Ilay "kapoaka masina"

1. leva2 ( 23/10/2012 15:52)


Velona Jesosy!

Tehirizina ao amin'ny Katedraly ao Valence (Espagne), ilay kapoaka (heverina ho) "masina" niarahan'i Jesosy sy ny mpianany nisotro tamin'izany.
Nifindrafindra toerana be io "kapoaka masina" io talohan'izao toerana misy azy izao, ary anisan'ny nikaroka mafy azy ity i Hitler tamin'ny androny satria anisan'ny ninoany fa hahazoany pouvoir handreseny izao tontolo izao ny fananany azy io, tsy tanteraka nefa izany.
Kajiana sy hajaina fatratra izy io, ary in-4 isan-taona ihany ho azo tsidihina ny chapelle izay misy azy.
Tamin'ny taona 1744 dia nianjera ity kapoaka ity ka vaky nizara efatra, vokatry ny tsy fitandreman'ny pretra iray Don Vicente Frigola nandritra ny lamesa. Maty io pretra io roa andro taorian'izay.

Ny hevitrao namana?
2. didi10 ( 23/10/2012 16:57)
Tsy ny Saint Graal (kapoaka masina)ihany fa mbola ao koa ny Saint Suaire de Turin (lambamena masina), ny Sainte natalité (fahaterahana masina) ao Betlehema, ny Saint Sepulcre (nitsatohan'ny lakroa tao Jerosalema) ny Sainte clous de la croix...

Ireo zavatra rehetra nahakasika mivantana an'i Jesosy fony izy olombelona dia ataon'ny olona ho masina ary hanantenana fitahiana. Ny tsy fahampiana finoana no mahatonga izany ka mora kokoa no mampandalo ny vavaka sy ny fangatahana amin'ny zavatra hita maso sy azo tsapain-tanana toy ireny mba hinoana fa nisy tokoa izany Jesosy izany.
Mihevitra ny olona fa efa lasa lavitra azy ny Tompo ka ireny aloha no akaiky handefasam-bavaka sy hangataham-pitahiana.

i Jesosy anie ka velona e! angataho direct amiNY sy amin'ny anaraNY izay tianao dia ho azonao, tandremo fotsiny sao diso fangataka ka tsy mahazaka fitahiana
Ny anatra tsotra dia katsaho aloha ny fanjakany sy ny fahamariNY dia hanaraka ho azy izany rehetra izany.
3. hery ( 23/10/2012 17:30)
Sao dia teo amin'ny lohan'ilay pretra no nianjera ilay kapoaka masina? Raha izany mantsy dia mety ho niteraka infections ka mety nahafaty azy mihitsy :-)

Tandremo tokoa sao dia manompo sampy. Ny atao oe fanompoan-tsampy dia ny fandraisana ireny "zavatra" ireny ho andriamanitra.

Mitovy amin'ny ataon'ny sasany amin'ny baiboly ihany io. Ilay boky no masina, entina mandroaka demonia, atao any ampaosy sns...
4. andrywui ( 23/10/2012 21:22)
eny oa ry hery !! heverindry zalah fa le objet marina no masina fa tsy i jesosy maty ary nitsangana tam andro fahatelo ary velona izy ! azo hangatahina zavatra rehefa aforitra hiankohoka aminy ny lohalika !
ny tena loza amindry zalah anie ry hery ankoatra an'ireo oe kapoaka masina , lambamena masina toerana nitsatohan'ny hazofijaliana masina de ity ko no tena mampiroborob be anle fanompoantsampy de le fitahirizandry zalah faty na olomasina hamasininy sy angatahiny sy ivavahany any ho any ee , de mamorona anzao rano sy lavenona sy ratsakazo sa tapakazo zao kou ry zalah entina hanodikodinana anlay tena zavatra lehibe de i jesosy maty ka nitsangana indray ary velona izy mandraka ankehitriny ee
5. leva2 ( 24/10/2012 05:35)
Velona Jesosy!

Marina ny fanamarihanareo namana, fa sampy tokoa ireny, na misy hifandraisany amin'ny Tompo aza.
Rehefa indraindraina sy hamasinina toy izao ireny karazan-javatra ireny dia ohatra ny misy pouvoir tokoa, saingy andeha anie hojerena hoe avy aiza tokoa ilay hery?
Eto izao, andeha ialana aloha ilay option iray hoe fifandrifian-javatra no nahafaty ilay pretra, roa andro taorian'ny nahavakisan'ilay kapoaka. Fa andeha atao hoe vokatri'izany tokoa.
Dia toy ny hoe tezitra izany Jesosy ka novonoiny ilay mpanompo nampiasa ny fitaovany.
Toetran'i Jesosy avy aiza koa izany, ho antsika izay mahalala azy?
Moa ve tsy satana no mpanao fihetsika toy izany : masiaka, mpamono olona, sns ...

Mampalahelo anefa namako isany fa mibosesika ny olona hijery azy io, hikasi-tanana sy hangata-pitahiana.

Tsy hitsara anaram-piangonana isika, fa misarika ny sain'izay mahalala hoe : Inona no famaritana ny atao hoe SINAGOGAN'I SATANA?
6. bichette ( 25/10/2012 11:37)
maro ny olona "jamba" aram-panahy ka latsaka ao anatin'ny fanangolen'i satana. lasa manompo sampy indirectement satria tsy ao amin'ilay Andriamanitra MARINA intsony ny tena hitoeran'ny finoany fa anatin'ny zavatra materiel tanteraka
7. hery ( 25/10/2012 12:21)
Ary sao dia mba honohono izany leva2? Sa vaovao marim-pototra?

Izay no nitenenako somary vazivazy hoe nianjerany ve ilay pretra dia maty?

Ny hoe mibosesika hijery indray aloha dia rehef tsy anisany ianao dia mifalia... tsy fantatrao ny antony ibosesehan'ny olona any. Ilay hoe mibosesika mantsy toa hoe fanirian'ny rehetra ny ho any... sa ianao koa maniry hibosesika? Izaho izao tsy mibosesika any satria tsy manana antony manokana hibosesehana any. Fa ny olona mibosesika manana ny antony manokana kosa inoako inona?
8. didi10 ( 25/10/2012 12:38)
Dia eto no hanamafisako fa tsy tokony hanana toerana ao ampiangonana, indrindra eo amin'ny Alitara ny Hazo voasikotra izay antsoina hoe Lakroa satria iankohofan'ny olona, misy aza fiangonana ao Ampandrana ao rehefa atao ny Mariazy dia tsy amin'i Jesosy no atao ny voady fa amin'ny lakroa.
9. hery ( 25/10/2012 18:25)
Any aminareo ve no manao an'izany? :-)

Tsy ao ampiangonanay aloha no manao an'izany dia tsy ivakiako loha...
10. leva2 ( 25/10/2012 18:36)

hery:

Ary sao dia mba honohono izany leva2? Sa vaovao marim-pototra?

Izay no nitenenako somary vazivazy hoe nianjerany ve ilay pretra dia maty?

Ny hoe mibosesika hijery indray aloha dia rehef tsy anisany ianao dia mifalia... tsy fantatrao ny antony ibosesehan'ny olona any. Ilay hoe mibosesika mantsy toa hoe fanirian'ny rehetra ny ho any... sa ianao koa maniry hibosesika? Izaho izao tsy mibosesika any satria tsy manana antony manokana hibosesehana any. Fa ny olona mibosesika manana ny antony manokana kosa inoako inona?


Velona Jesosy!

Documentaire tamin'ny fahitalavitra vahiny iray izy io namana, vao haingana.
Ity ny rohy nahazoako vaovao fanampiny raha mahaliana anao.
http://messe.forumactif.org/t465-le-saint-calice-de-valence

Ilay hoe mibosesika, raha araka ilay documentaire ihany, koa satria voafetra ho in-4 isan-taona ihany ny fisaokafan'ilay chapelle misy azy io, dia manararaotra ny curieux, ny touristes, fa indrindra ireo mangata-pitahiana. Voalaza mantsy fa manao voeux dia mikasika na manoroka ilay lazaina fa "kapoaka masina" dia mahazo valim-bavaka. Nisy nijoro vavolombelona tamin'izay.

Efa mazava be namana fa lalana mankany amin'ny fahaverezana ny toy itony.
Zava-mahaliana mba tsara ho fantatra fotsiny ihany izy itony hita hitandremana sy hananarana ny namana.

Mazotoa namana!
11. andrywui ( 26/10/2012 07:12)
Hery à , n'y any ampiangonanay kou tsy manao anzany !!! Fa n'y ao ampiangonanay ndray ry reto misy fatina,olomasina alevina ato à ireo ozy n'y mopera nay miaro anay , de célébré nay zany jereo zao n'y taolan'i don bosco taty Madagascar reny fa tsapako mitsy oe voatahy n'y malagasy ...
12. leva2 ( 27/10/2012 10:18)

didi10:

Dia eto no hanamafisako fa tsy tokony hanana toerana ao ampiangonana, indrindra eo amin'ny Alitara ny Hazo voasikotra izay antsoina hoe Lakroa satria iankohofan'ny olona, misy aza fiangonana ao Ampandrana ao rehefa atao ny Mariazy dia tsy amin'i Jesosy no atao ny voady fa amin'ny lakroa.


Velona Jesosy!

Hono hoa namana,
Midika inona moa ny sarin'i Jesosy eo amin'ny hazo fijaliana?
Moa tsy fitiavan'Andriamanitra ahy sy ianao ve? Moa tsy Famonjena ve?
Ka raha mampahatsiahy antsika ny fitiavan'Andriamanitra sy ny famonjena nataon'i Jesosy Kristy izany, moa ratsy ve ny fahitana izany mipetaka any an-trano? any anaty fiara? indrindra ao am-piangonana?
Mino aho fa mitahiry sarim-pianakaviana ianao namana, na album photo. Atao inona? fahatsiarovana. Mihoatra lavitra noho izany ny tokony hahatsiarovantsika ny T ompo sy ny asany.

Iombonako hevitra aminao anefa ny tsy tokony hanomezana hasina manoka ireny zavatra ireny satria mivadika ho sampy indray ilay izy amin'izay raha tsy mitandrina, ka ho lasa fitaovana ampiasain'ny devoly hamiliana ny finoantsika.

Misaotra namana!
13. leva2 ( 27/10/2012 10:57)
Velona Jesosy!

Ho fanampin'izay efa voalaza rehetra teo ambony, TANDREMO FA MAMITAKA KOA IRETO :

1- Lakroa, rano voahasina, baiboly, na fitaovana hafa ... ampiasaina handroahana devoly (fahita matetika amin'ny film d'horreur): DISO, fa ny finoanao sy ny ANARAN'I JESOSY ihany no izy.

2- Misy fiangonana ahitana ity soratra ity : "EFITRANO FANJAKAN'I JEHOVAH" : FITAKA, fa izay olona nandray an'i Kristy ka manana ny Fanahiny Masina no antsoina hoe Tempolin'Andriamanitra ka anjakany sy isehoan'ny Voninahitr'Andriamanitra eo amin'ny fiainany.

3- Maro ireo "mpivavaka" no mihevitra fa miditra ny varavaram-piangonana no atao hoe miditra ny fanjakan'ny lanitra : DISO, fa 'IZAHO NO LALANA" hoy Jesosy, "IZAHO NO VAVAHADY" hoy izy; ka ny fandraisana an'i Jesosy ho Tompo no manokatra ny varavaran'ny lanitra ho anao.

4- Maro ny mihevitra fa ny andro alina, na ny toerana maizina sy ny fasana dia fanjakan'ny devoly : DISO, fa fa ity izao tontolo izao ity mihitsy no mbola eo ambany vahohon'ilay ratsy. Nefa na aiza na aiza, ary na ami'ny fotoana inona na inona no iantsoanao ny ANARAN'I JESOSY, dia mihaino izy, dia mamaly izy, ary manafaka sy mamonjy anao izy.

Mbola maro ireo hevi-diso ampiasain'ny devoly hamitahana, fa ireo aloha no mba nomarihiko ry namako isany. Afaka manampy izay tsy feno na tokony ho lazaina isika.
14. didi10 ( 27/10/2012 14:52)

leva2:


didi10:

Dia eto no hanamafisako fa tsy tokony hanana toerana ao ampiangonana, indrindra eo amin'ny Alitara ny Hazo voasikotra izay antsoina hoe Lakroa satria iankohofan'ny olona, misy aza fiangonana ao Ampandrana ao rehefa atao ny Mariazy dia tsy amin'i Jesosy no atao ny voady fa amin'ny lakroa.


Velona Jesosy!

Hono hoa namana,
Midika inona moa ny sarin'i Jesosy eo amin'ny hazo fijaliana?
Moa tsy fitiavan'Andriamanitra ahy sy ianao ve? Moa tsy Famonjena ve?
Ka raha mampahatsiahy antsika ny fitiavan'Andriamanitra sy ny famonjena nataon'i Jesosy Kristy izany, moa ratsy ve ny fahitana izany mipetaka any an-trano? any anaty fiara? indrindra ao am-piangonana?
Mino aho fa mitahiry sarim-pianakaviana ianao namana, na album photo. Atao inona? fahatsiarovana. Mihoatra lavitra noho izany ny tokony hahatsiarovantsika ny T ompo sy ny asany.

Iombonako hevitra aminao anefa ny tsy tokony hanomezana hasina manoka ireny zavatra ireny satria mivadika ho sampy indray ilay izy amin'izay raha tsy mitandrina, ka ho lasa fitaovana ampiasain'ny devoly hamiliana ny finoantsika.

Misaotra namana!


Fantatro ny hetahetam-ponao handalina ny Tenin'Andriamanitra ka mbola mankahery anao hatrany aho.

Fantatrao ve hoe inona ny mahasamihafa ny olona (na fiangonana)mampiasa lakroa sy ny tsy mampiasa?


- Ireo mampiasa lakroa ao am-piangonana, eo amin'ny fiainany andavanadro, any an-trano dia mivavaka amin'ny alalan'ny imagination, ny imagination anefa dia fantatrao tsara fa miainga amin'ny saina (cerveau), ary ny olona mivavaka amin'ny alalan'ny saina dia tsy mahay mivavaka raha tsy "lancena" amin'ny alalan'ireny sary na "symbol" ireny ny eritreritra mba ho tonga any amin'ilay "ivavahana" tokoa ny vavaka atao. Raha mivavaka ianao aorian'ny fahitana sarin'i Jesosy iray ohatra dia iny sary iny no raketin'ny sainao ka handefasany ny vavaka ataony, toa izany koa ny mivavaka sady mibanjina ny lakroa, ilay Jesosy tamin'ny 2012 taona lasa foana no andehan'ny vavakao fa toa adinonao indraindray fa velona Izy amin'izao fotoana izao. Dia eo satana no miditra an-tsehatra satria alainy ilay endrika "imaginenao" amin'ny alalan'ny sary dia iza no hivavahanao izany?

-Ireo tsy mampiasa lakroa na symbole hafa ao am-piangonana na amin'ny fiainany an-davanandro dia ireo olona mivavaka amin'ny fanahy; ampiasaina ny saina satria ny saina mibaiko ny nofo fa tsy natao hibaiko ny fanahy, tsy mila imagination izy fa fantany fa eo ilay Andriamanitra ivavahany, mahery Jesosy na dia tsy hitany maso aza: IZAY ILAY ATAO HOE FINOANA.

Jao 4;23-24
"Hianareo mivavaka amin'izay tsy fantatrareo; izahay kosa mivavaka amin'izay fantatray, satria avy amin'ny Jiosy ny famonjena. 23 Fa avy ny andro sady tonga ankehitriny, raha ny tena mpivavaka hivavaka amin'ny Ray amin'ny fanahy sy ny fahamarinana; fa ny Ray koa mitady ny mpivavaka aminy ho tahaka izany. 24 Andriamanitra dia Fanahy; ary izay mivavaka aminy tsy maintsy mivavaka amin'ny fanahy sy ny fahamarinana.


15. leva2 ( 27/10/2012 19:27)
Velona Jesosy!

Miresaka "imagination" ianao namana didi10, izaho aloh mahatsap oe tsy amin'izay ny ahy reef mivavaka; na dia tsy manameloka ny fiangonana na trano misy lakroa na sarin'i Jesosy aza aho, saingy marihiko tsara fa tsy iankohofana, na hajaina manokana, na omena hasina, fa fahatsiarovana fotsiny ihany.
Eo indrindra ilay teneniko hoe mila mitandrina isika, ary izay mahalala dia mba mizara ho an'ny hafa. Na io baiboly io aza anie namana, dia misy mihevitra fa rehefa atao eo andoha-pandriana io dia maharo amin'ny asan'ny maizina, ny lolo, ny fanofisana ratsy, ny mpamosavy : DISO BE nefa fa Jesosy ihany no vahaolana, fa ny olona manana an'i Jesosy ao anatiny irery ihany no voaaro amin'izany rehetra izany.
Indray andro aho raha nandeha taxiB, tena tao anatin'ny adin-tsaina sy fahasahiranana mafy aho tamin'izay, no nahita tenin'Andriamanitra tao anaty taxiB. Novakiko ilay izy ary tsapako hoe tena natao ho ahy ilay izy, ary nitondra hery lehibe hoahy. Niondrika aho tamin'izay ary nivavaka nisaotra Azy.

Mazotoa namana!
16. didi10 ( 28/10/2012 13:11)
Tsara ny Tompo

Misaotra namana Leva

Raha hiverina amin'ilay resaka lakroa aho dia tiako ho ampiana ihany ny fanazavana:

Ny lakroa dia tsy niova ny "symbole" entiny hatramin'izay ka hatramin'izao, fahafatesana no dikany.

- Mazava ny Teny fa tsy tokony hiankohoka amin'ny sarin-java voasikotra ny olon'Andriamanitra ary tsy azo atao koa ny mi-représenter izay rehetra any an-danitra (Paradisa) sy ny any ambanin'ny tany (helo) (Eks 20,4); ka mino ve ianao fa mipetraka eo ankavanan'ny Ray any an-danitra Jesosy koa maninona no atao sary? efa voalaza ihany koa fa i Jesosy no endrik'Andriamanitra ka raha manao ny sariNY ianao dia manao ny sarin'ny endrik'Andriamanitra (Kol 1,15) izay tena tsy azo atao mihitsy (mahagaga anefa ny fihirana hasina fa misy ny sarin'Andriamanitra Ray).

Miala tsiny fa hanonona anaram-piangonana aho hoentiko hanohy ny fanazavana:

Ny an'ny Katolika dia ampiasaina ny lakroa izay misy ny sarin'i Jesosy eo amboniny
dia hoy ny protestanta hoe: izahay ary tsy hanao ny sarin'i Jesosy raha tsy azo atao izany fa aleo ny lakroa ihany no hijanona eo amin'ny Pilipitra, ..... ka tsy misy valeur ny anie ilay lakroa raha tsy misy an'i Krsity e! fahafatesana ny dikany!!!!

Tahaka ny hoe misy sary na fasana lehibe eo amin'ny pilopitra, dia mba hanome valeur ilay sary dia asiana sarin'i Jesosy mitsangana amin'ny maty eo amboniny, avy eo mahita ilay Eks 20,4 dia noesorina indray ilay sarin'i Jesosy ka ilay fasana sisa no eo, dia mandeha amin'izay ny imagination hoe :"io ilay fasan'i Jesosy fa efa nitsangan-ko velona izy", dia mipetraka ny fanontaniana hoe: izaky ny mahita fasana ve ny Kristiana dia hahatsiaro an'i Kristy nitsangana ho velona? Tsia kanefa ny lakroa eny!!
17. moustaraf ( 28/10/2012 16:52)
Salama namana,
Betsaka tokoa ireo zavatra tokony ho fantarina @ ity fivavahana ity, araka ny lazain'ny namana Leva2 etsy ambonimbony.
Izaho dia tsy sasatra ny manaitra antsika fa tsy izany Baiboly, lakroa, sarisary izany akory no tena hevi-petsin'ilay ratsy, fa "ny fahatanterahan'ny faminaniana momba ny fanovana ny anarana", izay TENA VAVAHADY MIGODANA idirana mivantana manakany @ fahaverezana. Variana @ zavatra tsy misy fotony ny maro , ka ny tena zava-dehibe no atao maivan-danja.

Raha nanazava momba ireo anaran-tsampy "NASISIKA " ao antin'ny baiboly aho teto dia betsaka ireo Tafitohina sy nivandravandra mihitsy ary nihifikifi-doha t@ izay nolazaiko, kanefa dia mbola averiko eto indray:
Tsy kisendrasendra ny fidiran'ireo ANARAN-TSAMPY ireo ao antin'io baiboly io fa tena vain-dohan-draharahan'ny satana mihitsy, ary mba ahafahany mialalao an'izao tontolo izao:
1. Andriamanitra : Tsy nahary ny lanitra sy ny tany, fa Andriana efa maty no natsoin'ny Ntaolo hoe Andriamanitra (Porofo; fary mamay Terminale: Ny fanhendrena malagasy), dikany Atra = Faty.
2.dieu, god, got,..... Sampy grika avokoa ireo (Deius =Zeus= dios....)
3.Jesosy ,avy @ anarana anglisy jesus ,na fratsay Jésus = mbola Zeus ihany no fototeny niaviany
4.Tompo =Sampy Egyptiana (lahy) sy Masina =sampy egyptiana Vavy
Ao @ baiboly DEOT 32: 17 tompo=demonia / Hosea 2: 18 tompo= bala /...
5.Kristy: avy @ anarana mpitaritafika grika kristos / izay tsy misy ifandraisany @ anaran'i Mesia =Hamashyrha.
SNs......
Mitahy ve ireo anarana ireo? ENY, mba tsy hahafantaranao ny marina sy ifikiranao aminy.
Mitondra mankany an-danitra ve ireo? ENY, eo @ lanitra izay iorenan'ny fanjakan'ilay maizina.
Manao fahagagana ve ireo? ENY, fahagagana tena lehibe no ataony:manasitrana,...
Manome fanahy avy any an-danitra ve ireo? ENY, fanahin'ny fahaverezana tahaka ny afo

Ilay kapoaka nisotroana ve? FRIVOLITE RELIGIEUSE izany ,ary fanariana dia fotsiny mba tsy fisokafan"ny masom-panahinao.
18. leva2 ( 28/10/2012 19:46)

didi10:


Ny lakroa dia tsy niova ny "symbole" entiny hatramin'izay ka hatramin'izao, fahafatesana no dikany.

Ny an'ny Katolika dia ampiasaina ny lakroa izay misy ny sarin'i Jesosy eo amboniny
dia hoy ny protestanta hoe: izahay ary tsy hanao ny sarin'i Jesosy raha tsy azo atao izany fa aleo ny lakroa ihany no hijanona eo amin'ny Pilipitra, ..... ka tsy misy valeur ny anie ilay lakroa raha tsy misy an'i Krsity e! fahafatesana ny dikany!!!!

Tahaka ny hoe misy sary na fasana lehibe eo amin'ny pilopitra, dia mba hanome valeur ilay sary dia asiana sarin'i Jesosy mitsangana amin'ny maty eo amboniny, avy eo mahita ilay Eks 20,4 dia noesorina indray ilay sarin'i Jesosy ka ilay fasana sisa no eo, dia mandeha amin'izay ny imagination hoe :"io ilay fasan'i Jesosy fa efa nitsangan-ko velona izy", dia mipetraka ny fanontaniana hoe: izaky ny mahita fasana ve ny Kristiana dia hahatsiaro an'i Kristy nitsangana ho velona? Tsia kanefa ny lakroa eny!!


Velona Jesosy!

Somary ahitsiko kely ihany ny hevitr'ilay lakroa namana : tsy hoe fahafatesana fotsiny amin'izao no dikany, fa FAHAFATESAN'I KRISTY. Midika inona aminao moa ny fahafatesan'i Kristy? moa tsy FAMONJENA ny fanahy, FANAFAHANA amin'ny ota, FANANTENANA ilay mandrakizay, FITIAVAN'Andriamanitra ahy sy ianao.

Somary misy exagération ihany ny hevitrao namana fa protestanta aho fahiny ary fantatro tsara ny hevitr'io lakroa io.
Nisy fifandirana kely tamin'ny katolika izy io fa hoy ny protesatanta hoe : ianareo katolika mbola mamantsika ny Tompo eo amin'ny hazo fijaliana foana, efa ts eo intsony izy fa efa nitsangana.
Raha ny marina nefa dia Kristy maty eo amin'ny hazo fijaliana no antoky ny fanavotana ahy sy ianao, na dia fandresena koa aza no hevitry ny fitsanganany.

Izaho manokana namana didi10, tsy mahatsapa mihitsy izay "imagination" na kisary foronin'ny saina ambaranao rehefa mivavaka, fa Kristy velona ato anatiko dia resahiko na andro na alina, na aiza na aiza misy ahy, ary tsy mila ampahatsiahivin'ny sary na lakroa na zavatra hafa izany, na dia tsy mandiso ny fisian'izy ireny aza aho raha mbola tsy iankohofana sy ivavahana

Ny lakroa eny amin'ny fasana indray, ny fahafantarako azy dia : fanantenana ny amin'ny fitsanganan'ny tena amin'ny maty no heviny. Ka anjarantsika no mijery na diso toerana na tsia.

Misaotra namana amin'ny fanehoan-kevitra
19. leva2 ( 28/10/2012 20:14)

moustaraf:


1. Andriamanitra : Tsy nahary ny lanitra sy ny tany, fa Andriana efa maty no natsoin'ny Ntaolo hoe Andriamanitra (Porofo; fary mamay Terminale: Ny fanhendrena malagasy), dikany Atra = Faty.
2.dieu, god, got,..... Sampy grika avokoa ireo (Deius =Zeus= dios....)
3.Jesosy ,avy @ anarana anglisy jesus ,na fratsay Jésus = mbola Zeus ihany no fototeny niaviany
4.Tompo =Sampy Egyptiana (lahy) sy Masina =sampy egyptiana Vavy
Ao @ baiboly DEOT 32: 17 tompo=demonia / Hosea 2: 18 tompo= bala /...
5.Kristy: avy @ anarana mpitaritafika grika kristos / izay tsy misy ifandraisany @ anaran'i Mesia =Hamashyrha.
SNs......
Mitahy ve ireo anarana ireo? ENY, mba tsy hahafantaranao ny marina sy ifikiranao aminy.
Mitondra mankany an-danitra ve ireo? ENY, eo @ lanitra izay iorenan'ny fanjakan'ilay maizina.
Manao fahagagana ve ireo? ENY, fahagagana tena lehibe no ataony:manasitrana,...
Manome fanahy avy any an-danitra ve ireo? ENY, fanahin'ny fahaverezana tahaka ny afo



Velona Jesosy!

Marina aloha ny fanamarihanao fa tsy ampy hahalaza an'i JHWH ny fanononana hoe Andriamanitra, ary nampiana hoe Andriananahary. Ny hoe ZANAHARY no mahalaza azy kokoa, nefa mbola tsy voatonona satria ZANAHARY = IZAY NAHARY. Fantatry ny malagasy fa nisy nahary tongotra aman-tanana izy, fa tsy fantany ny tena anarany.

Ny teny hoe TOMPO anie namana ka na io écran jerenao io aza rehefa tompoinao sy ivavahanao io dia io izany no TOMPOnao e. Fa ny ahy dia Jesosy Kristy no TOMPOKO.

Ny amin'i Jesosy Kristy indray, tsotra ihany no valiny namana. Izy ity dia araka ilay nolazain'i Jesosy ihany hoe : "ny voany no ahalalana ny hazo" Mat 12/33. Raha tsapanao fa "voa tsara" ianao eo anivon'ny tokantrano, toeram-piasana, fiainana andavanandro, dia fikiro mafy izay "hazo" nanirianao na iza fiantsonao azy na iza.
Fa ny ahy aloha namana dia fantatro tsara hoe taiza aho fahiny ary aiza aho ankehitriny, nanao ahoana aho fahiny ary manao ahoana aho ankehitriny.

Fantatro izay inoako namana ary fikiriko mafy ny JESOSIKO, fa izay filazanao azy eo dia filazanao azy.
20. moustaraf ( 29/10/2012 11:35)
Salama namana,
Ampio ihany ny fandalinana mba tsy hiteniteny foana sy hitoky @n-javatra tsy fantatra:
Teo @ Malagasy dia toy izao ny filahatr'ireo nivavahana:
1.Andriamanitra Andriana nahary = Razana mpanjaka (fara tampony)
2.Andriamanitra= andriana manitra =fatin'ny mpanjaka
3.Razana = fatin'ireo ray be
4.Andriana velona =mpanjaka
5.sns.....

-Taty aoriana dia tonga ny finoana ny Zanahary; Vakio ny boky Fary mamy, fahendrena malagasy, milaza ny momba an'io, fa tsy ilay hevitra iheverantsika azy akory ny niantsoan'ny Ntaolo malagasy an'io:
Yang-Haar =Zang haar =(any @ faritra= zagnahary)= zanahary = Atra masoandro.

-Mampalahelo be isika rehefa voasasa t@ ilay foto-pampianarana romana ny lohantsika, izay mampivavaka an'izao tontolo izao amin'ireo sampiny.

-Tsy nantao hanozongozonana finoan'ny hafa eto akory, fa fifampizarana ihany, ka anjaranay ny milaza hoe ilay ifikaranao anie ka Mesia Grika fa tsy Jiosy e! izay manana ny tantaram-piainany hafa mihitsy.

-Firy amintsika moa no mba mahalala ireo fifanaraha nifanaovan'ny Mpanjaka Radama tamin'ireo misionera nitonra ny fivavahana kristiana, ary ny fomba nandikana ny baiboly malagasy io? Vakio ny tantaran'andriana ao @ fitehirizam-bokim-pirenena fa hazava aminao ny sisa.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.1336