Ilay "kapoaka masina"
21. leva2
(
29/10/2012 19:57)
moustaraf:
Salama namana,
Ampio ihany ny fandalinana mba tsy hiteniteny foana sy hitoky @n-javatra tsy fantatra:
Teo @ Malagasy dia toy izao ny filahatr'ireo nivavahana:
1.Andriamanitra Andriana nahary = Razana mpanjaka (fara tampony)
2.Andriamanitra= andriana manitra =fatin'ny mpanjaka
3.Razana = fatin'ireo ray be
4.Andriana velona =mpanjaka
5.sns.....
-Taty aoriana dia tonga ny finoana ny Zanahary; Vakio ny boky Fary mamy, fahendrena malagasy, milaza ny momba an'io, fa tsy ilay hevitra iheverantsika azy akory ny niantsoan'ny Ntaolo malagasy an'io:
Yang-Haar =Zang haar =(any @ faritra= zagnahary)= zanahary = Atra masoandro.
-Mampalahelo be isika rehefa voasasa t@ ilay foto-pampianarana romana ny lohantsika, izay mampivavaka an'izao tontolo izao amin'ireo sampiny.
-Tsy nantao hanozongozonana finoan'ny hafa eto akory, fa fifampizarana ihany, ka anjaranay ny milaza hoe ilay ifikaranao anie ka Mesia Grika fa tsy Jiosy e! izay manana ny tantaram-piainany hafa mihitsy.
-Firy amintsika moa no mba mahalala ireo fifanaraha nifanaovan'ny Mpanjaka Radama tamin'ireo misionera nitonra ny fivavahana kristiana, ary ny fomba nandikana ny baiboly malagasy io? Vakio ny tantaran'andriana ao @ fitehirizam-bokim-pirenena fa hazava aminao ny sisa.
Velona Jesosy!
Ny ahy namana tsy fary mamy no novakiako fa filozofia malagasy.
Tsy diso ny namaritanao ilay Andriamanitra, fa ilay hoe zanahary kosa tsy itovizako hevitra aminao.
Eto ianao izao dia mamily indray ny hevitry ny teny hoe "zanahary" toy izay nanaovanao ilay hoe "Tompo". Tena teny gasy madio ireo namana fa aza afangaro amin'izay teny grika sns imatesanao any. Tsy nandalina momba ny teny malagasy ianao, tsy ifanomezan-tsiny izany, fa mba miangavy anao aho hanontany mpampianatra teny malagasy farafaharatsiny, raha tsy afaka hikaroka boky malagasy hafa.
Asa namana raha afaka hijoro vavolombelona ny amin'izay fiovam-piainana nentin'ity karazam-pampianaranao ity ianao. Ny voa mantsy no hahalalana ny hazo.
Tsy fijoro vavolombelona ny resaka fahasoavana toy ny vola amin-karena, voninahitra, fanasitranana, fahombiazana isan-karazany fa satana koa mantsy mahay an'ireny, fa ny maty aza hain'i satana ny manangana azy.
Fa ny manova ny fo no tsy hain'i satana. Tsy misy afa-tsy Jesosy irery ihany no mahay manova ny fo ho tonga olom-baovao toy izao :
- Ny fo mpankahala tonga be fitiavana
- Ny mpijangajanga lasa fatra-panaja tokantrano
- Ny mpisotro toaka lasa tsy tia na fofony aza
- sns ....
Tsy mitovy lalana isika namana, fa samia mandini-tena, fa ny iray amintsika dia mizotra mankany amin'ny fahaverezana.
22. moustaraf
(
30/10/2012 04:45)
[/quote]

Salama ndray e!
Eto dia efa tsy mitovy sahady ny Source iaingana , ka aoka tsy hampitovy ny tsy mitovy velively:
.Boky Filozofia malagasy= fikarohana filozofika
.Fary mamay Terminale = Fampitana @ mpianatra ireo fomba sy fisainana malagasy teo @ Ntaolo (fa tsy valim-pikarohana filozofika izay samy mety hanana ny valim-pikarohany)
Raha miresaka io anarana io dia maro no misafoaka sy zara tsy hanozona mihitsy nefa dia izany no VERITE tsy maintsy lazaina, na iza mandray na iza tsy mandray"Tonga izao ny fotoana".
Izaho no lazaina fa mamilivily foana io resaka anarana io eto; tsoriko fa efa betsaka ireo teo alohako no nampaneno lakolosy mitovy @ izany, fa minia manentsi-tadiny ny maro:
Fantatsika ve ny nandikan'ny Pastora Andrimanjato Richard niaraka t@ akademia malagasy ireto teny ireto ao @ boky nosoratany?
1.andriamanitra =price parfumé
2. zanahary=dieu soleil
Eto @ forum dia tsy hifankafantatra velively isika ry Vale2 , fa izaho dia isan'ireo mpikaroka sy mpandalina ny teny Malagasy tokoa, ary isan'ireo izay afaka nandeha ifotony mihitsy, na eran'i Madagasikara izany, na tany @ ireo firenena lazaina fa nipoiran'ny teny malagasy, ka tsy misy olon-kafa ho anontaniako intsony fa izaho no manoratra eto.
-Ny anarana hoe ZANAHARY dia tsy ilay lazain'ny mpikaroka filozofika ankehitriny akory hoe IZAY NAHARY: Mifanakaiky fanononana fa tsy "monème" iray.
Raha ny teny ZANAHARY tononina aty afovoan-tany dia tsy hivadika mihitsy ZAGNAHARY any amoron-tsiraka, fantatsika tsara izany : avy taiza ary ny -GN- / Noho ny afovoan-tany tsy manana , na tsy mahatonona ilay renintsoratra mifampibaby -GN- no nampanitsiana ilay fanononana miainga avy @:
YANG HAAR (Atra masoandro) >> Y miova Z (toy ny @ Waymb= Vazymba......)
Ary io dia isan'ireo izay ivavahan'ireo olona avy @ ireo toerana lazaina fa niavian'ny sasany @ malagasy.
Averiko indray :Misy fifanarahana vaosoratra ao @ tantaran'andriana, fototra niaingana t@ fandikana ny baiboly malagasy :"Raha tsy mampiala ny malagasy @ fivavahany @ Razana, andriana, masoandro ity fiavavahana entinareo ity dia mahazo alalana" ENY hoy ny misonera.
Anjaran'ny tsirairay no mandinika ny tohiny !!!!!
-Eto dia misy asa goavana ataon'i satana mivantana:
Raha vao hazavaina ilay anarana mahavonjy (tena izy), sy ny maha fitaka ireo anarana hafa dia HAMAFISIN' i satana ny FOn'ny maro, TSENTSEMANY tsy hihaino ny sofina, ary JAMBENANY tsy hahita ny maso, hany ka zary MIHIZINGIZINA amin-javatra tsy fantatra ny maro.
Isika mpino rehetra dia MINO fa misy ilay ANARANA TOKANA MITONDRA FAMONJENA, kanefa rehefa manazava isika dia te hilaza mivantana indray FA "na IZY na tsy IZY" no tononina dia EKENY AVOKOA izay rehetra angatahina ary azahoana valiny. Mahagaga ????
23. leva2
(
02/11/2012 11:09)
Velona Jesosy!
Moustaraf>>
Mitombona aminao ity tenin'i Paoly apostoly ity namana :
"Aza misy mamita-tena. Raha misy eo aminareo manao azy ho hendry amin’izao tontolo izao, aoka ho adala izy mba ho hendry. Fa ny fahendren’izao tontolo izao dia fahadalana eo anatrehan’Andriamanitra" 1 Kor 03/18-19
Mihevi-tena ho hendry sy manam-pahalalana loatra ianao namana ka zary mandiso ny hevitry ny teny izay tsotra dia tsotra. Ny teny hoe "Tompo" ohatra dia lazainao fa anaran'andriamani-kafa sns, nefa dia mitovy amin'ny hoe "Seigneur" amin'ny teny frantsay, ary mifanohitra amin'ny hoe mpanompo.
Raha mivavaka aho hoe "Tompo ô", mahafantatra ahy ilay ivavahako satria Jesosy Kristy no Tompo sy Mpamonjy ahy.
Raha mivavaka aho hoe "Ray ô", tsy mila faritana hoe Ray iza indray fa Izy mahalala ny Azy. Ianao ve izany rehefa miantso ny reninao, karohanao aloha ny fiavian'ny teny sao dia anaran-tsampy ny hoe "reny", avy eo dia mila faritana ve hoe Neny Ravao ohatra, fa tsy hahafantatra anao ny reninao raha vao miantso ianao hoe "Neny"?
Ny fahalalanao no tonga fahadalana ho anao namana fa mandiniha tena.
Manaraka izay, fa ahoana no tsy resahinao mihitsy ilay tenin'ny Tompo hoe : "Ny voany no ahalalana ny hazo e"? Fa vavolombelon'ny finoana marina anie ny vokatra aterany e. Efa voalazako fa na satana koa aza mahay fahagagana, saingy misy tsy hainy. Mba efa tsapanao teo amin'ny fiainanao ve ireo fahagagana tsy hain'i satana atao voalazako tetsy ambony ireo?
Raha ny maha-malagasy anao no hitanao fa lalam-pamonjena ho anao namana dia tohizo ho anao ny anao fa tsy miray lalana isika.

24. Miharena
(
03/11/2012 15:13)
Moustaraf:
Ny anarana hoe ZANAHARY dia tsy ilay lazain'ny mpikaroka filozofika ankehitriny akory hoe IZAY NAHARY: Mifanakaiky fanononana fa tsy "monème" iray.
Raha ny teny ZANAHARY tononina aty afovoan-tany dia tsy hivadika mihitsy ZAGNAHARY any amoron-tsiraka, fantatsika tsara izany : avy taiza ary ny -GN- / Noho ny afovoan-tany tsy manana , na tsy mahatonona ilay renintsoratra mifampibaby -GN- no nampanitsiana ilay fanononana miainga avy @:
YANG HAAR (Atra masoandro) >> Y miova Z (toy ny @ Waymb= Vazymba......)
Ary io dia isan'ireo izay ivavahan'ireo olona avy @ ireo toerana lazaina fa niavian'ny sasany @ malagasy.
Faly miatahaba ny namana indray ary raha saika tsy handray anjara amin'ity lohahevitra ity aho dia nahita ity resak'i Moustaraf ity ka te-hiresaka izay mba fahafantarako izany ANdriamanitra sy Kristy izany.
Yang Haar no iangana. Andriamanitra Masoandro hoy Moustaraf eto. Raha hoy i Paoly hoe Andriamanitra dia manerana sy iainana dia ny Masoandro no mampisy aina ny eto ambonin"ny tany. Rehefa tsy eo io dia tsy toy izao ny aina misy eto. Ka tsy rariny àry ve raha niantso izany ny olona nandinika lalina? Raha dihnihina dia mitoetra ao amin'ny Masoandro ny Mpahary, toy ny itoerany ao anaty Tany sy manerana ny erana.
Asa aloha ny fahazoanareo izany Mpahary izany, na ny Avo Indrindra fa ny ahy ny fahazoako Azy dia ILAY MANERANA, MAMELONA NY ZAVA-DREHETRA.
Na i Satana sy Belzebota aza mbola miantso AZY hoe Vieux Papa.
Ka asa hoe inona marina no tena iompanan'ny adihevitra eto rehefa voafaritra tsara ny momba an'Andriamanitra.
25. moustaraf
(
03/11/2012 17:01)
Salama namana,
>Tadidio fa ny firenena rehetra noresen'ny zanak'israely,ary nomena azy ho babony dia nivavaka t@ masoandro sy volana ary kintana avokoa,
>Ireo dia zava-pady tsy azo ivavahana satria asan'ny tanan'ilay Mpahary ; sa efa RAVA indray ny lalàna milaza fa Izy irery ihany no iankohofana???
>Ireo mivavaka @ masoandro dia "Tena io masonadro io no ivavahany sy iankohofany" fa tsy ilay hoe Mpahary manerana ny voary izany!
>Izany no nanovana ny SABATA ho ALAHADY na SUN-DAY (Andron'ny masoandro), voasoratra io anatin'ny "Histoire de l'Eglise"
Leva2
>Izaho tsy mandresy lahatra na iza na iza,ka mahagaga ahy ny maharomotra an'i Leva2 @ HEVITRA AVOAKAKO. Izany anie ny Forum e! hevitra tera-bary!
>Ianreo ve dia mihevitra fa tsy fantatro ireo zavatra resahinareo ireo? sy ny fototra iorenanareo? IZAHO DIA MIHOATRA NOHO IANAREO AKORY AZA!
>Fa satria milaza zavatra izay tsy mbola henon'ny sofinareo ve , de lazaina ho adala?? Tsy maninona fa izany no nanjo ny Apostoly rehetra t@ androny. I Paoly aza nolazaina ho"Lohan'ny Mpioko, sy mpanakorontana"
>Ny teny hoe "Tompo" tsy averiko eto intsony fa misy référence biblika nomeko ireny ,ka samy mamaky
>Ianao izany ry namana no mitarika olona hanaraka ny lalana izay MALALAKA, tsy misy lalàna, migodana, mankany @....

26. Miharena
(
05/11/2012 07:20)

Misaotra ny namana Mustaraf nanome ity fanazavàna ity. Fa lay fomba fiankohofana no tiana mba hazavainao tsara. Atao ahoana no fiankohoka eo anatrehan'ILAY MANERANA?
Mila mazava tsara ny hevitrao namana Moustaraf fa raha tsy izany dia miteniteny foana ihany tsy mahalala izay inoana sy antsoina akory isika. Ilay lazaina ve fa mipetraka eo ambony seza fiandrianana no IZY sa ILAY MANERANA?
27. moustaraf
(
06/11/2012 08:14)
Salama namana,
Satria mi-insiste ianao @ ilay hoe Manerana dia izao no fanazavana azoko entina:
1.Ao @ baiboly original, aloha, dia tsy misy an'ilay hoe FIANDRIANANA fa izao no ilazana azy Kisseh hakavôd= sezam-boninahitra
Ny seza fiandrianana dia natokana ho an'ny Andriana = olombelona mpanjaka nivavahana rehefa maty =na Andriamanitra = sampy (tsy azo ampiasaina @ fivavahana @ Tsitoha)
2.Ilay fomba fiankohofana:
> Izy dia fanahy =izay mivavaka aminy dia mivavaka @ fanahy
>Ny trano izay ivavahana aminy dia TRANO FANAHY
>Isika dia VATO ARAFITRA angonina eo @ tempoly fanahy= (vato maro=tempoly)
Io ilay nolazain'i Mesia hoe"Naiza naiza iangonan-droa na telo dia eo afovoany aho"
=Io ilay adika hoe MANERANA: Na aiza na aiza/
fa tsy ilay hoe:anaty hazo, ao @ masoandro, ao @ ranomasina, omby vavy, kisoa vavy,....ka ivavahana daholo = fanompoana ny asan'ny tanany= sampy

28. Miharena
(
09/11/2012 14:05)

Misaotra anao amin'ny valinteny.
NY momba ny sampy lazainao dia rehefa fiankohofana no manjary sampy ka na Ny Avo Indrindra aza no iankohofana dia sampy ve izay? IZany hoe Izy ilay lazaina hoe manana toeram-boninahitra. Omena voninahitra no mety mahalaza kokoa ny ataontsika olombelona ho an'Andriamanitra Mpahary izao rehetra izao fa tsy fiankohofana angamba. Anisan'ny fanomezam-boninahitra ny fanatanterahana izay fikasana ao AMINY dia ny fampahalalana ny rehetra tsy ho lavon'ny fomba fijery mampisaraka.
Ny amin'ny hoe masoandro sy ny sisa dia tsy misy fiainana ara-nofo vanona raha tsy misy ireo ary ny Tsitoha no Fototra ihetsehan'izy rehetra ireo. Asa na efa azonao an-tsaina hoe ireo soavaly efatra ao amin'ny Apokalysy dia mifandraika amin'ny mpifehy ireo mandrafitra ny voary dia ny Afo; Rivotra, Rano ary tany. Haoth Ha Kodesh hoy ny filazan'i Mikaela azy.
Ka mba tia hijery sy hampifandray indray ny fahatakaranareo ny Apokalypsy indray àry izy ity. Asa na hosokafana lohahevitra iray.
29. ndaohianatra
(
08/04/2013 13:16)
Mba te handray anjara amin'ity resaka ity re ka "aza fady" aza "tsiny" e:
santionany amin'ny teny malagasy fampiasantsika malagasy ireo nataoko amin'ny farango sosona ireo izay fantatsika tsara ny dikany, ary raha mandalina an'izao karazam-pikarohana izao isika fa na ny teny hoe fady sy ny hoe tsiny aza dia manana ny tantarany...rehefa nokororohana teo amin'ny tilikambon'i Babela tokoa mantsy ny fiteny dia samy notarihan'ny fahendreny ny isam-pirenena mandrafitra ireo teny natao hifandraisana teo amin'ny fiarahamonina...nanana ny loharanony tokoa ireny voambolana maro samy hafa ampiasain'ny isam-pirenena ireny ary mivoatra satria misy hatrany ireo voambolana vaovao...teraka tao betlehema i JESOA NA I YESHOUA NA KOA JESUS NA JESOSY...nankany egypta avy eo ny raiamandreniny dia niverina nankany galilia, ary nitety faritra sy firenena maro izy sy ireo apostoly taty aoriana...tsy nitondra mpandika teny izy ireo ary tsy nampianatra langue hebreu fa afaka nifandray tsara tamin'ireo firenena ireo...izany no tsy mba nahitantsika adihevitra nataon'ny apostoly raha nitory tany Roma-tesalonika-foinika-korinto-galatia...sns..fa afaka nitory ny filazantsara tamin'ny fifandraisana mahazatra tamin'ireo firenena ireo..
Ny FANAHY MASINA koa dia nanaiky ny hizara ny TENIN'ANDRIAMANITRA tamin'ny fiteny maro samy hafa rehefa noraisin'ny mpianatra tao Jerosalema ary tsy nampianatra ny hoe...Avy aiza ny fototry ny teny izay ampiasain'ireo...satria azo antoka fa talohan'ny Filazan-tsara dia samy nanana ny adriamaniny ireo firenena ireo na koa ny fiantsoana an'Ilay "Nahary" izao tontolo izao..tsy izany ve no nisian'ilay fifanandrinana teo amin'i Ely Mpaminany sy ireo mpaminanin'i bala ka nilazany hoe "....izay andiamanitra mamaly amin'ny afo dia aoka ho izy no Andriamanitra"...
mampalahelo raha ny fampianaran'ny mpanoratra malaza no entitsika mianatra ny Tenin'i JEHOVAH na YAHWEH na YHVH...satria ireo mpanompony mahatoky rehetra tao amin'ny Soratra Masina dia samy nampianarin'ny Fanahiny daholo fa tsy nampianarin'ny farimamy sy ny bokin'ny terminale izany ...NOA-ABRAHAM NA AVRAHM-LOTA-ISAKA-JAKOBA NA YACOV-SNS...
koa meteza ho mpianatry ny Fanahy Masina araky ny nolazain'i Kristy hoe "...Izy no hampianatra anareo ny marina rehetra..."sns...misy fitaka anie rahalahy isany amin'ireny fampianarana toa marina ireny e...
ndao hianatra e fa ampianarin'ny Teny Masina fa tsy ampianarin'ny Profesora X na i Maître Y...
izaho ndray koa dia tsy mba mankasitraka ny hanehoana antsary an'i Kristy satria tsy manana profo ny maha izy azy io sary io...sady samy hafa be daholo ny endrik'izy ireny..."SAMBATRA KOSA IZAY TSY MAHITA NEFA MINO"...ndaohianatra e!