Ray amandreny manana fitiavana

1. jajajaly ( 07/11/2012 12:52)
Raha maditra ny zanakao, olon-kafa no asainao anasazy azy?
Ary raha fahavalonao io olon-kafa io, vitanao ve ny mametraka ny zanakao any mba hampijaliany noho ny ditrany?

Marina fa resaka momba ny fitaizana izy ity nefa azo valiana hoe inona no tokony atao raha sendra ny ankizy tsy laitra fehezina. Ankasitrahana ny hevitrantsika tsirairay.

www.jw.org/mg/
novalian'i niryna ny 17/11/2012 05:08
2. didi10 ( 08/11/2012 07:16)

jajajaly:

Raha maditra ny zanakao, olon-kafa no asainao anasazy azy?
Ary raha fahavalonao io olon-kafa io, vitanao ve ny mametraka ny zanakao any mba hampijaliany noho ny ditrany?

Marina fa resaka momba ny fitaizana izy ity nefa azo valiana hoe inona no tokony atao raha sendra ny ankizy tsy laitra fehezina. Ankasitrahana ny hevitrantsika tsirairay.

www.jw.org/mg/

Vitan'ny Valovlombelon'i Jehovah ve ny mampianatra ny zanany any amin'ny Sekoly Katolika?
3. jajajaly ( 08/11/2012 08:36)
didi10

HS
mivaona
4. didi10 ( 08/11/2012 11:18)

jajajaly:

didi10

HS
mivaona

:-)
5. leva2 ( 08/11/2012 11:46)

jajajaly:

Raha maditra ny zanakao, olon-kafa no asainao anasazy azy?
Ary raha fahavalonao io olon-kafa io, vitanao ve ny mametraka ny zanakao any mba hampijaliany noho ny ditrany?

Marina fa resaka momba ny fitaizana izy ity nefa azo valiana hoe inona no tokony atao raha sendra ny ankizy tsy laitra fehezina. Ankasitrahana ny hevitrantsika tsirairay.

www.jw.org/mg/

Velona Jesosy!

Tsy misy vahaolana hafa sy mahomby afa-tsy ny fitarihana azy hiverina amin'Andriamanitra ihany namana.
Ny mivavaka ho azy no voalohany tokony hatao.

Misaotra namana!
6. jajajaly ( 09/11/2012 05:58)
Misaotra antsika rehetra namaly. F'izao, avadiko ny fipetrakan'ny sujet.
Inona no zava-nisy nahatonga an'ity lohahevitra ity: Misy filazana fa ny fahavalo hono no tsara toerana hanafay ny zanaka raha maditra izy.
Ny hevintsika, rariny ve izany?

www.jw.org/mg/
7. bor2lais ( 09/11/2012 16:24)
Ny ray aman-dreny dia sady mpaminany (mpitondra ny teny "midina" avy amin'Andriamanitra) no mpisorona ihany koa ("mampiakatra" vavaka amin'Andriamanitra) raha ny zanaka no resahina !

Hevitro manokana ihany anefa io a ! :-)
8. niryna ( 11/11/2012 04:39)

bor2lais:

Ny ray aman-dreny dia sady mpaminany (mpitondra ny teny "midina" avy amin'Andriamanitra) no mpisorona ihany koa ("mampiakatra" vavaka amin'Andriamanitra) raha ny zanaka no resahina !

Hevitro manokana ihany anefa io a ! :-)
ahitsy kely angamba ilay izy fa hafa mihitsy ny hoe mpaminany sy mpisorona izany ka
RaR dia RaR ihany.Nomen'Atra ny zanaka izy mba hitaiza sy hanabe.Mikolokolo sy mamolavola ihany koa ary mandalo fotoan-tsarotra ihany koa indraindray amin'ny fitaizana zaza.Na izany aza dia mametraka ny zaza mba ho eo am-pelantanan'ilay Nahary azy izy ireo. Indrindra moa fa manana olona ny zanaka eny tsy ho voatery hoe hisy olana ihany vao mametraka izany eo amiNy fa mitondra azy ireo ambavaka ny fiainany,ny ho aviny ,ny ditraditra kely ataony,mangataka fifonana amin'Atra ihany koa izy ireo.Tsy misy tsara toy ny mitrotro ambavaka ny zanany koa.
Misy teny ary milaza hoe raha zanaka tsy tia ray aman-dreny miteraha mba ahita.Misy tokoa izany ny zanaka mampijaly ny ray aman-dreny ary msy tokoa ny tsy manaja azy ireny.

Ny hoe omena ny fahavalo izany ny zanaka ,tsy mbola naheno izany aho,ka raha tsy zanaka tsy tiana izy ity ka ny fahavalo no asaina mamolaka azy?
Amiko ny ray aman-dreny no taratra ary ny fitiavana atolony ny zanaka dia efa manampy azy ireny amin'ny toetra ananany raha tsy ohatra angaha ka miangajanaka ny rar dia miborika ilay iray izay mihevitra ny tenany fa tsy tiany satria mitady azy ireo hiraharaha azy izy.
Tsara angamba raha natao tany amin'ny fitaizana ny zaza izy ity
9. moustaraf ( 11/11/2012 11:41)
Salama namana,
jajajaly - 09/11/2012 06:58
Misaotra antsika rehetra namaly. F'izao, avadiko ny fipetrakan'ny sujet.
Inona no zava-nisy nahatonga an'ity lohahevitra ity: Misy filazana fa ny fahavalo hono no tsara toerana hanafay ny zanaka raha maditra izy.
Ny hevintsika, rariny ve izany?

>Raha @ maha olombelona no iresahana dia tsy RARINY ary tsy azon'ny saina ekena, satria ny fahavaalonao tsy hitsitsy anao sy ny taranakao velively,
>Fa raha ara-baiboly dia ENY: Raha mba mamaky ireo tantaran'ny zanak'Isarely isika dia izany anie no fomba fanafaizan'ny Avoindrindra azy ireo e !
Isak'izay TSY MAHATSIARO AZY dia atolony ny fahavalony, mba hofaiziny mafy, baboiny, aringany, sns....mandra-pahatsiarovany ilay Mpanao azy:
DEOT 28:25/32/36/49
SAL44:9-10-11-12
Sns...
10. bor2lais ( 12/11/2012 12:55)
niryna:

ahitsy kely angamba ilay izy fa hafa mihitsy ny hoe mpaminany sy mpisorona izany ka
RaR dia RaR ihany.

Miala tsiny amin'i Niryna fa mety tsy nahay nanazava angamba aho : manao asan'ny mpaminany sy asan'ny mpisorona ny RAR no tiako lazaina.
Niryna:

Nomen'Atra ny zanaka izy mba hitaiza sy hanabe.Mikolokolo sy mamolavola ihany koa ary mandalo fotoan-tsarotra ihany koa indraindray amin'ny fitaizana zaza.

Io izao isan'ny ilay asan'ny mpaminany lazaiko : mitaiza ny zaza araka an'Andriamanitra ! :-)
Niryna:

Na izany aza dia mametraka ny zaza mba ho eo am-pelantanan'ilay Nahary azy izy ireo. Indrindra moa fa manana olona ny zanaka eny tsy ho voatery hoe hisy olana ihany vao mametraka izany eo amiNy fa mitondra azy ireo ambavaka ny fiainany,ny ho aviny,ny ditraditra kely ataony,mangataka fifonana amin'Atra ihany koa izy ireo.Tsy misy tsara toy ny mitrotro ambavaka ny zanany koa.

Io indray izao no antsoiko hoe asa fisoronana ! :-)
Niryna:

Misy teny ary milaza hoe raha zanaka tsy tia ray aman-dreny miteraha mba ahita.Misy tokoa izany ny zanaka mampijaly ny ray aman-dreny ary msy tokoa ny tsy manaja azy ireny.

Ity indray amiko dia fanozonana fa tsy fitaizana ! Endrika fialana andraikitra !

Averiko indray fa fomba fijeriko ihany io an ! ;-)
11. niryna ( 17/11/2012 05:08)

izay vao mazava amiko,misaotra aky a
[/quote]
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0874