Mila mpanome rà maika

1. hery ( 06/10/2012 13:03)
Efa henonareo ihany angamba fa misy ankizy kely herintaona sy tapany marary nanaovana antso avo hifanampiana. Amin'izao fotoana izao dia mila rà maika indray ilay zaza koa manentana antsika izay afaka mandalo eny amin'ny HJRA Antananarivo hanome rà mba hanao izany.

Tsy mifidy groupe satria tsy izay rà omenao no omena avy hatrany an'ilay zaza fa hanoloana izay rà mitovy sokajy ampidirina aminy fotsiny.

ISAKY NY ALATSINAINY HATRAMIN'NY ZOMA DE 7H30 à 10H30 no fanaovana izany, mila misakafo tsara, tsy nisotro toaka tsy nifoka sigara. Izay afaka hanao izany anefa dia mba mampilaza anay, antsoy na andefaso sms avy hatrany i Maminirina (03402 220 49) satria mba mila fantany hoe iza no nandeha nanome rà any fa manjary lazain'ny Banque de sang mbola tsy nanolo poches de sang izahay.

Misaotra antsika.

Ny vaovao hafa mikasika ity zaza ity dia azo jerena ao amin'ny http://www.facebook.com/SaveJosephine
novalian'i hery ny 10/10/2012 12:10
2. bichette ( 10/10/2012 11:32)
inona ny groupe sanguin aloha ,
3. hery ( 10/10/2012 12:10)
B+ ny groupe sanguin-ny fa toa hoe afaka manome ra hafa koa dia soloina sns. Fa mila tenenina fotsiny hoe ho an'i RALIVAO FITAHINTSOA JOSEPHINE

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2479