Andriamanitra ao anaty sa ivelany?

1. Miharena ( 14/10/2012 10:09)
Ny olombelona mivavaka am-piangonana dia miantso an'Andriamanitra mpamorona izao rehetra izao avokoa.

Ny vavaka iray ohatra dia milaza hoe Rainay izay any an-danitra..., rehefa adika teny frantsay indray ilay izy dia tsy iray ilay lanitra fa be ida be : Notre Père qui étes aux Cieux.

Rehefa ny horonan-teny Qumran indray ilay izy dia miantso an'Andriamanitra ao anaty izay loha-hevitra natsangako teto ka nilazaniny namana sasany hoe : mivavaka amin'y tenanao ihany ianao raha manaraka io Qumran io.

Dia mipetraka ilay fanontaniana hoe : ao anaty àry Andriamantira sa ivelany ka tadiavina?

Ahoana ny filazan'i Paoly AZY moba ilay hoe Izy no ianantsika sy ivelomantsika? Anaty izany sa ivelany sa manerana?
novalian'i moustaraf ny 11/11/2012 11:55
2. leva2 ( 14/10/2012 16:51)
Velona Jesosy!

Ny fahalalana angamba aloha hoe misy lanitra be dia be, tsy dia zava-dehibe amiko.
Marina tokoa fa Andriamanitra Ray dia tany an-danitra mandrakariva, saingy miasa Izy amin'ny alalan'ireo anjeliny marobe.
Jesosy Kristy zanany kosa no tonga tety, nanatanteraka sy nampahafantatra antsika ny lalam-pamonjena, izay tsy iza fa izy tenany ihany.
Vokatr'izany, izay mino sy mandray ny famonjena, izany hoe mino sy mandray an'i Jesosy dia mandray ny Ray koa :"ary izay mandray Ahy dia mandray izay naniraka Ahy" Jao 13/20
Toy izao no fisehony mba hazavazava kokoa :
Gal 04/06 :"Ary satria zanaka hianareo, dia nirahin’Andriamanitra ho ato am-pontsika ny Fanahin’ny Zanany, miantso hoe: Aba, Ray ô". Izany hoe : rehefa nateraka indray isika ka tonga zanak'Andriamanitra dia monina ao anatintsika izy amin'ny alalan'ny Fanahiny Masina.
I Jao 04/13 : "Izao no ahafantarantsika fa mitoetra ao aminy isika, ary Izy ato amintsika, dia ny nanomezany antsika ny Fanahiny".

Maha-te hanontany namana Miharena hoe : dia tena tsy fantatrao tokoa ve ny amin'izany?
3. Miharena ( 15/10/2012 01:42)
Efa fantatra tokoa ireo fa eto izao dia mbola manana fironana amin'ny fiheverana fa any an-danitra IZY fa tsy ao anatin'ny olona tsirairay. Ilay Fanahy Masina ve ohatra Andriamanira feno sa ampahany ihany ka izany no iantsoana AZY any an-danitra? Io fiheverana io ilay manasaraka ny olombelona Aminy.
4. jojo3t ( 15/10/2012 05:43)
Tsotra be ny valin'io raha atao mivantana : tsy ao anaty Andriamanitra fa ivelany.

Ny fanahy masina, io efa nazavaina lava be teto, tsy vatan'Andriamanitra akory izy io fa hery miasa, ary ampiasain'Andriamanitra amin'ny fikasany rehetra na inona io inona, io fanahy masina io no miasa ao amintsika, ary Andriamanitra dia any an-danitra ihany, nefa kosa mahita tsara antsika sy izay ataontsika rehetra, tsy voatery hidina ety akory izy ka hiditra ao aminao rehefa mila azy enao, io fanahy masina io no irahiny ary tonga ao aminao, toy ny tamin'ny famoronana ihany, efa nampiasainy io hatramizay ka hatramizao.

Izay no mahatonga ilay vavaka hoe Rainay zai any an-danitra, jereo fa rehefa nivavaka i Jesosy dia niantso an'Andriamanitra ary indraindray izy rehefa mivavaka dia miandrandra ny lanitra, ary marina koa ilay etsy ambony hoe maniraka ny anjeliny Andriamanitra hanampy ny olona mitady azy ankoatrany fanahy masina.
5. manoasoa ( 15/10/2012 07:27)
Raiso Jesoa hanjaka eo amin'ny fiainanao dia izay fotsiny ihany.Aza miasa loha amin'ny hoe anatiny sa ivelany,miakanjo lava sa fohy,mihinana sa mifady,Mpamonjy sa Mpanjaka,....fa fantaro fotsiny hoe tena Tompoko sy Mpamonjy ahy marina ve Izy?Farany izay tsotra ny miaraka amin'i Tompo raha tena miaradalana Aminy ianao.
6. Miharena ( 15/10/2012 07:53)
Jojo3t:

Tsotra be ny valin'io raha atao mivantana : tsy ao anaty Andriamanitra fa ivelany.


Izany hoe heverina IZY fa mpanaramaso fa tsy miasa ao anaty.

Ankoatr'izay dia tsy mazava ny fanehoan'i Jojo3t hevitra. Tsy misy fanazavana matotra loatra ny fanohanana ilay hevitra.


Manoasoa:

Raiso Jesoa hanjaka eo amin'ny fiainanao dia izay fotsiny ihany.Aza miasa loha amin'ny hoe anatiny sa ivelany,miakanjo lava sa fohy,mihinana sa mifady,Mpamonjy sa Mpanjaka,....fa fantaro fotsiny hoe tena Tompoko sy Mpamonjy ahy marina ve Izy?Farany izay tsotra ny miaraka amin'i Tompo raha tena miaradalana Aminy ianao.


Marina tsy azo lavina fa ilay fomba fiarahana ve mifanindran-dalana sa ao anaty?
7. Miharena ( 24/10/2012 04:05)
Tsy novalin'ny namana ireo fanontaniana satria angamba izy misalasala?

Ahoana hoy i Paoly : tsy izaho intsony no velona fa i Kristy no velona ao anatiko.

Arak'io, ivelany àary sa ao anaty IZY?
8. moustaraf ( 11/11/2012 11:55)
Salama namana,
1> ENY REHETRA ENY: 2 Tant 16:
-9)fa ny mason'i Adonay mijery eny tontolo eny eran'ny tany rehetra, mba hisehoany aman-kery hamonjy izay manana fo mahitsy aminy.

2> Izaho sy ny Ray dia iray ihany = izay mandray ny Mpamonjy ao am-pony no mandray izay naniraka azy = AO ANATY
Ahoana ny fandraisana Azy? Mino fotsiny tokoa ve, dia akipy mafy be ny maso?
MIsy fomba manokana efa voasoritra ny fandraisana Azy, ary tokony ho heno sy tsapa ao anaty.

3> Monina eo @ VAHOAKANY IZY : "....Dia hidina eo Aho ka honina eo aminy"
Iza ilay vahoaka? Dia ny Fiangoanana = Israely
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.514