Ny Zanak'olona no tompon'ny sabata !

1. bor2lais ( 24/11/2012 10:33)
Miarahaba antsika namana rehetra.

Nihaino ny vidéo (an-dRadidi) etsy ambany aho dia misy fitenenana an'io teny io.
Mba manitikitika ahy ny ahafantatra ny hevitsika mikasika io tenin'i Jesoa tamin'ny fariseo io !

Dia misaotra mialoha amin'ny fandraisanao anjara ! :-)
novalian'i Nehemiah ny 05/12/2012 14:19
2. RBNIR ( 26/11/2012 13:04)
Faly miarahaba namana bord2lais,

http://forum.serasera.org/forum/message/m50ab2fc310c72

Samia ho tahin'ny Tompo namana,
3. didi10 ( 27/11/2012 07:09)
Lioka 6;5: Tompon'ny Sabata ny zanak'olona

1. Manaporofo fa tokony hivavaka amin'Andriamanitra tokana ny olona satria Jehovah = Jesosy
Any amin'ny Testamenta Taloha dia milaza Jehovah fa Izy no tompon'ny Sabata ary tokony hotandremana ny SabataNy
Lev 19,3
3 Samia matahotra ny reninareo sy ny rainareo, ary tandremo ny SabataKO: Izaho no Jehovah Andriamanitrareo

Tompon'ny Sabata ny zanak'olona, mazava ho azy fa mpisandoka Jesosy raha tsy i Jehovah ihany satria an'i Jehovah ny sabata.

2. Ny hafatra tiana ampitaina ho an'ny fariseo
Ny fariseo dia ireo olona mpanaraka antsipirihany ny lalàna, mivelona amin'ny lalàna, ka tongavan'ny fahamafisam-po, tsy mba manam-pitiavana ny hafa fa faly hitsikera ny fihetsika sy fiainan'ny hafa fotsiny. Somary tezitra Jesosy teto satria Izy tompony indray no nobaikon'ireto fariseo sy mpanora-dàlana amin'ny fananany sy ny tokony hampiasana azy.
Tsy nandrava ny Sabata teto Jesosy satria ny Sabata dia natao ho an'ny olona fa tsy ny olona no natao ho an'ny Sabata; izany hoe "obligatoire" ny fanajana ny Sabata, novahany kosa anefa ireo fatorana maro mamehy no olona manodidina ny Sabata toy ny resaka tsy fifinanan-kanina rehefa Sabata, ny Asa fanasitranana rehefa Sabata sy ireo maro hafa.
4. bor2lais ( 28/11/2012 09:22)
Misaotra antsika nandray anjara !
RBNIR > ny hevitrao mikasika io lohateny narosoko io ange no mba tiako ho fantatra fa tsy ny voasoratra ao @ wiki e ! :-)

Tahaka io nataon'i Didi10 no mba angatahiko amintsika ;-)
didi10:

2. Ny hafatra tiana ampitaina ho an'ny fariseo
Ny fariseo dia ireo olona mpanaraka antsipirihany ny lalàna, mivelona amin'ny lalàna, ka tongavan'ny fahamafisam-po, tsy mba manam-pitiavana ny hafa fa faly hitsikera ny fihetsika sy fiainan'ny hafa fotsiny. Somary tezitra Jesosy teto satria Izy tompony indray no nobaikon'ireto fariseo sy mpanora-dàlana amin'ny fananany sy ny tokony hampiasana azy.

Izany hoe fananaNY ilay Sabata ka tsy fefena amin'izay tiaNY hanaovana azy e ! ;-)
didi10:

Tsy nandrava ny Sabata teto Jesosy satria ny Sabata dia natao ho an'ny olona fa tsy ny olona no natao ho an'ny Sabata; izany hoe "obligatoire" ny fanajana ny Sabata, novahany kosa anefa ireo fatorana maro mamehy no olona manodidina ny Sabata toy ny resaka tsy fifinanan-kanina rehefa Sabata, ny Asa fanasitranana rehefa Sabata sy ireo maro hafa.

Izaho angamba no tsy mahazo tsara fa tsy dia hitako loatra ny fifandraisan'ilay hoe "ny Sabata dia natao ho an'ny olona fa tsy ny olona natao ho an'ny Sabata" sy ilay tsoakevitra hoe "izany hoe "obligatoire" ny fanajana ny Sabata" !!! :-)

Amiko izao io teny lazainao io dia azo raisina hoe : tsy atao hangeja ny olona ny Sabata !

Asa fa fomba fijeriko ihany anefa io ! ;-)
5. RBNIR ( 28/11/2012 13:11)
bor2lais:

Misaotra antsika nandray anjara !
RBNIR > ny hevitrao mikasika io lohateny narosoko io ange no mba tiako ho fantatra fa tsy ny voasoratra ao @ wiki e ! :-)

Faly miaraha namana,
Ka "ny...... sabata" ny lohateny tsinona koa :) mbola tafiditra ao ny resaka Sabata.
Dia diso v aho??

Samia ho tahin'ny Tompo e,
6. bor2lais ( 30/11/2012 13:14)
Raha raisina indray hoe "fitsaharana" ny Sabata dia azo heverina fa ao amin'i Jesoa izany fitsaharana izany satria Izy no tompon'ny Sabata !

Fomba fijeriko ihany anefa izay ! ;-)
7. Nehemiah ( 05/12/2012 14:19)

bor2lais:

Raha raisina indray hoe "fitsaharana" ny Sabata dia azo heverina fa ao amin'i Jesoa izany fitsaharana izany satria Izy no tompon'ny Sabata !

Fomba fijeriko ihany anefa izay ! ;-)


Ny fomba tena mahomby ahazoana ny tian'ny Tenin'Andriamanitra lazaina dia ny mandray azy ara-bakiteny (tsy hoe @ fomba Fariseo, fa avela hiresaka @tsika ilay izy ary tsy itadiavana hanampy hevitra hafa avy any ivelany), ka raha miteny i Jesoa hoe tompon'ny Sabata izy dia tompon'ny Sabata izy. Tena izy marina no fitsaharantsika. @ Fanekena Vaovao dia tsy ny sabotsy ihany no sabata fa isan'andro isan'andro.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1649