Fanambadiana mpihavana?
1. manoasoa
(
19/10/2012 13:32)
izany ilay hoe vadiny havany eo lol
novalian'i Nehemiah ny 05/12/2012 15:05
4. Massnatany
(
24/10/2012 12:49)
... Ny zanaky ny mpirahavavy hono no toa tsy mety mihitsy ( hoe iray kibo)...
6. hery
(
25/10/2012 07:52)
manoasoa> Ny fitiavana hono indraindray jamba e. Tsy mahita olona hfa intsony.
8. primorh
(
04/11/2012 06:55)
Taloha efa elab, d azo atao ny manambady mpihavana. Taty aoriana, dia ny mitovy foko, mitovy firazanana, sy fomba.
Rehefea nihasimba b ny hormone ny olombelona, dia tsy afaka mifanambady intsony ny mpihavana, fa miteraka loza, na sampona.
Ary izay mitovy rà, na koa mifanakaiky ny ràan'izy ireo, nefa mivady, dia mety tsy miteraka, na miteraka sampona.

9. vale
(
01/12/2012 23:05)
maha lasa eritreritra ihany aloha io tranga iray io, satria ahoana no nataon'ny taranak'i Adama sy Eva mba hi- "engendré"-na taloha be tany?! O.o fanina tanteraka aho h@ izao, satria tena zavatra mamoafady ny inceste raha amin'izao vavin'andro hiainantsika izao a! iza no afaka mamaly ahy hoe ahoana tokoa ny momba an'io fanambadian'ny mpihavana io, efa nisy hatrizay ve izany izy io? satria ohatry ny efa vonto loatra ny amin'ny resaka inceste ny saiko ka tsy mety hanaiky an'izany mihintsy, sady kiriko be vao mieritreritra an'izany fotsiny, lolll!
10. Nehemiah
(
05/12/2012 15:05)
vale:

Tsotra ny valiny raha jerevantsika @ lafiny ara-Baiboly izao tontolo izao. Araky ny tenin'ny namantsika dia mbola tsy olana t@ niandohan'izao tontolo izao ny mifanambady @ samy mirahavavy. Tadidio fa demi-sœur-n'i Abrahama ihany i Sarah.
Satria maninona hoy ianao ? Rehefa namorona an'i Adama sy Eva i Andriamanitra dia mazava ho azy fa namorona olombelona lavorary, tsy nisy sampona mihitsy tao anaty ADN. Fa rehefa nanota izy mianaka dia nidiran'ny fahalovana izao tontolo izao, ary izay vao nanomboka nisy ny sampona. Ka raha manana fahalalàna ifotony @ resaka génétique antsika dia fantatsika fa misy aretina manaranaka maromaro izay tsy miseho aty ivelany raha tsy ny locus (toerana isehoan'ny gènes) 2 no mitondra ny gène izay mamoaka ny sampona. Ohatra 1 ny albinisme.
Tadidio fa ny sampona dia "diso kopia" tahaky ny DVD mikiky, na ny mandika kasety audio rehefa misy tabataba. Isaky ny génération dia misy sampona 100 vaovao miforona (izay no ataon'ny manam-pahaizana hoe "entropie génétique). Ny ankamaroan'ireny sampona ireny dia tsy dia misy fiantraikany @ vatan'ny olombelona raha jerevana tsirairay, fa raha jerevana @ ankapobeny kosa dia tena ao ny fiantraikany @ vatana, ary angamba izay no nahatonga ny fotoam-piainan'ny olombelona aman-jato taonany maro nidina tsikelikely ho aman-polo taonany taorian'ny Safodrano.
Ka angamba mieritreritra ianao hoe : "Mandrara an'izay anie ny lalàn'Andriamanitra !!!" Ary marina fa Lev. 18 dia mandrara fatratra ny fanambadian'ny samy havana. Nefa jereo tsara fa t@ andron'i Mosesy vao niditra an-tsehatra ity lalàna ity (tahaky ny fisao-bady izany io). Niteny i Andriamanitra hoe "Maroa fara sy mihabetsaha ary mamenoa ny tany" (Gen. 1:28; Gen. 9:1). Efa nihabetsaka aok'izao ny olombelona t@ andron'i Mosesy ka nanapakevitra i Andriamanitra fa ajanona @'zay ny fanambadian'ny samy havana, satria arakaraky ny maha-havana akaiky ny vadinao no mahabe ny chances ipoiran'ny sampona izay miafina ao anaty ADN.
Raha tsy hanambady havana anie antsika dia tokony tsy hanambady mihitsy antsika satria taranak'i Adama sy Eva daholo ny olombelona rehetra lol !
Ka anagamba mahavaly an'ilay fakam-panahy napetraky ny mpikambana iray @'ity sity ity hoe "Avy taiza ny vadin'i Kaina ?" lol :D. Ity fanontaniana iray ity moa no tena akan'ny olona tsy mino an'Andriamanitra fanahy ny mpino mba hanozongozona ny finoany, fa araky ny efa natoroka anao dia misy ny valiny ary tsotra ny valiny ;).