VCD FIDY MPANENTANA: Loza raha tanteraka ny faminaniana Mailhol 2013

1. mahafantara ( 07/11/2012 12:46)
Fiz 1

Fiz 2

Fiz 3

Fiz 4

novalian'i niryna ny 17/11/2012 05:15
2. leva2 ( 09/11/2012 17:40)
Velona Jesosy!

Mba misy tiako hambara, na amafisina, na ahitsy namana ny amin'ity resaka fifidianana, fitondrana, filoha hitondra, sns ity.

Tadidio fa misy fanjakana roa goavana be eto amin'ity tany ity :

1- Fanjakan'izao tontolo izao : fanahy ratsy mpamitaka, mpandainga ... izay tsy iza fa i satana no mpanjaka fara-tampony ao.
Dia hoy ny devoly taminy: Homeko Anao izao fanapahana rehetra izao mbamin’ny voninahiny, fa efa natolotra ahy izany, ka izay tiako no homeko azy; koa raha hiankohoka eto anatrehako Hianao, dia ho Anao avokoa izany rehetra izany.. Lio 04/06-07.

2- Fanjakan'Andriamanitra : Jesosy Kristy no Mpanjaka ao, ary natokana ho an'izay mino sy mandray Azy, ka manaiky ateraka indray ho tonga zanak'Andriamanitra amin'ny alalan'ny Fanahy Masina.
Jesosy namaly ka nanao taminy hoe: Lazaiko aminao marina dia marina tokoa: Raha tsy ateraka indray ny olona, dia tsy mahazo mahita ny fanjakan’Andriamanitra. ... Lazaiko aminao marina dia marina tokoa: Raha misy olona tsy ateraky ny rano sy ny Fanahy, dia tsy mahazo miditra amin’ny fanjakan’Andriamanitra izy Jao 03/03-05.

Araka izany, na aiza na aiza fitondram-panjakana eto amin'ity izao tontolo izao ity, ary na iza na iza olona mitondra, na milaza azy ho mpivavaka, hendry, mahay sns dia fantaro izany fa ny fanahy mamitak'i satana no ao ambadiny.

Koa noho izany, aza miditra ao ry namako isany, aza miandany, aza manohana, aza mifidy ary aza maneho hevitra akory fa fahaverezana no lalan'izany, fitaka sy lainga mandrakariva, hevi-petsy, fitiavan-tena, fitiavan-karena, fitiavam-boninahitra, izany no ao. Jereo ny tantara e!

Raha mbola omen'Andriamanitra fotoana ianao, izay hidiranao ao amin'ny fanjakany atao. Izay handrosoan'ny fiainam-panahinao imasoana, izay hahazoanao antoka ny fiainana mandrakizay katsahina.

Misaotra ny namana nampiditra ireto video ireto!
3. Miharena ( 10/11/2012 06:33)
Raha tena tafapariaka àny amin'ny olon-drehetra àry ny resaky ny namana Leva2 dia tsy hisy olona handany andro hanao fifidianana intsony satria firaisana tsikombakomba amin'ny fanjakan'izao tontolo izao izany dia ahoana no hitranga?
4. leva2 ( 10/11/2012 07:28)

Miharena:

Raha tena tafapariaka àny amin'ny olon-drehetra àry ny resaky ny namana Leva2 dia tsy hisy olona handany andro hanao fifidianana intsony satria firaisana tsikombakomba amin'ny fanjakan'izao tontolo izao izany dia ahoana no hitranga?

Velona Jesosy!

Ity izao tontolo izao ity sy ny asany dia miazakazaka mankany amin'ny fahaverezana. Ary efa fantatry ny devoly fa efakely sisa ny aminy ka dia manampatra ny heriny sy ny fahefany izy. Efa voasoratra fa tsy maintsy hiseho izany rehetra izany. Manomboka tena misongadina sy miharihary ny asan'i satana ankehitriny fa tsy miafin'endrika intsony, saingy tsy tsapa, tsy hitan'izay jamba sy lalodalovana ara-panahy.
Efa voasoratra namana fa vitsy no ho vonjena, izany hoe mitaha amin'izay ho voavonjy dia ho maro no hirohotra sy hiazakazaka hanara-dia ity izao tontolo izao ity, ho maro no tafiditra ao amin'ny velaram-pandrik'i satana.

Ny tombon'andro omen'Andriamanitra ahy sy ianao namana Miharena, dia mbola mampiseho ny halehiben'ny fitiavany, ka anomezany antsika fotoana, hialany nenina, hiandrasany antsika hanapa-kevitra hiditra ao amin'ny fanjakany. Hanomezan'Andriamanitra fotoana ihany koa hitaomantsika ny manodidina antsika (havana, namana, zandry, zoky, zanaka, vady, sns) satria tsy misy na iray aza tiany ho very, saingy ny fanapahan-kevitsika no ilainy, ny fanolorantsika tena ho Azy no andrasany. Jesosy Kristy no lalana mankao, Izy no vavahadin'ny fanjakan'ny lanitra.

Raha tafiditra ao anatin'ny fanjakan'Andriamanitra isika, hoy Jesosy hoe "dia hanampy ho anareo izany rehetra izany" Mat 06/33 izany hoe Izy hanome antsika sakafo, fitafiana sns.
Amin'izay fotoana izay dia marina amintsika ilay fanambarany hoe " ny fiadanako no omeko anareo; tsy tahaka ny fanomen’izao tontolo izao no fanomeko anareo" Mat 14/27 izany hoe na toy ny inona fanonjan'ny fiainana, na manao ahoana fisafotofoton'ity izao tontolo izao ity dia marina amintsika io teny io, ary filaminan-tsaina no dikan'izany, fahatoniana, fifaliana mandrakariva, fanantenana. Ny sarisarim-piadanana fanomen'izao tontolo izao (avy amin'i satana) mantsy dia ireto : vola sy harena, voninahitra, fahafinaretana sy filibana ara-nofo.

Mahereza namako!
5. moustaraf ( 10/11/2012 17:06)
Salama namana,
Raha izao fitarihana ataoan'i Leva2 izao dia tena HANOME VAHANA NY MPANDROBA FIRENENA SY NY FORONGONY no tiana hatao;
Manaitra antsika rehetra mpisera fa "Io foto-pampianaran io no nentina NANJANAKA NY FIRENENA AFRIKANA SY MADAGASIKARA" t@ alalan'ny fitoriana filazantsara; rehefa resy lahatra tsara vao nampidirina ny basy sy ny tafondro:
>Rarana ny olom-pirenena tsy hiasa loha @ izany fahefam-pitondrana izany fa asan'ny ratsy izany
>Tsy azo atao ny manohitra fahefam-pitondrana na inona na inona ataony
>Eny fa na dia ny manehoo hevitra aza dia fahotana
>Ny vola sy harena , voninahitra dia tsy natao ho an'ny mpino, satria avy @ Satana izany, nefa terena ihany ny mpino hanao adidy sy rakitra hiveloman'ny mpitarika! Olo-mahantra avokoa ve no resahina anatin'io baiboly io????

Mitovy ihany @ ataon'i Mailhol fa saingy ny paipaika ihany no niova kely= fanjanahan-tsaina ara-pilazantsara!!!

6. leva2 ( 11/11/2012 08:27)

moustaraf:

Misaotra namana Moustaraf, raha izay no fijerinao azy dia tsy maninona.
Fantaro nefa fa MARINA ireto teny ireto :

1- Jesosy namaly hoe: Ny fanjakako tsy avy amin’izao tontolo izao; fa raha mba avy amin’izao tontolo izao ny fanjakako, dia ho niady ny mpanompoko, mba tsy ho voatolotra tamin’ny Jiosy Aho; nefa ankehitriny tsy avy amin’izany ny fanjakako. Jao 18/36.

2- Fantatsika fa izay rehetra naterak’Andriamanitra dia tsy manota; fa izay naterak’ Andriamanitra, dia miaro ny tenany ka tsy mikasika azy akory ilay ratsy. Fantatsika fa avy amin’Andriamanitra isika, ary izao tontolo izao kosa dia mipetraka eo amin’ilay ratsy avokoa. 1 Jao 05/18-19.
3- Fa raha miafina ny filazantsaranay, dia miafina amin’izay ho very izany, izay nohajambain’ny andriamanitr’izao tontolo izao. II Kor 04/03-04.

4- Aza tia izao tontolo izao, na izay zavatra eo amin’izao tontolo izao. Raha misy olona tia izao tontolo izao dia tsy ao anatiny ny fitiavana ny Ray. Fa ny zavatra rehetra eo amin’izao tontolo izao, dia ny filan’ny nofo sy ny filan’ny maso ary ny rehaka momba izao fiainana izao, dia tsy avy amin’ny Ray, fa avy amin’izao tontolo izao ihany. Ary mandalo izao fiainana izao sy ny filany; fa izay manao ny sitrapon’Andriamanitra no maharitra mandrakizay. I Jao 02/15-17.

5- Dia hoy Jesosy tamin’ny mpianany: Lazaiko aminareo marina tokoa fa sarotra ny hidiran’ny manan-karena amin’ny fanjakan’ny lanitra. Mat 19/23.
- Sambatra ny malahelo am-panahy; fa azy ny fanjakan’ny lanitra. Mat 05/03.
- Ka iza moa amin’izy mirahalahy no nanao ny sitrapon’ny rainy? Hoy izy: Ny lahimatoa.
Dia hoy Jesosy taminy: Lazaiko aminareo marina tokoa fa ny mpamory hetra sy ny vehivavy janga efa mialoha anareo ho amin’ny fanjakan’Andriamanitra. Mat 21/31.

6- Dia aza manahy hianareo ka manao hoe: Inona no hohaninay? na: Inona no hosotroinay? na: Inona no hotafinay? Fa izany rehetra izany dia katsahin’ny jentilisa fatratra; fa fantatry ny Rainareo Izay any an-danitra fa tokony ho anareo izany rehetra izany. Fa katsaho aloha ny fanjakany sy ny fahamarinana dia hanampy ho anareo izany rehetra izany. Mat 06/31-33.

Tsy teniko ireo namana fa tenin'Andriamanitra, ary ny Fanahy Masina anie hanokatra ny masom-panahinao handray izany.
7. moustaraf ( 11/11/2012 09:53)
SALAMA NAMANA,
>io indray ilay toko sy andininy TSIMPONTSIMPONINA sy arafidrafitra araka izay itiavana azy, izao angamba no antsoina hoe sakafom-panahy "spécialité garnie"

1- Jesosy namaly hoe: Ny fanjakako tsy avy amin’izao tontolo izao; fa raha mba avy amin’izao tontolo izao ny fanjakako, dia ho niady ny mpanompoko, mba tsy ho voatolotra tamin’ny Jiosy Aho; nefa ankehitriny tsy avy amin’izany ny fanjakako. Jao 18/36.
>Midika ve izany aminareo, fa tokony Fanjakan'ny BAROA , tsy misy mpitondra izany no tokony iainana miaraka @ Mpamonjy anareo. Avela ho an'ny Mpandroba ny harem-pirenena izay foin'ny Mpahary ho an'ny Malagasy sy ny taranany satria mikatsaka ny famonjena IANAREO.
>Averiko foana ho anareo mpitarika sy mpitoriteny ireo fa ilaina ny mamantatra ny CONTEXTE nivoahan'izay teny tiana hohazavaina mba tsy hibirioka tahaka an'io foana isaka izay maneho hevitra:
Mazava be io CONTEXTE io :"dia ho niady ny mpanompoko, mba tsy ho voatolotra tamin’ny Jiosy Aho" - Tsy resaka fanjakam-pitantanana velively ,fa resaka fanoherana ny tsy hanomboana ny Mesia (raha te hanao izany Izy)

2- Fantatsika fa izay rehetra naterak’Andriamanitra dia tsy manota; fa izay naterak’ Andriamanitra, dia miaro ny tenany ka tsy mikasika azy akory ilay ratsy. Fantatsika fa avy amin’Andriamanitra isika, ary izao tontolo izao kosa dia mipetraka eo amin’ilay ratsy avokoa. 1 Jao 05/18-19.
> Eto indray dia resaka ARA-PANAHY momba ny fahateram-baovao ; ilay "Izao tontolo izao" resahina eto dia TSY FANJAKANA AKORY, fa ity NOFO misy antsika ity, sy ny filàany rehetra tsy araka ny sitrapon'ny Avoindrindra. (Mahagaga ny tsy ahafantaranareo izany)

>Ity apetrakao manaraka ity no mamehy izany voalaza izany, ary eto dia tsipihiny tsara ny famaritana an'ilay izao tontolo izao resahina eto:
4- Aza tia izao tontolo izao, na izay zavatra eo amin’izao tontolo izao. Raha misy olona tia izao tontolo izao dia tsy ao anatiny ny fitiavana ny Ray. Fa ny zavatra rehetra eo amin’izao tontolo izao, dia ny filan’ny nofo sy ny filan’ny maso ary ny rehaka momba izao fiainana izao, dia tsy avy amin’ny Ray, fa avy amin’izao tontolo izao ihany. Ary mandalo izao fiainana izao sy ny filany; fa izay manao ny sitrapon’Andriamanitra no maharitra mandrakizay. I Jao 02/15-17.

5- Dia hoy Jesosy tamin’ny mpianany: Lazaiko aminareo marina tokoa fa sarotra ny hidiran’ny manan-karena amin’ny fanjakan’ny lanitra. Mat 19/23.
>CONTEXTE:
"Raha nandre izany teny izany ilay zatovo dia niala t@ alahelo izy ,satria nanana fananana be"
NAHOANA NO AFENINAO IO ANDIAN-TENY IO?

5.1- Sambatra ny malahelo am-panahy; fa azy ny fanjakan’ny lanitra. Mat 05/03.
CONTEXTE:
"MALAHELO AM-PANAHY " eto = enjehina noho ny fahamarinana / fa tsy ilay malahelo 4mis sy ny fadiranovana matin'ny kere, araka izay torinareo akory!
>Impiry impiry Davida nanoratra Salamo noho ny haben'ny Alahelony ; MAHANTRA ARA-NOFO VE IZY?

5.2- Ka iza moa amin’izy mirahalahy no nanao ny sitrapon’ny rainy? Hoy izy: Ny lahimatoa.
Dia hoy Jesosy taminy: Lazaiko aminareo marina tokoa fa ny mpamory hetra sy ny vehivavy janga efa mialoha anareo ho amin’ny fanjakan’Andriamanitra. Mat 21/31
>CONTEXTE:
Tohizo hatra@ andininy faha -32 ny vakiteny ary tsipiho tsara " Fa ny mpamory hetra sy ny vehivavy janga no NINO azy"
>Resaka finoana an'i Jaona mpanao batisa no resaka eto, fa tsy Fahantrana na zavatra hafa akory. MIALA TSINY AMINAO INDRAY

6- Dia aza manahy hianareo ka manao hoe: Inona no hohaninay? na: Inona no hosotroinay? na: Inona no hotafinay? Fa izany rehetra izany dia katsahin’ny jentilisa fatratra; fa fantatry ny Rainareo Izay any an-danitra fa tokony ho anareo izany rehetra izany. Fa katsaho aloha ny fanjakany sy ny fahamarinana dia hanampy ho anareo izany rehetra izany. Mat 06/31-33
CONTEXTE:
>Resaka FANAHIANA = MIKATSAKA FATRATRA = JENTILISA
Fa tsy milaza akory hoe: Aza miasa, aza mitady vola, aza ....., fa ho tonga ho azy eo aminao izany
> Nodidiana ny olom-belona hoe:"Andro 6 no iasanao"= itadiavana sakafo sy izay ilain'ny nofonao.

Averiko aminao ity andininy izay nomenao ahy ity ry namana
3- Fa raha miafina ny filazantsaranay, dia miafina amin’izay ho very izany, izay nohajambain’ny andriamanitr’izao tontolo izao. II Kor 04/03-04
8. leva2 ( 12/11/2012 06:49)
Velona Jesosy!

Misaotra anao namana Moustaraf nametraka ny contexte. Lava tokoa mantsy raha hosoratana eto daholo izany, ka ny vontoatiny no tonga dia napetrako. Fantatro tsara daholo ireo contexte ireo namana, ary tsy napetrako intsony satria nihevitra rahateo aho fa efa haintsika daholo ny tantara niseho.
Nangataka ny Fanahy Masina aho ny mba hanampianY anao raha misy tsy azonao, na diso fandray sy fandika ny teny.

1- >Midika ve izany aminareo, fa tokony Fanjakan'ny BAROA , tsy misy mpitondra izany no tokony iainana miaraka @ Mpamonjy anareo. Avela ho an'ny Mpandroba ny harem-pirenena izay foin'ny Mpahary ho an'ny Malagasy sy ny taranany satria mikatsaka ny famonjena IANAREO.

Dia tena tsy hitanao ve namana hoe hatry ny oviana no efa fanjakan'ny baroa no teto? Olombelona iza no heverinao hahasakana izany? Harem-pirenena : hahavonjy ny fanahinao?

[quote]
2-> Eto indray dia resaka ARA-PANAHY momba ny fahateram-baovao ; ilay "Izao tontolo izao" resahina eto dia TSY FANJAKANA AKORY, fa ity NOFO misy antsika ity, sy ny filàany rehetra tsy araka ny sitrapon'ny Avoindrindra. (Mahagaga ny tsy ahafantaranareo izany)

Dia mila ampahatsiahivina anao indray ve namana fa ny devoly no mifehy ity izao tontolo izao ity? ka raha olon'izao tontolo izao ianao, iza no mifehy anao izany? Mila ateraka indray ianao raha te hiala amin'izany ka mandeha araka ny Fanahy.

>"izao tontolo izao kosa dia mipetraka eo amin’ilay ratsy avokoa" tsy fanjakana hoy ianao, fa inona indray?

4- CONTEXTE:
"Raha nandre izany teny izany ilay zatovo dia niala t@ alahelo izy ,satria nanana fananana be"
NAHOANA NO AFENINAO IO ANDIAN-TENY IO?

Iza namana no tsy hahalala io tantara io? ny heviny : sarotra ho an'ny mpifikitra amin'ny haren'izao tontolo izao sy ny mpikatsaka azy ny hiditra ny fanjakan'Andriamanitra.

5->CONTEXTE:
Tohizo hatra@ andininy faha -32 ny vakiteny ary tsipiho tsara " Fa ny mpamory hetra sy ny vehivavy janga no NINO azy"
>Resaka finoana an'i Jaona mpanao batisa no resaka eto, fa tsy Fahantrana na zavatra hafa akory. MIALA TSINY AMINAO INDRAY

Ny olona mahantra eto amin'ity izao tontolo izao ity anie namana, na ara-nofo na ara-panahy dia tsy dia manan-javatra antenaina eto amin'ity izao tontolo izao ity no dikany e, ary anisan'ny antony haha-mora kokoa ny hidirany amin'ny fanjakan'ny lanitra izany.
Ny vehivavy janga sy ny mpamory hetra izay nino ka voavonjy, mitaha amin'ny mpanora-dalàna sy ny toa anao izay manamafy loha amin'ny karazam-pahalalana tsy mitondra mankaiza.

6- Fa katsaho aloha ny fanjakany sy ny fahamarinana dia hanampy ho anareo izany rehetra izany. Mat 06/31-33
CONTEXTE:
>Resaka FANAHIANA = MIKATSAKA FATRATRA = JENTILISA
Fa tsy milaza akory hoe: Aza miasa, aza mitady vola, aza ....., fa ho tonga ho azy eo aminao izany
> Nodidiana ny olom-belona hoe:"Andro 6 no iasanao"= itadiavana sakafo sy izay ilain'ny nofonao.

Dia izany ve namana no hitanao amin'io teny io? mampalahelo ianao namana!
Ny heviny : izay hidiranao ao amin'ny fanjakan'Andriamanitra aloha imasoana fa homeny anao avy eo raha izay hohanina, na hotafiana, sns izay katsahin'ny jentilisa fatratra.

Mahereza namana!
9. moustaraf ( 13/11/2012 04:03)
Salama namana,
Raha izany no atao hoe MIVAVAKA dia tsy mahagaga raha mahantra NY MALAGASY, satria 90% @ ireo milaza ho mpivavaka no misaina tahaka anao izao daholo!

>Ireo Eropeana nitondra an'izany fomba fandinihana baiboly resahinao sy tompoinao izany anefa: MANAN-KARENA, MIADANA, MIAINA ANATIN'NY LUXE DAHOLO
Ianao sy ny Firenenao izay nandevoziny ara-nofo sy ara-panahy= MAHANTRA, MANGATA-BOLA AMINY, MILELAKA NY FALADIANY, ary tsy manatena ny ho avotra intsony fa miandry ny Fiainana mandrakizay SISA.
>Tsy mampaninona anareo raha ny hafa no miliba sy miaina @ harem-be izay foin'ilay nahary ho anao sy ny taranakao , fa ianao kosa maty noana, mivoron-kitsay,....= OZONA IZANY RY NAMANA FA TSY FITAHIANA AKORY, SOKAFY NY MASO!

> Matoa ianao io afaka mandany fotoana eto @ serasera dia olona manana saranga fa tsy mitrongy vao homana, ka aza mihatsaravelatsihy @ ireo olona tarihanao izay zara raha mahita arapaka!!! Satrinao indrindra raha fadiranovana mandrakizay ireo olona entinao ireo mba ahafahanao MANJANAKA AZY ARA-PANAHY.

>Tonga ny fotoana ialàna @ izany ZIOGA eo am-bozonao izany ry Malagasy!
"Miverena amiko, dia hiverina aminareo aho....Ianao ho lohany fa tsy ho rambony, hampisambotra fa tsy hisambotra, ....ny zanakao lahy sy ny zanakao vavy hataon'ny olona hoe SAMBATRA".

10. Miharena ( 14/11/2012 09:15)
Eo indrinra isika izao namana Moustaraf!

Amin'ny fomba ahoana no ahafahana raha nyrafitra misy dia toy izao ihany?
11. leva2 ( 14/11/2012 15:47)

moustaraf:

Salama namana,
Raha izany no atao hoe MIVAVAKA dia tsy mahagaga raha mahantra NY MALAGASY, satria 90% @ ireo milaza ho mpivavaka no misaina tahaka anao izao daholo!

Velona Jesosy!

Izaho miteny aminao namana fa raha nisy 10% monja tamin'ny malagasy no tena kristiana dia tsy ho toy izao ity firenena ity. Ny ankabeazany dia ilay atao hoe "mivavabavaka". Mino fa misy ilay Nahary azy saingy tsy mankatoa ny teniny. Manaiky fa Jesosy Kristy no mesia saingy tsy mandray azy. "Kristiana" mpanao afera, kolikoly, fetsifetsy sy manambaka ny hafa, mpijangajanja, mpiliba sy mpimamo, mpankafy ny lafiny ara-nofo.
Ny tanjon'ny ankamaroan'ny "kristiana" dia ny ho tafita eto amin'ity fiainana mandalo ity fotsiny ihany fa tsy ny mandrakizay, ny hanam-bola sy harena ary voninahitra no imasoana fa tsy izay hahavonjy ny fanahy.
Fa iza no miteny aminao namana Moustaraf fa mahantra, na fadiranovana ny atao hoe kristiana? Fa inona aminao izany hoe eo ambany fahasoavana? sahiran-dava ve?
Ny tena kristiana namana dia mihoatra noho ny voninkazo eny an-tsaha raha izay hotafiana, mihoatra noho ny voro-manidina raha izay hohanina. Fahasalamana, filaminan-tsaina, fahatoniana : izany no ao anatin'ny fanjakan'Andriamanitra.

Marina ity tenin'i Jesosy ity : "ny fiadanako no omeko anareo".
12. moustaraf ( 14/11/2012 17:15)

leva2:

Salama namana Leva2;
Aza avadibadika ny resaka fa apetraho tsara ny foto-kevitra tohanana fa sanatria ka ho toy ny zazakely isika miresaka eto; Izao no lazainao etsy ambony:

Leva2"a écrit":
"Araka izany, na aiza na aiza fitondram-panjakana eto amin'ity izao tontolo izao ity, ary na iza na iza olona mitondra, na milaza azy ho mpivavaka, hendry, mahay sns dia fantaro izany fa ny fanahy mamitak'i satana no ao ambadiny.

Koa noho izany, aza miditra ao ry namako isany, aza miandany, aza manohana, aza mifidy ary aza maneho hevitra akory fa fahaverezana no lalan'izany, fitaka sy lainga mandrakariva, hevi-petsy, fitiavan-tena, fitiavan-karena, fitiavam-boninahitra, izany no ao. Jereo ny tantara e!

Raha mbola omen'Andriamanitra fotoana ianao, izay hidiranao ao amin'ny fanjakany atao. Izay handrosoan'ny fiainam-panahinao imasoana, izay hahazoanao antoka ny fiainana mandrakizay katsahina"

Io filazanao io nahatonga ny resaka rehetra manaraka; raha ny fahalalako ny devise des chrétiens dia ny hoe" ETRE CHRETIEN C'EST ETRE RESPONSABLE DANS LA SOCIETE", ka ilay fandrarana ataonao no kianiko: "AZA MANOHANA,AZA MAMOAKA HEVITRA, AZA MIFIDY,...."= Ireo ZO fototra maha Olom-pirenena anao mihitsy no ariana sy itsakitsahina. Izany tokoa ve no atao hoe Manaraka ny lalan'i J.Knareo?? Loooozzza beeeeee!

>Io ilay nolazaiko hoe: Avela horobain'ny mpandroba ve izany ireto harena saro-bidy natokana ho an'i Malagasy sy ny taranany??
>Adalana ve izany aminao ny nandatsahan'ireo Tia tanindrazana ny Ràny t@47 nanohitra ny fanjanahan-tany teto?? ka azahoanao miliba sy misera malalaka eto @ ity serasera ity ankehitriny?

>Sao tsy fantarao ary ny tena dikan'ilay tenin'i Mesia hoe "Omeo an'i Kaisara izay an'i kaisara...."?
-tsy ilay hoe "mandoa hetra " fotsiny io akory, fa ireo adidy rehetra maha-olombelona anao, @ maha olon'ny fiaraha-monina anao sy olom-pirenena manana adidy sy andraikitra, @ maha nofo anao miaina sy miriaria eto an-tany, sns....
IZANY NO NAMPIANARINA NY APOSTOLY RY NAMANA A!

>Mampalahelo fa betsaka ny Kristiana tahaka anao tsy mahay manavaka akory ny" Teny ho an'ny ara-panahy, sy ny ho an'ny ara-nofo" ka mamily sy mampibirioka mandrakariva izay rehetra voasoratra.

13. Miharena ( 14/11/2012 18:14)
Leva2 sy Moustaraf

Mba avereno vakiana hatramin'ny voalohany hatramin'ny farany hoe ireo fifamalianareo ireo fa toa lasa manao resaky ny moana sy marenina samy mandrirotra izay tiany voizina ilay izy ka mahavalalanina ny mpamaky fotsiny.

Rehefa sendra adihevitra toy itony aho dia mahita fa tsy manana lalan-kombana ny mpaneho hevitra na nadaniny na ankilany. Izany hoe tsy misy matotra na dia iray aza.
14. moustaraf ( 15/11/2012 03:51)
SALAMA NAMANA,

Ekena tokoa fa mibirioka ity fanehoan-kevitra iray ity, ka aleo ngamba anokafana lohahevitra vaovao ny hoe:
"Ny baiboly ve manohitra ny zo fototra maha olom-pirenena?"Maneho hevitra, mifidy,sns...

On y va!!
15. niryna ( 17/11/2012 05:15)

Miharena:

Leva2 sy Moustaraf

Mba avereno vakiana hatramin'ny voalohany hatramin'ny farany hoe ireo fifamalianareo ireo fa toa lasa manao resaky ny moana sy marenina samy mandrirotra izay tiany voizina ilay izy ka mahavalalanina ny mpamaky fotsiny.

Rehefa sendra adihevitra toy itony aho dia mahita fa tsy manana lalan-kombana ny mpaneho hevitra na nadaniny na ankilany. Izany hoe tsy misy matotra na dia iray aza.
misaotra Miharena a> marina tokoa izany
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.063