisy hitsipaka ny teninao ! avy aiza no anaporofoanao fa ho any amin'ny paradisa daholo isika? sa mitovy ilay fivavahana iray izay hoe mamono olona ao anatin'ny firenena iray izy,lasa maritiora an'ilay firenena izy avy eo ary avy eo indray mampianatra ny hafa hivadika hanaraka ny finoany ka afaka manambady be dia be ary lazainy koa fa rehefa maty dia miandry azy ny vehivavy virijiny maro any an-danitra ooops
Miharena a,tsy azoko mihitsy koa ilay fanazavan'ny olona marobe eto mikasika ny fitenenana hoe fampianarana natolotry ny razana.Misy anie tsy nandia fianarana mikasika ny fivavahana eto ka hoe tao dago no nandrato izany e? nahoana no lazaina foana hoe fomban-drazana kanefa misy malagasy tsy nandalina izay resaka razana izany ato ?
Ilay manana fahazavam-po mino fa izay no izy no tsy lanin'ny vanonin'ny sasany ary tsy hanomezantsiny azy satria mbola tratran'ny teny hoe : fampianarana natolotry ny razana izy na dia mino an'i Krsity aza dia mbola degré primitif kokoa no fahafantarany Azy fa tsy izay tena i Kristy Velona miasa ankehitriny mandrakizay.
fa ny fanontaniana mipetraka dia hoe moa mino ny fisiaNy ny rehetra ?
Rehefa tena manana antoka isika hoe miasa IZY hatrizay ka ho mandrakizay .
16. leva2
(
25/12/2012 06:19)
Miharena:
Resaka tsotra no azo hamaliana anareo,
Azo jerena ny ao anaty Baiboly fa tsy voambara ao daholo ny Tenin'Andriamanitra. Apokalypsy, Matio, Marka, Lioka, milaza izany avokoa.
rehefa tapitra voavaky ny Baioly vao mijery izay tsy ao ary mandray izay marina avy amin'Andriamanitra
Velona Jesosy!
Mety ho ny fahatsoranao ve namana no mahatonga anao hanatsotsotra resaka?
- Tsy tsotra araka izany ny hidirana ny fanjakan'ny lanitra :
"Ary hatramin'ny andron'i Jaona Mpanao-batisa ka mandraka ankehitriny ny fanjakan'ny lanitra dia rombahina, ary ny mpandrombaka maka azy an-keriny" Mat 11/12
"Ary hoy Izaho aminareo indray: Ho moramora kokoa ny hidiran’ny rameva amin’ny vodi-fanjaitra noho ny hidiran’ny manan-karena amin’ny fanjakan’Andriamanitra" Mat 19/24. Ny harena resahina eto dia haren'izao tontolo izao (matériel) ka ifantohan'ny saina sy ny fon'ireo fatra-pikatsaka ny ho lasalasa sy ho tafita eto amin'ity fiaina-mandalo ity fotsiny ihany.
- Ary tsy ny olombelona rehetra no antsoina hoe zanak'Andriamanitra fa izay manana an'i Jesosy ao anatiny :
"Fa hianareo rehetra dia zanak’Andriamanitra amin’ny finoana an’i Kristy Jesosy. Fa na iza na iza hianareo no natao batisa ho an’i Kristy dia nitafy an’i Kristy" Gal 03/26-27. Izany hoe raha lazaina amin'ny fomba hafa : izay mino an'i Kristy ka natao batisa ho an'i Kristy ary mitafy an'i Kristy : izany ihany no zanak'Andriamanitra.
Misy maro ireo antsoina hoe zanaky ny devoly :
"Hianareo avy tamin’ny devoly rainareo, ka izay sitraky ny rainareo no tianareo hatao. Izy dia mpamono olona hatramin’ny taloha, ary tsy nitoetra tamin’ ny marina, satria tsy misy marina aminy. Raha mandainga izy, dia ny azy no lazainy, satria mpandainga izy sady rain’ny lainga".
Jao 08/44
- Tena takatrao ve ny hevitry ny tenin'i Jesosy hoe : «Tsy avy hiantso ny marina Aho, hoy ny Tompo, fa ny mpanota mba hibebaka» (Lio 5: 32) : dahalo, mpamono olona, mpangalatra, mpijangajanga, sns : Ny hamonjy ireny no nahatongavan'i Kristy, saingy tsipihiko tsara ilay teniny farany hoe "mba hibebaka". Fa nibebaka sy niala tamin'ny ratsy fanaony ireny olona ireny ka nankatoa an'Andriamanitra (tonga olom-baovao) matoa voavonjy sy hitanao mijoro vavolombelona toy izany.
Ny Fanahy Masin'Andriamanitra anie hanazava ny saintsika namana!
17. Miharena
(
25/12/2012 10:47)
Niryna : fa moa ve samy manaiky ho zanany avokoa ny rehetra?
Fanontaniana somary mivaona izay fametraky ny Krsitianina mihitsy ity fanontaniana ity. Raha ekenao fa Andriamanitra no namorona izao rehetra izao, inona no mahatonga io fanontanianao io ? Mahagaga sy mahavariana mihitsy io toe-javatra io. Manaiky zavatra iray izy dia avy eo mandà any aoriana. Raha ianao ohatra zanaky ny rainao, ary tsy fantatrao fa rainao io satria nandeha lavitra. Tonga ve ianao dia hilaza fa tsy misy ifandraisana aminao mihitsy izany io rainao io? Ianao no mety manadino fa io rainao io dia mahalala hatrany fa zanany ianao.
Mahagaga ihany hoe manana an'i Krsity isika nefa tsy matoky fa na dia ratsy toy ny inona aza ny olona iray eto ambonin'ny tany dia tsy hokarakarain'i Kristy izay efa ekena fa Mpanjaka nanetry tena. Izaho hoy Izy no fihinana sy fisotro momba ny tenany rehetra. Ka na inona, na inona fironana ara-pomba fisainana ny amin'y ho avy, tsy manova ny planina voalohany izany dia ny maha-voarin'Andriamanitra raha mbola olombelona manana fofonaina sy mitovy firafitra ihany izy rehetra.
Hoy aho matetika hoe : ny saina anie tsy fanahy. Ny saina no misafidy fa ny fanahy dia iray ihany ao amin'ny rehetra dia fanahy namboarin'Andriamanitra ho antsika izay nilazaNy tany amboalohany hoe andao isika hanao olombelona mitovy endrika amintsika.
Ny tena tsapako mahalavo ny olona dia ny mitsara ny namany hoe io dia mbola tsy nanaiky fa Jesosy no Tompo. Tsy fanatatsika izay asan'ny Tompo aminy, na ny andro io na ny ora fa ny fantatsika no tokony ho izy dia manaiky fa AZY avokoa izao rehetra izao.
Miverina indray ilay fanontaniana adaladala avy amintsika. Iza moa no nahalala hoe mpanao ody gasy hiringiriny lasa Kristianiana mahavalalanina ny maro ny fitoriany sy ny fanasitranana manaraka azy mba hanaporofoana fa Jesoa marina no miaraka aminy?
Tsy anjarantsika ny milaza hoe misy tsy manaiky, ny anjarantsika dia ny mahafantatra fa sombin'Ain'Andriamanitra io na ahoana na ahoana fomba fisainany. Ny saina no mety mandà fa ny fanahy mahaizy azy tsy tokony holazaina avy hatrany fa hanaraka ny sainy. Satria na ho ela na ho aingana dia hifoha ny fanahiny ka izay vao ho resy ny sainy.
Io no mampangidihidy ny sasany mila valim-pitia. Rehefa mahita ny hafa manana dia mihevitra fa miangatra Andriamanitra. Mihevitra hatrany fa nanao ezaka (Ny antokon'olona toy izany no nahatonga ny Tompo nilaza hoe tsy zay manao hoe Tompoko Tompoko....
Sa ahoana hoy ianao namana Niryna?

Niryna:
ahoana tokoa moa no tsy hisy hitsipaka ny teninao ! avy aiza no anaporofoanao fa ho any amin'ny paradisa daholo isika? sa mitovy ilay fivavahana iray izay hoe mamono olona ao anatin'ny firenena iray izy,lasa maritiora an'ilay firenena izy avy eo ary avy eo indray mampianatra ny hafa hivadika hanaraka ny finoany ka afaka manambady be dia be ary lazainy koa fa rehefa maty dia miandry azy ny vehivavy virijiny maro any an-danitra ooops
Mahagaga ihany hoe manana an'i Krsity isika nefa tsy matoky fa na dia ratsy toy ny inona aza ny olona iray eto ambonin'ny tany dia tsy hokarakarain'i Kristy izay efa ekena fa Mpanjaka nanetry tena. Izaho hoy Izy no fihinana sy fisotro momba ny tenany rehetra. Ka na inona, na inona fironana ara-pomba fisainana ny amin'y ho avy, tsy manova ny planina voalohany izany dia ny maha-voarin'Andriamanitra raha mbola olombelona manana fofonaina sy mitovy firafitra ihany izy rehetra.
Hoy aho matetika hoe : ny saina anie tsy fanahy. Ny saina no misafidy fa ny fanahy dia iray ihany ao amin'ny rehetra dia fanahy namboarin'Andriamanitra ho antsika izay nilazaNy tany amboalohany hoe andao isika hanao olombelona mitovy endrika amintsika.
Ny tena tsapako mahalavo ny olona dia ny mitsara ny namany hoe io dia mbola tsy nanaiky fa Jesosy no Tompo. Tsy fanatatsika izay asan'ny Tompo aminy, na ny andro io na ny ora fa ny fantatsika no tokony ho izy dia manaiky fa AZY avokoa izao rehetra izao.
Rehefa tena manana antoka isika hoe miasa IZY hatrizay ka ho mandrakizay .
fa ny fanontaniana mipetraka dia hoe moa mino ny fisiaNy ny rehetra ?
Miverina indray ilay fanontaniana adaladala avy amintsika. Iza moa no nahalala hoe mpanao ody gasy hiringiriny lasa Kristianiana mahavalalanina ny maro ny fitoriany sy ny fanasitranana manaraka azy mba hanaporofoana fa Jesoa marina no miaraka aminy?
Tsy anjarantsika ny milaza hoe misy tsy manaiky, ny anjarantsika dia ny mahafantatra fa sombin'Ain'Andriamanitra io na ahoana na ahoana fomba fisainany. Ny saina no mety mandà fa ny fanahy mahaizy azy tsy tokony holazaina avy hatrany fa hanaraka ny sainy. Satria na ho ela na ho aingana dia hifoha ny fanahiny ka izay vao ho resy ny sainy.
Io no mampangidihidy ny sasany mila valim-pitia. Rehefa mahita ny hafa manana dia mihevitra fa miangatra Andriamanitra. Mihevitra hatrany fa nanao ezaka (Ny antokon'olona toy izany no nahatonga ny Tompo nilaza hoe tsy zay manao hoe Tompoko Tompoko....
Sa ahoana hoy ianao namana Niryna?
18. Miharena
(
25/12/2012 10:58)
Namana Leva2
Mety ho ny fahatsoranao ve namana no mahatonga anao hanatsotsotra resaka?
- Tsy tsotra araka izany ny hidirana ny fanjakan'ny lanitra :
Ilay fahatsorako mihitsy namana no nahtonga ahy niasan'ny Fanahy masina nampahafantariNY fa izay no fomba marina indrindra hisainana ny momba ny olombelona sy ny famonjena azy.
Tsy ezaka avy amintiska no mahavonjy antsika fa ezaky ny Tompo izay namorona antsika.