four halogène

1. Ratoa ( 09/10/2012 14:42)
Miarahba antsika etoana
izay manana four halogène ka efa nampiasa azy , mba ilazao ny soa azo aminy sy ny tsininy eto fa mikasa ny hividy aho
Misy mivarotra ve etoAntananarivo?
Miasaotra mialoha
novalian'i Ratoa ny 19/10/2012 11:51
2. bichette ( 10/10/2012 11:45)
eto ianao afaka mahita ny hevitry ny olona mampiasa azy :
http://forum.aufeminin.com/forum/cuisine11/__f1582_cuisine11-Utilisation-four-halogene.html

http://forum.aufeminin.com/forum/cuisine1/__f65408_cuisine1--four-cyclone.html

jereo ao amin'ny net directement aloha mandra-pàha misy mamaly an'i toi
3. Ratoa ( 10/10/2012 12:16)
merci bichette
efa hitako ireo fa tsy ampy ahy ny valiteny ao.
voatery mahandro tsisy menaka aho anefa ilaycu it-vapeur atao eo amin'ny fantana manampy rano, moa ny hena ela be vao masaka sady ilay tsirony tsy dia voako loatra. Ny mitono koa anefa tsy vatrako.
Io izany sady grill no four no cuit vapeur fa ny gâteau ndray aho tsy mahazo mihinana (siramamy sy sira).
Ny tiako ho fantatra dia amin'ny lafin'ny fahasalamana. Tsy manimba fahasalamana ve ny halogène.
Misy koa four halogène fa tsy cyclonique, petit four électrique tsotra fotsiny kdia misy halogène manafaingana azy. Ny four lehibe (gaz) sy io électrique manadany be raha dinihana hoe sakafon'olona iray? ny mamelona charbon koa mandreraka raha zavatra kely no atono.
4. bichette ( 10/10/2012 14:54)
toa tsara ihany ilay four raha hay tsara ny mampiasa azy http://blog.provence-outillage.fr/maison/cuisine-maison/cuisiner-avec-un-four-halogene/
5. Ratoa ( 10/10/2012 16:51)
merci akia
o ohatrany toa tsara ilay izy. Ny fahaizana mampiasa azy dia tahaka ny zava-drehetra ihany: fahazarana sy fahazotoana. Tsy natao ho an'ny fianakaviam-be aloha izy fa toa ho tsara fanaovana régime sans sel et matière grasse ary légumes àla vapeur.
6. ravonjison ( 12/10/2012 10:20)

Ratoa:

merci akia
o ohatrany toa tsara ilay izy. Ny fahaizana mampiasa azy dia tahaka ny zava-drehetra ihany: fahazarana sy fahazotoana. Tsy natao ho an'ny fianakaviam-be aloha izy fa toa ho tsara fanaovana régime sans sel et matière grasse ary légumes àla vapeur.

Salut Ratoa, ireto angamba no azoko lazaina ano mikasika ny four halogene:

1- onde á infrarouge no mampihetsika ny molekula ka mahatonga hafanana, noho tsy izany hatahorana mihitsy raha resaka fahasalamana. Au contraire, mahasalama tokoa ny mahandro min´io ( ohatra: azonao esorina ny menaka avy eo..)
2- ny mapiasa an´io dia mampihena ny depense-d´energie-nao, eo aminńy 60 pourcent eo.
3- mampihena koa ny fotoana fandrahoana
4- betsaka ny fomba nahandro azo atao, ary koa azo andrahoana ao daholo na mofo isankarazany , vary , hena , sns...

Itý indray no hitako hoe tsy ampy aminy:

1- hafa mihitsy ny fomba nahandro gasy. Io appareil io tsy mahavita ny nahandro gasy antsakany sy andavany. Ka raha hampiasa an´io ianao tsy maintsy mila mizatra ny tsiron´ny sakafo vita tao. Hafa mihitsy mantsy ny tsiron´ny sakafo natao nahandro gasy.
2- raha te-handro sakafo samihafa telo ianao dia tsy vitany indray mandeha: hanao lasopy, dia hanao henankisoa sy tsaramaso, dia hanao mofo. Tsy vitanao indray mandeha izy rehetra fa tsy maintsy atao aloha ny lasopy, izay vao ny henankisoa sy tsaramao, avy eo vao ny mofo. Noho izany dia tsy maintsy mila fotoana ihany ianao.
7. Ratoa ( 12/10/2012 18:00)
ilay izy aloha tsy natao hanaovana nahandro gasy, mazava ho azy izany, tahaka ny laforo rehetra. Ny "poulet rôti" izao dia efa tsy nahandro gasy.
Mila manao sakafo kely sira sy menaka aho (régime maigre sy hyposodé) ary be légumes. ny gâteau sy hydrocarbonates rehetra dia efa afoy (kely dia kely sisa).

Eo amin'ny lafin'ny fahasalamana no maha lasa eritreritra ahy. Manana micro-ondes aho fa dia ampiasaiko loatra noho ny anton'ny fahasalamana ihany koa. Manome cancer hono ny micro-ondes, sahalana amin'ny ondes magnétiques.
8. ravonjison ( 13/10/2012 08:41)

Io resaka cancer avy amin´ny micro-ondes sy ondes magnétique io ry Ratoa dia resabe ny ankamaroany. Ao anatin´ny four á micro-ondes dia misy micro ondes tokoa saingy tsy mivoaka any ivelany, noho izany dia tsy misy atahorana mihitsy ny amin´iny. Raha ho atsofokao ao ny tananao dia alefanao ilay dia dia possible saingy raha vao misokatra ilay four á micro onde dia tsy mety mandeha ( faniniana natao mihitsy izany : securité)
Raha ny hoe ilay sakafo hafanaina na handrahoana ao mihitsy no mahatonga cancer no eritreretinao , dia azo lavina avy hatrany fa tsy mamela inon´inona ao ilay ondes
...Aza hadino koa eto ambinin´ny tany dia feno ondes be dia be, anisan´izany ny onde magnétique.Dia naninona ary isika olona no mbola tsy voan´ny cancer daholo ny olona noho ny onde magnétique ? Mamela fiantraikany ihany eo amin´ny fahasalamana ny onde magnétique saingy mila avo dia avo laavitra ilay dose , izay vao misy ilay effet. Donc iny koa tsy misy atahorana.
9. sitlo ( 13/10/2012 14:52)
Aza manao an'izany ianao ravonjison fa tena tafavoaka tokoa ny onde amin'ny micro-onde. Fa saingy resaka dosimetrie, izany hoe efa natao ny fanadihadiana ny fatra mety ho zakan'ny olombelona dia natao norme.
Ny maha-samy hafa ny micro-onde sy ny ondes hafa(izay mar tsy voatanisa) dia ny frequence. Ny frequenceny dia efa nokajina indrindra hanetsiketsika ny moleculen'ny rano. Ary fantatsika tsara fa 2/3-n'ny olombelona dia rano.
Raha mila porofo ianao dia mijere stream tsy dia be buffer amin'ny ordinatera mandeha amin'ny wifi. Ohatra: mijere film amin'ny http://justin.tv amin'ny alalan'ny wifi. Dia alefaso tampoka avy eo ny micro-onde. Tsy mila apetraka eo ampotony ny ordi fa na eny 3 metatra miala aminy aza. Dia jereo raha tsy mijanona ny stream afaka 20 segondra eo ho eo. Dia ajanony tampoka ny micro-onde dia jereo fa miverina mandeha ny film.
Midika izany fa tafavoaka, ary manao brouillage ny onde wifi ny onde-n'ny micro-onde. Ary midika izany fa ny ao andakozia rehetra dia lasibatra daholo.
Mety hoe efa natao ny calcul dia tsy dia misy fiatraikany firy ilay izy. Fa saingy ny olombelona tsy mitovy.
10. ravonjison ( 15/10/2012 08:16)

sitlo:

Salut Stilo a.

Marina ny anao fa misy mivoaka avy ao ihany ny ondes saingy kely dia kely mihitsy. Araka ny efa voalazako etsy ambony, rehefa tsy micro-ondes avy amin´ny four io dia ondes hafy indray satria ny manodidina antsika dia feno ondes daholo: avy amin´ny potable, television, radar, appareil de télécommunitaion different... . Ny antony moa dia ireto :

- ny four á micro onde dia namboarina mba tsy hovoaka ny ondes, ary izay tafavoaka dia mba ho kely dia kely : ny rindrina ao anatiny namboarina ma hampitodika ny ondes ho any amin´ny sakafo direct ka tsy hivoaka. Ny varavaran´ny four koa namboarina mba tsy hisy hirika hivoahan´ny ondes.
- ny ondes, arakaraka ny distance alehany no mampihena haingana dia haingana ny energie hoentiny.
- rehefa misokatra ny varavaran´ilay four dia tsy afaka mamoaka ondes ilay source ao.

Ireo no antony hilazako fa tsy misy atahorana amin´ny fahasalamana ny fampiasana four a micro-onde.

Tsy ahaiko ny tianao lazaina amin´ny hoe " lasibatra daholo ny ao andakozia " , ny fahazakoako an´izany dia hoe : harary daholo izay ao andakozia ao na olona na biby satria ho voan´ny micro-ondes. Diso dia diso izany... Ny porofo tokony hataonao dia itý : maka lovia roa misy sakafo ianao, ny iray atsofokao ao anaty four, ny iray indray apetrakao eo akaikin´ilay four. Dia alefanao amin´izay ilay four. Mazava fa hafana ilay sakafo natao tao anatiny. Ilay sakafo napetraka teo akaikin´ny four kosa tsy tokony hafana. Raha mafana ilay sakafo natao teo ivelany , midika izany fa misy micro-ondes betsaka mivoaka avy amin´ilay four ka tokony ho reparer- na na reclamer-na. Izay no fomba azo ilazána fa tsy manimba fahasalamana ny four á micro-ondes, fa tsy hoe alefa ny film dia hita fa tapaka na tsia. Isika koa raha handrefy ondes ao antrano na ny manodidina , sur aho fa tsy misy ondes voarefy foana ao. Efa voalazako, feno onde ny manodidina antsika.

Ka averiko ihany ilay thése notoanako etsy ambony : tsy misy akony amin´ny fahasalamana ny fampiasana four á micro-ondes ao antrano raha toa ka manaraka tsara ny torohevitra fomba fampiasana azy.
Hadisoana lehibe ny fananana four á micro-ondes ao antrano kanefa tsy ampiasaina. Be dia be mihitsy ny fomba nahandro azo atao amin´izy io.
11. sitlo ( 15/10/2012 22:53)
Ekeko hoe feno ondes na aiza na aiza. Eny fa vao mandehatra jiro aza ianao dia efa onde izay.
Fa misy ny atao hoe "dose de rayonnement", izay hoe misy fatrany ny zakan'ny olombelona.
Rehefa misy ireny rayonnement gamma amin'ny accident nucleaire ireny, dia indray voa daholo ny olona. Fa saingy tsy tonga dia marary satria mahatanty ny vantana raha tsy be loatra. Noho izany tsy maintsy miala haingana eo satria mitombo araka ny fotoana ny voarainao.
Ny raisonnement-nao eto dia tahaka ny milaza hoe tsy mandoro ny afo, satria ataovy eo ambony afo ny sakafo, dia asio iray eo ankaikin'ny afo dia jereo raha masaka. Jereo nefa raha tsy maina ny kitoza afaka andro vitsivitsy.
Dia tahaka izany koa, ena natao calcul tsara hoe tantin'ny olombelona ny rayonnement tafavoaka amin'ny micro-onde. Fa tsy midika izany hoe miandrasa eo akaikiny eo.
Marihiko aloha fa izaho dia mampiasa micro-onde isan'andro. Raha 1min na 5min dia manimona. Fa misy olona, indrindra fa ilay tsy mandoha jiro ireny, efa ho adiny iray mihitsy eo foana.
Ny tiako tenenina amin'ny hoe "lasibatra ny ao andakozia" dia anoherako ny hevitrao hoe "arakaraka ny distance alehany no mampihena haingana dia haingana ny energie hoentiny". Marina izany, fa saingy ny lakozia dia kely ihany.
Izaho tsy milaza velively hoe "harary izay mampiasa micro-onde", fa ny toheriko dia ny lazainao hoe "ny four á micro onde dia namboarina mba tsy hovoaka ny ondes". Misy ampahany tafavoaka tokoa. Fomba tsotra anaporofoina izany no nilazako ny resaka wifi sy film teo. Fa raha tena hanao fanadihadiana ianao dia mividiana dosimetre.

Faharoa, ny filazanao hoe maro ny karazana ondes lalovan'ny olombelona isan'andro.

Araka ny efa voalazako etsy ambony, rehefa tsy micro-ondes avy amin´ny four io dia ondes hafy indray satria ny manodidina antsika dia feno ondes daholo: avy amin´ny potable, television, radar, appareil de télécommunitaion different

Ny micro-onde dia miavaka tanteraka amin'ireo. Satria ny micro-onde dia efa natao calcul mihitsy ny longeur d'onde-ny hiranaraka amin'ny dipole-n'ny rano. Ary fantatsika tsara fa ny 2/3-n'ny olombelona dia rano.

Zavatra roa no mila mampiasa micro-onde:
1- aza mitanintanina ela be eo rehefa mandeha ilay izy, tsy sarotra izany
2- ity tsy mbola voalaza teto. Matetika ny olona no mampiasa plastika rehefa mampiasa micro-onde. Tsarovy anefa fa misy poizina ao anatin'ireny plastika ireny ary rehefa mafana ilay izy dia mientona makao anatsy sakafo. Noho izany, rehefa mividy vilia na boaty plastika dia jereo tsara ny soratra hoe "safe for microwave"...
12. ravonjison ( 16/10/2012 08:32)

sitlo:

Ekeko hoe feno ondes na aiza na aiza. Eny fa vao mandehatra jiro aza ianao dia efa onde izay.
Fa misy ny atao hoe "dose de rayonnement", izay hoe misy fatrany ny zakan'ny olombelona.
Rehefa misy ireny rayonnement gamma amin'ny accident nucleaire ireny, dia indray voa daholo ny olona. Fa saingy tsy tonga dia marary satria mahatanty ny vantana raha tsy be loatra. Noho izany tsy maintsy miala haingana eo satria mitombo araka ny fotoana ny voarainao.

Dia tahaka izany koa, ena natao calcul tsara hoe tantin'ny olombelona ny rayonnement tafavoaka amin'ny micro-onde. Fa tsy midika izany hoe miandrasa eo akaikiny eo.
Marihiko aloha fa izaho dia mampiasa micro-onde isan'andro. Raha 1min na 5min dia manimona. Fa misy olona, indrindra fa ilay tsy mandoha jiro ireny, efa ho adiny iray mihitsy eo foana.

Faharoa, ny filazanao hoe maro ny karazana ondes lalovan'ny olombelona isan'andro.

Araka ny efa voalazako etsy ambony, rehefa tsy micro-ondes avy amin´ny four io dia ondes hafy indray satria ny manodidina antsika dia feno ondes daholo: avy amin´ny potable, television, radar, appareil de télécommunitaion different

Ny micro-onde dia miavaka tanteraka amin'ireo. Satria ny micro-onde dia efa natao calcul mihitsy ny longeur d'onde-ny hiranaraka amin'ny dipole-n'ny rano. Ary fantatsika tsara fa ny 2/3-n'ny olombelona dia rano.

Zavatra roa no mila mampiasa micro-onde:
1- aza mitanintanina ela be eo rehefa mandeha ilay izy, tsy sarotra izany
2- ity tsy mbola voalaza teto. Matetika ny olona no mampiasa plastika rehefa mampiasa micro-onde. Tsarovy anefa fa misy poizina ao anatin'ireny plastika ireny ary rehefa mafana ilay izy dia mientona makao anatsy sakafo. Noho izany, rehefa mividy vilia na boaty plastika dia jereo tsara ny soratra hoe "safe for microwave"...

Salut Stilo a,

Tiako ho fantatrao koa fa izao ato ampiasako dia mampiasa RTG ( Roentgen), mitondra dosimetr eo amin´ny tartrako aho, isaky ny roa taona dia tsy maintsy refesina sy verifier io appareil RTG io, refesina daholo hoe haraiza no tratran´io rayonnement RTG io. Tsy maintsy atao araka ny lalána izany atý.

- Averiko indray : misy mivoaka ihany ny ondes saingy kely dia kely tsy mamparary. ( io dia mitovy amin´ilay lazainao hoe resaka dose io). Ka raha ireo ondes kely mivoaka io no entinao hampitahorana olona dia laviko. Raha oharina amin´ny ondes manodidina antsika izy io dia negligeable.
- Averiko koa : ny four dia namboaraina mba tsy hisy ondes betsaka hivoaka mamparary: raha jerenao ireo rindrina ao anaty ilay four dia special no nanaovana azy ( ilay surface) : rehefa mivoaka ilay ondes dia midona amin´io rindrina io , avy eo dia mandeha direct mankao amin´ilay safako ( ondes reflechits). Tsy tonga hoazy izany fa tanjona natao mba tsy hampivezivezy ilay ondes ao anaty four mandritra ny fandrahoana fa kosa hidona amin´ilay rindrina ary avy eo mankany amin´ilay sakafo ( rehefa mandalo ilay sakafo moa ilay ondes dia mivadika angovona hafanana)

Voalaza teo : "Fa misy olona, indrindra fa ilay tsy mandoha jiro ireny, efa ho adiny iray mihitsy eo foana ".
Stilo a , na hijanona 10h eo kaikin´ny four micro-onde aza ianao dia tsy hisy akony aminao izany raha toa ka tsy mandeha ilay four mandritra izany.

Voalaza teo " Zavatra roa no mila mampiasa micro-onde:
1- aza mitanintanina ela be eo rehefa mandeha ilay izy, tsy sarotra izany
2- ity tsy mbola voalaza teto. Matetika ny olona no mampiasa plastika rehefa mampiasa micro-onde. Tsarovy anefa fa misy poizina ao anatin'ireny plastika ireny ary rehefa mafana ilay izy dia mientona makao anatsy sakafo. Noho izany, rehefa mividy vilia na boaty plastika dia jereo tsara ny soratra hoe "safe for microwave"... "
[/quote]

Io dia mifanaraka amin´ny hoe tsy misy akony amin´ny fahasalamana ny four á micro-ondes raha toa ka ampiasaina araka ny torohevitra mikasika ny fampiasana azy.Anisan´izany ny fampiasana lovia specilal.

Voalaza teo:
" Ny raisonnement-nao eto dia tahaka ny milaza hoe tsy mandoro ny afo, satria ataovy eo ambony afo ny sakafo, dia asio iray eo ankaikin'ny afo dia jereo raha masaka. Jereo nefa raha tsy maina ny kitoza afaka andro vitsivitsy.
Dia tahaka izany koa, ena natao calcul tsara hoe tantin'ny olombelona ny rayonnement tafavoaka amin'ny micro-onde. Fa tsy midika izany hoe miandrasa eo akaikiny eo."

Ka izay mihitsy no tiako hambara amintsika mpamaky eto e : ny afo dia fantatra fa mandoro. Betsaka koa anefa ny tombotsoa azo avy aminy. Noho izany mila fantarina tsara ny afo ary metriser-na ny mikasika azy. Atao izay fomba rehetra mba ahazoana ilay tombotsoa avy aminy, ary koa atao izay fomba rehetra mba tsy handoro antsika ilay afo. Toy izany koa ny micro-ondes.
13. Ratoa ( 16/10/2012 12:32)
mahaliana daholo ny valiteny omen'i sitlo sy ravonjison na dia tsy mamaly mivantana ny fanahiako aza. Fa ny zavatra tiako ho fantatra na manitikitika ny saiko dia ny halogène. Ary ny fanontniana mipetraka dia samy mikasika ny four micro-ondes sy ny four halogène: mankaiza ireo rayons ireo, ny halogène sy ny micro-ondes, rehefa masaka na mafana ny sakafo ampandalovina aminy? Ampafirin'ny ondes na halogène no tafajanona anaty sakafo. Mino aho fa tsy avy dia mandao ny sakafo izy ireny rehefa mijanona ny four. Any no mipetraka ny fanontaniako fa tsy any amin'ny momba ny olona mampiasa ireo fitaovana ireo akory.
14. ravonjison ( 16/10/2012 16:22)

Rato a , raha namaky tsara ianao dia ny valinteny ilinao dia efa nalefako, ao amin´ny valinteny nomeko an´i Stilo, satria sur aho fa io fanontanianao io mihitsy no matetika misy mythus, itý no valiny:
"....rehefa mandalo ilay sakafo moa ilay ondes dia mivadika angovo-na hafanana..."

Hazavaiko : ny four á micro onde sy halogene dia namboarina special mba hitodika mankao amin´ilay sakafo daholo ireo onde miforona avy ao amin´ny source. Ireo ondes ireo rehefa mitsofoka ao amin´ny sakafo dia mampihetsika ny molekulan´ny rano ao ary mivadika ho angovo-na hafanana rehefa avy eo ( raha tsorina : mivadika ho hafanana ilay ondes ao)...Izay no mahatonga aho milaza fa tsy misy hidiran´ny resaka cancer mihitsy ao. Ka na hafanainao injato aza ilay sakafo dia tsy misy ondes mijanona mihitsy ao fa lasa hafananana daholo. Tsy misy ondes intsony izany ao anatin´ilay sakafo.
Izay no antony hilazana fa tsy misy akony amin´ny fahasalamana mihisty ny fihinanana ilay sakafo nafanaina tao.
15. Ratoa ( 17/10/2012 22:42)

tsy misy akony amin´ny fahasalamana mihisty ny fihinanana ilay sakafo nafanaina tao.

Sarotra ihany ny hinoana izany satria ireo sakafo anie ka vao ontsankontsana tsy misy ohatra izany. Ireo mlécules -drano, inoako fa ireo hafa koa, "précipitées" hoy nu vazaha ka raha oviana ireo vao tafa verina amin'ny toerana?
16. ravonjison ( 18/10/2012 07:52)

Ratoa:

tsy misy akony amin´ny fahasalamana mihisty ny fihinanana ilay sakafo nafanaina tao.

Sarotra ihany ny hinoana izany satria ireo sakafo anie ka vao ontsankontsana tsy misy ohatra izany. Ireo mlécules -drano, inoako fa ireo hafa koa, "précipitées" hoy nu vazaha ka raha oviana ireo vao tafa verina amin'ny toerana?

Tsy misy finoana izany eto Ratoa , efa izay no lalanan´ny fijika. Raha vao mitsofoka ao ireo ondes dia mampihetsika ny ny molekulan´ny rano ary mivadika hafanana avy hatrany. Raha vao lasa hafanana ireo ondes dia mijanona koa ny fihetsiketsehin ´ny molekolan´ny rano ( mihamangatsiaka ilay sakafo: izany hoe raha tianao hafana tsary ny sakafo dia mila toizanao ny fandefana ilay ondes, halavainao ny fotoana handefasana ny four ), satria mba hampihetsika azy dia ilay foana ny ahatongavan´ilay onde. Resaka fotoana fohy dia fohy izany. Tsy manandanja ny hoe oviana ireo vao tafaverina amin´ny toerany ( satria amin´io fototana io izy dia efa mitovy amin´ny rano nafanaina tsotra ihany, ny important dia ny hoe raha vao mifampikasoka amin´ireo rano ilay onde dia lasa hafanána avy hatrany : resaka 1/ 100000... sekondra izany.
Tsy possilble izany eto ny hoe alefanao ilay four , ajanonao avy eo , dia hitohy ireo zavatra mitranga ao. Raha vao ajanonao ny four dia tapaka daholo koa ireo zavatra rehetra mandeha ao... Ny hafanána fotsiny ihany no voatahiry ao raha toa ka saronanao tsara ilay lovia.
17. bichette ( 19/10/2012 11:38)
mahaliana be mihitsy ny resaka eo !
momba ny micro onde aloha, mivoaka ihany ilay izy, indrindra raha misy otran'ny aeration, ssatria rehefa mandeha micro onde aho ka maka zavatra eo akaiky eo ohatra, ka manakaiky ilay otran'ny aeration amin'ny sisiny ny tanako (a peut près25cm na 30 cm) dia rehako otran'ny mandrivotra hafahafa izany, otran'ny rehefa misy mikikika be amin'ny tel portable dia re ny onde. ka tena mampatonga saina tokoa ilay hoe ny olona dia 2/3 rano ary tratran'ny onde dia manetsika ny molecule ! marina mihitsy izany !
rehefa mandeha ny micro onde no hatahorana.
sao dia tokony hanaovana dinika hafa mihitsy aloha ilay resaka micro onde e ? hihihii
18. Ratoa ( 19/10/2012 11:51)
ny maha tonga ahy anontany mantsy dia namaky article aho milaza fa avela hipetraka sahabo 2mn30 s eo ho eo ny sakafo nafanaina na nahadroina tamin'ny micro onde izay vzo hanina , mba hiverina amin'ny toerznz ny " molécules précipitées".
Dia nanontany tena aho hoe dia ahoana indray koa ny momba ny four halogène?
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1258