zava-doza !! hita oa kay lehiben'ny dahalo

1. andrywui ( 16/11/2012 08:33)
Navoakan'ny olona n'y tsiambaratelo rehetra fa kay ty le VALABE ,VALABE naorin'i dada tany atsimo ty kay hono ka ombindry zalah dahalo avy norobaina tany ho any daholo no abosesiky dada hamenoana anle VALABE
Yee ka aiza tokoa mou ry zalah no aita omby hamenoana anio alefa any ivelany1000 isantelo volana an'io teo aloha n'a hanao inn n'a hanao innn ,
Zao ry zalah tandroka nanao n'y opération tany sahy na ho toriana aza fa misy porofo be de be , de gaga n'y vahoaka !!!
novalian'i andrywui ny 25/11/2012 21:06
2. andrywui ( 16/11/2012 08:38)
Mipoitra aby ty hagegena rehetra ty ,de refa tsy avela hiditra an'i m/car amzay amle adalana be vita de mipapapapa makatsy mikoraraika mankaroa mitady vonjy erak'izao prezida retra zao ,nefa jereo ty hadalana vita fa napetraky n'y oul hoe : patron be lehiben'ny dahalo n'y anarany .
3. milamm ( 16/11/2012 14:15)
diska goaka les ny nofiratsy momba an-dRavalomanana a, iza no nanao fifampiraharahana tany atsimo talohany op.tandroka na koa nidina tany nanome alalana ny vono moka ireo mponina tany? Beriziky, rajoelina aiza ny mangarahara momba ny angano remenabila toa tsisy vao2 maripototra azo aseho atr@ zao? fandripahana zaza vhv @ lance roquette no mampalaza ireo milisy any soa fa manaraka ampotony @ zao sika miteny zao ny solotenany Amnesty International mitady ny marina tsy mitapy otranla sy ny fat dolidoly nge ny olona ry wui e ka mirediredy eto e fantany rehetra ny marina ary mbola hipoitra daholo izany
4. andrywui ( 16/11/2012 15:53)
Mlammm à le valabe mahabe resaka n'y ambanilanitra amzao ve no mapataoatra anlisany mafy io e , ipoitra afaka fotoana fohy n'y misterinio VALABE ani dada io .....takina lisany avy eo
5. cbd ( 16/11/2012 18:21)
bandy mitapy léééé

nefa mba mitady musiciens @ fiangonana hono ! iza no mba hanaraka an'io bandy mitapy io ?
6. andrywui ( 16/11/2012 21:13)

cbd:

bandy mitapy léééé

nefa mba mitady musiciens @ fiangonana hono ! iza no mba hanaraka an'io bandy mitapy io ?

satria maninn ry lety ?? ngah raha tsy mitovy firehana amlah de maninn ?? zay mitsy no mahavoa anitony zanakalika tony !!! tsy misy milay amlah raha tsy ny dadanlah sy elah iany ???
ka elah kou na tsy hiditra musien ako ary ry lety tsy mila amateur otranlah ry lerony !! ngah za ry lety no mila musicien fa ry zalah ao a ! ..sa tezitra elah fa voadaka tsy tafiditra tao ??? hon hon hon
tsotra be ny resaka ry abcde aaa !! vao migadona dadanlah de atoro azy ny VALABE any sy ny OMBINY rehetra ao
7. locl ( 17/11/2012 15:19)
Tsy marina izany wui a! fialonana ny drafitra napetrak'i Ravalomanana ny an'laisany, raha hanao ny valabe izy dia mba hanamora ny fanarahamaso ny fifaneraserana sy ny fivezivezena teo amin'ny tsenan'omby no mora koa ny niaro aminy asan-dahalo.

Fa ny anareo manko rehefa misy tsy fetezana dia Ravalo ihany, fa angambany ny vadin'i Wui mampirafy azy dia mbola i Ravalo koa no tompon'antoka. Tsy mamely ny an'i toi e!
8. vony501 ( 19/11/2012 07:06)
Ny hiafaran'i wui dia hiteny hoe "i Dada mihitsy anie no i Remenabila e!" Mampihomehy...
9. andrywui ( 19/11/2012 09:36)

vony501:

Ny hiafaran'i wui dia hiteny hoe "i Dada mihitsy anie no i Remenabila e!" Mampihomehy...

Vony ---) hon hon hon hon aiza kosa e dada ko ve de atao remenabila ? Dada milay izy ry Vony fa ty valabe nataony itahirizana omby n'a dahalo ty no olana aminy à
10. milamm ( 19/11/2012 17:25)
ny atao oe tsiambaratelo de otrizao le-wui a,

ZAVA-DOZA MISEHO ANY @ FARITRA ATSIMON'I MADAGASIKARA

MITANTARA i D’GARY (Mpanakanto malaza eto Madagasikara sy any ivelany)

Dia toy izao ny tohin'ny resaka Betroka, satria nisy ramatoa fianakavianay zay tonga teto A/vo tamin'iny herinand
ro iny,zay avy ao amin'ny Fokontany VOROMIANTSA no nitantara bebekokoa ny zava-nisy tany nandritry ny asan'ireo mpitandro-filaminana(forces spcecial).

-Rehefa hiditra amin'ilay tanana reo gendarmes-militaires dia mifehiloha mena daholo ry zareo, mifehy lamba mena koa ny eny amin'ny basin-dry zareo ary mifehy lamba mena sy mainty ny tanan-dry zareo havia-havana.

-T'isy fanontaniana an'i Remenabila fa tonga dia mampihorohoro sy midaroka ,dia nisy tovovavy kely iray (13 ans) teny ambaibo(an-tsaha), notifirin-dry zareo fa tsy voa ary tonga dia nandositra tany anaty ala lay ankizy vavy kely ...roa andro izy vao niverina tamin'ny fianakaviany(roa alina tany anaty ala), nisy jabely (vao avy niteraka roa volana) tsy nomena bodofotsy fa lamba flanelle iray ihany fa dia niaraka tamin'ireo fokonolona tany anaty ala koa nandositra.

-Alohan'ny handoroan-dry zareo ny tanana dia alain-dry zareo daholo aloha zay entana saro-bidy toy ny "volamena-volafotsy(vangovango),lamba flanelle....zay tsy zakan-dry zareo dia atsipitsipiny toy ny lamasinina fanjairana ...dia rehefa avy eo odoran-dry zareo amin'izay reo tanana rehetra na ny lakilasy (ecole), hatramin'ilay drapeau-n'ecole, may daholo ny copie, ny bokin'omby (cahier de bovides),tahirim-bary, tahirim-balahazo....

-Ny tao amin'ny komitim-ponkotany ASELY ,dia nisy lonaky (olo-be) iray tsy nety nivoaka ny trano tonga dia nisintonin-dry zareo tao an-trano dia nokapohan-dry zareo tamin'ny vodi-basy, dia nofantsihan'ny tamin'ilay fantsika (tamin'ny latognambaravarana) ny lohany ,rehefa avy eo notapahin-dry zareo ny filahiany (ny sex), dia nampidirin-dry zareo tao anaty ny kidoro lay rangahy f'efa mitsipatsipaka dia nodoran-dry zareo amin'izay ary notifitifirina .

-Ny tany amin'ny komitim-pokontany Bekivozy sy ny tany amin'ny Fokontany MIARY dia nanaovan-dry zareo ny tifitra lance-roquette,grenade.

-Ny foko Zafindrav'ala amin'iny faritry Dist-Amboasary-sud iny dia tena tratran'izany heri-pamoretana zany daholo ,ny tao MAROMBY ohatra dia betsaka no maty voa-tifitra .

Tsy mbola fantatra loatra ny isan'ireo nosamborin-dry zareo ,satria tamin'ny nanombohan'ilay dian-dry zareo hoan'ny amin'iny faritry an-driry iny dia zay olona avy avy antsinanan'ny Betroka (an-driry),hamonjy tsena ... tonga dia samborin-dry zareo daholo.Tsy mahagaga moa fa ny mpitarika(guide) ndry zareo koa dia olona avy amin'ny foko antanosy,dia mandeha ny tondro-molotra.
Ka ny filazan'ireo havanay dia f'efa mahatratra 45 no isany nosamborindry zareo, ny telo amin'ireo d'efa nalefa Tsiafahy, tsorina etoana fa ts'isy vita fitsarana daholo reo rehetra reo ,ny vahoaka reo koa dia tena tsy mifankahita ny avy aty amin'ny vill-Betroka sy ny any ambanivohitra satria samy matahotra ,na dia ny samy any ambanivohitra torak'izany koa, na ny mpivady tsy mifankahita ,ny zanaka sy ny reny satria samy niparitaka any amin'ny zay andosirany (anaty-ala) .Mampalahelo !

Fa ny mahagaga dia fa nahoana ny foko Zafindrav'ala ihany no enjehina,dorona trano,vonoina...??? .

Ireo olona ireo dia an'ny anaty ala no matory hatr'izao satria mbola matahotra-be, dia ny hariva iny izy ireo no maka balahazo zay eny an-tsaha hohanina ,ts'isy lamba isaforana...nefa zao fotoanan'ny fahavaratra, hatramin'izao tsy mbola taitra ny croix rouge !

Dia ireto zany ny fitambaran'ireo Fokontany sy ny komitim-pokontany may (16) :

Voromiantsa, Miary, Bekivozy, Asely, Ambaro-atety, Ambaro-ambany, Mahatsinjo, Manombo, Agnezan-dava, Ambatomazaka, Morafeno, Egn'omby, Amboandelaky, Abetsizaray, Ambaibo, Ambalasoa .

Ny isan'ireo olona tsy mana-kialofana : 4557.

Fa raha ny mikasika ny eny amin'ny ilan'ny antsimo-andrefana-Betroka - CR-Analamary, Fok-Ankilimary dia tena habibiana sy fandraisana-tsolotra ka tsy ho voatantara eto fa efa misy ny PV zay hatolotro anareo .

Dia mamerina fanindroany fa fisaorana lehibe no atolotro anareo," sitraka hoentina matory ka ho valiana isaky ny mahatsiaro ".

Misaotra betsaka amin'ny fiaraha-miasa .

Mirary soa



http://fanambinanamadagasikara.blogspot.fr/2012/11/tsy-rariny-intsony-kosa-e.html?spref=fb

miverina ao antsainy rehetra ny nanomezany lavanify alalana ny op.tandroka an'i lilyson(ravaravao ny tanana aripaho zay tsy manaiky de lazao oe malaso izy ireo avy eo ... efa nahazo tambi-karama be volany mpandoa hetra Malagasy sy tsolotra ry lilyson nefa toa tsisy azo akory ze dahalo)
ary ny fifampiraharahana nataony beriziky talohan'izany
11. andrywui ( 20/11/2012 12:54)
na ahoana aloha na ahoana le resaka fanamarinantena de tokana ihany ny zavatra hita sy mivaingana izao !!! mazava be !!

NANORINA VALABE I DADA ENTINA HAMORIANA NY OMBY REHETRA HO AROVANA AMINIZAY TSY AHITA MANGIRANA NY MPANGALATR OMBY
DE REHEFA NOJERENA TAO ABY REO OBY DE KAY OMBY AVY NOROBAIN IREO DAHALO NARAHINA VONO OLONA MIKARARANA TANY HO ANY NO NAMENOANA ANILAY VALABE MAUDIT

zay fotsiny aloha hatreto ny resaka ka na hiwawawawa eo aza ny zanak'i dada hanamaritena dia ny lalana de miteny mazava ary ny olona de ambony lalana ! alefa ny ankety sy fanadihadiana rehetra de hita eo ny tohiny !!
12. milamm ( 20/11/2012 13:14)
miteny irery v le wui sa tsy miasa intsony ny betro fa itoerany satroka ftsn e,
efa ny amnesty international zao no manamafy ny loharanombaovao (mukoza)any ifotony nandefa azy any @ amerikana sy ny vondrona eropeana nefa ela miogaoga ao ambadiky ny ordi ftsn fa tsy taiza n'aiza nisavasava ny marina

http://www.tananews.com/2012/11/amnesty-international-des-personnes-agees-et-des-enfants-tues-ou-brules-vifs-par-les-forces-de-lordre/
averiko ihany natao isainana ny loha mba tsy iteny2 foana lol ataoko oe mitapy toa tezitra
13. andrywui ( 20/11/2012 13:26)
Hon hon hon hon ..... Aza manamaritena tsony oa nareo fa mba jereo n'y resaka logique amle izy
14. milamm ( 25/11/2012 15:34)
ela irery no resy lahatra @ lojikanla ry wui fa olona mandinika sy tsy azo tapenamaso na sofina ny rehetra misera eto, na ivazavaza na amorona lainga hafa njay aza lisany mbaminjy lilyson efa vita ketsa io ireto avy no raharaha atsy hop atsy itsarana ny fat @ tribonali iraisampirenena
- alatsinainy mainty nandoroana tananan'iarivo sy namonoana olona 550
- 07 feb 09 nitarihina sy nampirisihana olona hovonoina toy ny moka teny Ambotsirohitra
- ny raharaha ny remenabila noforonina nanaovana vonomoka ny Malagasy zaza amambehivavy @ RPG(lance-roquette) any atsimo nandoroana tanana 10 sy ny foko zafindravala iray manotolo nataony emmo-fat
Iza no naniraka sy nitarika ireo rehetra ireo? izay ngamba de ampy ahafantarana ny tompon'andraikitra miampy ireo porofo sy fitarainana arahana sonia marobe ataony olompirenena mandray ny andraikiny
15. andrywui ( 25/11/2012 21:06)

ela irery no resy lahatra @ lojikanla ry mlamm sy locl fa ny olona mandinika sy tsy azo tapenamaso na sofina ny rehetra misera eto, na ivazavaza na amorona lainga hafa njay aza lisany mbaminjy Mamy rakotoarivelo efa vita ketsa io ireto avy no raharaha atsy ho atsy itsarana ny TIM sy IREO ZANAK iDADA MPANARA-DRENIRANO @ tribonali iraisampirenena
- alatsinainy mainty nandoroan' IREO TIM RESY ANADY ny tananan'iarivo sy namonoana olona 550
- 07 feb 09 NITIFIRANA ny olona hovonoina toy ny moka teny Ambotsirohitra
- ny raharaha ny remenabila noforonina NY VALABE MAUDIT nanaovana vonomoka ny Malagasy zaza amambehivavy any atsimo Iza no naniraka sy nitarika ireo rehetra ireo? I DADA MALALA izay ngamba de ampy ahafantarana ny tompon'andraikitra miampy ireo porofo sy fitarainana arahana sonia marobe ataony olompirenena mandray ny andraikiny
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2427