Renimpianakaviana midaroka vady sy zanaka, mila ny hevitrareo.

1. njaraiharana ( 28/10/2012 03:48)
Miarahaba
Mba mila ny fomba fijerinareo @ decision noraisiko, @ ito tranganjavatra iray ito.
Za dia raimpiavakaviana, mananjanaka kely vao 4ans, ary vao nisaobady, satria tsy zaka intsony ny fiainana miaraka aminy.
Ilay ramatoa izany, dia tena midaroka be, za nefa tsy sahy mamaly satria mpanao art martial aho ka sao dia daidra eo izy raha namaly aho, ny ahy zakako ihany.
Fa ny tena tsy zakako sy tena antony nisarahako taminy, dia nodarohany ihany koa ilay zazakely vao 4taona monja, ary mangana ny vatan'ilay zaza, ary nisy trace fera mamay, ka ny manodidina no namonjy an ilay zaza tao, nandrapahatonga ahy avy niasa. Marihiko fa salama saina tsara izy, tsisy olana aratsaina.
Rehefa naka hevitra t@ mpisolo vava aho dia nanapakevitra ny nisaraka taminy, ary nalaiko ny zazakely, nisy decision du tribunal mitsy satria violence conjugal no nataony, ary nitondra takaitra kely ilay zaza.
Izy kosa, droit de visite no azony amin'ilay zaza, fa tsy entiny mody.
Ny olana: izy sy ny havany @izao fotoana dia tena manome tsiny be ahy t@le nisarahako sy ny nakako anilay zaza (garde exclusive). Ary tsy mety misy mifandray amiko @izao ny fianakaviany, fa mpifahavalo hono @izao, nefa misy ilay zaza ikambanana.

Ny fanontaniako: araka io fehiny io dia manana ny rariny ve aho raha toa ka nisaraka sy naka ny zazakely ho ahy irery? satria danger ilay reniny. Ary fiarovako ilay zaza no nanaovako an izany.
Tsy dia milamina lotra mantsy ny eritreritro, satria ny havany rehetra manome tsiny ahy daholo, ary misy ihany koa ny havako n omihombokevitra @zareo.
ka mba tiako raha mahazo hevitra aho avy any ankafa, ankotran'ny fianakaviana sy ny namana akaiky.

Mankasitraka
novalian'i MITIA7 ny 07/08/2015 09:21
2. Lars ( 28/10/2012 10:49)
Mampalaelo ny tantaranao ary mafy zany misao-bady izany kanefa mety dia mety ny fanampahankevitrao. Aza misy irarahiana zé hevitry ny fianakaviana zany na ny anao na ny azy satria tsy miankina @izy ireo ny fiainanareo mianaka. Asaivo vadin'izay fianakaviana malaelo azy izy ahitany azy. Mankahery e!
3. Hagg ( 29/10/2012 07:02)

Mankahery anao namana... tena henjana rehefa ny tokatrano no rava ary indrindra ny ankizy no iharany. Ny anao izany violence physique mazava be sady tena misy habibina mihitsy. Ny sasany indray violence morale. Dia io vava sy teny maharary isankarazany io no zakaina isanandroisanadro, ary izany dia na amin'ny lahy na amin'ny ankizy indrindra koa. Tena maharary ny fo isanandro mahare izany. Eo ny vavan'ny fianakaviana sy ny mpiara-monina saingy fiainanao io, ary fiain'ilay zaza koa. Na dia tsy eken'ny kristiana aza izany dia tsy maintsy atao rehefa izay no vahaolana farany. Tsy misy hadisoana izany rahalahy fa dia tonga amin'ilay voalazan'ny namana teo alhoa..ny anao atrehana f'aza miraharaha izay vavan'ny olona any. Ianao sy Andriamanitra irery no mahita azy.
4. vony501 ( 29/10/2012 07:27)
Raha azoko tsara dia efa efatra taona mahery no niarahanareo. Tao anatin'izay, inona no vaha-olana efa narosonao? Raha nisy kanefa tsy nahitam-bokany, fa niafara amin'izao fialanao izao (satria ianao no nangataka fisarahana) dia azoko lazaina fa aretin-tsaina no mahazo ilay ramatoa. Mila fitsaboana (na dia milaza aza ianao fa salama saina izy)
Asa na mba misy fanenenana ihany ao aminy amin'izao fisarahanareo izao fa raha tsy izany dia ilay Fitiavana mihitsy no efa tsy tao hatrany am-boalohany. Olona tiana koa ve moa ho lakoina foana izany ? Daroka izany efa tena hoe tsy hita intsony izay atao vao tokony handeha, fa tsy isak'izay misy ady dia miafara amin'ny daroka. Mahereza ianao rahalahy, izaho tsy mankasitraka ny fisaraham-panambadiana, indrindra raha efa niteraka, saingy raha ohatra izany indray dia tsy hitako izay holazaina
5. njaraiharana ( 29/10/2012 16:04)
Voalohany indrindra dia mankasitraka sy mankatelina @famaliana ny taratasiko, ary @ fankaherezana, fa tena tsy mora ny miaina; ary indrindra ny mitsinjo hatrany ny mampihety sy mahasoa ny sombin'ny aina. Ny misafidy ny hitondrana azy ihany koa manahirana.
Ny faharoa, dia hampiako kely ny fanazavana izany.
T@ fotoana tsy mbola nisy ny zazakely dia tsy mbola nisy ny fikasihatanana nataony ahy, fa harcelement moral fotsiny no nataony. Nony teo @ feno 1ataon teo ilay zaza no nanomboka nikasi-tanana izy, ny harcelement moral manginy fotsiny, sy ny ompa rehetra.
Ary tena mi-provoquer ahy fona izy. Hatreto aloa soa ihany fa mbola vohazoko hatrany ny tanako tsy hikapoka azy.
Efa nampivory fianakaviana aho, indrindra ny avy any aminy hitadiavana vahaolana. Ny vokany d ny oe ny tokatrano fihafihana, d mifarana hatreo. Na ry zareo aza tsy mba miteny azy akory.
Izy izany dia tsy olona masika be, oe olona hatahorana. fa vehivavy tena tsotra be, fa kosa be kizitina be, ary refa tezitra dia ilay manao harcelement, sy violence physik.
Ny eo @ resaka fitiavana, za manokana mbola tia azy, malgre tout; fa ny antony iray nisitahako dia izy nikapoka ilay zaza, sy nampitondra takaitra. Efa diso tafahotra lotra ny nataony. Ary ilay zazakely aza lasa matahotra azy tanteraka.
Rehefa mihaona @ reniny ilay zaza dia ita be fa miferinaina; ary rehefa izahay mianaka irery dia miteny ilay zaza fa matahotra andreniny, ary tsy tia azy intsony fa nankarary azy.
Misaotra
6. Ratoa ( 29/10/2012 22:30)
nety ny fanapaha-kevitra noraisinao. Tsy misy vaha olana io satria efa ny zaza mihitsy no darofany. Ny tena marina tsy tia anao izy anefa nanambady anao noho ny antony izay fantatry izy irery. Ny nahaterahan'ny zaza dia vao maika nampitombo ny tsy fitiavany anao ka aminy dia olona iray ianao sy zaza; Tsy hitany intsony ny maha zaza azy.
Na dia naniry io zaza io aza izy, dia tsy eken'ny sainy io. Misy vehivavy , tsy vitsy, maniry zaza anefa rehefa teraka ilay zaza tsy tantiny. Ny antony dia marary saina izy ka mandratra azy ny fisian'ny zaza. tsy zakan'ny sainy mihitsy ka aleo alavirina aminy ny zaza sao matiny. Izy anefa dia mila fitsaboina ara-tsaina.
Aleo ho tezitra izay tezitra. Tsy no mizaka ny mafy fa ianao
Tsy adala akory ny mpitsara nanome anao ny garde exclusive sy droit de visite fotsiny azy. Atahoran'ny mpitsara hamono ny zaza izy.
Za-draharaha ny mpitsara ka matokia azy, ny tribunal miaro ny ankizy dia efa nisy hatry ny ela be. anisan'ny fepetra fiarovana ny zaza izao fanapahana norainy izao.

AZA ENTINA ANY NY ZAZA fa aleo ry zareo no manantona; Tsy fantatry ny havana, na ny anao na ny azy fa fepetra fitsaboina ny sainy izao noraisin'ny mpitsara izao .

Mahereza
7. primorh ( 04/11/2012 06:08)
fitambarana zavatra marob no manome ny olona 1, ny toetra, ny fomba fijery, fomba fisainana,...Mety misy zavatra maha-sorena azy ao an-trano, dia ny entana nosimbainy, na ny vadiny no ilàny vanona, toy ny teny ratsy,...
Mila mifampiresaka, mifanazava, mifanakalohevitra. Fa tsy tokony ho ny tranomay no hampisaraka ny mpivady, afatsy ny fampirafesana sy ny fahafatesana ihany. Nefa mbola misy fepetra hoe, raha mbola azo atao.
Misy antony mahatonga, sy fototra ny olana rehetra.
Matoa izy midaroka tsy ampiheverana, d misy zavatra ts voavahan'ny sainy ao. Tsy tehilaza izy, fa afeniny @ alaln'ny fihetsika, d sosotra sy sorena ary leo ianao.
Miala tsiny aho raha hiteny izao. Rehefa mampirafy ny olona, na L na Vvy, ka tsy tiany intsony ny ao an-trano, d tezerany avokoa ny ao, potehany, tsy asiany hasina, tsinotsinoaviny,...
Ny fitiavana no hery sy vahaolana lehibe. Asio fifampiresahan mba hiverenan'ny fitiavana indray.
OK
8. sipagasy ( 06/11/2012 18:37)
amiko dia mety ny nataonao ary ilay ramatoa vadinao taloha kosa dia mila mitsabo tena fa 'compulsif ilay violence' ary misy antony ao fa tsy tongatonga à izao dia hidaroka izy,

mahereza
9. pizza ( 08/11/2012 07:46)
mety ny fanapaha-kevitrao ary ny isaorako anao dia tsy mba nikasi-tanana azy enao na dia teo ary ireo tranga ireo
10. BRIOCHE ( 08/11/2012 13:34)

njaraiharana:

Miarahaba
Mba mila ny fomba fijerinareo @ decision noraisiko, @ ito tranganjavatra iray ito.
Za dia raimpiavakaviana, mananjanaka kely vao 4ans, ary vao nisaobady, satria tsy zaka intsony ny fiainana miaraka aminy.
Ilay ramatoa izany, dia tena midaroka be, za nefa tsy sahy mamaly satria mpanao art martial aho ka sao dia daidra eo izy raha namaly aho, ny ahy zakako ihany.
Fa ny tena tsy zakako sy tena antony nisarahako taminy, dia nodarohany ihany koa ilay zazakely vao 4taona monja, ary mangana ny vatan'ilay zaza, ary nisy trace fera mamay, ka ny manodidina no namonjy an ilay zaza tao, nandrapahatonga ahy avy niasa. Marihiko fa salama saina tsara izy, tsisy olana aratsaina.
Rehefa naka hevitra t@ mpisolo vava aho dia nanapakevitra ny nisaraka taminy, ary nalaiko ny zazakely, nisy decision du tribunal mitsy satria violence conjugal no nataony, ary nitondra takaitra kely ilay zaza.
Izy kosa, droit de visite no azony amin'ilay zaza, fa tsy entiny mody.
Ny olana: izy sy ny havany @izao fotoana dia tena manome tsiny be ahy t@le nisarahako sy ny nakako anilay zaza (garde exclusive). Ary tsy mety misy mifandray amiko @izao ny fianakaviany, fa mpifahavalo hono @izao, nefa misy ilay zaza ikambanana.

Ny fanontaniako: araka io fehiny io dia manana ny rariny ve aho raha toa ka nisaraka sy naka ny zazakely ho ahy irery? satria danger ilay reniny. Ary fiarovako ilay zaza no nanaovako an izany.
Tsy dia milamina lotra mantsy ny eritreritro, satria ny havany rehetra manome tsiny ahy daholo, ary misy ihany koa ny havako n omihombokevitra @zareo.
ka mba tiako raha mahazo hevitra aho avy any ankafa, ankotran'ny fianakaviana sy ny namana akaiky.

Mankasitraka
11. njaraiharana ( 14/11/2012 22:16)
Misaotra sy mankasitraka @ vali-taratasy sy ny fankaherezana nalefanareo, ary ny hevitra indrindra indrindra.
12. njaraiharana ( 21/01/2013 16:32)
Ny fivoharan'ny toejavatra.
Tena matahotra andreniny mafy ilay zanako, ary niteny ilay zaza t@ reniny oe:"je t'aime pas maman, tu m'as fait mal" Lasa niteraka olana be io tenin'ilay zaza io; satria vao maika lasa agressive be ilay reniny. ka vao maika mitombo ny tahotro.
Misy fotoana refa mitsena ny zazakely any amianarana aho dia mihaodihaody manodidina ny sekoly izy; ary efa nisy fotoana nisoloky tao ampianarana fa oe izy no maka ny zaza.
Araka ny hevitrareo, mety aminay mianaka ve ny miova ville, mba ho limite ny mety ho tetidratsiny.
Manahy mafy aho mantsy sao dia hangalariny ilay zazakely, izay vao ho loza.
Misaotra
13. Ratoa ( 21/01/2013 21:02)
Ny mifindra monina no mety aminareo mianaka raha misy vaha olana azo raisina moba izany dia aza misalasala fa tsy fantatra izay avaokan'ny ampitso.
14. MITIA7 ( 07/08/2015 09:20)
Inona kosa aloha no Antony idarofany anao foana e, sao mba efa nisy ratrapo niotrika tao anatiny taoMatetika ny vehivavy rehefa misy zavatra mahasahirana ny saina ny toa voatrerona na voakapoka koa ny zanany na dia tsy avy amin'ilay zanany azy ny fahadisoana
Fa tokony ho fantarina aloha inona no Antony idarofany anareo?
Fa raha tsy misy dia mety marary saina tokoa izy izay
Ny vy hono anie tsy mikitrana irery e
Izaho tsy mba mitsaratsara amin'ny lafiny iray izany fa tokony jerena sy hadiadiana tsara daholo aloha ianareo
Mahaiza miresaka sy mamakafaka e sady ianareo efa misy zaza
15. MITIA7 ( 07/08/2015 09:21)

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.9157