Ny hafatry ny Rainao ho anao

1. Nehemiah ( 13/12/2012 07:55)
Efa nandinika anao Aho ka mahalala anao, hatramin'ny fipetrakao sy ny fitsanganao, na mandeha ianao, na mandry, ary fantatro tsara ny alehanao rehetra (Sal. 139:1-2).
Hatramin'ny volon-dohanao dia voaisa avokoa (Mt. 10:29-31).
Tahaky ny endriko no namoronako anao (Gen. 1:27).
Izaho no ivelomanao sy ihetsehanao ary iainanao (Asa 17:28).
"Hatry ny fony hianao tsy mbola noforoniko tany an-kibo no efa fantatro" (Jer. 1:4-5).
Voasoratra amin'ny bokiko avokoa ny andronao (Sal. 139:16).
Efa notendreko ny fotoan'andronao sy ny toerana fonenanao (Asa 17:26).
Mahatalanjona ny nahariako anao (Sal. 139:16).
Namolavola anao tao an-kibon-dreninao aho (Sal. 139:15).
Tsy nihataka taminao Aho, satria Fitiavana Aho. (1 Jn. 4:16).
Fitiavana tahaky ny itiavan'ny ray ny zanany no itiavako anao, satria zanako ianao ary Rainao Aho (1 Jn. 3:1).
Omeko zava-tsoa mihoatra an'izay rehetra vitan'ny rainao ara-batana ianao (Mt. 7:11) satria Izaho no Ilay Ray Tanteraka (Mt. 5:48).
Ny fanomezan-tsoa rehetra sy ny fanomezana tanteraka rehetra azonao dia avy amiko (Jk. 1:17) satria izaho no manome anao izay ilainao (Mt. 6:31-33).
Ny hevitra iheverako anao dia hahatonga fiadanana sy hanome fanantenana ho anao (Jer. 29:11) ka maro isa lavitra noho ny fasika izy ireo (Sal. 139:17-18).
"Fitiavana mandrakizay no nitiavako anao" (Jer. 31:3b).
Tsy hitsahatra amin'ny fanasoavako anao Aho (Jer. 32:40).
Tiako omena anao ity tany ity sy izay rehetra misy aminy (Jer. 32:41).
Manana fahefana hampiseho anao zavatra lehibe sy saro-pantarina izay tsy fantatrao Aho (Jer. 33:3).
Raha mitady Ahy amin’ ny fonao rehetra sy ny fanahinao rehetra ianao dia hahita Ahy (De. 4:29).
Miravoravoa amiko dia omeko anao izay irin'ny fonao (Sal. 37:4) satria izaho no nanome anao an'ity faniriana ahatanteraka ny sitrapoko (Fi. 2:13).
Afaka manao zavatra ho anao nohon'izay rehetra mety heverinao Aho (Ef. 3:20) satria Izaho no loharanon'ny fampiononanao goavana indrindra (2 Te. 2:16-17).
Izaho no Rainao mampionona anao amin'ny fahorianao rehetra (2 Ko. 1:3-4).
Rehefa mangorakoraka ny fonao dia eo akaikinao aho ka mamonjy anao (Sal. 34:18).
Trotroiko eo an-tratrako ianao tahaky ny fitrotroan'ny mpiandry ondry ny zanak'ondriny (Is. 40:11).
Hofafako ny ranomaso rehetra amin'ny masonao ary hofoanako ny alahelo rehetra nozakainao tety an-tany (Ap. 21:3-4).
Nandao ny voninahitro Aho mba ho tianao (Rom. 8:32) ary tsy misy inona na inona izay hahasaraka anao amin'ny fitiavako (Rom. 8:38-39).
Rainao foana aho hatrizay ary ho Rainao foana (Ef. 3:14-15).
Ny fanontaniako dia izao: te-ho zanako ve ianao ? (Jn. 1:12-13)
Miandry anao Aho (Lk. 15:11-32).

Hoy ny Rainao tia anao.
novalian'i Miharena ny 18/12/2012 15:22
2. moustaraf ( 13/12/2012 11:49)
Salama namana,

Ekena fa ireo tokoa ny hafatry ny Ray ho an'ny Zanany, ary ireo dia ampiasan'ny mpitoriteny maro hitaritana sy hisintonana mpino, fa ireto ny fanontaniana izay mipetraka:

1. Iza no ivantanan'ny hafatra? Ny zanaka
2. Ny olona rehatra ve zanany avokoa? INONA NO FEPETRA? sao dia mihambo!!!
3. nY Zanaka dia mahalala ny Ray, iza ilay Ray? ahoana ny hoe mahalala?
4. ny zanaka no miteotra ao an-tranon'ny Ray, aiza ilay trano? AHOANA NY FIDIRANA AO?

Ny fiangonana rehetra dia samy milaza fa zanany avokoa, ahona marina no izy?



3. Nehemiah ( 13/12/2012 12:53)
Inona no tian'i moustaraf ahatongavana ? Tsy mitombina angaha ny 1 Jn. 3:1 manao hoe : "Endrey! manao ahoana ny fitiavana nasehon’ [Gr. nomen’] ny Ray ho antsika, dia ny niantsoana antsika hoe zanak’ Andriamanitra, sady izany tokoa isika! Koa noho izany dia tsy mahalala antsika izao tontolo izao, satria tsy nahalala Azy izy." ?
4. didi10 ( 13/12/2012 13:10)
Misaotra namana Nehemia a! aza mamaly ireny namana rabajoie ireny fa na inona na inona ataonao dia tsy mety aminy.
5. Nehemiah ( 13/12/2012 13:23)

didi10:

aza mamaly ireny namana rabajoie ireny fa na inona na inona ataonao dia tsy mety aminy.

;)
6. Miharena ( 18/12/2012 14:50)
Efa famalin'ny kristianina maro koa anie io nataon'i Moustaraf io e!
Ary ao anaty hafatra ihany ilay izy



Ny fanontaniako dia izao: te-ho zanako ve ianao ? (Jn. 1:12-13)
Miandry anao Aho (Lk. 15:11-32).


Efa Ray mampahafantatra AZY ve mbola hanontany hoe te-ho zanako ve ianao?

nefa eo aloha IZY efa miteny hoe



Rainao foana aho hatrizay ary ho Rainao foana (Ef. 3:14-15).


Sao dia famplifilafilàna ity hafatra ity sanatria?
7. Nehemiah ( 18/12/2012 15:00)
Miaiky aloha aho fa mety misy andininy sasany hors-contexte @'ity hafatra ity, ry namana Miharena... Izay no anaovako hoe olombelona mpanota mety diso aho :=). Fa ny azo antoka kosa dia raha Raintsika Izy dia betsaka ny tsy manaiky ny ho zanany
8. Miharena ( 18/12/2012 15:22)
Ka eo indrindra namana Nehemia no mila jerena tsara hoe inona ao amin'ny olombelona no tsy manaiky ho zanany?

Manarak'izany, iza no mahatsapa fa tsy zanany ny Silamo, ny Hindoue sns??

Ary farany , ny tsy fanekena ho zanany ve mahafoana tokoa ny maha-zanaka?

Sao dia ilay saina tsy manaiky izay manam-petra ihany io ? Io ilay nitantaràna ny momba ny zanaka adala. Nivezivezy nittady fahafinaretana ivelany dia tsy mahatsiaro fa efa nomena be dia be tao anaty?
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.4245